zavanisy farany.

61. pitchou ( 05/05/2005 05:38)
:-D ka taranja samihafa ange le hevitra e! ny sasany diamanga moa ny sasany tolon'omby!
62. mandrindra ( 06/05/2005 10:06)
fijo, tsara be anie izany ho an'ny tantsaha hoe niakatra ny vidimbokatra dia nitombo ny fananandry zareo e. Tao amin'ny lohahevitra iray anefa ianao dia nanamarika fa niakatra ihany koa ny vidin'ny masomboly, noho izany tena niakatra be marina ve ny faripiainan'ny tantsaha?
Dia tohin'io ihany izao izany hoe niakatra 12% ny karaman'ny mpiasampajakana dia tena mahafinaritra tokoa anie izany e, fa hatramin'izay ny vidimpiainana nikatra firy isanjato toa nihoatra ny 26% hono hoy ry zareo mphay mikaroka ao amin'ny instat.
Sa tokony hoe ilay fiakarana fotsiny no hamafisina sy resahina satria izay no positif?
63. pitchou ( 06/05/2005 18:33)
mandrindra> andefaso vola be hampiakarana tampoka ny karamanay aty ary e!
64. fijo ( 10/05/2005 21:25)
marina fa nakatra ny masomboly fa amin'izao dia mahazaka tsara izany ny tantsaha.ny olana izao dia ny resaka fananantany.izay efa eo ampikarakarana azy ny fanjakana.tadidio koa anie ry zareo fa nandritra ny 26 taona dia tsy nisy ninoninona natao tao mada e.izao vao manomboka manajoro ny rafitra rehetra ny fitondrana ,ka aza gaga raha misy izao fotoana fijaliana izay tsy azo hodian tsihita izao.
65. tranokely ( 11/05/2005 14:46)
Raha ny hevitro aloha dia matoa niala t@ lay raika lahy taloha dia manantena tsara, nefa iaraha mahita izy ity...
66. fijo ( 11/05/2005 20:53)
ka mila miafy kely aloha vao tonga amin'ny tanjona hono ko
67. tranokely ( 13/05/2005 14:13)
ka tsy izao anie no nifanarahana e! tokony tsy hampanantena vahoaka izy raha izao no nataony, marina fa nisy zavatra vita toa ny lalana izay tena hireharehany tokoa saingy ny vidim-piainana midangana be. Ny taloha anie ka mba nahavita ihany zay mba vitany teo ihany koa ohatra vitsivitsy: t@ Tsiranana nanao izy ny politikan\'ny kibo ka tsy noana ny vahoaka, T@ andron-dRatsiraka nahavita izy université 6 izany hoe 1 isam-paritra ny fiainana azo mba nidirana kely ihany; ny hany tsy nahavita angamba de Zafy nefa moramora kokoa ny fiainana fa ity nama tena henjana be, de misaora an\'Andriamanitra ianareo nilaza fa mbola mahita hohanina fa aza manody ny an\'ny sasany mitrongy vao homana
68. pitchou ( 13/05/2005 20:35)
ampotomoty be le raisonnement n'i tranokely! angaha ho tonga ho azy moa ny vokatra raha tsy miezaka sy miaritra? nga enao nahay an'otony raha tsy niezaka sy nianatra aman-taonany aloha? otran'ny hoe te-hila vaniny fotsiny!
69. kitjo ( 14/05/2005 17:15)
tokony tonga d mahita asa zany vao miditra classe de 12e raha izany fa ny taona fts no mety tsy ampy!
70. tranokely ( 18/05/2005 04:25)
mba sois réaliste hoa fa tsy tantinareo zany ny hilazana fa nahavita zavatra ny teo aloha:!::!: fa ity Ravalo ity ihany no nahavita.....samy misy lafitsarany dia samy manana ny lafiratsiny fa alefaso lavitra ny eritreritra
71. fijo ( 18/05/2005 23:27)
mety nahavita koa ny teo aloha.tsy lavina ,fa naninona no nesorin'ny olona??
72. pitchou ( 20/05/2005 21:41)
tranokely> f'angah moa nisy nitenytokoa hoetsy nahavta ny teo aloha? fa ny nahatonga ny resaka lava sahala @ io d noho ny sasany tato tsy mankasitraka izay vita ny ankehitriny ka tsy misy lafitsara hitany mihitsy fa lafiratsiny daholo (8)) aminy no misy e? dia izay no niadiana hevitra lava be teo!
fijo> nesorin'ny olona fa leo ny olona ko inona!
73. mandrindra ( 23/05/2005 08:40)
pitchou, toa misy ihany koa ny karazan'olona tsy mahita mihitsy fa mihasarotra ny fiainana any Madagasikara ô :D
74. pitchou ( 23/05/2005 11:01)
ie! ny any aminareo moa izany mihamora be? sao d mba aleo mifindra any daholo ny gasy?:D
75. mandrindra ( 23/05/2005 12:38)
15 taona lasa izay nisy reportage tao amin'ny france2 dia nanontany ny mpitondra fanjakana malagasy ilay journaliste hoe fa maninona no tsy mihamahantra ny aty aminareo dia izao no navalin'ilay iraikalahy :" fa heverinareo fa mandeha tsara ny any aminareo".
Mahita an'io valinteninao io dia nahatsiaro an'izay tranga izay. Izao no valiny amiko: ampitahao ny azo ampitahaina, samy mihasarotra ny fiainana fa ny fitotonganany no tsy mitovy.:D. Raha te hampitahy ianao dia tsy mety satria ohatra fotsiny aty dia mbatsy hilazana hoe tsy misy dia manakaiky ny aotra ny isan'ny zaza matin'ny hanohanana, ary any Madagasikara, mba manadihadia kely dia ho hitanao.:(
76. pitchou ( 23/05/2005 17:48)
ka sao hoa d mba tokony afindra monina any daholo ny gasy @zay tsy mihamahantra e! izay ange le fanontaniako farany e!
sa tsy mampalahelo indray le gasy d avelao ihany ho aty? inona ary izany tia tena izany! :-w
77. mandrindra ( 24/05/2005 12:10)
tsy mazava ny tianao lazaina e, fa angaha tsy hoe efa mahavita ireo mpitondra fanajakana malagasy ankehitriny. Fa angaha hoe mampalahelo indray ireo malagasy fa tsy efa manao izay mety ny mpitantana? :D
78. tranokely ( 24/05/2005 14:21)
marina ny anao ry Mandrindra, eo mandroso de zao mampalahelo indray, tsy hita intsony izy zany:lol:
79. pitchou ( 24/05/2005 17:42)
i mandrindra mahita fa tena mampalahelo be ny gasy ange no nahatonga ahy nanontany e!
satria hoy i mandrindra hoe
samy mihasarotra ny fiainana fa ny fitotonganany no tsy mitovy.. Raha te hampitahy ianao dia tsy mety satria ohatra fotsiny aty dia mbatsy hilazana hoe tsy misy dia manakaiky ny aotra ny isan'ny zaza matin'ny hanohanana, ary any Madagasikara, mba manadihadia kely dia ho hitanao.
dia izay no antonn'ny fanontaniako eo ambony io! aza faly miteny fotsiny fa mba ataovy ze mety hamindrana monina ny gasy ho any d mba ho sambatra izy e!
80. fijo ( 25/05/2005 23:02)
ka any koa anie raha toa ka to aizao dia satria ny ankamaroan'ny olona no mbola zatra miandry foana e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5101