andevo sy andriana

1. peluche ( 30/03/2004 09:06)
tsy hoe mamerina resaka fa karazany hoe tohiny ihany ito saingy tsy mikasika ny fitiavana ilay izy fa mikasika ny ny nitrangany.tsy aiko tsara moa manazava an'izany.
2. peluche ( 30/03/2004 09:08)
ny fahalalako an'io dia efa hatramin'ny mbola kely no tafiditra ao anatin'ny loha,@ fomba fisaina ka manjary tsy tafiala ntsony.sa ahona hoy nareo?
3. xxx ( 30/03/2004 09:58)
Fa inona marina moa ny tena olana amin'izy io fa tsy hazoko tsara.
4. peluche ( 30/03/2004 11:30)
fa ianao zany tsy mahita olana?jereo fotsiny ohatra ilay hevitra ao @ fitiavana.
Tsisy hihinana akory eto fa ady hevitra no hatao ka asehoy ny anarana.
5. ravatorano ( 30/03/2004 11:40)
manahirana tokoa io resaka io satria tsisy olona tena sahy mamaky bantsilana ny tontolo manasaraka an ireo.Inn marina moa no atao hoe andriana ary inn no atao hoe andeva fa raha ara tantara anie ka misy amireo andriana ireo ka manana fiaviana avy amin ny andriana avy any amin ny sisiny e
.tsy azo sarahina izany nresaka andriana/andevo sy ny anivo/anindrana.
Ity ohatra iray ny taranak'i Rasalimo sy Radama dia fantatra tsara izany fa dia ny iray zanaky ny mpanjaka avy any Menabe ary ny iray zanak'Inampoina.Aminao andriana inn no zanakireo : ambaniandro sa sakalava ? Mbola maro be no azo lazaina momba izany , mbola misy tantaran ' Andriamahazonoro koa ao.
Farany ny andevo dia taloha elabe tany izay dia olona resy an andy ka na andriana io na olopehezina tsotra dia nobaboina ka natao andevo dia very teo ny zony maha andriana azy fa dia "nivarina"izany izy.Ka amin i peluche ve mendrika ho an ilay andriana babo no lasa andevo ka vry zo tanteraka izy ?Sarotra be io resaka io fa marina tokoa le resaka hoe efa raikitapisaka ao andoha ka nandotoana ny saina de izay fa mba miezaha miala amin ny hevi diso arany é
6. ikaretsaka ( 30/03/2004 13:48)
Ny ahy indray sy raharahako izay filaharana.. fa za mino hoe tsy mitovy ny olona.. misy maintsy misy fotsy ..misy manana sy tsy manana ..
7. maretikely ( 30/03/2004 15:24)
Misy tokoa ireo faha-samihafan'ny olona ireo saingy raha samy hafa aza ve dia tsy natao hifangaro mihitsy,eo no mipetraka ny olana.
8. fijo ( 30/03/2004 23:13)
tsy misakana ny fifangaroana ireo,fa miankina amin'ny tsirairay
9. ravatorano ( 31/03/2004 07:36)
ny fifangaroana dia misy tokoa ary marina ny anareo fa tena miakina amin ny tsi1-1 io fa izao ny foto pisainana malagasy amizao dia ilay mihatsara ivelatsihy ,tsy miady fa kobay ankelika iany.
Olana io ary manahirana ny manazava anio satria raha hanambady dia ny fiaviana no anontanina mialoha ,de ny fiangonana,zay vao ny asa na ny enti mivelona any ampanambadiana any
henjana wa !
10. hendry ( 31/03/2004 13:43)
tsy miankina @ tsi-1 ny fahitako azy fa miankina @ finakaviana niaviana. Misy tsinona fianakaviana tsy mivaky loaha @ zany ary misy fianakaviana tena hentitra @ io resaka firazanana sy fiaviana io. Ka na te hanohitra aza ny tena (ilay hoe tsi-1-1) dia tsy afaka manoatra raha tsy te voaesotra ao anatin´ny fiankaviana.
11. nananie ( 31/03/2004 15:18)
Ridicule be le toe-tsaina.
12. nananie ( 31/03/2004 15:20)
Fa na in na in no mitranga, io faha-samihafana io tsy mety esorina.
13. ikaretsaka ( 31/03/2004 19:26)
ary misy fiantraikany amin'ny taranaka io fahasamihafana io
14. fijo ( 31/03/2004 22:38)
sarotra esorina io satria resaka efa vy any aloha be any.ary misy fototra economika koa moa ilay izy ka tena vao miha sarotra be.
15. peluche ( 01/04/2004 10:52)
zay mihitsy ny olona e,ny fianakaviana sy ny manodidina manisika miankolaka an'ilay izy.Na any am-pianarana,na ny ambony ara-politika zany hoe ny institution malgache mihitsy koa dia nanampy nitaiza t@ io toe-tsaina io
16. peluche ( 01/04/2004 10:55)
anisany nametrahako an'ity lohahevitra ity moa dia mba tiko horesahina mivantana ilay izy @ izay tsy lasa miolakolana.Anisan'ny fomba fiadina @ ilay izy volohany angamba dia ny fanekena hoe misy marina io zavatra io,na dia mbola lavitra aza ny ezaka.
17. angie ( 01/04/2004 11:39)
Ny toetra ihany no tena ilaina tsara fany rehetra fanampiny fotsiny, ny loko sy ny vola.... ivelany fotsiny fa ny ao anaty no ambony.
18. angie ( 01/04/2004 11:44)
Asa raha efa hitanareo ny forum ao @ sobika.com momba an'io tena mahamenatra satria gasy daholo nefa dia mifandramatra @ teny ratsy. Izay no mahatsara an'ity namana ity fa tena misy fifanajana, fahamatorana (njay2) ary azo atao hoe misy fifanabeazana e. Tsara fa tohizo e.
19. alz ( 01/04/2004 12:55)
Marina ny an'i Angie.
Ny maha-olona ny zava-dehibe. Ny ankoatr'izay ambalazy.
20. fijo ( 01/04/2004 22:30)
angie > ny ato kosa aloha tsy mitovy ny any an kafa e.na dia somary manala azy eny ihany aza indraindray.ny resaka toa izao dia matotra foana ato ary tsy misy mifanompa izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1288