zavanisy farany.

41. pitchou ( 20/04/2005 18:08)
ka mandeha tsikelikely ange izy izao e! io aza efa be ny migamenona we aiza ny aty aminay tsy mbola manomboka! vao manao semellage d efa aiza tsy mbola araraka ve ny goudron sns! inona ihany? ny an'ny sasany eny am-povoan'ny arabe no aoriny ny trano d aiza efa misy trano io ve d mbola anaovana lalana!
fa mino aho fa raha zaraina vola be ny gasy tsirairay d mbola misy hitsikera hoe aiza tsy mba misy mpahandro sy mpamahana fa vola ve azo hohanina @zao!
42. tranokely ( 22/04/2005 13:35)
Pitchou> Ny vidin'ny solika r'ise mitovy foana na lalan-dratsy io na lalantsara no aleha, lafo tsy taka-bidy. Ny mba reference nataon-dra8 anie de hoe "tsy ampaha firin'ny any Grande bretagne io fa ny any aza 14 000 fmg @ volantsika aty ny litatra tsy mikaikaika ny olona" dia hoy aho hoe normal raha tsy mikaikaika ny olona any satria ny azy ny SMIG anie sept millions fMG @ volantsika ka ny antsika zay SMIG 250 000 fmg moa hankaiza. Ary marina ny lazainao fa mbola betsaka ny toerana eto amintsika no feno loto mahatsiravina nefa ny olona mipetraka ao amin'ireny anie ka malagasy mitovy amintsika ihany e saingy mahantra noho ny fidangan'ny vidim-piainana ka aza dia faly manenjika olona resy ry ise fa tsy fidiny ho azy izany.
sonwin> Efa Film efa nandeha ry namana izany hoe mahareta kely izany a!
43. tranokely ( 24/04/2005 16:36)
Aiza o!
44. mandrindra ( 25/04/2005 13:58)
pitchou, inona aloha ny mandeha tsikelikely toa hitako fa mandeha haingana be daholo ny antanana izao koa. NY lalana hoy ianareo efa be no vita sty haingana ve izany, ny vidin'entana koa efa nisondrotra be tao anatin'ny herintaona , tsy haingana ve izany, dia inona ary ilay mandeha tsikelikely fa tsy arako mihitsy ? Toa samy mandeh haingana daholo fa ilay izy aloha marche arrière no hitako e.
tranokely, ilay hoe mahareta kely dia hoe hatraiza ny zakanareo hitsahako mafy aloha ka zakao dia avy eo hitsahako moramora dia tsy dia marary intsony fa tohizako ihany ilay hitsaka rehefa sepotra ve izy tsy ho tapitra ny aina amin'izay tsy mandrebireby intsony.
45. tranokely ( 25/04/2005 14:39)
Tena sempotra marina aloha fa marina zany
46. pitchou ( 27/04/2005 18:30)
tranokely> aza maharitra aza fa tonga d mandehana e! hihihi
tsy sanatria tsy fidiny @ olona ny mipetraka ao anaty loto fa safidiny! mba fantatrao moa fa safidin'ireo olona mipetraka eo andralanitra ny mipetraka eny? ary isan'ny fiompiana kisoa ngeza teto no nisy teny? d nony nahangona betsaka izy ka afaka manorina building @zay d we ny zoridira no afindrao? mba fantatrao moa fa misy fanariam-pako isaky ny kihon-dalana? d maninona no atsipy etsy sy eroa ny fako d rehefa avy eo avy nareo miteny we satria izy mahantra? (ny sainy alou no tena mahantra satria tsy mila investissemnt ary andoavam-bola ny fanariana ny fako anatin'ireny benne ireny)! htr@izao d tsy bola misy firy mandoa vola @ rano atsakaina eny @ paompy, koa inona no idiran'ny fahantranba @ fanasana ny tarehy fandroana fanasana tanana fanasana ny lamba (na dia tsisy savony aza) @ ireny rano alainy baojo ireny? sa efa nisy nandrara hoe raha tsy mikarama izao tsy mahazo manasa tarehy? ambonin'izay, mbaraky ny efa tsy mividy rano mbola mandanindany foana ny rano @ tsy fanadiana paompy? misy problemana fahantrana ve ny tsy ahafahany manao ireo zavatra tsotra ireo? satria raha izay d aleo hahantra kokoa izy ary atao mandoa vola @ vidin'ny rano d fantany tsara, @zay mety mba hihatsara ny fitondran-tenany!

d tonga @ tenon'ny mandrindra hoe aleo hitsahana mafy!

efa we rehefa tsy tianareo ze vita eo d aza lalovana akory! ary nareo ireo moa ve mipetraka eto aloha sa aiza e!
47. fijo ( 28/04/2005 22:46)
tohanako tokoa io voalazan'i pitchou io.tamin'ny za nandalo tany mada teo dia gaga aho mahita ny mpiasa ao an trano sasany izay maloto nefa ny sasany madio.dia nanontaniako hoe fa maninona kay nareo no tsy manao madio fadia miaina anaty loto toa io?
ny valiny dia hoe:"ka izahay mahantra ko"
dia nataoko ny fampitahana hoe ary maninona ry "x" no madio nefa ianareo samy ato.nga nareo asaina mandooa rano raha misasa sy mandro?dia hoy ry zareo hoe "an an tsy ampandoavina ka"
koa maninona ary no tsy manao madio wa.dia tapaka teo nyresaka fa niala izzy.
ka io tsy fahantrana no mampadio sy mapaloto fa toetsaina.
48. mandrindra ( 29/04/2005 13:09)
raha io fomba fisainana amin'ny fahadiovana io aloha dia marina ny an'i pitchou sy fijo.
fa ilay nolazain'i pitchou hoe : "rehefa tsy tianareo ze vita eo d aza lalovana akory" dia tsy mifanaraka amin'ny fihevitro. Fanontaniana voalohany, ekenareo ve ny tsikera sa tsia? Faharoa raha raisiko ny mifanohitra amin'io dia hoe rehefa tianareo ilay izy dia andriano , lolohavy ary lelafo mihitsy raha ilaina.
49. tranokely ( 30/04/2005 18:57)
Marina ny an'i Mandrindra,lelafo de lolohavy sns... fa mbola manana hohanina pitchou matoa manohana azy angamba
50. pitchou ( 01/05/2005 15:13)
mandrindra, tranokely> ianareo angaha milelaka an'i deba? 8O
ny ahy d tsotra ihany: rehefa misy zavatra tsara hitako dia mankasitraka aho! tena samihafa @ ataonareo milelaka sy miloloha an'ideba izany fa aza afangaro! rehefa misy zavatra tsy mety na ratsy hitako kosa, d mirotsaka aho raha misy vitako, fa mandalo aho (na mody fanina :D ) rehefa tsy hahavita inona fa tsy sady tsy hanao no tsy hahavita nefa hanebaka ny hafa! satria amiko tsy ny tsikera tsy arahina asa no hahavitana inona! aleo aza mangina d manao izay ho afaka!
zà tokoa aloha d mbola mihinana ! ary mihevitra aho fa tsy ny fanomezana sakafo baojo isanandro ny heverinareo fa "mahantra" no hampihena ny fahantrany! ary nareo angaha aloha tsy mihinana intsony e? tsy mahagaga kosa ve izany?
51. tranokely ( 02/05/2005 14:52)
Pitchou> Ndriiiiy, mampalahelo ianao fa tena misolelaka fa raha zahay no nisolelaka t@ andron'ny deba de lazaiko anao fa tena mbola nanana hohanina zahay @ zao andro sarotran-dra8 zao ary mety mbola nanana ambim-bava aza fa saingy indrisy, nanantena tsy nisy... olom-baovao hono kinanjo vidim-piainana vaovao midangana sady maharitra, fa ianao ve jamba tsy mahita izao fahoriana be mivandravandra zao e!
52. kitjo ( 02/05/2005 15:14)
tranokely> kalma ihany e!
53. mandrindra ( 02/05/2005 16:30)
pitchou, tsy hoe rehefa mitsikera ny ankehitriny akory dia mpanohina any taloha. Rehefa misy zavatra tsara hita hoy ianao dia ankasitrahana, misy fahamarinany izany. Fa sahala amin'ny mpanao hosodoko io vao vita ilay izy dia tsara sy tena manja be nefa tsy mitombo mihitsy ny vidiny ka tokony ho jerena izany hoe hatraiza ny fetra. Fa iza ry pitchou no niteny hoe omeo sakafo fotsiny ireo mahantra? Eny e marina tokoa izany fa kay moa tokony samy hitady ny hohaniny hanao izay ahavelona azy fa tsy anjara asan'ny fanjakana rahateo ny manaramaso ny tsena eo antoerana dia izay vidin'entana eo izay mahasaha ihany izany no manaraka. Dia rehefa tsy mahavidy dia tokony hangina fa tsy hitabataba amin'ny olona miasa, hmmm tena milay izany firehikevitra izany fa handroso tokoa i Madagasikara. :D
54. kitjo ( 02/05/2005 17:05)
Ka izay ange ilay hoe ny toe-tsaintsika Malagasy mihitsy aloha no tokony hiova e.
Efa resaka mandeha foana fa tsy hiandian-kevitra.
55. pitchou ( 02/05/2005 18:28)
mandrindra sy tranokely> matoa voambolana navoakanareo io hoe "lelafo, andriavo, lolohavy" io d io zany no nataonareo izany ko! zà aza mba gaga hoe izany kay no fanaon-dry lerony!
ie! d na namana aza i mandrindra d sanatria aho handetika an'i mandrindra @ famporisihana an'i mandrindra hangataka sy hiandry tolorana fotsiny ka! miasa mafy sy mianatra tsara r'ise a! d rehefa manana ny ampy azahoana midepasy le iray tsy tianareo io d mirotsaka hisolo azy! d manao izay tsy hisian'ny tsikera! nenazy aza tsy fahaizana no niandohana fa ronono lasa prezidà izy fa leo ny teo alohany ko!
56. tranokely ( 04/05/2005 06:19)
Pitchou a! alao ary aloha ho eo Ra8 mba ho voky dia ho hitanao tsara ny ataony rehefa maimbo rezatra ohatran-dRatsiraka izy sady zahay sarabam-bembahoaka koa anie zatra mihafy e!(tsy mba hotran'ny sasany) fa ny tsikera koa tsy maintsy alefanay mba hahatongasaina azy ireo, misy tsikera aza izy manao ny ataony ka vao mainka tsy hisy? angamba hisy azy izao tontolo izao
57. kitjo ( 04/05/2005 06:59)
Zay koa mahay mihafy fa tsy voaozona anefa fa raha mbola fantatra fa hahazo ny tsaratsara kokoa inona no manakana?
58. ndrena ( 04/05/2005 14:12)
Moramora ihany e!hevitra no hampiadiana fa sao dia lasa misy fankahalana ka ho loza
59. pitchou ( 04/05/2005 19:00)
ie! kou niaritra nianatra na tsara andro na ratsy andro na nisy sakafo na tsisy sakafo nandritra ny 20 taona aza vitanay azahoanay fari-piainana ahafahana miserasera eto ko! hiandry ny fototra atanjaka ahafahana mandroso tsy ho vitanay?
60. fijo ( 04/05/2005 22:06)
izao e.marina fa miafy ny olona any izao,ary tena miharitra ny mangidy mihinsty.
ny zavatra hita anie dia izao e.ny tantsaha dia faly fa nisondrotra ny vidimbokatra.ka mino aho fa rehefa ireo tantsaha ireo no misondrotra dia hisondrotra manaraka eny ihany ny vahoaka sasany.
fa aza miady ry zareo fa hevitra hampiadiana an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4372