Inoanao ve ny angatra na lolo ??

61. booboo ( 12/04/2004 20:24)
ary ny eny @ RN 4 ?
62. ikaretsaka ( 12/04/2004 23:01)
misy koa angaha eny?
63. jhouhlambout ( 13/04/2004 08:30)
Mila verifier-na
64. booboo ( 13/04/2004 10:10)
Ouay e ! indrindra t@ ireny toerana nitobian'ny frantsay taloha ireny !
65. sejianis ( 14/04/2004 14:21)
bix a!
mety misy ifandraisany angamba ny nahazo anareo sy ny nahazo ahy, t@ RN2 iny, ny tantara dia tantarana 205 menamena 2 portes izay nivarina tan amin'ny hantsana.
Ny hitako dia lolo-na zazavavy tokony ho eo @ 6 taona teo, @ 1h du matin koa io, rehefa handeha haka fiara tany izahay dia nahita io zaza io teo @ balise de virage teo mihitsy, dia nasaiko nijanona ny saiferanay, satria nahagaga ahy ny nahita io zaza io eny ankodahoda eny @ 1h maraina.
Ny tena loza dia nanantona azy aho ary nanontany, satria nentim-pahatsorana; dia namaly izyfa miandry ny dadany sy ny mamany hono, izay mandeha fiara, ao aloha ao, ary haka azy.Dia nomeko azy ilay ambina 18 petit beurre taty amiko, rehefa lasa tokony ho 2km avy teo izahay vao sahy nitenyn ilay saofera fa hoematoatoa io.Mbola tsy nino mihitsy aho raha tsy niverina nody avy any Toamasina, ary rehefa notadidiako tsara ilay toerana dia nijanona aho satria izaho no nitondra ny fiara nalainay, dia nidina izahosy ilay zaodahiko nandimby nitondra fiara tamiko, teo aho vao ankona fa nisy fonona 18 petit beurre nipetraka teo ambonin'ilay balise nahitako azy, ary nitsindry vato ilay izy, ilay zaza anefa tsy hitako, asa na izahay nandalo teo t@ 21h na ahoana.Misy tanàna afaka 3km teo raha hihazo ho aty antananarivo iny,nijanona teo izahay nanontany olona teo momba ilay zaza.Teo ary vao fantatray fa lolo ilay izy, ary nisy fiara 205 menamena 2 portes izay accidenté teo, ka tavela teo ilay zaza 6 taona, ny ray aman-dreniny kosa dia tonga taty tana vao maty.
Tantara marina iny bix ka asa na misy ifanadraisany na tsia, tsy haiko kosa anefa na aiza hoaiza teny tana no nipetraka ilay famille t@ ilay 205; angamba eny amin'nio faritra nahitanao azy io. Asa!!!!!!!!!
66. booboo ( 14/04/2004 20:42)
brrrrrrrrrrrrr !
67. beko ( 14/04/2004 21:39)
mampihorohoro daholo zany tantara izany
68. ikaretsaka ( 14/04/2004 23:32)
efa henoko koa io zaza io.. tsy mbola hitako aloha e
69. sejianis ( 23/04/2004 11:29)
ikaretsaka> ilay point kmtrique kosa klo tsy haiko lazaina anao e! fa izy efa mandroso ho any anaty alaala iny! tokony ho 100 miala an'i marozevo
70. hendry ( 23/04/2004 16:28)
ny RN4 koa be zavatra hafahafa. Ohatra: nandeha taxi brousse zahay ho any Mahajanga, lava alina, teny anelanelan´i Mahatsinjo sy Maevatanana, tsy tadidiko tsara ilay toerana, nijanona ilay fiara fa olombelon-tsy akoho. Nisy mpiara-
mi-voyage taminay nandeha lavidavitra mba tsy ho hitan´ny olona mipipy. Nandrasana izy tsy niverina, lasa nokaraohina ary hita mivalapatra teo apototr´ilay hazo nanaovany maloto. Nobataina fa tsy zaka nefa bandy misimisy no nibata, dia lasa nanatona tanàna zay akaiky teo, hay toerana misy lolo hono io toerana nijanonana io, nanaovana fomba vao zaka nobataina ilay lehilahy, tany anaty fiara dia mbola mihitsinja tsy mahare zay ambonin´ny tany izy.
71. beko ( 26/04/2004 21:35)
ANGANO ANGANO , ARIRA ARIRA
72. ikaretsaka ( 26/04/2004 21:57)
mbola hahita ialahy ry Beko fa aza manahy.. tsy hanozona an'ialahy aho fa samy nanao an'izany daholo fa rehefa mahita miparare3tra
73. tsilan ( 27/04/2004 17:59)
Ary ianareo ve mino fa misy ny zazavavindrano?
Any Ampasiben'i Maningory, lalana mandeha any Ste Marie-Soanierana Ivongo, mantsy dia misy ramatoa mpampiteraka izay.
Malaza tokoa io ramatoa io satria saika isan-taona izy no milentika any anaty ranon'i Maningory any. Ary dia maharitra herin'andro na tapa-bolana aza. Mampiteraka zazavavin-drano hono no ataony any amin'izany. Rehefa miverina izy dia mitondra trondro. drakaka. camaron satria moa vinany io rano io eo.
Raha misy olona lasan'ny voay dia izy fotsiny no resahina. Maka ilay razana, na ireo maty an-drano.
Tsy haiko na mbola velona io ramatoa io izao na tsia fa efa lehibe ihany izy tamin'izay folotaona lasa nahitanay azy izay.
74. ikaretsaka ( 28/04/2004 03:10)
tany manakara ko no nisy Ramtoa ohatran'uizay
75. lanto ( 28/04/2004 08:51)
tsy fidirana alina mihitsy ato :)
76. hendry ( 28/04/2004 13:50)
Fa mbola lolo ihany, iny RN4 iny.Saika novakian´ny colas hasiana lalana direct avy eo Ambondromamy mankany Mampikony satria miolakolana be ilay lalana @ zao sady ratsy koa no sarotra be rehefa fahavaratra. Afaka km vitsivitsy avy eo Ambondromamy dia niato ny asan´ny colas noho ny lolo. Efa imbetsaka hono no nisy nikasa hamaky ilay lalana saingy mahita loza foana. Mila manao sorona hono vao afaka manohy ilay lalana ary ny sorona takiana dia vehivavy fotsy sy lehilahy mainty, vonoina dia atete eo ny rany, refaveo dia alevina ka tsy atao mitsilany fa atsangana ary atao mifanatrika izy roa. Dia tsy vita hatr@ zao satria tsy vita ilay sorona.
77. ikaretsaka ( 28/04/2004 23:07)
lanto> @ atoandro miditar ato ko
78. tsilan ( 29/04/2004 01:31)
Ny matoatoa anie ry lanto amin'ny alina vao miseho eh. Dia izay izahay vao mitranga, fasao matahotra ianareo
79. jhouhlambout ( 29/04/2004 15:12)
Nts..., misy koa ny miseho @ andro atoandro be. Izy io angamba samy manana ny fitsipika arahiny daholo e!
80. juan ( 30/04/2004 10:54)
Sarotra ny inoako ny tantaranao satria ohatran'ny tsy mitombona raha dinihina.
nefa raha ny resaka lolo sy angatra dia manaiky aho satria efa maro ireo namako efa tratran'izany rehefa mandeha milasy ( scout ).
Na t@ grande vacance iny fotsiny aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5929