jiosy ve ny malagasy?

1. crrlanto ( 06/10/2004 18:34)
Nahaliana ahy fatratra io hevitra io.Nisy famelabelarankevitra natao tetsy @ fiangonana protestanta analakely ny taona 2003,mikasika ny hoe ;jiosy ve ny gasy? saingy indrisy fa tsy afa nanatrika izany ny tenako ,fa ny henoko fontsiny dia pasitera ilay tompon,ny famelabelarankevitra ,koa raha mba misy ma
nana hevitra @ izany dia maba valio
novalian'i fijo ny 01/11/2004 22:29
2. fijo ( 06/10/2004 20:02)
sarotra ny hilaza hoe jiosy isika.nefa kosa dia maro ny zavatra hitovizana amindry zareo.raha ny fomba fiainana no jerena.
saingy ry zalahy tsy mihinana kisoa isika mankafy.
3. kabatritra ( 06/10/2004 20:38)
Tsy fantatra marina ny fiavian\'ny Malagasy. Toerana sy fotoana samy mifanalavitra no azo ambara ho fiavian\'izy ireo satria cosmopolite tokoa ny mponina. Mety ho misy angamba karazan\'olona mitovy amin\'ny Jiosy ny tokontanin\'endriny.
4. fijo ( 06/10/2004 21:40)
ela wa tsssssss
5. fijo ( 06/10/2004 22:36)
:-D :-D :-D de ahoana i ftsoraly?
6. ikaretsaka ( 07/10/2004 03:07)
Ramaso.. ela wa tsssssss
7. chipie1 ( 07/10/2004 07:17)
mahita tenenina mintsy ty ramaso ty :roll: :-D
8. hery ( 07/10/2004 09:20)
Ka ny gasy ange tsy fiaviana iray e. Raha ohatra ka hoe jiosy ve ny malagasy sasany dia angamba azo ekena.
Sady tsy fantatra intsony koa ilay izy satria efa mifangaro... misy zao ny sasany manana razana vazaha kanefa mbola gasy petaka ihany ny paoziny...
9. booboo ( 07/10/2004 11:47)
crrlanto>ny hany mba haiko t@ io raha io ( tsy t@ io 2003 io a ) dé oe misy itovizana bobaka oe ny tantaran\'ny Jiosy sy ny an\'ny Malagasy ( Ry Abrahama sy ry Andrianampoinimerina et... ), dé koa oe misy voambolana malagasy na fehezan-teny iraika manonotolo, mitovy @ an\'i Jiosy na ny fanonona, na ny heviny. Zay ihany no tadidiko :°)
10. fijo ( 07/10/2004 19:54)
izay mihintsy no azo lazaina ry booboo.misy hitovizana saingy eo amin\'ny fototra no tsy ao
11. kabatritra ( 08/10/2004 12:03)
Ny tsara ametrahana an\'ity fanontaniana ity dia ny hoe misy Malagasy ve manana fihaviana Jiosy. Ankoatry ny bika aman\'endrika dia eo amin\'ny teny koa no mety ahafahana mandinika ny fihavian\'ny mponina. \"T@ voalohany ny teny, ... ny teny dia tonga nofo ...\". Anisan\'ny teraka t@ firodànan\'ny Tilikambon\'i Babel ve ny teny gasy sa teny namboarina ? Jereo tsara ohatra fa ny \"l\" amin\'ny teny gasy dia manambara zavatra mitsangana raha eo amin\'ny foton-teny no jerena. Oh : olo, ala, elo, alo (ilay aloalo amin\'ny fasana io). Raha tovonana \"v\" izy ireo dia toy ny nasiana zavatra eo amboniny (satroka). Oh vala (tranon\'omby raha mitafo), volo (eo an-tampon\'ilay olona mitsangana), velo (manelohelo ny fiainam-pahasambarana)...
Manontany an\'ireo linguiste aho hoe \"inona no teny vahiny azo hazavaina toa izany mba hamantarana ny fiavian\'ny Malagasy, farafaharatsiny ny sasantsasany ?
12. booboo ( 08/10/2004 13:18)
kabatritra>ié ny valin\'ilay fanontanianao oe : misy Malagasy ve manana fihaviana Jiosy. Misy tanàna iraika zay ao Antananarivo, ny ankamaroan\'ny oul mipetraka ao dé mbola miteny dôl oe araka ny lovan-tsofina dé Jiosy ny razam-ben-jareo, ny rindrina sasany @ tranon-drazana sasany koa dé misy \" fresques \" nataon\'ireo razambeny ireo ( efa nirodana na navaozina tanteraka ny ankamaroan\'ireo trano @ zao dé miha very ireny raha ireny ! dommage ! )
13. tsilan ( 08/10/2004 19:30)
Soa ihany ianao fa tsy nanatraika an\'iny.

Tsy hita intsony izay hilazana ny Malagasy, satria ao ny tsy te-ho afrikanina, araka ilay efa valan-tsoratra nifamaliana lava be teto. Misy koa anefa ny te-ho vazaha. Dia tsy mahagaga intsony raha misy te hampisongadina hoe jiosy fihaviana.

Ny zavatra tokony hilofosana mafy angaha dia ny tantaran\'i Madagasikara mihintsy. Io no tokony mba asiana teny mafy mihintsy satria dia very tantara ny gasy. Roa taona tao anatin\'ny 20 taona nianarako ihany ohatra no mba nandalovan\'izany tantara Malagasy izany tany an-tsekoly. Nefa izany aza tany amin\'ny T5 ny an-kamaroany
14. kabatritra ( 08/10/2004 20:29)
Aiza ho aiza ry Booboo no misy an\'izany tananan-Jiosy ao Antananarivo izany ? Raha marina izany dia tokony hatao monument historique izany ka arovana. Ary azo tombatombanana ho tamin\'ny taon-jato fahafiry no nanarenana azy ? Sao dia vao tamin\'ny 18 na 19è siècle ?
tsilan > Tamin\'ny T5 dia tsy \"tantara sy jeografia\" akory no niantsoana an\'io taranja io fa \"fiaraha-monina\". Soa ihany fa misy ankehitriny ny tranonkala ianarana ny tantaran\'ny firenentsika.
15. my ( 10/10/2004 08:26)
Ary ahoan ary ny fomba anazavanareo ny fiavian\'ny malagasy. Nisy ny Vazimba zay tompontoerana de avieo tonga ny mpanjanaka izay nametraka ny soratra. Io soratr io dia (SORABE). Manontania @ olona musulman anak 1 hitanisa ny herin\'andro dia ho hitanao ramisy hitovizany. Ka iza ary ny Musulman 1 tonga tany dago? Ireo ve no atao hoe JIOSY sa ny VAZIMBA?
16. pitchou ( 10/10/2004 20:15)
raha hanao tetiharana angamba isika ka hiverina h@ ze farany lavitra indrindra dia mety hahita jiosy ihany! nefa moa mety hidika inona izany? tsy ho goutte iray akory satria efa diso lavitra loatra
17. fijo ( 11/10/2004 21:05)
iry resak\'i tsilan no tiako hamafisina.amin\'izao fotoana izao isika malagasy dia toa very fototra satria dia tsy mahalala izay tantaran tsika akory.ary io dia fototry ny olana maro misy ankehitriny.
18. kabatritra ( 11/10/2004 21:13)
Ny mahagaga ahy dia ny tsy nahitana firy monument tranainy talohan\'ny taon-jato faha XIV any amintsika. Raha misy aza dia ireny mifanaraka amin\'ny fandalovan\'ny piraty, arabo ary ny vazaha (taolgnaro) ireny. Ndrao dia misy ihany ary fa milevina toan\'ny pyramidan\'i Egypta ? Ny fasan\'ny ntaolo koa angamba mety afaka manambara ny tsiambaratelon\'ny fahagola kanefa toa tsy mety fa ny vaky fasana sy ny hala-taolam-paty aza mirongatra any amintsika.
19. fijo ( 12/10/2004 21:01)
indrisy fa marina izany.
20. pitchou ( 13/10/2004 10:54)
le tantara ange manana tokoa ny gasy e! ary anisan\\\'ny ao anaty tantarany ny fiavian\\\'ny olona avy t@ firenena maro dia niara-nonina sy nifangaro teto! efa tantara izany! Ary ireny tantara fantatra ireny no nahafantarana fa nisy ny mponina teto talohan\\\'ny nahatongavan\\\'ny vahiny t@ sambo. Asa izay mahalala ny tantaran\\\'ny Mikea fa toa tena mbola fomba fiainana tena mifantoka @ fiotazana sy ny zava-misy manodidina azy rizareo!
Ny monument indray dia angamba tsy ifanomezan-tsiny satria zava-maniry voajanahary no nanamboaran\\\'ny olona ny trano fonenany t@zany! mino kosa aho fa raha manao fikarohana arkeolojika eto dia hahita ny fitaovana nampiasaina fahiny ohatra ny vilany.
Iza moa no mahita fa mety ny fikarohana ny fiavian\\\'ny gasy no mahatonga ny halatra taolam-paty etsy sy eroa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2607