teny malagasy

41. kitjo ( 09/07/2004 05:29)
aaahhhhh
Loza fa very aho marina, any @ teny angalisy vao azoko ilay izy!
Aza manody!!!!!!!
42. bichette ( 09/07/2004 06:07)
poikany e ! diera mihitsy fa tsy deer nogasiana izany
43. kitjo ( 09/07/2004 06:17)
hihihihi
aza miady aloha inareo fa mifanaraha e.hiihhi

bichette> fa tena marina fa tsy haiko mihitsy ny dikan' ilay izy ry bichette an
44. bichette ( 09/07/2004 09:32)
kitjo, ny dikan'ny biche dia diera amin'ny teny gasy dia ny bichette dia diera kely izany. Tao anatin'ny tononkiran'i Solomona ao anaty baiboly no nahitako izany

Ahoana marina ry reto ny tena fanoratana ny hoe "kolontsaina " ??? kolontsaina ve sa kolotsaina ve sa kolon-tsaina ??
Misaotra mialoha
45. pitchou ( 10/07/2004 05:16)
tena marina izany dierakely an! avy amin'ny teny anglisy hoe "deer" no niavian'io diera io!
ny fahafantarako azy dia "kolontsaina" satria efa ekena ho voambolana iray izy io. Ny fomba fanoratra indray dia tsotra ny fomba hialana (farafaharatsiny eo amin'ny 60%eo) amin'ny diso tsipelina: jerena ny foto-teny rehetra niavian'ilay teny ho soratana vao atambatra. Dia ampiasaina ny KA TRA NA ahafantarana hoe misy N ve sa tsia (he he he! efa lehibe manko aho vao nianatra teny malagasy dia nitandrina be mihitsy!)
46. kitjo ( 10/07/2004 17:06)
dierakely an> ilay diera mihitsy ange no tsy haiko e!
Fihinana ve izany? sa biby? sa zavatra tsy manana aina??
Tena matotra ireo fanontaniako ireo fa tsy fantatro mihitsy an
47. kally ( 11/07/2004 13:06)
Bichette> Kolotsaina kosa angamba no izy : fototeny "kolo" tsy miafara @ ka tra na + "saina" ; miampy fanatsaran-teny "t": manome kolotsaina.Tsy misy tsipi-panohizana satria tsy ny saina no kolo.Miditra ny sehatra sy ny iharana sy ny HAD eto hahafantarana ny fitsipika.
48. mimich ( 12/07/2004 07:14)
Kolontsaina no izy ka , toy izao ny lalàn'ny fanakambanan-teny, raha mivany roa ilay teny nefa tsy miafara amin'ny KA/TRA/NA dia tovanana NA any amin'ny farany, ka ahazoana hoe kolo(NA) + saina rehefa izay dia ampiasaina amin'izay ny lalàn'ny fanakambanan-teny miafara amin'ny NA ka lasa hoe kolon-tsaina , ny mahatonga azy hakambana indray dia amin'ny ankapobeny rehefa teny entina ilazana zavatra tokana dia akambana ny fanoratra azy ka lasa hoe kolontsaina izany. Maromaro ny teny toa io, ohatra, (foko+ tany)>fokon-tany>fokontany , sns
Momba ilay hoe , fehezan-teny mikambana sa misaraka dia misaraka ilay izy izany hoe tokony hisy tsipi-panohizana raha ny lalaàn'ny fanakambanan-teny no dinihina fa araka ilay noteneniko teo hoe saika atambatra avokoa ny teny rehefa entina mamaritra zavatra tokana dia mazàna akamban'ny olona ny fanoratra azy ka lasa hoe fehezanteny
Izay indray aloha ny amin'iny e!
49. bichette ( 12/07/2004 09:07)
o re olona a ! mifanaraha ry reto a !

kitjo > ilay hoe biche dia biby , femellen'ny cerf
Oups, miala tsiny be amin'ilay teny vahiny
50. ikaretsaka ( 12/07/2004 12:50)
ombimangavavy izany ry bichette n.. dia iza no ombimangalahy ao kay
51. bichette ( 13/07/2004 06:02)
ikaretsaka > dia tena tsy fantatro
52. kitjo ( 13/07/2004 07:05)
dierakely> mazava tena mazava amin' izay fa misaotra!
Azafady fa tena very aho raha teny "faran'ny tsy hay" e!!!!!
53. bichette ( 13/07/2004 15:12)
tsy misy fisaorana kitjo a
54. kinaoly ( 13/07/2004 19:10)
aoka ary aloha handray vakiraoka dia hamerina indray ny fitsipi-pitenenana fahiny
55. olly ( 16/07/2004 21:58)
inona izany vakiraoka ry kinaoly ? very njay aho tamin'iny ...
56. pitchou ( 17/07/2004 16:02)
inona marina izany vakiraoka?
57. kally ( 18/07/2004 08:49)
Ilay ataon'ny ankizy hoe brouillon izany vakiraoka ry reto a!
58. kitjo ( 18/07/2004 11:48)
izay indrindra!
59. kitjo ( 18/07/2004 12:11)
ramaso> tara ve aho sa very fa tena tsy maharaka
60. olly ( 18/07/2004 13:19)
kally , kitjo < hay va re !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3105