Mangala-badin'olona

21. lema ( 11/08/2004 14:39)
nareo reto zé coté tianareo jerene ihany no jerenareo fa ra ohatra ka lé vadin'olona ndray no tia ahy dé ahona zany hoe za tsy mangalatra fa izy no te amitaka ny vadiny na kou hoe izy no te angalatra ahy dé ahona?
22. tsiperifery ( 11/08/2004 14:45)
Ny sasany ato izany mbola tsy voa akory dia toa efa tafakatra tosi-drà be ?? :lol: :lol:
Sa efa tao no niala ?!!
23. kally ( 11/08/2004 15:58)
Lema izany tsy mba afa-mijoro @ hevitr'i lema mihitsy?tsy mahay mandà?Satria naka ahy dia nanaiky aho hoe.Rehefa an'olona dia tsy anao,mpangalatra ianao na ahoana na ahoana no fomba nahatonga azy tany aminao. :wink:
24. poupounesana ( 11/08/2004 16:32)
lema, :evil: :twisted: mihitsy! tsy misy hazodamosina enao raha manaiky angalarin'oll
25. kabatritra ( 11/08/2004 16:37)
O ry Lema â ! Andramo kitihana ary ny vadiko fa ho hitantsika izany hiaka-midina eny Anosy (tribonaly).
26. yonikafopl ( 11/08/2004 16:52)
kabatritra hi hi hi hi hi hi
lema ty tena manao saimbavy ka!!!!!!
27. fiaritiana ( 11/08/2004 17:44)
tsy aleo ve ny an ny tena no kolokoloina tsara hoy lola izay e
28. kally ( 11/08/2004 19:53)
Saim-bavy ahoana ry Yonikafopl?
Ny lehilahy ange no tena mpanaonao foana e! tena fisainan-dahy izany fisainan'i Lema izany kah!hevitra bontolo be fotsiny.Sa ahoana Lema?
29. fijo ( 11/08/2004 23:04)
o ry zareo an,
rehefa manambady anie tsy misy filazana fa lasa fanananao ilay iray e.ekenareo sipa angamba izany.
ary tsy misy fitazonana na fakana an keriny koa voalaza eto.
ilay hoe maka tsy mihera?ngaha moa izy io avy dia nosintonina fa niresaka sy nifanaraka tsara vao lasa nanao ny ataony e.
noho izany dia tsy marina tokoa io filaza iray io.
ny tokony hilazana azy angamba dia hoe"manodinkodina saimbadin'olona"satria mila fahaizana mandangolango tokoa io vao tanteraka.
asa aloha fa za tsy mahay e.
30. kally ( 12/08/2004 08:10)
Tonga soa Fijo!!
IFa avy aiza ny teny hoe manambady ry Fijo?tsy hoe manana+vady?Noho izany misy fananana ao,"ahy ny vadiko(malalako) ary azy aho" hoy ny tononkiran'i Solomona,ka mangalatra ny iray e!ary na inona na inona fomba ilazana azy tsy mety ny mibolila.
31. bogosy ( 12/08/2004 09:54)
Mbola averiko ihany le teniko hoe rehefa misy maka ny vadinareo tsy manaiky ireo de safosafoy fotsiny zany izy fa aza tenenina de alefaso indray am manaraka satria zany tsy fanananareo
fa raha ny ahy aloha no kitihina de azafady! ampitoviako am Bob sy Carter mihitsy :evil:
32. tsiperifery ( 12/08/2004 09:58)
bogosy> Fa nataon'i Bob sy Carter ahoana l'ty ny vadin'elà ? :roll:
33. fyjl ( 12/08/2004 09:59)
Manome ohatra azy aho :
Mpivady Rakoto sy Rasoa, lasan-Ravao Rakoto ka voatery nisaraka t@ Rasoa.
Mpangalatra ve Ravao @ zay?
34. tsiperifery ( 12/08/2004 11:44)
Rakotondrasoa taloha anie izany efa nisaraka ary efa lasa Rakotondravao e ! Tsy misy intsony izany ny resaka halatra fa efa voavaha ny olana . Rasoa indray izao no tsara mitady (Ra)solondrakoto !!! :D :lol:
35. kabatritra ( 12/08/2004 12:11)
Marina tokoa ny voalazan'i Kally hoe :
manana + vady = manam-bady. Mazava loatra io.
Ankoatra ilay fananana dia ao koa ilay fifanarahana teo anoloan'Ingahy Méra sy ny Vavolombelona nampiarahana tamin'ilay pératra mamirapiratra. (ampio koa hoe Mopéra na Pasitera, fianakaviana...). Io fifanekena io no tsy azo hoséna raha tsy rava ara-pomba. Io fandravàna azy io dia tsy vita raha tsy eny amin'ny fitsaràna. Farany, tandremo ry Fijo izany talentanao mandangolango olona mbola tsy vita fomba izany (divaorsa). Fahotàna izany zanako !
36. yonikafopl ( 12/08/2004 14:44)
tonga soa fijoka ny mpangalatra ange ka ny fahaizany mandangolango koa no isan'ny tetika ataony rehefa tsy an-keriny e!!!!
37. fijo ( 12/08/2004 20:25)
salama aby e.
marina fa ao tokoa ilay fototeny hoe "manana"nampiana vady.saingy izao.misy karazany roa ny zavatra dia ny "meuble"sy ny "immeubble"
momba ny "meuble" dia izay mitana azy no heverina fa tompony.ny vady tsy immeuble satria mihetsika,ka noho izany dia izay miaraka aminy no tompony.izany hoe ao an trano io anao,fa any ivelany kosa izy objet libre.
halatra =fakana tsy mihera ,fandangolangona kosa =talentampitenenana.misy fahaiza miresaka ao fa tsy halatra.
38. fiaritiana ( 12/08/2004 20:46)
ao amin ny didy folo fotsiny reto izany an ka asakasakin izay handray antsy amin ny voany roa
39. bogosy ( 13/08/2004 09:18)
mangala-bady= mangala-b...dy
noho izany mangala-badinolona dia mangala-b..dinolona
sady tsisy hangalam-badina biby koa e!
40. nikopol ( 13/08/2004 11:24)
Misy namako milaza fa anisan'ny mahalava andro ianana hono io mangalambadin'olona io na ho an'ilay "vady voahalatra" na ilay "mpangalatra". Ho an'ilay "ex-tompom-bady " indray misy dokotera toa mitsabo an'izy ireny raha sanatria ka misy tsy metimety "ny ary sy ny atsy".

:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4012