tsy afrikana marina ve ny gasy?
81. pitchou
(
28/06/2004 05:15)
fijo> raha eo @lafiny fivoarana tokony hiraisan'izao tontolo izao d azonao lazaina tokoa hoe tara ny ao afrika na mitaredretra satria mifamono rehefa misy tsy azoazo! fa aza atao hoe mirefarefa satria raha jerena @ lafiny mahaizy azy izyzany hoe mitazona ny fomban-drazany dia ho hitanao ny lojikany! eto manko isika miresaka ny maha-malagasy sy ny tokony hijoroantsika @ izany mahamalagasy izany d tokony hihevitra koa zany isika fa mila mitana izay fombany koa ny hafa na d tsy mitovy @ny antsika aza zany fomba zany!
82. fijo
(
28/06/2004 20:46)
dia laeo tokoa izy hitana izay fombany izay fa tsy hampihely azy aty ka.
83. pitchou
(
29/06/2004 06:14)
betsaka @drizareo no monina eto dago! tafaresaka t@ rwandais iray teto aho d hoy izy hoe "nareo gasy tsy ampy hambo-po! rehefa mila ady rizareo mpanohitra d tokony faizina mafy! ary sahy milaza aho hoy izy fa rwandais 1000 d ampy hamotika an'i mada" aminy tsinona tena rehareha zany nandresy an'ady zany! saingy manaja nyfombantsika izy ka na tezitra sahala @inona aza any @ asany d hainy ny manaja le olona nahatezitra azy fa tsy tonga d daroka!
85. pitchou
(
30/06/2004 06:44)
angamba kosa tsy d le hambo-po no tsy misy fa ny gasy karazan'olona pacifique, mitady ny marimaritra iraisana e! aleontsika mifampikabary toy izay hamokona totohondry!
88. xxx
(
01/07/2004 10:28)
izahako indray dia mihevitra fa tsy te-hafangaro @ Afrikanina ny gasy noho ilay loko hoe mainty be ry zareo,be molotra,ngita volo.Ny malagasy hafa mihitsy,tsy mainty be,tsy ngita volo ny ankabeazany sns.jerevo @ ny fiaraha-monina malagasy , raha mainty ianao dia voasokajy toy ny andevo,ary ny andevo dia voasokajy olona ambany,ratsy saina,tsy mahay miaina,be kotaba,tsy mahay miaina.Zay no anisan'ny mahatonga ny gasy tsy mety hosokajiana afrikanina,satria izy ireo mainty toy ny andevo.nisy ohatra tato momba an'ilay president sénégalais tsy afaka nitsidika ny rovatsika satria hono izy andevo,zany hoe mainty be toy ny afrikanina.
90. xxx
(
01/07/2004 10:51)
le mainty toy ny andevo,na hoe fotsy sy zarazara toy ny andriana dia tsy lazaina mivantana intsony zao,tsy hisy sahy hilaza mivanatana intsony hoe ianao andevo na andriana,hatao miafonafona fa na izany aza mipetaka tsy tafala @'ny andrina ilay izy satria hita @ fomba nitaizana,ny firesaka,ny fomba fiaina sns
91. booboo
(
01/07/2004 10:58)
ié marina izany ! mila ampianarina ny tantaran'ny fireneny ny gasy raha ohatra izany lé ! mety mba hivoatra kokoa angamba ny toe-tsainy @ zay !
92. xxx
(
01/07/2004 13:43)
tsy misy miteny mivantana ny mahaandriana na andevo azy ntsony zao fa na izany aza de hita foana hoe andevo na andriana ilay olona noho ny fomba fiainany ,fiteniny ,fihetsiny ,ny hira tiany.ny andevo ao anatiny antoko iray ary ny andriana koa ao anatiny antoko iray ary samihafa ireo antoko ireo.Zay no lalan'ny fiaraha-monina,ary vao maika raikitra ilay izy satria miafina ,tsy mivantana,miolakolaka sy mibitsibitsika rehefa miteny hoe tandremo fa taranak'andevo ihany,na taranak'andrina.
93. pitchou
(
01/07/2004 17:03)
zany ka racisme!!!!! tsy mainty be daholo ange ny afrikana e! betsaka ny mitovy endrika @ gasy!
94. gandy
(
01/07/2004 20:59)
Tsy misy azo atao intsony ry ireto an! afrikana ny gasy ,ka raha tsy tianareo aza dia andao akisaka e!,na ho any @ tany aiza na ho aiza isika dia hoe afrikana .
95. fijo
(
01/07/2004 22:46)
io tsy misy resaka hoe ny merina ihany an.aty izao dia namako betsimisaraka izay no mamaly mafy ny afrikanina tsy manaiky hitovy aminy.ary tohanako ilay heviny satria tsy mitovy tokoa e.
97. peluche
(
03/07/2004 14:06)
pitchou/ndana anie pitchou manontany olona mainty ao tana,zany hoe olona ngita volo sy mainty be,de hanontanio an'ny zareo raha tsy zany ny fikajian'ny manodidina azy,afaka vakian'i pitchou koa ilay ohatra le hoe taranak'andevo hono izy ka tsy afaka manambady an-drazavavy.Raha ohatra ka antanian'i pitchou mazava tsara ny gasy tsy tia hatao hoe misy afrikanina ny razam-ben'ny madagascar de zay matetika ny antony,tsy mainty be-tsy ngita vo-tsy mifotetak'orona-tsy be kotaba-tsy mikorontandava-tsy misy fofona ohatran'ny afrikanaina,ka nefa tsy hisy sahy hilaza an'izany am-pahibemaso mihitsy fa miafinkafina.Zany ny fiaraha-monina malagasy(antananarivo indrindra )hatramin'izao na vao maika hafenina mafy izy @ izao.Tsy aiko raha efa nisy nahita an'ilay document momba an'i gasikara nareo,tsy tadidiko fa vazaha nandalo nanao document mazava momba an'io.rehefa lava orona,sy tso-bolo be sy fotsy ianao dia tsara tarehy kokoa ohatra,manana "classe" kokoa sns
98. welieoelee
(
18/08/2004 13:42)
marina io tenin'i kitjo io ambony io hoe, misy indonesiana milaza fa hoe ny gasy ny razam-be-ny. Ny namako kou manko (indon.) milaza ary tsy mety mihintsy fa dé hoe ny gasy hono no tany voalaohany fa tsy ry zareo izany no razam-be antsika. Hianarany any am-pianarana hono. Gaga foutsiny aho.
Ary ho an'ilay nilaza hoe enao aty ivelany dia afirkana foana, NON!!! Za aty ivelany koa, fa dia izaho indray ary no gaga hoe tsy lazain'ny aty hoe afrikana. Rehefa miresaka hoe Madagasikara dia avahan-dry zareo mihitsy hoe tsy Afrika, tsy Asien, tsy Europa. Madagasikara hafa. Madagasikara=Madagasikara!!! Za ary mba gaga koa.
Za aloha dia gasy e! No comment!!! :D
Ary ho an'ilay nilaza hoe enao aty ivelany dia afirkana foana, NON!!! Za aty ivelany koa, fa dia izaho indray ary no gaga hoe tsy lazain'ny aty hoe afrikana. Rehefa miresaka hoe Madagasikara dia avahan-dry zareo mihitsy hoe tsy Afrika, tsy Asien, tsy Europa. Madagasikara hafa. Madagasikara=Madagasikara!!! Za ary mba gaga koa.
Za aloha dia gasy e! No comment!!! :D
99. xxx
(
23/08/2004 11:44)
ie Madagasikara=Madagsikara,izaho dia milaza ny tenako hoe je suis Malgache et je viens de Madagascar,raha mila fanampiny ilay olona dia ampiko hoe madagsacr fait partie du continent Africain.
Ary tena marina fa tsy tia hampitovizana @ Africanina ny gasy satria izy ireo dia toy ny andevo ny fahitana azy.tsy misy maharatsy Ny milaza ny tenany malgasy mihitsy.
Ataovy hoe tsy asiatique marina ve ny malagasy?hitanao fa hafa ny valiny.
Tsy afrikanina marina ve ny gasy?Matetika dia manda be satria tsy te-hampitovizina @ ny mainty(andevo) izay ambany indrindra aty madagascar.
Ary tena marina fa tsy tia hampitovizana @ Africanina ny gasy satria izy ireo dia toy ny andevo ny fahitana azy.tsy misy maharatsy Ny milaza ny tenany malgasy mihitsy.
Ataovy hoe tsy asiatique marina ve ny malagasy?hitanao fa hafa ny valiny.
Tsy afrikanina marina ve ny gasy?Matetika dia manda be satria tsy te-hampitovizina @ ny mainty(andevo) izay ambany indrindra aty madagascar.
