L'importance du Pape pour les catholiques...

1. welie ( 03/03/2005 18:46)
Mba te ahafantatra fotsiny aho hoe mitana toerana lehibe eo @ fiainan'ny Katolika ve kay ny Pape? Ho ahy manokana tsinona (izaho tsy Katolika) dia olona mitovy @ olona rehetra izy. Tsy hoe manambany ny lanjany aho an, fa raha mba hanamoramora ny fanazavako dia izao e:izaho ohatra dia tsy manana sentiment manokana ho azy (izy marary io izao ohatra). Mampalahelo izy aloha (mirary fahasalamana ho azy aho) fa tsy hoe izaho koa akory no marary mieritreritra azy. Asa raha azonareo ny tiako ho lazaina...

Ka mba tiako ho fantatra izany hoe inona ny toerana tazonin'ny Pape eo aminao mamaky io? (indrindra raha hoe Katolika enao).

P.S: Azafady raha lasa teny frantsay le titre fa tsy nahita tena titre @teny malagasy aho :wink:
novalian'i booboo ny 12/05/2005 12:43
2. hery ( 03/03/2005 19:20)
bizz njy welie :-)

Tena olona mitovy amin'ny olona rehetra tokoa ny Papa. (Soa ihany). Tsy Andriamanitra izy... ary olombelona mpanota tahaka antsika koa. Izy aza dia mahatsapa sy miaiky an'izany fahalemeny izany ihany koa. Tadidinao ry Paoly sy Barnabasy http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=Asa&Toko=14&dika= niteny hoe "Olombelona ihany izahay" tamin-dry zareo nolazain'ny olona hoe Andriamanitra satria nanasitrana?

Hazavaiko etsy ambany ny hoe mitana toerana ve sa tsia fa ny resaka sentiment no asiako teny kely. Tsy tsininao mihitsy raha ohatra ka tsy manana sentiment manokana ho azy amin'izao izy marary izao ianao. Raha marary mafy ve i Jacques Chirac dia hanana sentiment manokana ho azy aho? Izay no tena ahazoako ny sentiment-nao. Tsy midika anefa izany hoe ho toa izany daholo ny olona... ka tsara ny nametrahana ilay fanontaniana.

Ho ahy (sy ho an'ny Katolika amin'ny ankapobeny) dia lazaina hoe filohan'ny Fiangonana eto Antany ny Papa. Solotenan'i Petera... Izy no maha Apostolika ny Fiangonana katolika izay ihavahany amin'ny Fiangonana hafa. Apostolika izany hoe ifandimbiasan'ireo lova avy amin'ny Apostoly. Raha niteny i Jesoa hoe "Ataovy batisa ny olon-drehetra" dia tamin'ny mpianatra izy no niteny an'izany voalohany. Ireo mpianatra ireo no nanao batisa tetsy sy teroa. Nony maty ireo mpianatra ireo dia nisy hafa koa nomeny alalana hanao batisa. sns... Toa izany koa, rehefa niteny i Jesoa hoe "Ianao no Petera, vato, ka eo ambonin'izany vato izany no ametrahako ny Fiangonako." Dia tsy hoe rehefa maty i Petera dia maty ilay vato... fa nisy ireo nandimby azy nifandimby. Nifandovana hatrany amboalohany izany ilay Papa dimbin'i Petera.

Ny Papa no endriky ny maha iray ny Fiangonana Katolika. Ny teny hoe katolika rahateo dia midika hoe maneran-tany (universel). Misy ao amin'ilay atao hoe Fiekem-pinoana io... (na ny an'ny Protestant aza) fa ny an'ny katolika dia sady manerana ny tany (katolika) no apostolika.

Oups... lava be sahady fa ajanoko aloha dia mitohy ny adihevitra.

Nahitsin'i hery
novalian'i hery ny 03/03/2005 20:27
3. sonwin ( 03/03/2005 20:03)
Slt,

Raha marary ve ny pasitera ao amin fiangonana misy an'i Welie dia malahelo ianao sa miramirana? Ny Pape no dimbin'ny Apostoly,ary tena izany tokoa izy satria nandray fahefana mivantana avy amin Apostoly.Tadidio fa refa misy fahefana ampitaina na apetraka amina olona , dia ny olona efa manana io fahefana io no mametra-tanana, dia iny indray no mampita dia toy izay hatrany hatrany.Ts de hanazava be za efa mazava ilay nolazain Hery teo ambony. Dia ahona hoy ianao izao raha hoy aho hoe Katolika i Jesosy :lol: voalazany ao anatin'ny Filazantsara io an..havazaiko aminao sa aleo amizao?
4. welie ( 03/03/2005 20:21)
bizzz mamy koa hery :) dia misaotra betsaka amin'ilay fanazavana. Ka mitovy amin'io hoe raha marary ve i Chirac dia hanana sentiment ho azy enao ilay lazaiko...ary tena azonao tsara mihitsy. Raha mbola misy tohiny alefaso ka! ;-)

sonwin...
Zà anie tsy niteny hoe miramirana io Pape marary io e! Fa tsy dia hoe mitebiteby loatra aho hoe hanao ahona ny tohiny ka! Satria dia hitako fa dia tena maro dia maro tokoa ireo Katolika na aiza io na aiza no mitebiteby (mety tsy io ny voambolana mety an) amin'izay mahazo n'i Pape. Raha ny Pasitera ao @ fiangonako no marary dia malahelo mintsy aho. Fa hitan'i sonwin... @ Katolika anie dia tsy afaka ampitoviana ny Mopera sy ny Pape e! Raha ohatra ka hoe atao mitovy laharana ny Pasitera sy ny Mopera.
Ary ahona indray aloha ilay hoe Jesosy Katolika izany e?
5. sonwin ( 03/03/2005 20:42)
Hoy Jesoa: Indro aho ho eo aminareo mandrakariva mandram-pahatapitrizao tontolo izao..aiza io "eo aminareo" io, moa ts eto amin tany tontolo, moa tsy manerana ny tany, feno azy ny tany tontolo ,ary ny atao hoe mandrakariva,,dia hoe mandrampahatapitrizao tontolo izao, izany hoe hanerana an'izao tontolo izao I Jesosy amin fotoana rehetra. Ka inona no hevitry ny hoe Katolika: manerana ny tany..raha adika tsotra zany ny tenin'i Jesosy dia hoy izy hoe Indro aho ho katolika eo aminareo. :lol:
6. welie ( 03/03/2005 20:44)
sonwin...
iny indray no tsy hitako ka! :lol:
Aza mampiomehy eo e!
7. naritsimba ( 04/03/2005 07:55)
Samia manaja ny finoany.

Ny finoanao no mahavonjy anao.

Misaotra tompoko.
8. sonwin ( 04/03/2005 12:03)
Marina zany Mr Naritsimba , samy manaja ny finoany ka , fa ny finoan'ny hafa koa hajaina. Dia samy mifanaja e. Fa amiko indray voavonjy daholo ny olona rehetra na manana finoana izy na tsy manana..afa-tsy ny zanaky ny fahaverezana ihany no ho very.
9. welie ( 04/03/2005 17:20)
naritsimba...
tsy nisy resaka hoe tsy manaja finoana anie teo ka. Zà mba liana te ahafantatra fotsiny fa tsy hoe tsy manaja ny finoan'ny hafa akory.... sa iza io resahinao io? :)

sonwin...
raha io indray aloha dia miombon-kevitra aminao aho ka! Io ihany fa ilay zvt iray io ambony io dia mampiomehy ahy... ;-)
10. sonwin ( 04/03/2005 19:39)
Welie ..nefa ilay zavatra ery ambony tena marina an :lol: ..fa mampitsiky nefa
11. dadabe ( 05/03/2005 10:20)
sonwin>hafa indray izany fandinihan'ise ny soratra masina izany ,tsy hitako iny a 8)
12. yonikafopl ( 06/03/2005 11:45)
hihihihhi
tsiky dia ampy e!!!!
Misaotra an'i welie tam le fanontaniana de misaotra an'i hery nanome fanazavana, fa na za aza indraindray nieritreritra we fa ny katolika ve mivavaka @ pape e!! fa efa mazava zao ka.
sonwin raha za manokana dia tsy mba te hamakafaka akory na katolika na protestanta na silamo Jesosy. Fa ny hany tokana fantako, dia Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, ary @ alalany irery no hahazoako mankany an-danitra.
13. welie ( 07/03/2005 17:39)
yonika...
hita wa akia kou! :)
14. ravatorano ( 08/03/2005 09:56)
za dia anisan ireo velo tebiteny tokoa raha nahare fa tsy salama ny papa ary d mirana indray nonny nahita ny fivoahana.Amin izao moa izy dia any amin ny hopitaly indray ka dia anisan ireo mpino katolika mivavaka ho azy aho mba hanana ny fahasalamana izy.
Ny fitebitebeko dia tsy midika fa mivavaka aminy aho fa kosa manana fanajana lehibe aminy aho satria amin ny maha katolika ahy dia izy no Lehiben ny Eglizy sady dimbin i Md Piera , araky ny fanazavana natsidik i hery eo ambony io.
Manaja ny hafa dia ho hajainy ianao marina io fa tsy d any loatra no tiana hiadian kevitra.
15. welie ( 08/03/2005 17:22)
Salut zanjikely ravatorano ;-)...
misaotra nanome ny hevitrao fa azoko amizay le izy ka! Merci koa hery an!

Mba jereo tsara aloha hoe inona ny loha-hevitra fa tsy tonga dia mamaly fotsiny...ok?! :wink:
16. sonwin ( 08/03/2005 17:26)
welie..ary ianao mora mahazo resaka an :wink:
17. welie ( 09/03/2005 18:32)
sonwin... na tsy azoko ary dia miezaka ny hanakatra aho ka! :lol:
18. nirijimka ( 10/03/2005 08:15)
bonjour daholo,
misaotra anareo rehetra aloha fa tena mahafinaritra ny dinika.
ary tsoriko fa faly aho ny mahita fa mbola misy ny katolika izay mitana ny maha-izy azy @ izao fotoana efa hafahafa ihany izao.
izao lesy "welie" a! : ny fiangonana katolika dia toy ny ankohonana iray, ka ny raim-pianakaviana dia tsy iza fa Andriamanitra tokana olona telo (mbola tanatara hafa koa io); ny renim-pianakaviana kosa dia ny pape;ny mpino rehetra kosa no zanaka. Izany akory tsy miteny hoe ny pape no tompon'ny tanana fa hoe izy no andry iankinan'ny ankohonana rehetra ohatr'ireny reny rehetra ireny. Andriamanitra kosa no tompon'ny didy sy ny fanampahana rehetra.
ny fisian'ny pape mitarika ny fiangonana katolika no mahatonga ny katolika ho iray ihany aloha hatramin'izao satria, iray ihany no mpitondra ary hajain'ny rehetra io mpitondra tokana io.
misy rafitra mitovitovy amin'ny firenena iray ao amin'ny katolika ka misy ny natao ho entina ary misy ny natao hitondra; normal araka izany raha manana lanjany manokana ary goavana eo fiainam-pinoana ary ny fianana andavanandron'ny katolika ny pape.IZY NO FILOHANAY ary izay lazainy dia hataonay satria na dia tsy dia mifanaraka amn'ny eritreritro manokana aza izany dia mety mahasoa ny fiangonana iray manontolo.
19. dadabe ( 10/03/2005 11:07)
ahan ! 8O zah tsy katolika fa zah efa nianatra tao @sekoly katolika fahiny (college sainte Chantal Soanierana )de mba mahalala keeeeeeely ,hay ve ny papa zany dia solontenan'ny zanak'A/tra e(Vicarius filii dei ) hhmmm :wink: :D de ampy e
20. welie ( 10/03/2005 19:27)
nirijimka> misaotra betsaka t@ fanazavana o! :D Mazava tsara mihitsy io fanazavanao io ka...


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5206