teny malagasy

21. kitjo ( 02/07/2004 12:48)
ihihihi
aza omena tsiny fa avy nahandro vary amin' ny anana nohanina t@ "bonbon coco' ramaso tamin'io
22. kally ( 03/07/2004 07:24)
Kiiiii! nesorin'ny admin ve rankizy ny hafatray nefa tsy miteniteny foana sady tsy nihoatra ny vala e!anareo moa rankizy aia dia sompatra a!
23. fatsoraly ( 03/07/2004 07:28)
mba ampianaro re izahay tompoko ô
24. kitjo ( 03/07/2004 07:29)
taiza izany ry Kally? le resaka hoe manakory?
25. kally ( 03/07/2004 09:21)
Teto izany Kitjo a dia resaka io resahintsika io e! kiiiiii,manjahatra anay!
26. fatsoraly ( 03/07/2004 13:35)
nee yaya!
27. dotmg ( 03/07/2004 14:04)
Ny tena tsara ve tsy asiana lohahevitra iray hoe hitadiavana ny dikan' ny teny vahiny tsy voadika dia ny hafa mba manitsy ao? Ohatra hoe raha miezaka miteny malagasy madio aho nefa tsy haiko ny handikako ny hoe équilibre dia mba mety afaka hanoro ahy ny hafa? Sady mifampianatra eto izany tsy ho voafehy ve io ny farany?

Dia tsy eto ihany no tokony hireharehana hampiasa teny malagasy madio fa any @ izay rehetra aleha, na dia any amin' ny fiara fitateram-bahoaka aza. Ny hafatra fohy an-tsoratra amin' ny finday ihany, raha araka ny hevitro no tokony azo hanekena ny fanafohezan-teny fa ankoatr' izay, aleo mizatra manoratra feno. Eritrereto hoe manoroka anao ny malalanao dia hafoheziny ilay fotoana mamy fa mifampikasoka molotra kely fotsiny no atao fa tsy misy lela mifam-...
28. kitjo ( 04/07/2004 08:29)
ihhihhhhihi
Andao marina ary mba asiana na herinandro fotsiny aza hoe tena tsy manao fanafohezan-teny ireny fa manoratra tsara aby na amin'ny lohahevitra hafa aza.
Mety ho sarotra aloha fa mba toa hahafinaritra izany!
29. olly ( 04/07/2004 11:38)
tena ezaka an ! ihihii izaho aloha manoratra fehezan-teny iray dia tena miverina foana amin'ny fehezan-teny manaraka ilay fanafohezana e ! hihihihi ito aza efa tsy handriko izay nahavoasoratra azy :) tena ao foana ilay te-hanafohy teny fa miady amin'ny tanako aho vao voasoratra ara-dalàna izy rehetra ! ihihihi
30. kally ( 05/07/2004 06:57)
Fehezanteny no izy Olly fa tsy fehezan-teny a!
31. bichette ( 05/07/2004 08:37)
Ho tohin'ny voalazanareo , matetika tokoa isika namana mambra ato dia zatra manao fanafohezanteny, hafa indray ireo izay tena tsy nianatra nanoratra ny teny gasy ; satria ny tena votoantin-ny ao am-po sy ny ati-panahy no tiana avoaka amin'ny olona ampitàna izany ka rehefa azony fotsiny ny tiana lazaina dia izay no zava-dehibe.

matetika koa dia ny teny vahiny no tena hianarana tsara fa ny tenin-drazana dia tsy dia ahoana loatra.
32. bichette ( 05/07/2004 08:38)
Hery> misaotra e ! oroka mamy !
33. peluche ( 05/07/2004 13:08)
le mambra zany "membre"nagasiana sa tena teny gasy
34. olly ( 05/07/2004 14:41)
kally< hay ! f'angaha tsy hoe fehezana + teny (a miova -)! tsy haiko fa misaotra nanitsy kally a!
35. kally ( 05/07/2004 15:46)
Mbola fitsipika hafa koa ny amin'ireny Oully,fa rehefa miezaka aloha dia tsara be a!

Mambra ve tsy mpikambana e?
36. kitjo ( 06/07/2004 15:51)
kally> Olly io fa tsy Oully.ihiiih

mpikambana tokoa ny oe "membre"
efa mba samy miezaka kosa e, tsy mba mahafinaritra antsika kosa ve izy ity e?
Tsy hisy hahay teny "faran'ny tsy hay" tanteraka manko ka tsy aleo ny an'ny tena no masahana?Ry zareo koa tsy hamela ny azy hoe andeha hianatra ny anao!

Etsy ambony amin'ilay hoe "andao hianatra teny malagasy" ny rakibolana (diksionera) izay mila.
37. bichette ( 07/07/2004 07:35)
ilay hoe bichette izany mila solona ????? "diera" hono amin'ny teny gasy hi ! hi ! hi !
38. kitjo ( 08/07/2004 12:43)
ilay hoe "bichette" kay inona?
dia vao mainka koa aho very amin'ilay dikany @ teny malagasy...
39. bichette ( 08/07/2004 15:46)
bichette = diera
40. ikaretsaka ( 08/07/2004 16:07)
teny angalisy (deer) nogasiana io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1716