Inoanao ve ny angatra na lolo ??

22. kitjo
(
21/03/2004 11:01)
hihiihihhi,sady samy tsy miakanjo
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/kitjo ny 21/03/2004 23:01

23. kitjo
(
21/03/2004 11:03)
le eo @ camp Mandalahy @ RN7 koa,le sipa kely vazah le angatra fa zanaka miaramila tao taloha nisipa t@ sonegaly d tsy navelan dadany hono d namono tena,
d manakana taxi brosy ikala refa @ alina
d manakana taxi brosy ikala refa @ alina
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/kitjo ny 21/03/2004 23:03

24. ikaretsaka
(
22/03/2004 20:50)
ka io izany teneniko izany ry kitjo an.. dia nasian'nycolas grotte masina maria eo izao

25. kitjo
(
22/03/2004 13:37)
ie bdb mitsy @ iny lalana iny,satria "hono" ze maty accidente amin iny matetika d alevin zareo eo @ le toerana,
d feno tsangambato sy grotte sns
d feno tsangambato sy grotte sns
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/kitjo ny 22/03/2004 13:37

27. hery
(
22/03/2004 19:05)
Fandalovako matetika ilay RN7 rehefa any Dago kou. Imbedabe zà no nitondra vam tamin'iny fa mbola tsy nisy sipa kely nanao autostop... mety ho nahaliana... tonga dia mba misy compagnie :)
Fa zà alou mbola tsy tena nandeha alina tamin'iny Mandalahy iny e...
Fa zà alou mbola tsy tena nandeha alina tamin'iny Mandalahy iny e...

29. ikaretsaka
(
22/03/2004 19:31)
ohatra hoe ilay andro ririnina manjavonjavona i i hery mandeha amin'iny .. ilay amin'ny 9 alina miainga ao fianar.. dia mandehana irery mandra -piandry ny taxi brousse hanao caravanne ao ambohimahasoa..

31. ikaretsaka
(
24/03/2004 14:43)
fa raha in 5 mahita dia kely... ireny mpanao rallye ireny koa zaz anisy nisehoany hono

32. ravatorano
(
24/03/2004 20:45)
tena niainako izy ity.Asa na lolo zany na angatrqa.Vao tsy ela raha anano mission trany antsimon i Betafo mandeha tongotra eo amin 'ny 65 km eo ary mitsaka renirano be roa ary kely roa de izao andro atoandro be izao dia misy afo miredareda nefa ny bozaka tsy may ny manodidina tsy midona tsetroka.Lalana fandehanana tongotra makany amin'ilay tanana atao hoe Andembesoa izay.Nanatona an'ilay toerana izahay satria roalahy no niaraka dia nahatsikaritra fa mahamay tokoa ny manodidina vokatr 'ilay afo>Nony akaiky dia nihena ny herin ílay afo fa saingy kosa ny rano izay tao anatin 'ny tavoahangy eau vive ireny izay nentinay dia najavona koa.Zay teo ihany fa izao tsy maintsy nijanona teny amin ny toerana iray zahay roalahy natory tamin ny tanana iray izay satria tsy vitanay indray maka le lalana.Izao indray no nitranga rehefa natory ny olona rehetra ary zahay mbola variana naka rivotra satria impiry ho eny ambanivohitra dia .......

33. ravatorano
(
24/03/2004 20:54)
dia nipetrapetraka teo antokotany izahay roalahy niaraka tamin ny lehiben ny tanana izany.Samy varaian dresaka moa ary tampoka teo nysi namelaka tehamaina ilay namako indroa nisesy ary dia fanina mihitsy , za indray ohatran 'ny nisy nidaroka be avy eo aoriana ka tafahohoka tamin ny tany.Nahita izany ny olona niaraka taminay teo tao amin ilay tanana dia nitondra anay niditra ny trano hainga ary nanontany raha nahita afo nadehandeha izahay ny atoandro alohan ny nahatongavanay tao amin ilay tanana izany , dia notantarainay azy ireo avokoa ny hitanay.Ny tsy fantatray izany dia tokony nanipy fanomezana teo HONO izahay, rehefa fanomezana .teo izany vao tsaroako fa feno bonbon gasy ilay be couleur mora vidy ireny ilay toerana.Izao koa teo ihany dia nisy andian jatovo niverina tany nanatitra fanomezana avy aty aminay dia pecto sy jok enina ambiny sisa tavela tany amin ilay namako zay tena mankafy bonbon jok tokoa fa ny pecto novidiana teo amin ilay tanana.Farany zà dia mino tanteraka an io lolo sy angatra io ary misy ny mahery fihetsika ao ny misanfy.Izaho dia maro ny toerana hitako teto Madagasikara , faritra maro no naleako ary na boky marobe aza tsy hahavitana mitantara ny zava misy sy miafina any ambanivolo rehetra any>

34. ravatorano
(
24/03/2004 09:10)
farany : rehefa vita ny asa izay nataonay tany amin io commune rurale io dia nentin ilay tangalamena efa nahazo taona izay izahay roalahy mba hijery ny zava misy any ambanivohitra e !
tsy nisy natahotra fa de roso ny dia .Nisy tendrombohitra lehibe iray izay teo antsinanan ny tanana , niakatra teny izahay efa afaka adiny roa vao tonga teny fa saro dalana be no be vatovato.Tsy tsaroako ilay anaran ilay tendrombohitra satria efa dimy taona lasa izay.Nisy toerana toy ny lava bato ireny teo ary dia hitanao izao fa misy sisa taolana ary an 'olombelona izy ireo.Nanatona teny Ingahibe dia nikozy teo dia nanondraka tantely sy toaka , niverina izy avy eo fa tsisy hitany tsony le taolana marobe teo ary ttena koditra izahay mitsam ary saika handeha tongotra ankatoka fa notazomin Ingahibe sady nihomehezany no nolazainy hoe manofy nareo ry anakisany fa tsisy zany teo.Ny tena antony nefa dia tiany aseho anay fa misy ny zava mahaliana .Azo atao hoe herin'ny devoly na demony izany fa saingy izao ireo taolana ireo dia dia avy amin 'n olona maty avy any amin ny kilometre maro maro avy any antsimo any ary dia eo amin 'ireo tangoronantendrobohitra ireo no afenina(alevina) tsy tafiana fa apetraka moa izany no ttena izy.Ny iray tanana avy eo dia nilaza fa tena misy sy marina ireny faty na taolana hitanay tao fa nampisehoan Ingahibe ny fahaizany fotsiny ianareo roalahy.Vitsy ny vahiny entin Ingahibe eny ary izahay dia anisany mba olona norqisin dry zareo tsara indrindra fa Ingahibe.
Ny tena nanahirana ny saiko dia ny fisian 'ny baiboly protestanta sy ny bokikely izay misy soratra hoe ny katesizy kely izay ny katolika no mampiasa anazy.Miangona sy mivavaka razoky io nefa raha asan ny demony de ahoana ?????
Santionany ireo ary isan ny tsy dia mampatahotra loatra fa raha ianao no isehoan ny bibilava be toy ny do amin ny telo maraina tamny amin iny faritry Mahajanga iny dia tapaka ny lalandrà nao !!!!

35. bix
(
24/03/2004 13:48)
tena mitombona daholo izany ry anak'isany fa raha ohatra ka mahaliana anao fotsiny ilay izy dia mba mandalova @ RN 7 indrindra ny eo andraharo fa dia ho hitanao izany sady tsy dia lavitra loatra ny renivohitra izany rankizy ary aza mandalo raha tsy à 1h du matin iny fa mba mety hiaraka hanao pointe ihany ianareo ,
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/bix ny 25/03/2004 01:48

36. hendry
(
24/03/2004 15:14)
Mahaliana izy zany na dia mampatahotra aza. Ny mahasarotra ny hinoan´ny tsy mbola nahita ohatra anay anie dia ilay izy tsisy porofo e! Zaho tsy mbola nahita sady tsy maniry koa, sanatria.
Fa liana te hahafantatra @ alalan´ny fitantaran´izay nahita.
Fa liana te hahafantatra @ alalan´ny fitantaran´izay nahita.
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/hendry ny 25/03/2004 03:14

37. hendry
(
24/03/2004 15:17)
Ary mba efa nisy nisehoan´ny havana maty ve nareo? I Mamanay efa nisehoan´ny mamany. Indray andro, t@ mitatao vovonana dia nanarangarana teo am-baravarana hono ny mamany efa maty efa ela dia niteny hoe: mangatsiaka aho fa tafio lamba. Andro vitsy taorian´iny dia niseho t@ rahavavin´i Mamanay ndray koa hono izy ary niteny hoe: Mangatsiaka aho fa tafio lamba. Dia lasa nanao famadihana tsy fidiny ry zareo herintaona taorian´io.
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/hendry ny 25/03/2004 03:17

38. ikaretsaka
(
25/03/2004 10:20)
be tokoa io isehoan'ny maty io .. ny henoko indray hoe ratsy fonoa angah ana nalemy ilay lamba namonosana ilay razana dia niteny tamin'ny havany hono izy hoe rovitra ny lambany dia namadika ry zareo ny ririnin'io fa tena tataka be tokao ilay lamba

39. ikaretsaka
(
25/03/2004 10:21)
ary ahoana indray ny fahitanareo ilay hoe mandatsa baratra e... kalo e.. sns?

40. ravatorano
(
25/03/2004 19:17)
ny fandatsaham baratra aloha ry Ikaretsaka dia saika misy mahay anio dhl ny tanana indrindra fa ny aty ampovoatany sy ambanivohitra.Ny vara maina no lazaiko eto.Raha sendra nandalo tany amin 'iny faritry soandrariny antsinananÁntsirabe iny ny tenako ka nivahiny tany dia nahita izao tranga javatra izao : amin ny andro migaingaina be izao no misy varatra mirefotra be ka naha kila forehitra ny trano anakiroa izay tsy lavitra akory ilay toerana nipetrako.Tsy rahona mainty tsy orana misy tsy tselatra eny an 'habakabaka eny fa dia nilatsaka ny fotaka é ! tsy nisy aloha ny aina nafoy fa ny tena no mangorohoro.
Ny hoe mino na tsia indray ry hrndry dia ny mahita maso no tsara sy ny mifanehatra aminy ihany fa na izaho izao aza dia niakany , tsy nino mihitsy fa nony sendra ka nisedra dia latsaka izay tsy ho latsaka fa tena gidraka be kay !