ny vehivavy no saropiaro kokoa..

1. joda ( 26/04/2004 09:45)
noho ny lehilahy @ ankapobeny
novalian'i pitchou ny 02/07/2004 18:41
2. booboo ( 26/04/2004 10:04)
zany ve ?
3. aladin ( 26/04/2004 10:35)
marina io! satria betsaka kokoa ny vevavy de betsaka koa ny concurence
4. lalapiso ( 26/04/2004 10:44)
Amiko indray aloha dia tsy marina ilay izy fa ny lehilahy no tena saro piaro lozantany eny na dia mampirafy aza io lehilahy io saingy izao fotsiny angaha hoe ny vehivavy tsy mahay manafina ny fahasarotampiaro fa ny lehilahy mahay.
5. hendry ( 26/04/2004 11:53)
Marina ny an´i lalapiso.
Ny lhl betsaka ny saro-piaro lozantany miohatra @ vhv saingy tsy miseho mazava ilay izy.
6. jhouhlambout ( 26/04/2004 12:12)
satria ao anaty maizina no ampiseho tsara!!
7. mimita ( 26/04/2004 13:10)
k ahona marina mo zay no tsy saropiaro fa vitsy ny lehila,sady tina matou saro piaro fa nareo fotsiny no mahay manafina d we zay fona eo!!!
8. aladin ( 26/04/2004 13:12)
ok ramaso!hihihi
Fa zah lou tena tia sipa saro-piaro e!Tena m'lay
9. mimakely ( 26/04/2004 14:52)
Miankina @ firaiktampony @ ialy olona iarahany io, miankina koa @ tanjony
10. mimakely ( 26/04/2004 15:00)
Miankina @ firaiktampony @ ialy olona iarahany io, miankina koa @ tanjony
11. ramoul ( 26/04/2004 15:25)
arakarak'ialy olona ihany io fa tsy ny vehivavy na ny lehilahy no tena saropiaro.
12. yonikafopl ( 26/04/2004 16:00)
Tsy misy olona tsy saro-piaro izany raha tena tiany ilay miaraka aminy, na lhl io na vhv , fa ny fisehoan'izany eo @ tsi1/1 no samihafa., ilay hoe ny vehivavy no saropiaro kokoa, tsy voatery ho izany ilay izy fa misy mihintsy ireo lhl saropiaro koa.
13. pitchou ( 26/04/2004 16:14)
marina aloha hoe saro-piaro ny ankamaroan'ny vhv noho ny ankamaroan'ny lhl! saingy kosa ny lhl rehefa saro-piaro d tena max mihitsy! asa na tsara na ratsy ny fahasarotam-piaro fa ny hitako aloha d manelingelina ilay izy indraindray e!
14. ikaretsaka ( 26/04/2004 20:52)
zany mihitsy
15. fijo ( 26/04/2004 22:09)
marina izany voalazan'i pitchou izany.fa ny bandy saropiaro mila hamono.
16. mimita ( 26/04/2004 22:15)
fa maninona kay ry ramaso no rare ny lhl no saro piaro?sa sty tena tia izy zany?za alou ra ohatra we bandy tiko d milay izy ra saro piaro @ko e!!!satria tena preuve d amour zany amiko!!
17. ikaretsaka ( 26/04/2004 23:14)
tsy heo tsy tia angamba fa ny saripiaro ange ry mimita ka fitiavantena e.. ny tenanao irery no eritreretinao @ io fahasarotampiaro io (ny ahy... ny zavantro ... sipako)
f any bandy manao hoe ny antsika
18. ikaretsaka ( 26/04/2004 23:15)
ilay concept mihitsy no samihafa .. tsy preuve d'amopur ilay izy raha tena dinihina lalina fa fitiavantena.. ny azy ihany
19. vahona ( 27/04/2004 00:10)
fa ahoana ianao no mikteny hoe fitiavan-tena le izy?
20. vahona ( 27/04/2004 00:11)
ny sipako aloha zao tena saro-piaro be dia fitiavan-tena ve izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.2365