Mangala-badin'olona

1. fyjl ( 11/08/2004 05:55)
Izaho tsy dia manaiky loatra io fitenenana io raha toa ka tsy nisy an-keriny tao satria samy manana ny sainy sy ny fo ny tsirairay ka nifanaiky an-tsitrapo :^) :-*
novalian'i mimich ny 03/09/2004 08:05
2. sipagasy ( 11/08/2004 06:32)
Tsy mandiso ny teninao aho fa manao indro kely fotsiny, hoy ny Ntaolo razantsika taloha hoe na ny tain'omby mivadika aza misy tompony, koa noho izany amiko raha toa ka nifanaiky ny hivady ny olona 2 dia tokony tsy ho azo sarahina, satria ohatran'ny hoe efa samy misy topony izany ry zareo ka eo no mahatonga ilay fitenenana hoe "nangalatra" izany hoe naka ilay efa an'ny olona hafa ianao, na nandrava ny efa vita ihany koa!
Tsy haiko aloha é! samy manana ny fisainany ny tsirairay! :/
3. tsiperifery ( 11/08/2004 06:42)
sipagasy> Tsy référence ny Ntaolo gasy @ io resaka vady io satria nanana ny vadibe sy ny vadimasay izy ireo !
Ny mpanjanatany taty aoriana no nandrava io "fampirafesana" tsy voarara tamintsika malagasy io ! :D
4. sipagasy ( 11/08/2004 06:46)
tsiperifery> :-D
5. kally ( 11/08/2004 07:36)
Amiko ny atao hoe mangalatra dia "mampiasa" na "mitazona" ny tsy an'ny tena ary mahafantatra fa ratsy ny atao ka dia miafina ,noho izany ny mitazona ny vadin'olona dia mpangala-badin'olona.
F'angaha ry Fyjl nangala-badin'olona?
6. sipagasy ( 11/08/2004 08:13)
izay mantsy wa ny fanontaniana mipetraka ry kally annn, rehefa tsy an'ny tena dia nangalarina (na dia hoe nindramina?? :-D )
7. tolotra ( 11/08/2004 09:03)
efa ao anatiny hoe mpangalatra rehefa naka tsy niera, na ankeriny io na tsy ankerinyna tao anatiny afetsena,mpangalatraaaaaaaaaaaaa no dikan izany! sah nangalatra tsy tratran ny tompony indray alou tsy aikou e!
8. lanto ( 11/08/2004 09:24)
ary ny maka eo imason'ny tompony ? :roll:
9. ravatorano ( 11/08/2004 09:40)
fyjl> d ianao rery razandry no nahitan io ary sao marina kosa ary.............araka ny voalazan i kally iry anabo iry :-D :-D :-D
mangala badin olona izany v tsy efa hoe halatra ka inn indray na mifanena aza ny fitiavan dry zareo efa mangalatra izany ka tsara ho karakaraina raha tsy d hoe angaha hoe ka namako toan dry fyjl no maka sanatrian ny vava miteny zany an hihihihihi :-D :-D :-D
10. tolotra ( 11/08/2004 09:41)
ny maka eo imason ny tompony indray alou tsy mpangalatra rehefa tsy miteny izy hoe anah iny,mety efa tsy reviny intsony de zarany ary lasan olona!
11. tsiperifery ( 11/08/2004 09:42)
lanto > Raha maka eo imason'ny tompony indray tsy halatra fa " suicide " !!! :lol: :lol:
12. bogosy ( 11/08/2004 09:47)
Raha mahafantatra fa hoe vadin olona io dia mangalatra
Tsotra fotsiny hoe ataovy eo am toeran vadin lay olona ianao de hiteny ve ianao hoe nindraminy fotsiny ny vadiko de averiny rehefa avy eo?
13. tsiperifery ( 11/08/2004 09:55)
Ary raha tsy fantatra hoe efa vadin'olona io ? Misy mantsy tsy tia manao peratra no sady tsy miteniteny koa !
14. ari.malala ( 11/08/2004 11:00)
raha tsy fantatra kosa angamba tsy fahotan'ny iray, fa ilay manam-bady no tookny hieritreritra fa mpamitaka.
15. afitiavana ( 11/08/2004 11:45)
resaka madany rora izany hoe mangala bady izany.Fa anga ilay vady dia sanatry mitovy amin'ny zavatra tsy mba misy fientsepo mihintsy fa sanatry zavatra fampiasana toy ny entana ao antrano, izany hoe anananao droit de propriété, ny biby aza mbola mifidy raha tiany ny tompony na tsia. koa izany matoa izy nanaiky anitsakitsaka ny vadiny dia safidiny izany fa tsy nagalarinolona izany. Ny tsy tokony adinona dia izao raha miresaka fiarahana dia tsy maintsy roa raha kely indrindra zany hoe mifanaiky. koa raha toa ka lasa ny vadinao dia efa noekiny koa ny andeha, fa tsy izay ataonao na ny fisiany ilay anakiray no mibaiko fa izy no efa te andeha. fa raha ianao no tiany sy finidiny dia na iza ho tonga eo na ny tsara indridra aza dia tsy mandeha izany izy.ka raha mieritreritra amin'ny saina tsy miangatra dia tsy mitombina ny hoe mangala-dady
16. yonikafopl ( 11/08/2004 12:13)
afitiavana sy fyjl hmmm efa zatra mangalatra angamba de tsy manaiky izany.
rehefa tsy anao fa efa misoratra aman'olona dia aza kitikitihina.
Misy mopera izay aty aminay , hoy ny fiteniny hoe" to make love is not a sin but to make love with someone who s for somebody is a big sin that God will never forgive, so be sure before you make love that the follow is single like me" hi hi hi hi hi :lol:
17. kabatritra ( 11/08/2004 13:16)
Loza lehiretsy ny fitiavantsika gasy an'ity resa-tseksa ity fa vao tamin'ny maraina tamin'ny sivy latsaka no natomboka ity adi-hevitra ity dia efa 16 sahady ny fidirana an-tsehatra.
Tsotra ihany ny ahy : raha ny lalàna no jerena dia halatra ankitsirano tsotra izao ny fangalaram-badin'olona raha toa misy ny mariazy. Io mariazy io, indrisy, no miaro anao ka tsy azo dikaina fa mahavoasazy.
18. tsiperifery ( 11/08/2004 13:24)
kabatritra > Arahabaina tonga hiara-dia aminay club des " loza " e !
19. xxx ( 11/08/2004 13:54)
@ko ny dikan'ny hoe mangala-badin'oll d oll miarak'@oll manambady (na fantany zany na tsia) fa zany hoe lefilefy kokoa ny sazy raha tsy nahafantatra!!
ny mariazy ry kabatritra d institution ary misy valeur'ny iny saingy indrisy ankehitriny fa firyf firyzay ny oll efa vita soratra sy netina namasinina mariazy tany ampiangonana nefa d manao ny ataony ihany
20. besoiiin ( 11/08/2004 14:00)
REHEFA MAKA NY TSY AN'IALAHY LEHITY IALAHY DIA MPANGALATRA IZAY A! SA TSY NANDALO 12ème KA TSY MAHALALA NY DIKAN'IZANY TENY GASY MAZAVA BE IZANY????? :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1203