tononkira sy fitiavana

81. chipie1 ( 20/01/2005 20:04)
yonika> ary njy ? :-* :wink:
82. yonikafopl ( 20/01/2005 20:18)
chipie1 hihihihhih za le mpamaky izay voasoratra fotsiny kalou :-P :-*
83. mumu ( 20/01/2005 20:47)
ikaretsaka, fijo ramaso ??? lasa aiza dôly ny Tazy e???? :?: :?:
84. ikaretsaka ( 20/01/2005 20:52)
ato fa mbola mihaino an\'i modeste zahay e!
85. ikaretsaka ( 20/01/2005 21:01)
mihanta sy poupounesana!
raha ny tary ambany tary no naheno marary
de aza mba ato kosa no manao be safary
tsy mba za akory ve ry nama no nikitikika
de aty amiko ny ranom-... ry madama no aforitika.

tsy ny kanetiko ve no namely carreau
ka nahavoa ny andilanareo
raha votondraka tamin\'ny tuyau
ka kotsa be ny zavatrareo?

raha tsy ampy lehilahy de mandehana mitady
fa aza mba za no hananganana ady
za tsy maninona fa miresaka tsotra
any @ fijo ny zavatrareo mba apotra
86. fijo ( 20/01/2005 23:19)
nahoana ianareo no manao tambabe?
raha anankiray tsy maharaka ve.
ity marina tsy vitan\'ny hatsarantarehy
na kiakiaka sy vava be

manohana i mihanta
mumu sy chipie
faly poupou fa efa saika nahy
na dimy aza ireo lahy ny aty.

fa ahoana ry poupou ny mihaona amin\'ny alina
any miresaka sy mifandamina
tsy hiady aho akory raha miaona aminao
fa za mbola virja efa fantatrao

ndry ry chipie ho voa eo ko
ny ahy ze eo aloha voa avokoa
mihanta koa mihezaka mafy mamely
mody afenina amin\'ilay tsikin\'anjely
87. chipie1 ( 21/01/2005 08:19)
ny any ramaso efa resaky ny nona
tsy misy afatsy resaka an\'Io fona
ny resaka adala no bedabe
mba miova fefa lehibe!
88. naritsimba ( 21/01/2005 08:24)
Ho anareo rehetra io tononkira io koa dia samia maka lesona.
Tsy ny tononkira no ilaina fa ny hevitra fonosiny sa ahoana ry Namana isany?
Misy mantsy amintsika taitaitra rehefa mahita ilay mpihira sy ny hira hirainy kanefa rehefa avy eo raha vao olon-kafa no mihira azy dia tsy misy dikany intsony ilay tononkira, izany no mampiseho fa ilay mpihira no manaitra antsika voalohany matetika vao ny hevitra fonosin\'ilay tononkira.

Ho anao mafanafanan\\\'ny fitia
Ka te hamboraka,
Miankavanana, miankavia ianao
Ka te hiantoraka
Tandremo fa saro-pady anie ny tena
Aza miantoratora-poana
Fivavahana aloha vonjena re
Sao midona amin\\\'ny vody laona
Ry mpivady izay misanehaka
Efa anan\\\'ny lazon\\\'ady
Ny vao tsy manitra re no ratsy
F\\\'ianareo efa galy fantsy
Miala maneno akoho
Mivovo alika indray vao mody
Tsy te-hahita tava ilay vady
Ompaina iantsoana tody
Efa leon\\\'ny mifamaly
Te hamonjy tribonaly
Sao tsy hay re ny nitia
Aoka aloha re! aoka itsy!

Ireo vazaha milaza ho olo-mandroso
Tsy miakatra ireny fa mikororosy
Ny lehilahy indray no mifanambady
Ekena sy atao ny mariazy
Ny vavy koa dia toy izany
Tena loza amin\\\'ny tany
Ny rainy ve?... i Caroline
Ny reniny?...i Jacqueline
Loza ity... fa dia naninona?
Ny tena izy ihany aloha banjinina

Tsy izaho no namorona an\'io fa mpampita hafatra fotsiny ny tena sady mpihira an\'io rahateo.
NARITSIMBA
89. mumu ( 21/01/2005 09:53)
ry ramaso koa manao revingadra
manao firesaka nandranandra
:-P
naritsimba> melsy
90. dadabe ( 21/01/2005 12:19)
(l) (l) :P :-*

miomana ary ry zalahy
fa tonga koa ny mafia
tsy iza fa i dadabe
izay vadin\'i bebe

tsy tonga hamendrofendro
tsy zatra mandray antendro

fa tonga mba hanampy
anareo zanaka amanjafy
\"tolory tsiky dia ampy\"
fa aza mifandrafy.

:* (l)
91. nanita ( 21/01/2005 20:01)
slt daholo,
tena lasa poeta daholo ianareo izany.
B d b tokoa ny hiram-pitivana tsara na gasy io na vazaha fa ny ahy ny tena tiako @ izao fotoana izao dia:
\"Te mba ho...\" TOVO J\'HAY
\"Ny fiverenanao\" SPY D
\" Fallin \" ALICIA KEYS
Somary mitaraina daholo ry zareo mpihira nohon\'ny \"fitiavana\" mihira ireo hira ireo
92. poupounesana ( 22/01/2005 07:59)
mampalahelo mampitsatsaka
raha ny firesak\\\'i karetsaka
f\\\'iza no natsiaro narary
no lazainao b safary
iza no lazainao tsy ampy lahy
tsisy zany f\\\'az manahy
ary raha any ampara any
ka enao irery no mba hany
tavela eto antany
mialatsiny fa zà tsy hoany
tsy noho inn zany ry karetsaka
fa noho le vavanao refa miresaka
hoatran\\\'reny v d resaka tsotra
teny tsy maotina mipololotra
tsy manangana ady aho akory
fa enao no asa, tonga d tsory

Fijo !
aiza zé tambabe eo
fa kabary tsy maintsy valina nenareo
k\\\'az gaga rah miainga (mafy) ny feo
(satria) mampiaiky volana ny zavatra lazainareo

sady tsy @alina no eny @ b oll
vao mahazo mihaona @nao
ry fijo atahorana ho \\\"mp....lana\\\" zanak\\\'oll
:twisted:

naritsimba, eny tokoa wà eh!
Ny fitiavana
refa tsy hay alou d ianarana
iza anefa no afaka ampianatra
zà vonona tokoa ny mba hianatra
so ref\\\'ao vo simba ny vilany sy ny lovia
atsipy miakavanana sy miakavia
d ho voa hatr@ny zazamenavava
enga anie tsy ho zany, sanatriavin\\\'ny vava

ramaso
d hamafisin\\\'eto impolo, indimi-amby fitopolo impolo
izay nolazain\\\'i Chipie t@nao tery ambony



93. welie ( 22/01/2005 13:34)
Braaaaaaaaaavo les filles! :-*
Ary hita fa tena manan-talenta mihitsy anie ny sipan\\\'ny serasera izany e! :wink:
Ny bandy koa aloha e! :wink: :-P

Raha namaky ireo aingam-panahy,
Dia tena gaga no tapa-tsinay;
Hay kay maro ny sipa no sahy
Mi-affronte an\\\'ireo kofboay! :-D :-P

(...)

Samy mana-talenta avokoa
Na chipie, na mihanta, na fijo,
Na Ikaretsaka, na i poupou.
Milay ry zareo fa tohizo! :P

Izay fa tsy mahita ho ambara
Intsony re ny tenanay........
Au fait, iza amitsika no tara
Amin\\\'i fijo hoy ny sasany izay? :-P :-D :-D


Hoay e! saika adinoko ny milaza hoe inona ny hira hitako fa mba tena tsara...... L\\\'Hymne à l\\\'amour. (l) (l) (l)












94. poupounesana ( 22/01/2005 14:35)
meci welie! tsy koa aza mahay b koa! :D :D
iza akia no ho tara @ fijo ? njy v mahita ato? sao d bandy ihany akia?aza hitako... :-D :-D :-D :-D :-D :-D
95. poupounesana ( 22/01/2005 17:56)
njy koa mantsy eh!
96. chipie1 ( 22/01/2005 20:48)
na honena ny fonao
na tomany i ramaso :lol:
tsy izany no ilaina
fa ny mampinamana :-P :-D
97. poupounesana ( 23/01/2005 07:21)
:-D :-D :-D :-D :^) :{ :{ :{ :{
mialatsiny aminao
ry ramaso belazao
tsy hainao akory zé momba ahy
koa nahoana enao no mitsara ahy?
zà v no nolazainao vizana
tany @ bandy miseho ikoizana?
raha mba fantatrao mantsy
fa mifanoitra @zany mitsy
ny zavamisy?(mahazo manamarina fa tsy eto)
ary hoatrinn no azonao?
fa d naninn loatra enao
no nazoto nisolo vava
an\'ireo b kobaka-ambava?
sa natsiaro votsindrona?
na nofohaziko tsy nahy
le fotaka efa mandry
no toa mivadika haromotana
tandremo ihany ramaso
mitarika tsy fahasalamana
na ny hatairana na ny ankaso
maika fa ny fiampangana sy ny fanevatevana
98. ikaretsaka ( 23/01/2005 13:50)
poupou> jere! tena sao de?
mety marina tokoa ny an-dramaso an..
za miteny fotsiny fa mba honette am zay hoa!
mety nahita lery @ masobeny io dia nitantara.... dia mandiniha tena hoe de jereo akaiky io fa ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha! matoa io niseho sy voamariky ny olona dia jereo.
dia mba honette re.. mety tsy hitanao le izy fa tratar be ato nef a@ fihetsika sy ny fanoratrao !
namana aho miteny an zany fa sao heo ann eo njay an
99. poupounesana ( 23/01/2005 15:44)
le karetska koa de fetsy2
tsy misy mahataitra ahy zany leretsy
sa te hahalala ny tantarako
d ny hany fika \"tsy maintsy voaratrako\"
indrisy fa tsy nahita tsara
le ramaso be tantara
tsy mbola voa tany tsy akory
raha izaho zay miresaka @nao
fa ny hany mba mampahory
mampanahy tokoa dia sao
sanatria toa anareo avokoa
ilay efa mba safidin\'ny fo
ny fiteninareo lelà rehetra ato
d tena mampihoro tsy akiato
manambony tena hatrany
feno hatsarana sesilany? :{ :{ :{
tsy mieritreritra hafatsy ny tenany
sisan\'zay zay alehany alehany
brrrrrr

100. ikaretsaka ( 23/01/2005 17:44)
ayayay tena ho lesb ianao ity raha izao no mitohy le
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2921