tsy afrikana marina ve ny gasy?

1. hendry ( 07/05/2004 18:20)
Raha ara-jeografia dia afrikana amiko ny gasy na dia maro aza ny mahasamihafa antsika @ afrikana sasany raha tsy hiresaka afatsy ny volon-koditry ny gasy zay somary mazavazava kokoa, betsaka nefa ny gasy tsy manaiky atao hoe afrikana fa toa manambany azy ny filazana zany.
novalian'i xxx ny 23/08/2004 11:44
2. xxx ( 07/05/2004 18:43)
mahagaga mihitsy!!ary misy koa anie ny afrikana mitovy volon-koditra @-tsika .Raha ara-tantara dia toa hoe nitambatra t@ afrika,madagsikar fa avy eo nisaraka tsikelikely,ary @ maha-ile azy dia multi-origine ny mponina ao,ka asakasak'izay manda an'io satria te-hofotsy,na mavo nefa tsy afaka ho aiza fa ao anatin'ny continent africain
3. kitjo ( 08/05/2004 03:11)
an3, za koa oh andramaso kalou e.Marina io fanazavana io
za ts afrikanina tsy vazah tsy mavo tsy tsy haiko fa GASY.

Fa vao haingana indray aho niresaka t@olona indonesianina d miady varotra be mitsy izy fa tsika hono no razamben zareo fa tsyry zareo no nankany,

fa nisy olona avy tao Afrika atsimo hono nankao Dago d nande Indonesie avy eo, d le indonesiens lazaitsika fa nankany reny (avy ao Maccassa,..) taranak le efa tany taloha fa niverina Dago, d nisy koa gadra avy ao Malaisie nanaraka...

Tsy ahiko aloha ze fahamarinan znay fa ra vaomiresaka @indonesiens d lazain zareo fa avy any M/kara izy

4. kally ( 08/05/2004 08:47)
Asa i Hendry raha mahita fa matetika sarahin'ny mpanoratra na mpanao gazety @ Afrika i Madagasikara,hoy foana zareo rehefa miteny hoe "Afrique et Madagascar",ary asa raha fantatrao fa ny afrikanina tsy manaiky koa hoe afrikanina ny gasy.Gasy ny gasy.Angamba na ara-jeografia aza dia toy ny mampitohy an'i Azia @ Afrika Madagasikara,tsy Afrika ary tsy Azia.
5. hendry ( 08/05/2004 10:12)
Kally> tsy dia ilay lazainao hoe "ny afrikanina tsy manaiky hoe afrikanina ny gasy" nefa no hitako fa raha ny marina dia ny gasy no tsy manaiky atao hoe afrikanina fa tsy hoe ny afrikanina akory no tsy manaiky ary matetika aza dia ankahalain´ny afrikanina sika
satria miseho manavantena sy tsy te hatao ho isan´ny afrikanina hono.
Normal be amiko ny réaction-nareo tsy manaiky ho afrikanina, saingy mampieritreritra ihany rehefa mandeha ivelan´i Madagasikara enao ka miteny hoe avy any Madagasikara dia voasokajy ho afrikanina avy hatrany na tianao na tsy tianao.
6. hendry ( 08/05/2004 10:17)
araky ny voalazan´i xxx hoe ao anatin´ny kaontinanta afrikana sika koa tsy afrikanina ve ny dikan´zany?
Tsy haiko aloha e! Ratsy be loatra ngah ry reto ilay hoe afrikanina?
7. booboo ( 08/05/2004 10:24)
Zà koa alou dé tsy afrikana fa gasy e ! Tsy oe ratsy ilay afrikana fa tsy avy ao afrika irery ny razam-be-ko. Avy any @ faritra maro dé izay no naha-gasy ny gasy. Raha afrikana manko, araka ny hevitro, dé oe avy ao afrika fotsiny ny nihaviana.
8. miranto ( 08/05/2004 12:39)
Zà manokana aloha tsy afrikanina izany e! za de monina ato @ canal de mozambique sy océan Indien ary ny tena marina de zao e! Malagasy isika ary ny Etat no mifampiraraha @ Africain fa tsy za ary malagasy aho malagasy ianao eny isika mihintsy samy manana ny fiaviny ka tsy mitovy zany hoe olona mipetraka ao Afrique sy Madagascar izany
9. fatsoraly ( 08/05/2004 17:05)
Na afrikanina na indonezianina na malay na eraopeanina (tandrefana na tatsinanana) na inona na inona dia tsy nisy nifidy izay ho fihaviany. Tsara ny mifaly @ maha ianao anao. Aza entina mirehareha anefa izany satria tsy vokatry ny asanao sanatria. Ary aoka tsy hanaratsy ny sasany fa tsy "adala" akory ilay Nahary.
10. yonikafopl ( 08/05/2004 17:19)
Mahagaga ahy ianareo milaza ho tsy afrikana ireo , fa inona loatra ny antony? izaho aloha dia africaine e! ary maro koa ireo Gasy aty aminay aty tsy manaiky ho afrikana satria tsy misy mpikoty hono hi hi hi, ny ahy hireharehako ny maha afrikana ahy na dia tsy hita taratra @ endriko aza ny maha afrikana ahy, tsy ny afrikana rehetra akory no mainty sy ngita volo fa ao koa ireo tsara sy maha te ho tia.
Ka asakasakareo izay te hanava-tena fa izaho dia afrikana pour toujour, je suis fiere de l'etre
11. kally ( 08/05/2004 17:29)
Safidinao izany ry Yonikafopl dia izay izany.Aza haratsiana koa izay tsy te hanaraka ny safidinao.Izahay gasy dia izay,tsy resaka misy mikôty na tsy misy mikôty.Tsy misy fahamenarana.Tahaka ny tsy hilazako hoe aziatika aho( na dia betsaka aza ny nihevitra ahy ho isany) no tsy hitomaniako koa hoe afrikanina aho.Gasy dia izay.
12. booboo ( 08/05/2004 17:46)
Ekena !
13. yonikafopl ( 08/05/2004 20:16)
ka aza disoanareo koa ary ireo izay manao ny tenany tsy ho gasy e! satria sahala izany amiko , fony vao kely isika dia nantsoina ho malagasy, fony tany @ epp koa dia nianatra fa afrikana , nony efa nahalala sy tafita anefa dia ao ireo izay milaza sy manava-tena fa tsy malagasy , dia toy izany koa milaza fa tsy afrikana, ka dia samy manaja ny safidy sy ny fomba fiheverany ny tenany izany .
kally / tsy manaratsy izay safidin'ny hafa mihintsy ny tenako fa azafady.
14. mumu ( 09/05/2004 09:34)
no comment
15. xxx ( 10/05/2004 01:59)
Andeha akisakisako miakatra ity Madagasikara ity dia lasa Indianina na Asiatika indray k'le
16. hendry ( 10/05/2004 07:49)
Ny tsy gasy (afrikanina, eoropeana sy ny sisa) nefa dia manasokajy ny gasy ho afrikanina foana.
17. samoina ( 10/05/2004 08:13)
Ny anarana tanim-boanjo ka tsy tsy misy ahoako izay fiantson'ny sasany ahy . Hafa indray raha entina hanompàna ahy izany.
Rehefa milamina ny eritreritro ary hilain'ny fiaraha-monina ny hisokajy ahy ho gasy na afrikana na kômôriana na 'siatika dia omeko fahafaham-po @ izay hitiavany hiantsoana ahy izy. Tsy hampiova ny maha-izaho ahy izany.
Safidiko izany fa manaja izay safidinareo namana koa aho raha izay no mampandry saina anareo.
18. yonikafopl ( 10/05/2004 13:01)
xxxxx hi hi hi hevitra koa re izany!
Samoina tsara ilay safidinao , midera anao ny tenanay
19. jhouhlambout ( 10/05/2004 17:44)
Ka efa nolazaiko tary ambadika tary fa metissage gave be ny population malagasy ,donc: tsisy gasy pur, fa fangarongaron'olona fotsiny... hihihi
20. fijo ( 10/05/2004 23:19)
raha jerena aloha ny sarin tany dia hita fa nisitaka avy teo amin'ny afrika isika.mbola hita io rehefa mandinika ny sary isika,fa raha ny mponina kosa dia marina fa tsy afrikanina isika,ary havahan'ny vazaha sy ny afrikanina tsara,fa afrika SY madagasikara.jereo fa rehefa misy dinika momba ny fanampiana an'ny afrika dia matetika isika no antsoina hanaraka fa tsy tena mpandray anjara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8321