Be zesta ve ny Protestants???

1. xxx ( 10/12/2004 19:55)
Remarque (sy fanontaniana) kely fotsiny e!
Maninona kay ny Protestants no malaza ho be zesta rehefa mandeha mivavaka e? :?:
Ayr koa hoe betsaka ny olona (tanora) no mandeha mivavaka any @ FJKM (indrindra any @ireo FJKM malaza) satria hoe any no be sipa manja sy bandy bogosy. Marina ve izany?
novalian'i annie ny 11/04/2005 17:16
2. lema ( 10/12/2004 20:17)
misy fahamarinany
3. ikaretsaka ( 10/12/2004 21:19)
misy bandy bogany sy sipa manja ihany mandeha @ fiangonana sasany ka! saingy izy variana @ le raharaham-piangonana sasany: Scout ohatra na mpampianatra katesizy na chorale na tsy haio dia tsy mijery loatra ny any , na hoe hivavaka koa ny tena handehanany any .
sady mety tsy dia mikata be izy dia tsy voa remark firy!

sady any amin\'ireo fiangonana lazainao ireo angamba no mandaitra kokoa ilay lazain\'ilay hiran\'i dadah manao hoe maro mantsy ireo mpiatsara ivelan-tsihy.. ny ampiseho lamaody ny tena aton-dia..

misy ange any ampiangonana na aiza na aiza misy ratsy tarehy be fa mikata be dia ohatran\'ny heo manjakely ery e

tsy haiko aloha e.
4. tsyandevo ( 11/12/2004 02:44)
inona le oe be zesta alo e! ra manja kosa aza ve izy de lazaina fa mizesta? ra kata ve no mapizesta tsy aleoko mijery ny salakan\'i ledama!
5. ikaretsaka ( 11/12/2004 02:54)
sao tavela any @ 200 taona lasa nareo ka manao salaka mandeha miangona lehiroa!
6. kally ( 11/12/2004 08:41)
Ikaretsaka : \"..sady any amin\'ireo fiangonana lazainao ireo angamba no mandaitra kokoa ilay lazain\'ilay hiran\'i dadah manao hoe maro mantsy ireo mpiatsara ivelan-tsihy.. ny ampiseho lamaody ny tena aton-dia.. \"

Fa ahoana kosa moa no tonga dia mitsara fiangonana ohatr\'izany?Io foana ilay hoe rehefa manomboka milaza fa fiangonany ihany no marina sy tsara indrindra dia misy raha ao.
Any @ Jesosy Mamonjy koa misy mikata be fa izany hoe zareo MIZESTA misaron-doha rehefa mandeha mivavaka.Sa inona ity mizesta lazain\'i xx tsy sahy mitonona anarana?
7. xxx ( 11/12/2004 12:42)
kally
tsy izaho akory no miteny hoe mizesta ny Protestants fa be ny olona milaza izany hoy aho e! Izaho koa mba varina amin\'ilay izy ka dia asa moa ry reto kou!

lema
innona ilay hoe misy fahamarinany?
8. ikaretsaka ( 11/12/2004 14:05)
kally> angamba hoy aho... fijeriko manokana io
9. narilala ( 11/12/2004 20:28)
Ny antony ara-tantara re olona no tena nahatonga an\'io. T@ andron\'ny fanjakan\'andriana, indrindra teto Antananarivo sy ny manodidina dia lasa fivavaham-panjakana ny fivavahana protestanta, ka dia reo andriana sy ny taranany izay sady mpanakarena t@ izany fotoana izany , no mameno ny fiangonana protestanta, ireo koa no tena mazavazava endrika. Ary dia izany no maha betsaka mpanakarena sy taranak\'andriana any @ protestanta. Tsy hoe tsy ahitana an\'izany akory ny fiangonana hafa , toy ny katolika ohatra, fa saika ny FJKM no ahitana an\'io lafin-javatra iray io. Tsy hoe tsy akory fanahiniana fa vokatra sy tandravadikoditry ny tantara nisy.
Jereo ohatra ny FJKM Amparibe Famonjena, izaho manokana tsy mahita mafy ady mivavaka ao mihitsy, fa olona raitra be @ fitafiana sy fiara daholo no ao.
10. xxx ( 11/12/2004 20:46)
Tohizako kely ilay voalazako tetsy ambony. Jereo ange ny faritra be protestanta ao Antananarivo sy ahitana ny ankabezan\'ny fiangonany, saika @ faritra avo na ambony, dia jereo ny sarangan\'olona tonga mivavaka ao.Dia jereo koa aiza no faritra betsaka katolika indrindra, fa saika ny faritra iva no tena betsaka, dia jereo koa ny karazan\'olona mivavaka ao. Dia mikônty ao anatin\'izany rehetra izany ny volon-koditra (manja, bogosy hoy ny voalaza tery ambony). Tsy hoe tsy mba misy manja akory any @ fiangonana hafa na tsy misy mpanana, fa ireo no nambara dia hitarafatsika fa noho ny tantara nolalaovan\'ny Malagasy, indrindra teto afovoan-tany, no nahatonga izany.
Any Antsirabe, ohatra dia tena manja be daholo ny sipa katolika sy FLM ary bogosy ny bandy, toy izany koa any @ toerana hafa.
11. sangojy ( 11/12/2004 20:50)
Asa tokoa aloha ilay mi geste tenenina eto fa ny tradition protestanta avy amin\'ny anglisy koa dia hita ao io fihetsika io. Manmpy ilay ara -tantara voalazan\'i narilala etsy alha koa dia saika manan-katao kokoa ny protestanta noho ny fiangonana sasany. Efa henonareo ny \"rakitry ny katolika\" ? Ka tsy ny rakitra ihany io fa ny fitafy koa. Ny hoe any no be sipa manja sy bandy bogosy, izay indray aloha angamba savoan-danitra, nefa asa alou...
Mazotoa mivavaka daholo eh...
12. ikaretsaka ( 11/12/2004 20:55)
ity mo resaka tatsy nefa hitako tary @ \"hono ho\'aho mompera\" saingy fa misy fifandraikany eto ilay izy ka dia nadikako fotsiny:

-----
marina mihitsy io volazanao io hoe ny (anakamaroany) protestant raha mandeha mivavaka dia \"ngetroka\" be ny fitafy ary ny catholique dia tsy dia miavaka be @ fitafy.

Marihako fa efa nanomboka t@ Réforme no nisehoan\'io resaka io, indrindra moa t@ Calvin. Ny an\'ireo Calvinistes dia ny \"réussite sociale\" no porofo iray fa hoe ambinin\'Andriamanitra ny olombelona.
Ka mihevitra aho fa efa hatram\'izay no nampisy ireo \"différence\" entre Catholiques sy Protestants. Ny Catholiques dia manana fò mangoraka (toy ireo fikambanana hoe\"Caritas\").

hitako koa fa rehefa miteny hoe Protestant ny tenanao dia lasa kely ny eritreritra hoe ....\"ah...mety ho manana izany ilay olona an...\" Indrindra moa raha toa ka hoe mpivavaka any amin\'ny fiangonana malaza (FJKM Analakely, Ambohitantely, Amparibe, Tranovato Faravohitra...) dia efa tonga dia voa-classé ho mpanana.... (na tsy mitombona fona ary).

Ankotr\'izay, ny an\'ny Protestants dia matetika ny fiangonana dia efa fiangonan\'ireo RAD taloha ka na dia ohatra ary lavitra, dia lasa ohatran\'ny hoe tradition ilay fivavahana any. (tsy milaza aho akory hoe tsy tena finoana no manosika hivavaka an!). Ny an\'ny Catholiques mazana dia izay akaiky azy no andehanany (Hitsio aho raha toa ka tsy mitombona ).

13. narilala ( 11/12/2004 22:21)
Mbola te hanohy kely ny resaka ara-tantara ihany aho mba hahafahantsika mijery sy mamantatra ny zava-misy. Raha tonga talohan\'ny misionera katolika ny misionera protestanta dia tany @ fifandraisana @ fanjakana no tena nimasoany aloha; ny katolika kosa dia tany @ fampianarana sy ny ara-tsosialy. Ka tsy dia mahagaga loatra raha havanana @ lafiny ara-pampianarana sy sosialy ny katolika.
14. ikaretsaka ( 11/12/2004 23:31)
Hoy i xxx t@
11/12/2004 23:46:57

\"Jereo ange ny faritra be protestanta ao Antananarivo sy ahitana ny ankabezan\'ny fiangonany, saika @ faritra avo na ambony, dia jereo ny sarangan\'olona tonga mivavaka ao.Dia jereo koa aiza no faritra betsaka katolika indrindra, fa saika ny faritra iva no tena betsaka, dia jereo koa ny karazan\'olona mivavaka ao.\"

---> ahitsiko kely: Betsaka ny fiangonana katolika @ faritra avo ao Tana ka, Andohalo, Faravohitra, Ambatonilita,,,, ohatra
---> ary misy koa anefa ny fiangonana protestants @ faritra iva: Isotry Fitiavana, Anosivavaka ohatra
ka ataoko angamba fa tsy criteres loatra io resaka toerana io!
15. ikaretsaka ( 12/12/2004 02:14)
narilala> ilay charisme mihitsy io ka:
\"Nanomboka t@ Réforme no nisehoan\'io resaka io, indrindra moa t@ Calvin. Ny an\'ireo Calvinistes dia ny \"réussite sociale\" no porofo iray fa hoe ambinin\'Andriamanitra ny olombelona.
Ka mihevitra aho fa efa hatram\'izay no nampisy ireo \"différence\" entre Catholiques sy Protestants. Ny Catholiques dia manana fò mangoraka (tsy hahita 4mis hitangorona eo ambaravarab\'ny Pasitera an\'amparibe mihitsy ianao nefa vao midina eo @ ndry masera ery ampitan\'i St michel dia efa milahatra )
16. kally ( 12/12/2004 15:14)
Tsy mbola fantatr\'Ikaretsaka tsara loatra fa ny fiangonana protestanta eto M/car dia misy maha-samy hafa azy @ fototra nijoroan\'ny fiangonana protestanta amerikanina arak\'ireo voalazanao eo ambony ireo.Anontanio ange ny mpivavaka protestanta fa raharahiany inona izay Calvin any!tsy izany mihitsy ny azy.
Dia averiko indray hoe aza mitsara zavatra tsy fantatra mazava tsara fa manjary miteniteny foana! :wink:
17. sipagasy ( 12/12/2004 16:09)
ahoana moa hoy ilay hira izay???? ilay hoe vavaka mihambahamba..........
18. ikaretsaka ( 12/12/2004 17:14)
kally> fa tadidio fa avy any no niatombohan\'ilay fisarahana hoe katolika sy protestants an.
ary ireo quality ireo ambony ireo dia afahana manavaka ireo olona ao @ ireo sokajim-piangonana ireo na aiza io na aiza
19. booboo ( 12/12/2004 17:54)
marina io tenen\'Ikaretsaka ny @ resaka Calvin sy catholique io ambony io
20. fithy ( 12/12/2004 22:11)
Za kalongany de protestante, fa tena mitombina mihitsy ireo voalaza ireo raha ao Tanà no jerena e. Tsy misy takona azo afenina anie izany fa maro no mahatsapa sy mahita e. Satria na ny tokon-tanim-piangonanay aza tsy ampy ny atsasaky ny fiaran\'ny mpivavaka akory ka dia manao tanjozotra manaraka ny sisin\'arabe ny ankamaroany. Aiza no hidiran\'ny mafy ady @ izany. Tena marina io fa tsy resa-be. Ny tena mampalahelo sy mahatsikaiky aza dia misy fiiangonana FJKM ,roa na telo no efa hitako, ary le Fiangonana somary mivoaka kely ny ville ireny, efa voatokana mihitsy ny toeran\'ny sarangan\'olona sasany ary dia tsy azo ipetrahana mihitsy eo na dia malalaka aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0973