Ingahy Ravalomanana sy ny fitondrana amin izao fotoana izao : diso fanatenana marina v ny vahoaka ?

21. ravatorano ( 14/12/2004 10:23)
za koa letsy naritsimba defa tena mihakely finoana isan adnro izao raha ny mboba ireto mpitondra ireto ah.Ny fiharetana moa iny efa hatramin izay niaritra foana fa tsy we vao tamin ity fitondrana ity akoriny ka tsy d olana amiko iny.Mifamahofaho b loatra mantsy ny fiainam pirenena amin izao faran ny taoana izao hany ka mampikorapaka,Misy grevy atsy ,migrevy ny aroa d ny minisitra tompon andraikitra mampitahotra sy mamono afo fotsiny d isika vahoaka tsy mahalala izay tena marina sy fahamarianan dradradradraiana lava ity.
Momba ny zanaky ny mpitondra indray d mbola tsy haiko loatra ny fandehany satria izaho tsy mifampikasokasoka amin dry zareo no izahay samy manana ny toerana ka raha resak olona taterina tsy d mino loatra an izany aho indrindra fa amin izao efa betsaka koa ny expert amin ny tsaho sy ny honohono.
Ny we hifidy na tsia mbola misy roa taona hieritreretana tsara letsy ry zalah sy ry zavavy fa d ho hita eo ihany.Mihatsara aloha d izay zany raha miharatsy d izay zany ihany ny aminy fa d hihezaka tsy hifidnizaniza tsony zany satria ireo mpanohitra ireo aloha raha mbola misy milatsaka eo d za mihitsy no hanao volontera hanao propany hanohitra an ireo fa teo izy tsita izay nataony fa nenah lasa ny eo misaolo hafa koa fa tsy hoe lasa vaza d misolo vazaha ihany.
22. ketoka ( 14/12/2004 11:36)
Ny mahatonga ny fiakaran\'ny vidim-piainana raha ny fahalalako azy dia efa ela loatra ilay mpitondra teo aloha ny teo @ fitondrana. izany hoe efa mahita ny irika rehetra. Indrindra fa ny faminganana. Ao koa ieo olona manam-bola ary efa zatra nihinana taloha ka mbola te-hihinana @zao fotoana izao.
Ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka.
Jereo fotsiny fa tratra ny point d\'achévement nefa ny sandam-bola nidina.
Tonga ny vary nefa ny vidim-bary miakatra.
Misy fingana mahery vaika ao no dikan\'izany fa diniho tsara ange.
Sampona be ange ilay izy e!
23. ( 14/12/2004 13:59)
Ny ahy dia tsotra , tsy haiko ny Ravalo marina no tsy mahavoa ny ahoana, fa zao : Ny foto-pisainan\'izay mahazo toerana no tokony hiova (Minisitra, Directeur isan-tsokajiny..sns), vao tonga ao mantsy ry zalahy dia efa fantany fa toerana mandalo io, dia ny paosiny aloha no fenoiny, vitsy amin\'ireo ange (raha misy aza) ny tena mijoro amin fahamarinana e, ny azy aloha, ka raha mbola hiovaova hatrany ny olona mitantatan dia mazava ho azy fa ny azy ihany aloha ny fantany satria mety afaka telo volana izy de hianjera ao amin\'ny toerany indray. Ka io ry zareo tsy tafa io raha tsy misy olona maromaro sahy mijoro , mpitsara sahy mitsangana fa tena miaro ny fahamarinana, nefa raha hisy zany olona izany, moa ve en securité ny ainy sy ny fianakaviany? mmhhh sarotra ihany....Dia rahoviana izany ilay developpement rapide? asa angamba atsy ho atsy. :?:
24. nyaina ( 14/12/2004 14:15)
izao koadia mitovy evitra @ namana ketoka e jereo tsara ny fandehan\'ny tantara misy manararaotra sy mpamingana any ho any ohatra amin\'izany ny vary , ny vary anie misy e na ny vokatra avy eto antoerana na ny avy any ivelany saingy isika amoa efa nisafidy ny fanalalahana ara-barotra ka io zavatra io no hararaotin\'ny mpamingana ary hampiasainy vola be tokoa mapalahelo!
25. atmos ( 14/12/2004 15:05)
Mahafinaritra ity resaka ity ka mba handray anjara kely angamba ny tenanay.

1.- Marina ve ry zareo fa toa naheno resaka aho hoe, toerana misy TIKO daholo no nisy fanamboarana làlana, @ izay ve mandeha tsara ny bizinesy, toa marina tokoa zany satria any @ Toerana misy an-dry dadabenay aloha tsy vita ny lalana e, mbola mandeha tongotra fôna ry zareo miakatra ny renivohitra.

2.- Za aloha tsy miombin-kevitra @ le manisy olana fôna @ le fitondrana teo aloha e, efa tantara lasa izany, fa tsy hoe misy zavatra tsy mandeha de hoe fauten\'i le bandy taloha iny, ianao zao no eo de ataovy izay hampandeha ny tantara fa tsy atao fialana bala fotsiny ilay hoe ilay bandy taloha iny no diso, atao fakàna lesona fotsiny ny tantara efa lasa fa tsy atao \"excuse\".

3.- Ny filoha koa dia manana \"pouvoir\" ngeza be, raha misy zavatra tsy mandeha ao @ fanjakana dia manana pouvoir izy manova izany na manàla izay tokony esoriny. Nisy niresaka teo hoe maninony ny PM no tsy esoriny teo, ho anareo tsy mahalala dia ny PM ntsika @ izao fotoana izao no \"avocat n\'ny Filoha ntsika\", tsy ho tohizako ny tantara fa avelako ianareo no manohy azy, misy secret angamba ao tsy tian\'ny filoha avoaka, ka sanatria esorina teo ny PM dia sao avoakan\'ny avocat ny zava-miafina rehetra.

Izay angamba no azoko aroso, fa za koa aloha nifidy \"Ra-8\" ary manana ila merina, fa @ manaraka tsy hiverina @ lalana efa nombana intsony e!

Mirary soa ho antsika rehetra e!
26. xxx ( 14/12/2004 20:12)
marina ny anao rahalahy a!misaotra anao tsy jamba sy tsy fanatika fa mandinika araka ilay voalazan\'ilay namana exprt tary ambony
za manaiky fa expert iny olona iny satria nataoko ny analyse sy ny recoupement dia marina loatra ny voalazany,mandratra aloha ny voalazany ho an\'ny olona fanatique e!saingy marina
27. loockx ( 15/12/2004 04:26)
Tahionao ry zanahary,
ity nosindrazanay ity,
hiadana sy ho finaritra,
e sambatra tokoa izahay.

Hiadana sy ho finaritra tokoa v? minoa fotsny ihany
28. damaopa ( 15/12/2004 06:47)
Fiadanan\'i Kristy no efa narotsany tamintsika. Anjarantsika no mandray azy na tsia
29. ravatorano ( 15/12/2004 08:34)
damaopa>tsihitako loatra izay hifandraisan io resakao io amin ilay lohahevitra.
Ny mahagaga tokoa d izao nilaza ny filoha Ravalomanana fa ny efa manana dia hanana ihany ary ny tsy manana dia atao izay hahampanana azy ary dia hanana 4L avokoa ny malagasy(kabary tany antsiranana ).
Izao anefa ny chef de region dia karamaina eo amin ny 10millions eo aloha amin izao fanombohany izao ary dia mety ho tafakatra hatrany amin ny 20 millions zany atsy ho atsy.Ny minisitra moa defa iny niarahana nandre iny fa nahazo taminy bebeihany 3mille$.
Raha niteny ny sendikan ny mpiasa madinika aty ambany aty mba hampiakarana ny karamany d milaza ny fitondrana fa io miankina amin ny tetibola , miakina amin ny lalana ara toekarena eto amitsika mbola mila fijerena akaiky izany sns sns... Aza gaga na variana amin izany fa mahareta hatrany eh dia minoa fotsiny ihany koa fa ho avy eo ny mana avy andanitra.Zay kely finoana amin izao d miaraka amiko fa taloha za zato isan jato ny finoako tamin ity fitondrana ity.
30. tsiperifery ( 15/12/2004 09:19)
Ravato > Ka izay fanohanana zato isan-jato taloha izay mihintsy no hitako tsininy amintsika Malagasy e ! Rehefa tia dia tena babo 100% !!! Anefa mbola fandresena tanaty krizy t@ ireny.
Mazava ho azy fa na misy zava-bita aza ( Oh. lalana mihatsara ) dia tsy afaka hifaly mihoatra ny efa eo intsony satria mikoinsa eo @ 100 ny salan\\\'isa.
Nanao lahatsoratra maneho hafaliana sy miharo fampitandremana hatrany ny tenako t@ ireny tao @ site \\\" Tiako i Madà \\\". Nolazaiko t@ izay mba ho arahi-maso akaiky hatrany @ izay ny mpitondra. Ompa no setrin\\\'izany satria babo 100% ny olona dia \\\" con....vaincus\\\" tanteraka fa tsy maintsy tafita tokoa i Gasikara. Mino fotsiny de ampy fa tsy mila miasa firy !!!
Fahadisoana lehibe nataon\\\'ny mpitondra vao t@ ireny fotoana ireny dia ny nampanantena fampandrosoana sy fiadanana malaky ho antsika Malagasy. Dia mbola nino à 100% isika anefa IMPOSSIBLE izany. Isika nandia fianarana aza nino, de meteza eo @ toeran\\\'ny madinika mitrongy vô homana. Ninoany tokoa fa hisy ny mana hilatsaka avy any an-danitra de betsaka ny niandry fotsiny fa tsy vonona hiasa kely etsy sy eroa intsony sitrany ahay...
Ny finoako t@ ireny fotoana ireny teo @ 65 % teo. 68% eo ho eo izy ankehitriny ary ny vinavinako sy antenaiko dia ny ahalasa izany ho 75% afaka 2 na 3 taona eo.
Ireo tantsaha namana nino toa ahy dia mbola mivelona @ asa nataony teo aloha ary mampivoatra izany tsikelikely satria mihatsara ny lalana hamezivezena ny entana ( HEMOPHA moa sa inona ilay farimbon\\\'asa nanatanterahana ireny fanamboaran-dalana ambanivohitra ireny ?! )
Aza kivy isika fa na iza na iza fitondrana, aza miantehitra aminy zato isanjato fa ny drafitr\\\'asa efa kinendri-tsika hatrizay aloha ezahina tanterahina e ! Tsy misy fifaliana azo mihoatra noho ny vitan\\\'ny tena na dia bitika aza izany !! :)
31. sechat ( 15/12/2004 09:29)
ravatorano> io le resako tary ambony tary hoe ny mahantra tsy de voajery firy tao antin\'izay rehetra zay.

Ny antony mahatonga an\'io ny fieritreretako azy de mila fanohanana lery fa mety vitsy no tena azo hitokisana tsy hivadika ao @ ndry zareo samy ambony ao. Tambatambazana karama sy vola be mba hahazoana azy. Ka refa lany any ny vola, tsy misy ho an\'ny aty ambany intsony.

Ny zavatra azo tsoahina @io dia samy mameno ny kibony daholo izay tafakatra eo ary tsy samy tsy mena mivadika daholo.
Izany hoe raha tsy hanao an\'izay izay président eo an-toerana de minoa fa fotoana vitsy monja sisa....de hatsipin-dry zalahy. satria na izy aza no ao an-tampony raha tsisy équipe tsy mande n\'aiza2.

Nefa raha hamoky an-dry zalahy eo ambony kou ka ny vahoaka foana no tsindriana de ho 2002 fani-2 ndray :-D
Zao zany le hoe \"entre le marteau et l\'enclume\"
32. sechat ( 15/12/2004 09:39)
tsiperifery> za kou alou manaiky an\'io ambony io e!

Za an\'isan\'ny nifidy ravalo ary mbola tsy nanenina t@ safidiko a satria raha hafa no lany teo mety ratsy lavitra noho izao no niseho teo.

Nefa efa hatramin\'ny voalohany mitsy ity \"adoration\" ataon\'ny ol ty no tsy tiako. Otran\'ny hoe raha vao izy no eo @ toerana de lasa paradisa kely dago. Ny pb -ntsika gasy matetika tsy manana objectivité fa ny fo no mande aloha. Mety misy lafiny tsara io nefa tsy tsara raha tafahoatra loatra.
33. tsiperifery ( 15/12/2004 09:53)
sechat > Ka efa zatra nanjambain\'ilay jamba isika tsinona hany ka raha vao mahita mahiratra kely tonga de mirotoroto entim-po dangitra ! Manary lamba , hoy ny fitenenana
34. sechat ( 15/12/2004 10:38)
:-D
35. atmos ( 15/12/2004 14:45)
sechat > raha hafa ny lany teo, mety ho ratsy lavitra hozy enao, amiko ndray dia 50% de chance zany, satria mety ho tsara lavitra koa ange e!
36. fijo ( 15/12/2004 22:47)
eny e,io resaka tsy hita satria i ravalo aloha izao no eo.
fa ny zavatra hitako koa aloha dia io efa voalazan\'i tsiperifery sy sechat io.be fo loatra isika ,hany ka mora fitahina sy mora miakatra koa.mora mahatoky nefa mora mamono koa.izay no zavatra tena mila hovana haingana.
eo koa ity hoe rehefa nitolona dia tokony ahazo toerana.na tsy manana ilay fahaizana aza dia mitaky seza(loza)
ary farany dia mihevitra isika fa rehefa miova ny olona dia handroso tampoka ny firenena.izay dia efa hatr\'izay.tamin\'i ratsiraka,zafy,izao koa ravalo.isika mitaky fiovana,nefa isika tsy te hiova.
37. ravatorano ( 16/12/2004 09:58)
za aloha letsy ry zalahy namana ny hitako aty ihany no hanombanako ny fandehan ny raharaha.Marina fa tsy hisy fampandrosoana toudesuite zany fa tsy maintsy tsilem io fa na izany aza ilay fomba fanao teo aloha dia miverina avokoa hany ka na natsangana aza ny Bianco d nanjary niakatra ihany koa ny fametrahana kely sy ny fampifilafilaina>Tsy ravalo irery anie zalah no tiako lazaiana fa ireo mpitondra antsika rehetra ireo eh.
Raha ny sitrapon i Ravalo v letsy tsy efa nihazakazaka b tsika fa tsy vitan izany anefa ny fampandrosoana sady ny toetsaina malagasy mbola ny maly ihany no androany.
Misy zava bitan ity fitondrana ity manaiky za wa ary koa misy lesoka ataon ity fitondrana ity izay ledoka efa nataon dry le vendrana sy nandra teo aliha nefa mbola miverina ihany izao d innn zany no kalifikatifa mena andry zalah ireo indray :oops: .
Rehefa misy ny atelir sy ny seminaire dia mivaoka ao ny hevitra tena milay ary faran ny raitra , mahomby izany fehikevitra noraisina tatsy ananonna izany ah.Raikitra amin izay ary le hamoiasana azy d eo samy miraviravy tamnana eo daholo tsy haiko we inn no antony d le taloha iaany wa lany fotoana amin ny atelier sy seminaire ary ny pause café ny vola tokony hahafahana mandoa ny taxe alaina amin ny zezika hanampiana ny tantsaha ireny.
38. ravatorano ( 17/12/2004 06:39)
ny fampandrosoana an i madagasikara dia miankina amin ny fivoaran ny toetsaina ihany koa fa raha mbola toetsaiana nozanahan ny lafrantsa fahiny ihany no mbola mikiki ny malagasy dia veloma lava fa ny samy maka ho azy no bobaka ka ho very tanteraka ny firenena.
Tokony samy haka ny tandrifiny avy ny isam batan olona mba hihoitra amin ny fanarenanna ity firenena ity ary io tsy vitan ny fitondrana irery , rtsy vitan ny mpanohitra irery ary tsy maintsy ny be sy nbny maro no miara misalahy raha te ho tafita.
Ny mpitondra amin izao fotoana izaom koa tokony hanana sofina maro hihaino ny hevitra rehetra miposaka ary dia anjarany ny maka izany ary mandrindra izany amin ny hampivoarana an i Madagasikara ,Ny mpanohitra maka oterana tsara amin ny maha mpanohitra anareo fa aza d b resaka sy manao fanoherana bontolo fotsiny.Eto amitsika mbola tsy hitako oatra ny antsoin ny vazà hoe opposition constructive fa destructive foana no nisy ary misy eto.
Mijaly ny vahoaka amin izao ary tsinjo eran ny tanana rehetra izany ka mila fanarenana ny firenena aoka mba tsy hiandry fifidianana indray isika menakavy vao samy hidradradradra fa izao defa miomana ny hiasa mafy fa hifarana mantsy ity ny taoana 2004 ka mba ho ainga vaovao indray no entitsika miatrika ny 2005.
Misaotra é.
39. tsiperifery ( 17/12/2004 08:38)
Ravato > Tafaresaka tamina tary gasy avy any Vatomandry za omaly. Dia nampitaha ny zava-misy any an-toerana sy aty lavitra zahay 2là. Raha fintiniko ny voaresakay de afaka hamaly kely an-dRavato za @ ilay resaka toetsaina.
Raha toetsaina voazanaka tokoa aloha tsy lasa.
Misy lesona tsara azo tsoahina kosa anefa avy @ toetsaina vazà: ny an-drizalà raha vao voavolavola ny projet ary misy vola an-tanana, raim sy 8 de vita ny asa fa tsy mitarozaka toy ny any amintsika.
Le hoe samy maka ho azy tsy dia marina loatra fa \" 1 pour tous\" angamba no akaiky kokoa ny fisainany. Samy mitondra ny anjara birikiny. Io le hoe \" vazaha mody miady \" satria mifaninana @ fomba mihaja ny tsirairay. Arak\'ilay tenin-dRavato hoe \" opposition constructive \" ny azy.
Ny lesoka mahatsiravina amin-drizalà dia ity fisainana zatra nanjanaka tsy mety afaka ity. Heveriny fa ambany noho rizareo hatrany isika tambany ziogany hatrizay. Anisan\'ny tokony hampitroatra ny tsirairay hiasa mafimafy kokoa ho an\'ny tanindrazana anefa izany.
Na eo aza izany dia manaova fety finaritra leisy rampitso fa fiainana daholo izany a ! :wink:
40. rajn ( 20/12/2004 17:28)
Rehefa nandinika ny toe-draharaha any dago za dia tena malahelo, oviana teo amin\'ny tantaran\'ny Gasy ka manja no mbola nisy vidim-bary tafakatra toy izao amin\'izao fotoana izao, tsy mbola nisy haine politika toy izao misy izao ao Dago , ekeko fa nanova zavatra ry zalahy fa mba tokony hijery ny zavamisy ao an-toerana ny fitondrana somary hazavaiko ny hevitro, aty imason\'ny mpamatsy vola ivelany dia tena tsy mangalalatra ny mpitondra satria ny vola fanampiana dia mandeha amin\'ny andaniana azy fa ny tsy hitandrizareo vahiny dia ny fahorian\'ny vahoaka valalabemandry, ka asa lahy hoa aiza marina isika ity ny tokony ho tsarovana dia tsy ho mandrakizay no ho eo amin\'ny fitondrana ka mba jero ihany ny vahoaka.
Dia samia manao fety sambatra daholo isika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4105