teny malagasy

61. mimich ( 27/08/2004 14:24)
andao tohizana indray ilay resaka teo ambony e!
62. ftma ( 30/08/2004 11:04)
mimich, sarotra ny manoratra ny teny malagasy ka na miezaka ny tsy ho diso tsipelina aza dia misy diso foana, izaho mijery raki-bolana (dictionnare?) rehefa misalasala amin'ny teny izay soratako, fa raha mahita vahaolana hafa ianareo mba teneno ihany aho.
63. hery ( 30/08/2004 11:53)
Fitsipika vitsivitsy tsy mety adinoko mihitsy.

- Rehefa milaza anaran-javatra tokana ny tamba-teny dia tsy misy tsipi-panohizana. Ohatra hoe kolontsaina (io dia teny roa kolo sy saina kanefa midika zavatra iray mihitsy) na koa ny fokontany.

- Ny teny rehetra aorian'ny "tokony", "mba" dia misy "h" daholo. Tokony hianatra, mba hanadinoako ets.

- Ny ianao dia tsy misy "h" intsony (ao amin'ny baiboly tranainy dia mbola misy hoe hianao)

- Ny fomba hahafantarana na misy "m" eo alohan'ny "p" amin'ny teny iray dia andramana esorina ilay "p" ka raha mbola miteny dia misy "m" izay. Ohatra mpihazakazaka = mihazakazaka fa pataloha tsy mety atao hoe mpataloha = mataloha :)

Mazotoa
64. bichette ( 30/08/2004 12:51)
Misaotra Hery a !
:wink:
65. kitjo ( 30/08/2004 16:17)
Misaotra an' i Hery fa tena mbola tsy reko io fitsipika fahatelo io.

Ny hoe "mihitsy" koa dia tsy misy "n" (#mihintsy).
66. ftma ( 30/08/2004 21:45)
Misaotra an'i hery.
Ny famakiana boky koa angamba manampy amin'ny fanoratana saingy tsy dia misy boky firy aty (afa-tsy ny Baiboly).
67. mimich ( 31/08/2004 08:53)
miisaotra an'i hery,
ftma> ny finiavana no zava-dehibe ko alao hery ary e! tsy misy mafy tsy laitry ny zoto
68. kitjo ( 31/08/2004 17:20)
mimich> aza alaina hono i Hery sao very isika hoy Tsiperifery :lol: :P
69. mimich ( 01/09/2004 07:35)
eh! za tsy haka an'i hery fa sao mampiady ahy aman'olona eo an! ianareo zao no asaiko maka azy!!!!! :-D
70. fijo ( 01/09/2004 21:20)
bichette>ilay" deer" voalazan'ikaretsaka tery ambony dia marina.ny vaviny dia biche"ma biche" ary ny zanany dia io PSnao io.mahafatifaty ila izy ka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4118