ohabolana momba ny valala

1. nathanael ( 08/10/2004 14:58)
1- Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
2- Ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady

Tohizo
novalian'i fijo ny 16/11/2004 22:39
2. booboo ( 08/10/2004 15:13)
ny valala tsy azo raha tsy andrian\'ilika
3. ramoul ( 08/10/2004 15:15)
valala tsy azoko androany , azoko rôvina mou fa tsy haiko?
4. tenio ( 08/10/2004 15:59)
booboo>sabo-balal main\'andro, tsy azoko anio azoko ampitso
5. tenio ( 08/10/2004 16:01)
Ny valala manidina tsy asian-tsira
6. booboo ( 08/10/2004 16:22)
ramoul>io lazain\'i tenio io ny valiny
tenio> disodiso kely tsy mahamôry :wink:
7. aladin ( 08/10/2004 18:59)
- very fanahy mbola velona toy ny valala voatango.
- mifanipaka toy ny valala an-karona.
- valala am-pasana, miambina ny tsy an\'ny tena.
8. aladin ( 08/10/2004 19:00)
- very fanahy mbola velona toy ny valala voatango.
- mifanipaka toy ny valala an-karona.
- valala am-pasana, miambina ny tsy an\'ny tena.
9. tsilan ( 08/10/2004 19:42)
Valalan\'amboa koa na ny tompony aza tsy tia
Mahitsy fitoraka toy ny tsinaim-balala
Atriatry nify toy ny tsingarangadona (karazana valala ity tsingarangadona ity ry mpamaky hajaina) ka tsy mahandry antsy hanapaka
10. kabatritra ( 08/10/2004 20:39)
\"Valala be mandry ianao, rahoviana ihany vao ho valala be mifoha\" SARERAKA.
11. kally ( 09/10/2004 08:44)
Matimaty foana ohatry ny valala samborim-boka.
12. my ( 09/10/2004 13:30)
tsintsina nitondra sopanga:tongan\'ny ainy, fatsy omby ny vavany
13. my ( 09/10/2004 13:37)
aza manao toy ny valala, ny vavy no manaizana, ka ny lahy no tomamotamo
14. ramoul ( 09/10/2004 15:26)
tsara avokoa zany zavatrareo zany fa zah mbola tsy nahita fôna atram\' zao fa mba omeo sopapa kely azafady! :lol:
15. naritsimba ( 11/10/2004 06:52)
-Rodorodom-boalavo fandrava vohitra, fa ny rodorodom-balala fandrava voly.
-Mihetaketaka foana ny aketa, mirisarisa foana ny andrisa fa ny ambolo ihany no tompon’ny soratra( Ny aketa sy ny adrisa dia karazam-balala avokoa)
16. my ( 11/10/2004 09:34)
izay mena valala
17. my ( 11/10/2004 09:36)
zana-balala tsy mahayratra ny lanitra
18. ikaretsaka ( 11/10/2004 19:05)
Izay sisam-valala-sakafon\'ny omby
mampandry andrisa
19. tenio ( 12/10/2004 10:42)
Adrisa ve vao hifanary nefa tsipotry niaraka ihany.
20. kitjo ( 12/10/2004 12:56)
maha-valala-anina....ihihiihi....laingako izany fa tsy mahita aho
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4401