zavanisy farany.

21. mandrindra ( 06/04/2005 14:35)
dia mitohy ihany aloha ny fanehoankevitra ry haingo23 a.
pitchou, ny fampitahana anie tsy voatery amin'ilay mpitondra teo aloha e. Mba banjino ihany koa ny zava misy aty ivelany ka azo hoarina amin'ny any amintsika, ary dia misy dia misy tokoa izany.
Hoy ianao hoe hodina tsy hita ireo zavabita. Hasio lohahevitra mikasika an'izay mba ahafantaranay azy e. Misy tokoa anie izany, saingy ny fiainana andavanandro aloha no hita hoe mitotongana dia izay no tsikeraina voalohany.
22. pitchou ( 06/04/2005 17:50)
ka aza ferana hoa ny fisainana! ny tianao lazaina izany d i chirac na ry bush no filamatra? raha te-hahita izany hoe fandrosoana na fampandrosoana izany dia izay nialana teo aloha no anoharana ny ankehitriny, ary ny ankehitriny no anoharana ny rahampitso! fa tsy ny fitsiriritana ny any am-bilian'ny hafa! efa fahotana mahafaty rahateo ny fitsiriritana!
izay vitan'ny firenenao omaly ihany no tsy maintsy resenao anio!
aza mba maty lolo @ ny an'ny hafa hoa fa ny antsika bola manja noho izany e! :)
23. fijo ( 06/04/2005 22:14)
mandrindra an,asaise na hoviana no tonga taty ,fa za efa nisy nisy ihany ,ka izao no azoko lazaina.
raha oharina ohatra ny mpitondra aty frantsa sy ny any mada.
tamin'ny za vao tonga taty,raha manana 150ff ianao dia mahavita sakafo 3 eriandro izay.izao anefa raha manana 15eurs=100ff ianao mahavita kaly firy andro?
tamin'ny za niala tany mada ,dia korotan dalana no nisy tany.tamin'ny za nandalo faranytany,lalana vita tsara no hitako tany.

ka raha atao ny kajy izany dia nihemotra ny taty ,ary nandroso ny any.iza izany no tokony hanaovana fampitahana?
24. mandrindra ( 07/04/2005 07:19)
fijo sy pitchou, vakio tsara aloha ny lazaiko fa ny aty ivelany anie tsy voafetra ho lafrabtsa na bekitana na eoropa ihany hoy aho hoe :"Mba banjino ihany koa ny zava misy aty ivelany ka azo hoarina amin'ny any amintsika". Ary ny tiako ho lazaina dia izay tsara aty ivelany ihany jerena sy kendrena. Aza manao fanahoarana amin'ny ratsy fa tsy mamapandroso izany. Izaho anie tsy manao koa hoe jereo dia tsirirto ny an'ny hafa.
Ilay fomba fiteny mantsy ny teo aloha aza efa nanao ny ataony ko, marina izany fa raiso ny andraikitra satria safidinao ny te ho eo ka ny tsara hatrany banjinina. Hanome ohatra iray aho, raha ny mpitondra teo aloha ve nangalatara 1 milliard, ka ny ankehitriny managalatra 500 millions dia ekenao, satria raha hoarina ireo dia tsaratsara kokoa ny nataon'ny taty aoriana.
Mikasika ny fanoharana nataon'i fijo amin'ny eto frantsa dia marina fa nihena ny fahefamividy tao anatin'ny ataoko hoe roapolo taona eo hoe eo (tsarao raha tsy mitovy hevitra amiko ianao), dia raha te hanao fanoharana dia alaivo ny vola gasy dia ampitahao koa ny fihenan'ny fahefamividy tao antin'ny roapolo taona. Tamin'ny 1985, tany dago 10000 fmg izany anie ka sosy be, ankehitriny ariary 2000 inona sisa no azony. Noho izany tsy fanoharan tsara i frantsa raha io no resahana. Raha izay no tianao resahina dia andao hijery izay naton'ny sinoa ohatra, na ny indiana.
Raha ny lalana efa nihabetsaka ny lalana vita. Fa ny fahavitan'ny lalana ve aminareo dia midika hoe fandrosoana?
25. pitchou ( 07/04/2005 19:06)
Ka ataovy mazava tsara aza raha fantatrao hoe iza no tianao hampitahana aminy raha izany! fa tsy atao hevitra misidina kely fotsiny d rehefa azavaina d lazainao fa tsy ireo firenena ireo ka! nefa ireo fona ny références n'ny gasy hatrizay!
fa ny resakao kosa aloha mandrindra d tsy misy antony tsy misy dikany izay vitan'ny gasy! ka tsy lasa izany! tsy izany no atao hoe fandrosoana. Raha te-handinika aza enao dia ho hitanao fa ny firehana eran'izao tontolo izao mikasika ny atao hoe fandrosoana dia tsy ny fanakarana sy fanenjehana izay ataon'ny hafa!
sa ny tianao lazaina kosa hoe mba ho otran'ny volana i mada? raha izay d aleoko izao ihany!
26. fijo ( 07/04/2005 21:11)
mandrindra ny fahavitan'ny lalana dia efa anisan'ny fandrosoana,ary anisan'ny antoka hampandroso ny firenena iray.
27. mandrindra ( 08/04/2005 10:52)
pitchou, efa misy firenena roa notanisaiko ao, raha mamaky tsara ianao. Ianao ihany anie ry pitchou no nanao hoe :\"ka aza ferana hoa ny fisainana\", ko nahona no hijanona amin\'ny bekintana sy lafrantsa fotsiny no atao fanoharana. Efa andron\'ny fanatontoloana izao ka misokafa amin\'ny rehetra, mandehana jereo ny any bengladesh izay firenena mahantra toa antsika, ahoana no famboledry zareo vary, toy ny ahoana koa ny fanangonany ny vokkatra, dia raiso izay tsara ary ampiharo. Sa ny ampitahaina dia ny hoe efa toy izao ny fambolena tamin\'ny androndRatsiraka dia efa tsy nihembotra aloha dia tsara izay. Tokony hiezaka isika hanana ny culture de l\'excellence. Mametraka tanjona, ny tsara foana no kendrena fa tsy hifampitaha amin\'ny ratsy.
Tsy ny firenena manankarena ihany akory no mahavita zavatra.
Raha ny hevitro indray no anontanianao hoe inona no ato hoe fandrosoana dia tsotra, afaka mihinana ny ampya aloha ny vahoaka, afaka mitafy, mahatsabo tena ary manampihalofana.
Fijo, anisan\'ny fandrosoana hoy ianao ny lalana, marina izany fa fitsinjovana ho an\'ny ho avy io, fa misy zava dehibe izay maika sy ankehitrio, izao dia izao no ilana azy izay tokony nimasoana niaraka tamin\'io na talohan\'io aza. Misy vokatra tahaka ny inona tany amin\'ny faritra tsirairay nahavitana lalana ka nilana izany hazakazaka fanamboarana haingana izany. Tsy tokony ho nampianarana sy nentanina hamokatra bebe kokoa ve ny mpamboly mba ahafahana mifehy ny vidiny, moa ve tsy ny tombotsoanan\'ny daholobe no tadiavin\'ny fanjakana sa izao no ato ho libéralisme ?
Ny fandrosoana ve dia ny fitsinjovana ny mety ho avy izay mety ho tombony azo avy amin\'ny lalana afaka 15 na roapolo taona fa ny olana ankehitriny hodiantsy hita. Tsara ny mibanjina ny ho avy fa raha ratsy ny ankehitriny dia mino ve ianao fa io zavatra tsara natao ho an\'ny ho avy io dia hitondra ny vokatra nantenaina?
28. sonwin ( 08/04/2005 16:09)
mandrindra> ny olona atao hoe mahay mitondra an dia manana ny atao hoe vision à long tèrme na inona entina na inona> fiara, avion, entreprise,zanaka, fitiavana, firenena> moa ve mijery ny ambany maso..raha jerena ny ambany maso inona no mitranga???fanampiny satry ho vita daholo ny zavatra rehetra fa tsy maintsy misy ny atao hoe priorité, misy ny tetikady, etc...dia miaritra kely fa ho avy ny soa sy ny tsara. Tsy mora akory ny manarina firenena nalatsiky ny hafa tany anaty lavaka..raiso ohatra raha misy olona latsaka tany anaty lavaka..tena manahirana tokoa ny misintona azy hiakatra indrindra moa raha naratra..dia vao maika fa firenena!!! feno olona maro be!!..aza tia tena ka hoe ny anio ihany, ny zanaka any aoriana tsinjovina=>vision à long tèrme
29. pitchou ( 08/04/2005 18:00)
mandrindra> tena mifindra enao monina any bengladesh raha any no hitanao fa mandroso kle! ary aza mipetraka ao @ ville fa somary misintaka kely! d aza mitaraina avy eo an!
hiresaka momba ny fambolem-bary eneo? mety tsy fantatrao angamba fa ny gasy no isan'ny nanao au point teknika sy semences azahoana vokatra ambony, saingy mifanehatra @ olona otranao, ny any bengladesh ihany no hitany fa tsara, fa ze vita teto tsy izy ...
d aiza kay ny tany tsy ahitana na iray aza @ ireo tanisainao fa taratry ny fandrosoana ireo? aza miteny hoe bengladesh an!
dia aza adino fa ny firenena dia azo oharina @ zaza ihany! i mandrindra mety hoe tsy nandalo t@ izany fahazazana izany fa tonga d tapi-pahaizana t@ université satria nisy olona mana-pahaizana be fantatra d tonga d iny fa tsy nandalo ny dingana ambanimbany! saingy tsy otran'izany no atao hoe fandrosoana ho an'ny firenena, tsy ny fanabatiana ny vitan'ny eo an-toerana no atao hoe fandrosoana, indrindra fa mbola betsaka ao @ilay firenena no mitarika azy hidina fa tsy hisondrotra
30. mandrindra ( 11/04/2005 09:24)
Dia izao ry pitchou a, tsara be ilay teknika fambolembary ahazoana vokatra be nataon'ny malagasy, fa maninona isika no mbola manafatra vary aty ivelany. Izaho tsy niteny hoe mandroso bengladesh amin'ny akapobeny, fa manana fomba fambolena vary sy fitananna izany hitako fa mety izy. Marina ny lazainao fa mahantra izy, nefa jereo manondrana vary ry zareo nefa vary ihany koa no fototsakafony. Fantaro hoy aho ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara.
Ny amin'ny resaka hoe mijery lavitra indray anie dia tsara izany hoy aho. Fa raha ny ho avy fotsiny ihany no banjinina fa hadinoina ny ankehitriny dia sarotra ny ahatanterahana ny faniriana. Tsara anie ny hoe natao ny lalana e, fa inona no harena novokarina ambonin'ny talohan'ny fahavitan'ny lalana. Ny manao lalana zavatra iray. Rehefa avy eo dia tsy maintsy karakaraina iny lalana iny. Izao be loatra ny natao, aiza ny harena nentiny, iny anie ka vola nindramina ary tsy maintsy averina. Tsy aleo ve natao tsikelikely mifanadrify amin'izay fivoaran'ny fiharinkarenan'ny faritra tsirairay.
31. pitchou ( 11/04/2005 18:10)
ary maninona ianao no ny fanarana @zao fotoana no tanisainao? tsy mitsikera ianao hoe viana ny gasy no nanomboka nanafatra vary? d maninona no lasa manafatra vary? tena sarotra be ve ny mahazo an'izany ho an'olona mahay mikirakira solosaina? Sao dia filam-boa tsy ary kosa aloha ny anao e! mitady miracle fantatra fa tsy hitranga ao anatin'ny 4 taona! saingy raha mahavita an'izay enao d lazao tsotra eto d mirotsaha fa tohananay!
ary maninona moa: mba jereo koa ny ataon'ny hafa fa aza fihinina @ fijerena izay tiana jerena mba hitsikerana fotsiny! tsy niresaka mihitsy enao mikasika ireo vokatra izay tsy naondrana taloha nefa miroborobo ny varotra ivelany @zao! sa mampalahelo be anao koa izay? :-o
32. mandrindra ( 12/04/2005 09:56)
Inona ilay vokatra aondrana any ivelany fa tsy fantatro mihitsy. Rehefa nijery ny balance commercial 2004 aho dia déficit no hitako tao, dia izany ve no hoe mitombo ny vokatra aondrana any ivelany. Tena tsara anie raha mandeha izany e, fa saingy ny tarehimarika aloha no hitako.
Ny mikasika ny taloha dia ekeko tanteraka ny tsy fandehanan'ny raharahampirenena, fa ny fampitahana ataoko dia ny hoe manahoana ny fiainana tamin'ny fotoana nadraisana'ny fitondrana ankehitriny fahefana sy ny fiainana anio. Dia ny hitako aloha dia mitotongana ny faripiaianan'ny malagasy. Marina aloha fa tsy ny an'ny rehetra no mihena fa ny an'ny akamaroany.
Tsy mitady miracle aho fa ny hanina anio tadiavina anio (na mety efa rahampitso mihitsy aza, izany hoe miaina main'ny trosa), izany no fiainana any nefa tsy misy soritra mazava hoe ahoana no hivoahana. Dia hilaza ianao hoe efa nisy izany tamin'ny mpitondra taloha dia hoy aho hoe marina izany fa saingy nihamaro izy ireo ankehitriny.
33. pitchou ( 12/04/2005 14:08)
oadray! miverena kely aloha aty ary e! mba manao bain de nationalisme otranay! :D t@ 2004 iohany moa izany tokoa no deficitaire ny balance commerciale-ntsika sa nanomboka oviana tsara?
Raha tonga eto izao ianao d alaminao fotsiny ny resaka fivarotana safira (tsy tao anatin'ny vokatra aondrana io an!) d efa hitan'ny paosin'ny mada izany! sa moa ravalo koa no nametraka an'ilay trafika? tsy tadidiko! :-D
Fa tena marina kosa aloha fa nitotongana mihitsy ny fari-piainan'ireo mpanao afera maizina taloha e! izay d tena tsy misy lainga mihitsy! nefa ve d izany no hampalahelo eto? fa ireo nanaraka ny ara-dalana dia niakatra soa aman-tsara ihany ka!
Raha nanaraka ny fari-piainan'ny gasy koa ianao hatr@izay fa tsy nionona fotsiny t@ le we ratsy fôna raha vao i Ra8 ka na ny tsara aza lasa ratsy tampoka satria i ra8, dia ho hitanao mazava tsara fa aorian'ny crise dia misy trangan-javatra toy izao foana! tsy vaovao izany! t@ ity ny mahasamihafa azy kely izany d le halatra tsy toko tsy forohana nataon'ny mpitondra talohan'ny nandehanany! tsy misy ze tsy mahalala izany! saingy na izany aza, tsy fahafirin'ny niainana t@ 75 - 82, izay tsy nisy krizy akory satria efa t@72 ny krizy!
34. mandrindra ( 14/04/2005 10:19)
Tamin'ny 2001 dia betsaka kokoa ny vokatra naondrana noho ny nafarana avy aty ampita. Io ihany no taona naha excédebtaire ny balance commercial an'i Madagasikara. Raha n y 2002 moa dia normal mihitsy raha tsy tratra izany noho ny fikatsoan'ny fiainana ekonomika tao Madagasikara. Tamin'ny 2003 dia vao maika nihanitombo be io déficit io ka ireny vokany hita tamin'ny 2004 ireny ny fitotongan'ny sandambola malagasy.
Raha ny fanondranana antsokososko ny vatosoa dia marina fa olana efa nisy hatrizay io, dia io no hiverenako amin'ilay resaka fanoharana hoe satria ve efa nisy io taloha dia tsy tokony hitady izay hiatsarany ny mpitondra ankehitriny fa avela eo fotsiny.
Ary tena saika mpivaromaizina izany ny ankabezan'ny malagasy satria ny ankamaroany no nitotongana ny faripiainany. Mba omeo ohatra aho hoe nihatsara ny faripiainan'ny malagasy (ireo izay tsy mpivaromaizina izany raha araka ny voalazanao :P ).
Marina izany fa krizy daholo no mampitotongana ny fiainana. Tsy ny mpitondra mihitsy no diso e, dia rehefa tsy krizy dia satria ry zalahy teo aloha no nangalatra, fa ireo tompon'andraikitra ankehitriny dia omena =D sa ho tao hoe ^:^ .
Marina aloha ny anao e efa mafy ny fiainana tamin'ny 1975-82, efa nizaka ny mafy dia mbola hizaka ny mafy dia lazao rafanja hoe ataobvy mafimafy kokoa rangahy mba hisendranay azy a. Io ilay miverina amin'ny hoe ny ratsy ampitahainareo amin'ny pire ko aiza mo no androso.
35. pitchou ( 14/04/2005 18:01)
I mandrindra d tokony hanazavana hoe raha niato ny marché iray dia fahasahiranana 50 avo heny vao mahatafaverina azy? miracle aza hoe voatana ny fanondranana ny vokatra ohatra ny hazan-dranomasina! raha ny probelman'ny akondro kosa no resahanao dia angamba ianao tsy hiady varotra hoe ny fitondrana no nitondra an'iny an! mety ho ianao izao! marina e!
Ny fari-piainana mitotongana aloha hoa d ny hita mibaribary dia ireo mpanao afera maizina! miala tsiny aho raha noho izay no nahatonga ny anao ho nitontongana! ohatra ilay mpivarotra epicerie gasy etsy akaikinay etsy! efa lasa supermarché kely izy izao! ilay atelier kely mpanao réparation kiraro, efa hila tsy haharaka izy izao!
:D sa moa ireny tsy d mikaonty loatra ?
Fa aleo manadihady hatrany @fotony rehefa hitsikera satria manjary fijery ampotomoty no atao e! sady otran'ny mila voa tsy ary zany! raha may kila ve ohatra ny tranonao izay nandanianao 25 taona ny nanangana azy sy nameno ny tao anatiny dia mihevitra enao fa ho tafaverina ao anatin'ny 2 taona?
raha ny 75-82, misaora an'Andriamanitra ianao tsy tafidinahatrany ny iainanao @zao! satria pire lavitra noho ny izay nisy t@zany no novantanina en 2003!
36. mandrindra ( 19/04/2005 08:54)
Tohizako amin'io ohara noraisinao io, ny ahy raha may ny tranoko dia manangana tranobongokely aho vita tsara aloha dia hitarina tsikelikely fa tsy hoe ilay tranobe iny no tonga dia ho averina ka ny andry fotsiny aloha no atsangana dia ho hita eo ny tohiny. Rehefa avy ny orana dia mihamarefo ireo andry ka aharitra mandrampahatongan'ny entimanana anovana ny rindrina sy ny tafo ve izy ireo.
Ny faripiainana mitotongana hoy iano dia ny an'ireo mpnao afera maizina, raha azoko tsara izany dia nivoatra be kokoa noho ny vidipiainana ny karama nefa toa tsy hitako izany. Dia raha izany dia saika mpanao afera maizina avokoa izany ny vahoaka malagasy izay mikaikaika amin'ny halafosan'ny fiainana.
37. tranokely ( 19/04/2005 12:41)
Tena tiako be ny fihevitr'i Mandrindra fa za miombon-kevitra tanteraka aminy, ny ao ambony ao manao ny ataony foana na iza na iza tonga ao, manararaotra ny olona variana miady mafy @ fiainana izay tsy te hiraharaha intsony izany politika izany fa izay ho any an-kibony no tena essentiel aminy.
Atao inona moa lalana vita tsara raha ny solika andehanana eo amboniny midangana izay tsy izy? Tsy misy mpampiasa io lalana io fa tazanim-potsiny, de atao excuse hoe nahavita zavatra izahay(Ravalo io)
38. sonwin ( 19/04/2005 15:55)
Nahavita zavatra mihitsy izahay ka (ekipan-dRavalo io)...everinao fa mora nga ny manarina ny fanapotehana nataon'ny teo aloha?..42 taona no nanapotehana an'i Mada..fa zahay nga(Ravalo et Cie) mpanao miracle? mahareta fa hanana ny soa e
39. pitchou ( 19/04/2005 17:59)
mandrindra> tsy misy manorinaabony loto sy zava-malemy fa tsy maintsy diovina aloha d asiana ftotra mafy! raha azo atao aza d beton armé! rehefa vita izay vao mampiakatra tsikelikely! asa aloha ny fomba fanorenanareo trano fa ny hitako rehetra d sahala @zay! tsy hoe kirihitra no eo @ le toerana d tonga d mody takonana!
tranokely> tena raha olana r'ise ny mandeha @ lalana tsara d mbola misy lalana ratsy eto @ tanana, mbola misy toerana mifikitra @ loto mahatsiravina! d any re aleha fa aza mitady fahasorenana @ ze lalana tsara sy toerana madio! arinae! ho tapaka lalan-drà @ tsisy antony eo!
sonwin> d ataovy ara-bakiteny aza e!
40. mandrindra ( 20/04/2005 15:47)
Pitchou a, izaho anie manaika an'ilay fototra mafy e, fa ny ahy aloha ny kely no anombohako azy amin'izay aho manakialofana dia avy eo hoy aho manitatra. Fa raha io hoe atsangana tsikelikely io ny tranobe dia efa maro ihany nohitako hoe navela teny antenatenany satria tsy ampy ny entimanana dia vao maika indray hanirin'ny lobolobo eo.
Tsara anie ny mahavita asa mivaingana e. Fa tokony tsy ho adino ny mitsinjo izay mety ho vokany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3023