tsy afrikana marina ve ny gasy?

21. peluche ( 11/05/2004 10:15)
ka tsy miteny hoe afrikana fa manana origine africaine...fa ny zavatra hita kosa aloha dia vosokajy ao @ continent africainn'ny gasy,misy culture hitovizana @ afrikana,1/3 monde otran'ny afrikana ka na hiodin-kavia na hiodin-kavanana tsy maintsy assimilén'ny ivelany @ Afrika.
Na ny afrikana ary anie miteny ny tenany hoe camerounais zay vao afrikana,ka inona moa ny hanakana antsika tsy hiteny hoe,gasy zahay fa ao anatiny continent africain?
22. miranto ( 11/05/2004 10:20)
marina io ry fijo an! ohatra fotsiny ny kabary nataony sarkozy momba ny fanampiana hoe ahena ny frantsay izany fanampiana izany de hoy izy hoe TOA NY AFRIQUE SY MADAGASCAR izany
noho izany ny aty ivelany aza mahalala fa samy hafa ny afrique sy ny gasy samy manana ny fiaviany donc gasy isika e! tsy mitazona izaho te ho afrikanina ary tsy manakihina ny afrikanina koa anefa fa ny hevitra no aseho hoe hafa ny gasy ary hafa ny afrikanina samy manana ny pays niaviany avy ireo
23. hendry ( 11/05/2004 12:10)
Ny gasy zany dia gasy mipetraka ao @ kaontinanta afrikanina saingy tsy afrikanina, mazava!
24. tsilan ( 11/05/2004 13:05)
Raha mijery saritany dia mazava be fa 400km miala eto Afrika i Madagasikara. Io no tany lehibe akaiky azy eo indrindra. Koa n'inon'inona fihavianao ry Malagasy dia Afrikanina ny tanibe misy anao.
Ny Egiptianina sy ny Libianina ary ny Tonizianina, omban'ny Marokanina mbola afrikanina daholo koa.
25. booboo ( 11/05/2004 13:20)
ara-jegrofia izany fa raha ara-tantara dé tsy izay
26. jhouhlambout ( 11/05/2004 18:39)
booboo >ara tantara dia avy tany afrika ny 85% ny mponin'i Madagasikara t@ fanombohan'ny fipetrahana voalohany tany!!
27. fijo ( 11/05/2004 23:48)
izao fotsiny atao antsaina e.ny arabo izay tena ao anatin'ny afrika fa tsy nisintaka toa antsika aza tsy manaiky atao hoe afrikanina,izay no nananganana ny ligue arabe.ka isika nisaraka taminy indray ve no hisisika?
28. xxx ( 12/05/2004 02:06)
Ka andao ary isika hifindra any oceanie indray. Dia andao ilazana Atoa Ravalomanana sy ny ONU hoe izahay manomboka mason'andro anio tsy afrikanina intsony.
Fa raha ny tantara no zohina dia hilaza ve ny amerikanina hoe izahay tsy amerikanina izany fa Eropeanina nifindra monina.
Sa hilaza ny Eropeanina hoe izahay afrikana lasa bobo ?
Izaho aloha tsy menatra ny antsoina hoe afrikanina fa asa ianareo eh?
Toa hitako an-tsaina ireto gasy any ivelany lalaovin'ny Afrikanina, dia rehefa raikitra ny ady dia aseon-dry zalahy eny ambaravarakely hoe hitanao ity slipinao ity.
29. miara ( 12/05/2004 11:52)
Asakasakizay hitoka monina otran'ny boka fa te-hanava-tena ka nefa tsy afaka hoaiza fa ao anatin'ny continent africain foana.Izany akory tsy midika hoe tsy afaka ny hanana ny maha-hafa azy ny gasy.jereo fotsiny ny union européenne.
30. hendry ( 12/05/2004 12:12)
Fijo> tsy hoe misisika sy te ho afrikanina akory sanatria fa mba te hahafantatra marina hoe tokony ho sokajiana ho afrikanina ve sika gasy sa tsia. Dia miverina @ voalaza tery aloha ihany aho hoe: ara-jeografia dia afrikanina sika, ara-tantara ndray nefa dia misy gasy afrikanina ary misy tsy afrikanina.
T@ exposition iray natao teny @ esplanade no namakiako lahatsoratra iray zay milaza fa ny olona avy afovoan-tany hono @ ankapobeny tsy taranaka afrikanina, ny tanindrana misy ampahany afrikanina (fa tsy izy rehetra akory) noho ny afrikanina nivantana tany @ sisin-tany t@ vao tonga, tsy haiko zay fahamarinan´zany.
Mahagaga ahy ndray ny lazain´i Jhoulambout hoe 85%´ny fiavian´ny gasy dia avy ao Afrika, ny henoko manko dia mi-domine kokoa @ ny firazanan´ny gasy ny indonezianina sy ny tariny.
31. booboo ( 12/05/2004 13:15)
Jhoul> tsy mbola fantatra marina hatr@ izao ny firenena nihavian'ireo mponina voalohany nonina tany M/car. Na ny nihavian'ny vazimba ara mbola hadi_hevitra eo @ samy mpikaroka. Ny fantatra fotsiny dé efa nisy olona hafa talohan'ny vazimba.
32. yonikafopl ( 12/05/2004 14:30)
Ny zavatra hitako sy tsapako dia izao , isika gasy izay mila ravinahitra aty ivelany no tena manda mafy ny maha afrikana antsika, asa inona loatra re no antony e! nefa na inona na inona dia ao anatin'ny afrika i gasikara fa tsy afa- misaraka aminy na dia hoe somary nisintaka kely aza.
33. booboo ( 12/05/2004 14:43)
Ny ahy manokana dé samy hafa ny ara-jeografia na ara- géo-po sy ny ara -tantara.
34. fijo ( 12/05/2004 23:23)
izay mihitsy.ny anglisy dia aty europa,fa tena misaina toy ny europeanina ve izy?valio io fa mitovy amintsika ny fisainanay.
marina fa ny gasy aty dia manda tsy ho afrikanina,satria na ny europeanina aza mahita any miaraka amina arfikanina dia milaza fa tsy izy aho.
35. ikaretsaka ( 13/05/2004 00:42)
isika aza anie nodakan'ny afrikanina tao @ OUA vao 2 taona lasa izay e.. izy aza tsy manaiky antsika ho afrikanina dia isako no hihambo ho afrikanina? ry sarkozy efa manavaka tsara hoe Afrika sy Madagasikara.. ny Mainty hoditra aty Amerika dia tsy manaiky mihitsy hoe Afrikanina ny Gasy fa lazainy ho aziatika aza..
36. tsilan ( 13/05/2004 02:48)
Arakaraka koa io angamba eh
Izaho ry zareo rehefa miresaka amin'ny vahiny dia milaza mazava fa Malagasy aho. Rehefa ny samy gasy dia asongadiko kosa fa izaho Merina.Ary eo an'ivon'ny samy Merina dia atondro mazava fa izaho Vakiniadiana.
Raha miresaka tanibe izany dia Afrikanina isika na avy aiza fihaviana na avy aiza. Ny fotsy hoditra ao Afrika atsimo aza mbola afrikanina daholo. Nefa ve isika dia fotsy sy havanana noho ireo mankaiza.
Tsy ny maha afrikanina no ratsy, fa mba jereo fotsiny Botswana, iza no sahy mitahy aminy raha mbola eto Afrika? RSA angaha
37. jhouhlambout ( 13/05/2004 09:07)
Booboo & Hendry> minoa fotsiny ihany hoa!
Tsilan> ié zay mihintsy
38. booboo ( 13/05/2004 10:37)
jhoul> :-)
39. peluche ( 13/05/2004 10:38)
booboo:tsy fantatra ahona,aza minia-mikipy.
ikaretsaka:sur le plan international,ho aiza ary ny gasy kely?ny occidental sy ny asiatique mitambatra ary ny gasy akory tsy ho raisin'ireo mihitsy-mety sarahni sarkozy ny africain mba tsy hafaka hicontrer an'ny zareo ,zany v tsy miverina @ politik imperialiste hoe zarazarao sns...
fijo:Ny anglisy ao anatin'ny union europeenne fa mitana ny mahaanglisy azy,tsy fantatrao nga fa ny parlement europeen no multinational ndrindra.ny but-ny union européenne dia mitambatra mba hicontrena ny americain,sy ny asiatique fa zany tsy manakana an'ny frantsay ,anglisy,italien hanana ny identité nationale.
Ho aiza ary ny gasy manoloana an'ireo bloc be dia be reo?hitokana?hanavatena?tsy maintsy miditra @ bloc raha tsy zany hihahaka lava eo-tonga @ ilay fitenenana hoe hanara-dridrenirano
40. booboo ( 13/05/2004 10:44)
Tsy minia mikipy aho fa tena marina izany lazaiko izany. Ary fantatro izay lazaiko fa tsy miteniteny foana aho :-). Tapitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2412