Ingahy Ravalomanana sy ny fitondrana amin izao fotoana izao : diso fanatenana marina v ny vahoaka ?

1. ravatorano ( 13/12/2004 07:09)
Amin izao fotoana izao d b ny mimenomenona a ry milaza mihitsy fa \"\"nareo no nifidy an io\"\" na dia anisan ilay mpifidy azy aza ilay olona.
Inn no antony mahatonga izany :
-Izay fitondrana nifandimby teto dia tsy mba nanana vahaolana mihitsy eo amin ny lafiny serasera sy fampitam baovao na koa filaza amin ny vahoaka ny fandehan ny raharaha sy ny mifampiakina amin zay.
Tsisy misy mpitondra manazava izay fanapaha kevitry ny gov fa rehjefa manomboka maffana ny rivotra vao miezaka milaza izatsy sy zaroa.Ny I.E.C nefa dia manana an io cellule io dhl ny ministera rehetra fa tsy hain dry zareo ny mampiasa azy mba hanan ny rhtr tombotsoa hahazahoan ny rhtr manakatra tsara ilay politikan ny fanjakana izay ampiariny.
-ny ara toekarena moa dia io izy efa miarina mizera io tsy hay tsony fa ny trosa nofafaina daholo fa ny vahoaka tsy mandady harona mitrosa amin ny izay manana sy ny mpampanjana bola rehetra io.
-ny vary d io koa tsy jhita hoe ahoana na ahoana fa d iaraha mahita io.Mbola tsy niakatra ny vidin ny vary teo amin ny tsena iraisampirenena naninn raha tamin izay no efa nanafatra vary fa efa nisondrobidy izy vao nikoropaka nanafatra fa hay moa tsy ampy ny eto antoerana.Izao anefa dia mahita vary gasy sy makalioka feno eran ny tseana fa ilay vidiny no tsy zakan ny tsy mpihinana.
-izao d grevy atsy grevy ary d misy ny fandrahonana , ny sasany ary nafindra toerana oh ireo mpiasa lohandohan ny mpisorona tao amin ny domaine . izao ny FSF d io lazaiana fa mpanakorotana io ary rahqa tena izay marina no izy manionn no tsy samborina izay manakorontana toy ny tay Toliary sy Toamasina ireny d akatona ny radio rehefa diso maniratsira loatra sy milaza vao2 tsy marina,ireny d tena fanapaha kevitra mety ataon ity fanjakana ity aloha
-Ny fanaovana lalana reko fa eo amin ny 2000km izao no lala tany vita izany hoe piste izany izay mampifandray tanana maro any ambanivohitra rehetra any .Ny lalana izany d mandeha sady efa vita avokoa izao ny petie boulevard sy ny rocade eto andrenivohitra fa tsy misy fanazavana mihitsy hoe inn no antony nanaovana an izany ankoatran ny fialana amin ny embouteillage :x
Misy ny asa vita nataon ity fitondrana ity kosa , misy ny mbola mila ezaka be dia be ary misy ny niniana tsy natao angamba na koa hoe ny teo ihany no averina d izay no mitarika ny vahoaka very fanatenana amin izao fotoana izao .Na dia izany aza anefa dia tsy kivy fa mijoro hatrany na d hitsipozipozy aza sanatrian ny vava :twisted: :twisted: :twisted: .
Maro ny tokony ho tenenina sy ho lazaina fa mba mangataka ny hevitry ny namana sasany ny tena amin izao fahadisoam panatenan ny vahoaka izao amin ity mahareta hatra sy ny minoa fotsiny ihany ity.
novalian'i judicael ny 08/04/2005 06:27
2. loockx ( 13/12/2004 09:05)
Tsy haiko aloh ry zareo fa tao anatin\'ny herintaona zay d efa nitotongana efa ho 25% ny fahefa-mividin\'ny malagasy amin\'ny ankapobeny, rah atao ny kajy tsotsotra we mbola misy 2 taona toy izao, hanao aôna isika atsy ho atsy? minoa fotsny ihany
Tsy hampahantra ny efa manana ary hampanana ny mahantra. Zany tkou v no hita amzao? minoa fotsny ihany
Développement rapide et durable. Le durable aloh no tsy haiko fa le rapide, tô ôtrany tena hitako tkou ny fahainganan\'ny fitotongan\'ny fahefa-mividiko e. Nefa klou minoa fotsny ihany.

Refa we mino nga mou d tena minia mikipy ka manao masobe tsy mahita? :twisted:
3. xxx ( 13/12/2004 11:02)
Miarahaba antsika rehetra.

Raha ny hevitro no ambarako dia aoka ho fantatsika fa lainga no betsaka amin\'izao fotoana izao, raha mahamarika ianareo t@ valan-dresaka nataon\'dravalo farany teo fa ny mpamatsy vola no misakana ny fampiakarana ny fahefa-mividin\'ny Malagasy, izy anefa milaza fa tsy baikon\'ireo isika.
IZANY VE TSY LAINGA.

Izaho dia anisan\'ny nifidy azy fa aleo ho avy ny fifidianana manaraka fa na hanondrotra karama 200% aza izy, izaho tsy hifidy Ra8 intsony.
IZANY KA TENA MARINA

Milaza izy fa ataony manana 4L daholo ny olona any Antsiranana, asa r\'izareo any raha efa nahavidy sarety daholo @ izao fotoana.
IZANY VE TSY LAINGA

Koa dia samia mieritreritra ry Namana isany.
4. fifi ( 13/12/2004 11:17)
tsy ho be resaka r\'ireto fa mba hevitra fotsiny ny ahy!tsy hiteny zvtra maro aho satria tsy hitako koa izay tena fandehany ao!
tena marina aloha fa tsy tanteraka ilay hoe developpement durable fa eritrereto hoe raha ianareo kosa no nitondra firenena dia inona ny ho ataonareo?tsy mora anie ny mitantana sy manarina an\'io e?
fa hoe raha hiovaova president eo foana isika ka tsy ho faly mihintsy dia izao foana ve izany no hiainantsika???ilaina ihany ny faharetana fa na dia izany aza tsy manome tsiny an\'izay tsy faly aho saigy mba miezaka ny mi-comprendre ny sasany koa
5. loockx ( 13/12/2004 11:34)
Za kosa klou efa prezdà telo zay no itako nifanesy teo, fa mbola tsy tsaroako haingana loatra ôtran\'ny tamty ndray mitoraka ity ny fahefa-mividin\'ny daholobe e, ankoatry ny we tamfotoanan\'ny grevy 91 sy 2002. Tany tsy azo lazaina we mikorontana nge zao e, nefa jereo ny zavamisy, tsy misy zvtr tsy miakabidy haingana tao anatin\'ny fotoana fohy.
Tsy maintsy miharitra isika, fa mandrapaharahoviana? tsy ho fatin\'ny hanoanana dôly tsika atsy ho atsy rah izao no mitohy? zay ngamba le we selection naturelle : ze matanjaka ihany no velona.
Marina aloh fa tsy vahaolana le miova prezdà foana, fa na d zany aza, tsy mahatsapa v izy fa misy fomba fitantanana tsy mety ao matoa tonga amzao toerana izao isika?maninn no tsy amboariny le izy fa toa vao maika miharatsy?
6. diermione ( 13/12/2004 13:33)
za aloha de miteny fa tsy misy vahoaka doso hevitra izany satria ny olom-pirenena malagasy dia afa-po tanteraka @fahavitan\'ny lalana ;fa vao 2 taona anie zay e;mahareta raha te hanana ny soa dia tsy maintsy miandry sika
7. tsiperifery ( 13/12/2004 14:13)
miombon-kevitra @ diermione. Mbola lavitra dia lavitra ny lalana ka tokony sady manao jerikina ny tsirairay no manao ezaka @ tokony ho tandrifiny azy avy koa fa tsy miandry tsy misy fotsiny .
8. iriniaina ( 13/12/2004 15:15)
sady tsy moramora kou ny manarina anle efa lavaka be nisy teo hatrizay
9. sechat ( 13/12/2004 16:06)
tsy haiko ry reto fa nenà alou no fantatro de:

1/ tsy azo apetraka @ ol 1 rery ny tsiny satria tsy ravalo rery ange no manao ny zavatra rehetra e (na de hoe izy aza no ao an-tampony ao)! tsy fantatra tsony hoe iza no tena te hanao zavatra tsara ary iza no miezaka ny tsy hahavita an\'izany...

2/ N\'iza2 ary n\'aiza2 hatr@zay refa sendra toerana ambony de tsy maintsy mieritreritra (na de kely aza) ny ho tombotsoany ihany. Izay le hoe olombelona. :°) tsisy tonga lafatra izany, ary tsy Andriamanitra izy akory ka hahavita fahagagana.

3/ Mila fotoana ny zavatra rehetra fa tsy vita ao anatin\'ny fotoana fohy (3 taona oh). ka aleo alou izy hanao ho hita. Ilay taloha aza navela teo firy taona? Any aoriana ndray tsika mandinika ny manaraka.

4/ Aza adino fa politika sy stratégie kou ange io e! Izany hoe tsy ilaozan\'ny fampanantenana sns... na tsy ho voatanteraka daholo aza izany.

5/ fa ny hitako fotsiny kosa dia refa manao fanarenam-pirenena tahak\'izao, de tokony mba omena lanja betsaka kokoa ireo olona sahirana @ fivelomana, satria manjary izay tafiakatra ihany no manana, ary ny mahantra de mahantra eny foana.



10. xxx ( 13/12/2004 16:34)
Rehefa incompétant ny olona iray dia mody manao hentitra izy ,izay no arme éfficaçe indrindra hanafenana ny incompétance.
Tsy mampaninona ny mi-reconnaitre anie fa voafitaka ny vahoaka izay nifidy an-dravalo e!anisany aho,je vous dis,c\'est pas un président de profil,ce n\'est qu\'un invéstisseur capitaliste qui sait tout faire pour s\'enrichir.NY mesure raisin\'ny fitondrana @ izao fotoana dia mésure tsy fandray ary fady @ tany mahantra ohatran\'i MADAGASIKARA,il apporte quelques preuves matérielles pour pouvoir impréssionner(fanamboaran-dalana io)ilaina ny fisian\'ny lalana saingy tsy ohatr\'izao no tokony ho démarche aha-tongavana @ izany satria tsy lalana ihany no ain\'ny firenena fa eo aloha ary prioritaire nyla masse na ny opinion,izany hoe ny vahoaka.
sopapa kely ho an\'izay fanina sy sodoka @ politikan-dravalo àààà@ izao fotoana izao:
Foana ny caissem-panjakana satria voalohany izay no novantaniny tao,faharoa satria nrécupérer ny vola laniny izy sy ny manodidina azy,fahatelo satria diso ny fitondrana nanao ny détaxation izay hany fidiram-bolan\'ny fanjakana handoavana ny karaman\'ny mpiasam-panjakana,handoavana ny dépensen\'ny admnistrationm-panjakana rehetra:carburants,fournitures de bureaux isan-karazany,indemnités etsy sy eroa,jiro sy rano lanin\'ny établissement publiques rehetra, ny tél...sy ny maro tsy voatanisa...donc c\'était une TRES GRAVE ERREUR ,et il faut admettre ,saingy nataony iny satria niandry zava-baovao taminy ny vahoaka ,c\'est donc pour impréssionner sans avoir penser les mauvaises conséquences après,tsy omena tsiny izy satria il fallait de voir tout ça pour savoir que c\'est un mauvais gouverneur.Vokany foana ny caissem-panjakana ,tsy misy devise(logique be), ny karaman\'ny mpiasam-panjakana anefa tsy maintsy aloha,ary ny machine admnistrative tsy maintsy alefa, ny promesse efa natao tsy maintsy tanterahana:fanamoaran-dalana io sns...noho izny tsy maintsy manao répression fiscale ny fitondrana izay mitarika monopolisation des marchés pour pouvoir controler,noho izany tsy hisy intsony ny fifaninanana satria mila vola ny fanjakana farafaharatsiny hanaovana ny lalana mba hanafenana izany rehetra izany,izany no antony andoavan\'ny vahoaka malagasy vola na ny rano eny @ pompe aza izay tsy fanao @ tany mahantra saingy appliquén\'ny fitondrana satria voatery izy.Sombiny fotsiny io,mino ianao tsara tsy mino ianao ratsy satria fanatique ianao izany ka na efa ho any an-davaka aza dia tsy miova hevitra satria nofidiko veio na satria merina ve io na satria ratsy ve ratsiraka sy ny teo aloha...MISY FITENENANA hoe:\"ce sont les imbéciles qui ne changent jamais d\'idéés\",marihiko tsara fa merina 100% Iizao le manoratra,milaza izany aho satria efa nilaozan\'ny toetr\'andro izany fotom-pisainana izany ary faharoa satria il,le président actuel,est entraint de démontrer que nous les Merina sont incompétant,au contraire tokony isika no hi-réagir hanitsy azy na hanala azy eo alohan\'ny hanaovan\'ny hafa azy,@ izay isika tsy hanana dette morale @ tantara any aoriana izay ambarako fa important be izay,dieny izao,sinon fanatisme à l\'aveuglette,ny resaka hoe mivavaka ny filoha ntsika....! DETROMPEZ VOUS §c\'était tout simplement le chemin le plus court pour lui...izany rehetra izany no atao hoe manoeuvre politique et je vous assure je suis un éxpert....
11. xxx ( 13/12/2004 17:03)
toa tena marina izany.....!
12. xxx ( 13/12/2004 17:50)
Ataovy aloha ze tokony ataonao mifanaraka amin\'ny moyens eo ampelatanana.
13. ( 13/12/2004 20:45)
olona misaina io nanao famelabelarana etsy ambony io,marina daholo ireo lazainy ireo,tsy mahafaty ny manaiky izany fahamarinana izany,hainy le zavatra ary expert marina izy,sady miaraka @ porofo
14. fijo ( 13/12/2004 21:15)
rehefa expert dia sahy miseho aloha fa tsy miafina,izay aloha dia fahadisoan iray goavana be.
faharoa misy diso maro ny voalazany ao.satria raha mandany jiro\"courant\"ny mpianatra eny ankatso.tsy i ravalo no diso amin\'izay fa ny mpianatra no tsy mahalala ny tokony hataony.
mora anie ny mitsikera e,fa ny tsara kokoa dia ny manao izay mifanandrify amin\'ny misy ny tena koa.
misy tsy mety ny fitondran dravalo.mihaiky izany aho.fa raha apetraka eo an tsorony daholo kosa io fahadisoan\'ny rehetra io,aiza ity fitsarana ity.
tadidio fa nanomboka tamin\'ny 1972 no gorobaka ny ekonomia tao mada.dia roa na telo taona ve aminao \"EXPERT\"io dia ahatafarina izany.mba lazao hoe ny hataonao raha ianao no teo?
15. razamble ( 13/12/2004 22:38)
Hoy ilay mpanao hatsikana ngezalahy izay :
Tsiranana => asa fa tsy kabary
ratsiraka => kabary fa tsy asa
zafy => sady tsy kabary no tsy asa
ra8 => asa sy finoana
Raha milahatra izy 4-dahy : iza nénao ?
16. naritsimba ( 14/12/2004 06:30)
Tsotra ny zava-miseho sy mitranga @ izao fotoana. Iaraha-mahita sy iarahana miaina ny fahoriana mianjady amintsika koa dieny izao miomana @ fifidianana manaraka.
Fidio izay kandidà mifampitana amin\'dra8 eo.
Izaho tsy hifidy Ra8 intsony fa aleoko mifidy ra9 @ izay fa mpanao didy jadona ra8
Misaotra eh!
17. moi ( 14/12/2004 06:38)
le vahoaka fanatika Ra8 dia tena be no diso fanantenana ! Ohatry ny mampanonofy kosa klou le fiaingany teo e !
Rehefa jerena maso mpanohana : tena manao zvt io rangahy io fa be no tsy tia ; zany fanaratsiana an-gazety... rehefa tsy tiana izy dia hita foana zao fanitaran-dresaka lava izao !
Aiza no misy hoe mitombo ny vokatra azo ara-bary isan-hekitara no vao maika mihalafo ny vidiny, voafafa ny trosa gasy vao maika mahantra, be làlana vita vao maika mitombo ny frais ... be dia be no azo lazaina fa tsy manaraka lojika ekonomika mihitsy raha ny ady gasy e !
Nasian-dry zalahy tany amin\'ny fampiakarana devizy, efa voafehy ? Asiany amin\'ny vidim-bary, ho voafehy ? Mbola ho asiany koa ny PPN hafa, mandra-paha Magro-isation ny zavatra rehetra eto Daga !!!!. Ny vokatra an\'ny TIKO kosa tsy mba miakatra firy ho\'a ny vidiny e ! Tsy mampieritreritra ve ?

Fa raha jerena maso mpanohitra kosa, ... ssssssssssssshh , .... aleo tsy asiako resaka be fa mora ny manaratsy.
\"Aza matoky olona\", fa aleo matoky an\'Andriamanitra fa hoy Izy aminao hoe \"Indro ny aizina manarona ny tany, aizin-kitroka manarona ny firenena, fa aminao kosa no hiposan\'ny fahazavan\'i Jehovah\". Tongava aminao araka izay inoanao.
Fa ny ahy ny fiainako tsy miankina amin\'izay filoha eo. Ny anao koa mety ho toy izany.
18. ravatorano ( 14/12/2004 07:43)
hay nareo tena mpanao politika daholo ary tena manakevitra tsy takatro mihitsy fa d bravo daholo aloha.
Nenah d izao ihany marina fa tokony sika menakavy no hiarahientana hahatsapa tena amin ny fampandrosoana ny firenana ka tokony hanao ny tandrifiny azy avokoa.
Marina fa tsy an iIngahy ravalomanana irery ny fampandehanana ny raharaha eto fa isika rehetra mihitsy.
Fa an iza kosa anefa ny manao ny fanapaha kevitra eto entina hampandroso haingana ity firenena ity ?????????
Misy andrim panjakana mahefa firy moa eto d iza avokoa ny mitantana aizany????????
Raha tsy voabaikon ny lehioben ny andripanjakaba voalohany ireo manaraka dia tsy olana fa ry zareo izany isan ireo tsy manao ny asany.
Ny Filoha zoki ray aman dreny Ravalomanana dia nampiaiky ny tenako izao tamin ny kabary fohy nefa mafonja izay nataony taloha teny amin ny 13 Mai ireny ka d nifidy azy toa an i Naritsimba aho tamin izay.
Misalasala aho amin izao satria marina ny teninareo hoe vita ny lalana atsy sy eroa ! Voafafa ny trosa b izay tena natahoraa fa ho babaen ny fara aman dimby any aoriana any ! io mbola tsy mazava ny tena fandehan io famafana trosa io satria tsy ampy mihitsy ny fanazavana omen ny minisitra tompon andraikitra amin izany.
Inn koa no efa vita nosoloina ny minisitra telo fa tsy nahomby teo amin ny fanatontosana ny andraikitra nankinina taminy.
Tafiditra lalina anefa ny fitondrana tamin ny detaxation ireny : nitotongana ny vola malagasy izay hampiasa ny ariary atsy ho atsy
niakatra ny lasantsy nohon ny fitotonganan ilay vola d novidiana lafo izany izay nosaronana hoe io ndray d efa iraisam pirenena ny fisondrotana ka ekeko aloha izay eh
19. ainaheri ( 14/12/2004 08:20)
Ka ny afitsoky ny zanany aza tsy itanareo ko
iny lay we miala Ankatso Ambodiempona
niala Sophie tonga Sarah io wa aza asiana
resaka fivavahana zany refa ifidy filoha fa ireny no tena loza aleo aza mifidy ireny mpamono ol reny atao filoha d ny manamboatra saina sisa no atao fa tsy zany ny sasany miafina ambadik\'io fivavahana io§
Otr\'zany zao lay filohan\'ny fjkm tsy lany teo
d ra vao tsy lany d mamory mpanao gazety lasa mpanohitra mbola ambany ny foto-pisainana @ ty fitiavantena diso tafahoatra ity
en + ianao pasitera aiza ny finoanao maninona
no tsy manaiky resy?
20. tsiperifery ( 14/12/2004 08:47)
Naritsimba > Amiko indray anefa dia heveriko fa raha nanao didi-jadona i Ra8 dia efa nandroso lavitra noho izao isika :D . Mody feno fahefana izy eo @ endrik\'ivelany fa raha ny marina dia tsikaritra fa mbola ambany fahefan\'ireo andrim-panjakana samihafa izy. Ohatra vitsivitsy:
1) Maninona no tsy sahy manongotra ny PM hatrizay ka hatr@izao izy anefa io no anisan\'ny fitakiana ambadika nanagatahin\'ny mpanao politika maro ? Ao raha. Satria matahotse
2) Maninona no nekena ny fangatahana maro fampekarana grady tao @ foloalindahy ? Satria matahotsa fanoherana
3) Maninona no mbola tafiditra @ andrim-panjakana samihafa ireo tsy maty manota fahiny ? satria mbola manana tanjaka ambadika mihoatra noho i Ra8.
Ny mpanao didy jadona dia olona sady mpandray fanapahan-kevitra irery no koa manana appui avy @ sampana samihafa.
Ny an\'i Ra8 miady irery tsy ampy tohana firy intsony avy ao @ fireneny. Ny fitondrana samihafa aty ivelany ( Afrika, europa, zamerika ) anefa mahatoky ny fitantanany ary mahatsapa fa mbola lavitra sy mafy ny fihafian\'ny Malagasy na dia eo aza ny ezaka fanarenana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1031