avortement urgent!!

41. tequila ( 08/06/2004 19:27)
Un bébé est toujours un bonheur je crois quelle que soit la circonstance . penses-y!!
Tsisy olona hoe tonga dia vonona zany angamba fa dia tsy maintsy atrehana ny zava misy . Tsy ny vavan'ny olona ange no hahavelona anao tsaratsara kokoa na hahafaty e , fa raha efa tena afa-po tsara enao amin'ny décision dia manatona dr ihany satria iankinan'ny ainao izany fanapahakevitra izany .Ahoana ny hevitry ny rainy nefa?
42. fijo ( 08/06/2004 22:29)
ilay resaka semaines niova io fa toa nitarina kely ilay izy.tsy any ny resaka izao satria efa tara foana na dia izany aza.eto france tsy misy mety manao io raha io habe lazainao io.any belgique no mbola misy sahy manao an'io,fa tsy haiko hoe aiza mlarina,fa dinio tsara.
tadidio koa fa ianao no tompon'ny teny farany fa tsy ny manodidina.
mahereza fa tsapanay namana eto ny adintsaina mahazo anao.
43. ari.malala ( 09/06/2004 12:17)
ilay xxx N°2 io koa izany tena olona mivadik'atidoha mitsy ê! Andriamanitra no tompon'ny teny farany ahoana koa ê! inona koa no idiran'Andriamanitra @ zany resaka mamoafady manafintohina be zany?! mba misaina vao manoratsorapoana fa manafintohina sy mandrangitra! maivandoha ts!
44. voninkazokely ( 09/06/2004 12:28)
Manao ahoana aki ndry ao ??Mahereza aki a!
Tsy mandry mihintsy aki izany ny saina .
Raha eto Frantsa indry dia anoraty any amin'ny hafatro aho de omeko ny numeroko dia miresaka isika!
45. pitchou ( 09/06/2004 15:51)
fijo> gaga aho hoe mahatsapa an'izany ny namana lhl ato?!?!?!?! satria ianareo ihany no mpanitrikitrika fa ny vhv no diso raha bev.
xxxxxx> izay fantatrao fa mampilamina ny sainao atao, d jereo fotsiny hoe inona no mety hanenenanao raha lasa io! raha ny fitombon'ny zaza ao an-kibo aloha dia tsy mety raha izao no atao e! fa matetika 6èm mois no possible misy fausse couche! ary mazana ny mieritreritra ilay olona kely hoe lasa @ zay an! satria efa hitanao hoe olona kely io!
46. ari.malala ( 10/06/2004 06:19)
pitchou â! raha ny mampilamina ny sainy d ny hanala ilay zaza, nefa risque b ilay izy satria mety haningotra ny ainy . Sady hanenenana hoa io ! Tena marina ê ! Na vao mitsaika aza anie d efa olona izay ê! mainka fa efa 4 bolana b izao! Asa nefa aloha... Mahereza n'inon'inona fanapahan-kevitrao.
47. jhouhlambout ( 10/06/2004 10:48)
:o)
48. pitchou ( 10/06/2004 17:26)
ari malala> raha izay no heveriny fa hampilamina ny sainy d anjaran'ny dokotera no mijery raha mety na tsia. tsy tokony hadino mihitsy fa izay toe-tsainao manana azy dia misy akony eo @ zaza ateraka foana, d efa tsy manome chance ho an'ilay zaza mihitsy izany raha manery tena hitazona nefa ny fo sy ny saina mandà!
na hanala izy na hitazona tsy maintsy feno nenina foana fa lainga izany hoe satria notazomina d tsy misy nenina! satria raha azoko tsara d lasa nilefa lay bandy ???? d iza izany no mba ho rainy e???? anontanio an'ireo bandy ato @ forum ireo ange e! rehefa rejeter-ny ny zaza nataony dia misy akony ratsy be mihitsy ho azy izany rehefa avy teo! anjarany ny misafidy izay risque tiany alaina!
49. fijo ( 10/06/2004 22:42)
pitchou>aza gaga fa misy lehilahy ato ka.ary mahatsapa ny ataony.
marina ry namana isany fa misy nenina foana io na tazomina na esotina,fa io dia ilay sipa mitondra azy ihany no mahatsapa izay tena hitany fa tsy dia hanenenany loatra.
ary marina koa aloha ryxxxx manoratra fa efa olona io ao io fa tsy ilay zavatra lavalava kely intsony.(endrika alohan'ny ahitana azy ho olona)no tiako lazaina.
50. ari.malala ( 11/06/2004 05:57)
Marina aloha fa mila fahavononana ara tsaina ilay hoe hiteraka ê! ary na izany hoe hitaiza irery aza efa mafy be, fa tsy maintsy ambony foana aky ny morale â! Tsy ho verin'ny tsy hisy ho tia io zaza io. Samy mampalahelo aloha izy mianaka, nefa ilay zaza tsy manan tsiny no victime kokoa satria tsy naniry ny ho tonga tety an-tany! Izay fanapahan-kevitrao aloha ry XXXX dia hajaina, na ho inona na ho inona, fa ny anay dia torohevitra ihany, fa anatry ny hio avy io, mahereza ê!
51. pitchou ( 11/06/2004 16:28)
aza atao kosa hoe anatry ny ho avy satria manjary tsy ho tia olona intsony izy e!
52. xxx ( 13/06/2004 12:52)
efa nahita solution ve alou le xxxxxx mpanontany teo e ? mandroso ihany manko ny fotoana
53. ari.malala ( 14/06/2004 09:02)
Hitan'i pitchou, ilay tiko tenenina @ le oe anatry ny hoavy anie tsy hoe tsy mitia olona intsiny ê! fa tsy mametraka fitokiana be loatra @olona tsy azo antoka intsony. Cas efa nahazo ana hoa io, ary tena mangoraka an'ity namana ity @ foko mihintsy aho ary mirary soa ho azy koa na inona na ho inona fanapahan-keviny.
54. booboo ( 14/06/2004 10:58)
avoahay xxxxxxx dé hombohy !
55. xxx ( 14/06/2004 11:19)
niandry valiny avy taty @ nareo namana ako nandritra zay herinandro ray zay!
ny olana,ra azavaiko,d zao ny tena fandehany!
taloha tsy niaraka nipetraka t@ fianakams ako dia tsy dia koi loatra fa nony niova toerna sns dia anjary niova daholo ny zavatra retra! zao karazon'ol retra zao ty toa madinika ary anjary miévité anahako oh ny voa ny "pesta"zany ako!ary manomboka misy fiantraikaikiny ihany kou @ psychologie ako ilay toe-javatra! etsy akilany ihany kou anefa,dia tsy mijanona marary physiquement ihany kou!!
andé hijery gynéco za io refveo,ary horesahako azy fa alako ilay zaza, ny fianakaviana alo d mandà ny fisiany,ary tena anjary mihataka b anahako!
tapaka ny hevitro,fa andé halako ilay zaza!ny ho avy injay,ra ny @ ny hoe voa ary tsy adino sns angaba,dia andé miadalana eny foana ary tsy maintsy hiainana sy hatrehana foana!ny sisa tahaka lazainy pitchou d lesona @ manaraka ary tsy atao intsony!

misaotra anareo retra nanoro hevitra!
56. booboo ( 14/06/2004 11:24)
mahereza dé mirary fahasalamana feno dé mirary soa be de beee dé mba ho feno tsiky ny fiainanan'i xxxxxx.
57. bichette ( 14/06/2004 14:08)
xxxxx, a ! ianao no tena mahafantatra ny tena zavatra tsapanao, ny tena hirinao sy ny mahazo anao. Soson-kevitra no homenay fa ny tena decision kosa dia anao tanteraka. Izahay namana dia eto foana raha mila hevitra ianao. Dia mahereza hatrany dia bisous be dia omeo vaovao izahay ...../..... oups !
58. vatosoa ( 14/06/2004 15:43)
Sarotra ity tantara ity izany. Ny hevitro manokana aloha dia hoe tazomy ny zaza. Marina fa sarotra izany kanefa izaho matoky fa tsy hanenanao izany, ary Adriamanitra hanampy anao.

Avoahy io xxxxx niteny ratsy io!

59. bichette ( 15/06/2004 15:40)
Eny wa ry vatosoa, tokony avoaka mihitsy io xxxx io fa diso adiresy ny teny ratsiny ha ha ha
60. fijo ( 15/06/2004 21:55)
ny ahy dia ny fanajana ny hevitrao ihany ary mankahery anao amin'izany fanapahan kevitrao izany.tsy izahay no hitsara anao angamba,fa hanohana kosa raha ilaina.
mahereza e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0178