Ingahy Ravalomanana sy ny fitondrana amin izao fotoana izao : diso fanatenana marina v ny vahoaka ?
41. crrlanto
(
20/12/2004 19:27)
Voalohany aloha dia saika mitovitovy hevitra daholoniska malagasy, eo amin,ny fandinihana ny raharaha amin ny firenena ,izany aloha dia tsy misy anomezan tsiny n,iza n,iza ,ary ny lalina dia hay isika ohatra ny mahay mandinika sy mamakafaka,ohatra fontsiny, rehefa mijery baolina,mahita ho lazaina foana ,ohatra ny sika no eo @ terrain.NY hafa koa dia ity, isika rehefa hoe amboly,dia ny ampitson,ny nanetsana dia masaka ve, aiza ihany e,ahoana e.Ohatra hoe amboarina ny lalana,afaka herinandro dia hoe aiza ihany zay lalana eo e? inona no mahatonga zany hoy ianareo,efa leo miandry isika, ka tsy mahari boakena intsony;,vokany; lalaoviny mpanao politika eto sika,hiverina anie reo mpanao politika ireo zay tei nandritra ny 44 taona, nefa zao no misy antsika, mba tonga saina ry malagasy an,tanora be za miresaka aminareo zao ,tongava saina ry zareo an !!!! za tena malahelo mahita ny malagasy mahantra tena mahantra,nefa mbola malahelo koa mahita ny malagasy mahantra toe tsaina,ohatra fontsiny,ny fototry ny maha olona (anisany) anie ny lalàna e,fanjakana iza teto no mba sarotiny @ fanajana ny lalana ,tokony hanaja ny lalàna ny malagasy,!!??? ny fanjakana @ izao no mampihatra zany voalohany, mampianatra ny olona manaja lalàna ,satria io no fototry ny mahaolona,sarotiny mintsy io fitondrana io @ lalàna sy fampharana zany,.Momba ny hoe fampandrosoana indray ,hoe aiza ihany e, mahareta fa hanana ny soa e, !!! tsy moramora anie ny manarina ny zavatra simban sy tsy nisy teto e, toy ny fotodrafitr asa sns e, tsy moramora anie ny manarina ny toetsaina ho lasa toetsaina ho tia miasa e, tsy ho tia tena e,tsy moramora ny manarina toetsaina olona efa zatra notolorampotsiny hatramin,izay ho lasa hoe ianao dia tsy ahazo raha tsy miasa e, tsy ho vita mora ny manarina, toetsaina lomorona lotra izay tsy mahamenatra ny milaza zany satria toetra novolena tato amintsika zany,tsy moramora ny manarina toetsaina feno fialonana, zay sika malagasy no voalohany,!!!zany rehetra zany no adidy mitambesatra eo antsoron,ny presidant ra8 io, ary fantany tsara zany adidy zany.Fehiny, mila ovaina aloha ny toetsainan tsika tompoko raha tsy zany tsisy vola ho avy zany eo, mba ataovy lojika ny fisainana,!!! za izao @ zao fotoana sarotra zao mbola mahita ireny BAR fisotroana reny feno olona misotro, !! diniho fontsiny ny fianantsika andavanandro,
42. pitchou
(
28/12/2004 18:23)
ka iza aminareo aza no hirotsaka ho fidina @ manaraka? dia ataovy miadana sy finaritra ary manankarena ao anatiny 2 taona ny gasy rehetra nefa tsy hisy trosa hitombo!
d afaka 2 taona averintsika eto ny tsikera rahatra nataon\'ny rehetra etsy ambony
d afaka 2 taona averintsika eto ny tsikera rahatra nataon\'ny rehetra etsy ambony
43. judicael
(
08/04/2005 06:02)
salut daholoeee! raha amiko manokana aloha ry zareo de tena manamarina zato isanjato ny lohateny hoe diso fanantenana tanteraka ny malagasy izaho aloha de malagasy ka tena diso fanantenana tanteraka e!marina tokoa fa misy ihany ny adiditsika amin'io fitondrana io ary marina sy manaiky izany aho raha ohatra mantsy ka mpivarotra aho izao ka mangala-danja izay de efa azo lazaina fa teo-tsaina mbola tsy hampandroso antsika mihitsy,izao anie ee! ny ahy aloha de tsy matiko lolo mihitsy le mba nodradradradraina fa hoe efaka ny trosa sasany ,inn no nitranga miakatra hatrany ny vidimpiainana! ny vary lasa 400 ar ny kapoaka ilaharana nefa anie raha izao moa no niseho hoe efaka ny trosa sasany de mba nidina ny kapoakan'ny vary tsy de niakatra firy ny vidimpiainana de tena mino marina aho fantatr'ilay malagasy izay tsy handohalika mandrakizao fa tena afaka marina ny trosa izany hoe ny tiako lazaina de izao rehefa misy zavatra lehibe hoatra anireny ka miantraika mivantana amin'ny sarababembahoaka de na tsara na ratsy ny vokany de ho fantany fa izay le izy!ka ny adraso andraso lava tsy mahavoky eeee!!! haharitra mandrampahoviana ? mahareta ry vahoaka malagasy ? ho IZANY FOANA VE?
44. judicael
(
08/04/2005 06:27)
De ny tiako ho lazaina faharoa koa ny fahitako ny fiarahamonina iainantsika malagasy de toa fiarahamonina mifamona fa tsy mifamelona io koa de mbola toetsaina mbola mampahantra ny malagasy, rehefa mba miresaka amin'ireo olona mifanerasera amikoa aho ka miresaka io toe-tsaina io zahay de hoy aho hoe ny mpiteny de tsy mpiteny fotsiny fa izy miteny aloha no mpanatanteraka voalohany fa tsy hoe ny zavatra atao hafa nefa ny lazain'ny vava hafa angamba azonareo ny tiako hambara, jereo fotsiny ohatra raha vao maheno fotsiny ny sasany hoe hikatra hona ny vidin'izao sy izao de efa avy manafina ilay zavatra mbola ananany betsaka ka miandry kendritohana fotsiny ny sasany hampiakarana ny entany,de tsy mahagaga raha mihamitomba hatrany ny teknolojian'ny fangalarana mbola anisan'ny fahadisoana fanantenana ve izany e? Na izany aza ho antsika mbola manana ny toe-tsaina mbola tena mitana sy mitsinjo ny fiarahamonina malagasy de tohizo fa tsara ary mitariha olona fa aza voatarika hanao ratsy eny fa na de mafy aza ny fiainana eto ampanoratana aho de maheno ny hiran'ilay artista iray izay hoe raha misy olona marina 50 de tsy ho rava ny tanana ,koa antsika ry reto gasikara aza iandrasana ny fahiny ny fanatsarana azy fa isika ihany de tokony hahavita azy , mbola maro ny zavatra mbola tsy mamely hita amin'ny fiarahamonina fa ireo aloha no azo ambara fa amin'ny manaraka indray resahina ny sasany