Fiantsenan'ny mpivady!!!

1. ludo ( 05/08/2004 19:09)
Fa maninona ny leh sasany tsy tia miara- miantsena @ vadiny???
novalian'i pitchou ny 16/12/2004 06:09
2. poupounesana ( 06/08/2004 05:35)
eny tokoa wà eh
3. ludo ( 06/08/2004 06:18)
afaka manome vaha-olana v nareo na tor-hevitra?!!!!
4. mimich ( 06/08/2004 07:35)
ny ankamaroan'ny valitenin'ny olona dia toy izao: ny vhv tia mihodikodina kokoa rehefa miantsena satria mbola mampitovy( prix, qualité, sns) vao manapa-kevitra mividy zavatra iray (iny aloha tsy lainga e!) dé iny no tsy zakan'ny lhl miara-miantsena @ vadiny satria ny azy rehefa fanjaitra no tadiavina dé izay fanjaitra mifanena @ masony voalohany no tonga dia vidiny ary izay haha haingan ny fiantsenana no atao .
5. hendry ( 06/08/2004 08:28)
io voalazan´i mimich io ny valiny.
Fa aleoko tokoa aloha tsy mandeha ilay lehilahy toy izay handeha nefa himenomenona eraky ny lalana na hilaza ny ndao hody isaky ny mihetsika.
6. tequila ( 06/08/2004 15:02)
eny hoa ry hendry
7. pitchou ( 07/08/2004 09:44)
ooohhh! raha izaho indray entiko foana @zay mba mahay miantsena rehefa tsy afaka aho! :lol:
sady @zay mba mieritreritra izay atao sakafo koa fa tsy mitsikera lava izao! :roll:
8. mcfy ( 08/08/2004 00:41)
SAtria ny an'ny vhv eritreretiny daholo na tsy ho vidiany aza fa ny lhl d ze efa noeritreretina ihany no vidiana. Midika fa ny lhl mi-prévoir fa tsy miandry ampotimoty toy ny vhv :lol:
9. pitchou ( 08/08/2004 12:14)
ka izay indrindra no tokony itondrana azy miantsena miaraka @tena e! :) @zay raha manao folaitra mividy zavatra tsy tokony ho vidinazahay d niarah-nividy ihany le izy @zay! :°)
10. mimich ( 09/08/2004 13:05)
mcfy> non, tsy any le resaka, na samy mi- prévoir ny zavatra hovidiana aza dé io lazaiko io;ny an'ny lhl tsy dia misy fisafidianana loatra fa entin'ny fahamehana fotsiny dia izay hita dia vidina , na manahoana na manaoahona, endriny , vidiny sns, fa ny an'ny vhv, dia mampitovy, mijery izay tsara ary misavfdy izay vao manapa-kvtr izay hovidina dia izay no mahaela azy rehefa miantsena.
Ka tsy ilay an'ny vhv ve no tsara kokoa @ izany :lol: :lol:
11. xxx ( 09/08/2004 13:22)
Arakaraky ny tsena atao .
Raha hividy sakafo ho an'ny tokantrano ka mila tanana hibata dia tsy maninona ny miara-miantsena.
Saingy raha hijery kiraro sy akanjo ho an-dramatoa kosa dia aleo tsy miaraka fa mifanome fotoana afaka adiny....telo ahitany ny tiany :D
Samoina
12. pitchou ( 10/08/2004 03:28)
samoina> d raha tsy tianao le tiany de ahoana? indrindra fa raha izay foana no hanaovany rehefa hiaraka mivoaka aminao? :twisted:
13. xxx ( 10/08/2004 07:04)
Tsy tiako loatra ry pitchou ny miady hevitra eny an-dalambe sy eny @ mangazay a , indrindra moa fa resaka fitafiana izany ! :roll:
Efa mba mifankahafantatra ny tiana sy ny tsy tiana kosa ny couple @ ankapobeny e ! Sady ny hajejonareo vehivavy anie tsy mamela anareo tsy hiovaova akanjo izany refa miaraka aminay e ! :D . Diso ve ny teniko ?! Samoina
14. booboo ( 10/08/2004 07:59)
samoina>hihihihi azonao indray ilay mametraka ps @ farany ity :-D !
15. xxx ( 10/08/2004 08:40)
Reradreraka hoa ireto elatro ka mba avelako maka aina kely tsy hipoipoitra etsy ambaravarankely sao rotiky ny rivotra eo e ! :D
16. xxx ( 10/08/2004 08:47)
... hitanao aza ry booboo fa adinoko ny nanasonia etsy ambony ? :( .
Ande hijery resety etsy @ sakafo angamba hampatanjatanjaka sao tsy afa-mikopak'elatr'intsony eo !! hi hi Samoina
17. mimich ( 10/08/2004 09:43)
Sao dia be loatra kosa ny remby dia feno hatrany ambany elatra dé tsy afa-mivelatra fa sao lasa ny remby fa tsy hoe tsy afaka mikopaka noho ny rivotra :°) :°)
Tsy ianao ary ve izao no tena nahazo remby fa avy niala sasatra taty an-tanindrazana. :lol:
samoina> aiza kosa no dia ho adin'ny telo be zao aty aoriana vao hifanao fotoana hividy, ko tsy aleo dia efa vitaina irery.
Raha ady hevitra tsotra kosa aloha angamba tsy hitako izay maharatsy azy, fa le ankitrerona be-nareo indray mandeha tsy miverina no manahirana, tsy hita intsony izay hatao @ iny fa oha manaramora fotsiny mba hahaaingana ny fiantsenana dé mifampilongilongy rehefa mody avy eo satria samy tsy afa-po
18. pitchou ( 10/08/2004 10:26)
samoina> d iza izany no hanontanianay eny @mangazay hoe mety aminay sa tsy mety le zavatra???? hafa ange ny fijery ny maso hafa ny tombana e! na d hiteny fotsiny aza hoe fohy loatra le izy, pointure lehibe kokoa na kely kokoa alaina, le maitso fa tsy mena ... angaha izany mila adi-hevitra be? sy hoe lafo loatra ...
ary enao ity kay tena poety be???
19. xxx ( 10/08/2004 13:17)
pitchou> na hiteny aza zahay hoe fohy loatra na hoe mifinjifinjy loatra, na koa lafo loatra, rehefa izay no tianareo sarotra ny mandresy lahatra anareo e !
Ny adiny 3 hiodinkodinanareo lasa mihoatra antsasakadiny na + raha miteniteny zahay lelà.
Raha fohy loatra izany alou tsy miara-mivoaka @ vadiko za e ! :D :D . Soa fa tsy misy izany fa mba fantatrareo ihany kosa anie ny tsy tianay e !
mimich > mba hazavao amiko kely ilay "remby" fa teny mbola tsy reko hatr@ izay e ! Loza !!!!
Samoina
20. mimich ( 10/08/2004 13:30)
tsy dia haiko loatra ny manazava azy, fa ny vorona rehefa mandeha mitady sakafo dia lazaina hoe miremby( ny tantely indrindra indrindra no lazaina matetika hoe miremby), izany hoe raha adika tsotsotra dia remby = sakafo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3899