Izay manan-kevitra...

41. pitchou ( 21/03/2004 14:55)
tsy mitovy ary tsy mety ampitoviana kosa ny taloha sy ankehitriny, satria (efa nisy nilaza tery ambony) taloha vao 16-17 taona ny lhl d manambady ary ravhv kosa 13-14 taona! mbola misy otranizany eto @tsika! @ izao fotoana izao tsy ny hanambady no ihazakazahana fa ny hahaleo tena aloha ka manomboka 25 taona any vao misy mieritreritra ny hanambady, ny sasany aza rehefa manana fiveloman-tena stable vao miroso! d eo ilay hoe firy taona izany vao hanomboka?
42. pitchou ( 21/03/2004 14:57)
raha 30-35 taona izany vao tapa-kevitra ny hanambady d tokony hiandry ve? tsy ho lasa réflexe contradictoire ve sisa ny fiainana satria toherina ny fitiavana, ny filana, ny fo ....
43. hendry ( 22/03/2004 18:10)
bice> jereo ny famalianao ery ambony(16.03.04) fa ohatran´ny lhl i hendry.

Tanjona tsara zany abstinence avant mariage zany saingy efa be ny tsy mahatojo dia mitady zao excuses rehetra zao.
Fehiny: samia manao zay tiany. Na hanao rapport sexuel vao feno 10 taona, na hiandry ny faha 18 ny 20 taona, na hiandry rehefa manambady na hiandry rehefa feno 40 taona. Tehirizo ho an´zay mahatahiry ary ampiasao ho an´zay tsy mahatanty sy mahandry tantana.
44. pitchou ( 23/03/2004 16:31)
taiza indray ramaso no mahita lo izany? sa ... mitady ho lo ny any?
45. hendry ( 24/03/2004 17:04)
zaho mba gaga, mety vokatry ny aretina efa mihahaka be ny mahatonga azy ho lo ngamba. Raha tsy zay toa mbola tsy naheno zany lo zany aho.
46. ikaretsaka ( 25/03/2004 10:28)
lo sens figure kosa io angamba... maniry tranokala fa ela tsy nampiasaina
47. bice ( 25/03/2004 18:01)
natoraly ny filana
tonga ho azy io, ahona ary hoy ianareo le resaka mpiandry omby traingo nanao firaisana tamin`ny omby e? nefa razoky vo 20 taona
any ambanivohitra izy amin`io an
Nisy zavatra tsy voafehiny tao ny antony
Hendry>miala tsiny ary less ry hendry a
48. fijo ( 26/03/2004 11:11)
ampiasao lehireto fa aza ampiafiana an
49. tia_ery ( 26/03/2004 11:22)
Ny tanjona sy tianko-tratrarina aloha dia ny ahatonga ny maro hahatsapa fa ny tsara indrindra dia ny mitazona ny mahavirijiny alohan'ny fanambadiana.

Ny resaka sisa rehetra dia ny ao anaty no tiana ho ventesina sy ventsoina. Sarotra ho an'ny olona efa niroso tamin'izany no ndeha hametraka indray hoe ajanony any izany. Une fois nikitika vehivavy ianao dia aza mihevitra fa tafajanona eo ka tsy hikitika intsony; torak'izany koa ny vehivavy, indray mandeha no nilona tao dia manina sy mahatsiaro na dia atao hoe tsindraindray fotsiny aza.

Ka eo no hitenenako hoe sarotra ho an'izay tsy ao no handeha hiditra ao.

Fa ny Fankanesana any ampiangonana aloha dia aleo tsoriny fa maro ny olona no manao an'izany ho formalité ê! zany dia marina loatra!!!!

Nefa ny tsy fantatry ny maro na hodiana tsy fantatra dia ny hoe : ''Ny FANAMBADIANA ange ka ANDRIAMANITRA no namorona azy io ê!''

Sôtra ê!
50. bice ( 05/04/2004 10:36)
fomba fijery hafa kou io ramaso
51. pitchou ( 05/04/2004 11:05)
fa resaka principe kosa aloha ilay izy e! ianao ve ohatra d ny hanana firaisana @ olona b d b no tanjonao? fa tsy mba satry aza hoe iny ihany hatr@ voalohany ka hatr@ farany?
d ahoana tokoa moa izany raha hoe efa vita ny mariazy, d ao vao samy mahita d kanjo tsy niady ny piesy?
52. jhouhlambout ( 05/04/2004 12:44)
Ka zay ny antony anaovana fanandramana, sady tadidio koa fa ny ntaolo taloha dia nanao ilay antsoina hoe: Fanambadiana handrana(mariage à l'essai). Ka refa tsy mety dia......
53. tia_ery ( 14/04/2004 08:21)
Fa ny tsy ekeko fotsiny aloha dia ilay principe hoe ''FANANDRAMANA''. Fa maninona no ampidirana an'izany ny fiainana. Tsy maintsy misy FANANDRAMANA foana ve !!!!

Amiko ilay toetsaina tia andrakandrana izay no tena mamohehatra sy manimba an'ilay tontolo.

Ilay antony hametrahana an'izay FANANDRAMANA izay mihintsy no tiana hisarihana ny sain'ny tsirairay. Fa zary toa mampitovy amin-javatra maro tsy misy hifandraisany izany ny rehetra !!!

Sôtra ê!
54. fijo ( 14/04/2004 19:46)
io hevitr'i ramaso io no tena mitombona.rehefa vita ny voalohany dia sahala daholo io.ka maninona raha manandrana aty ivelany aloha amin'izay ao tsara rehefa tena hiditra sehatra
55. jhouhlambout ( 16/04/2004 17:52)
zay mihintsy!
56. ikaretsaka ( 16/04/2004 17:56)
naturaly ihany fa rehefa lasa dia lasa ko..
57. fijo ( 16/04/2004 22:11)
izay mantsy.hiandry mariage eo ve tsy ho lanaka le
58. pitchou ( 17/04/2004 13:45)
izaho aloha tsy d momba ilay hoe "manandrana" fotsiny satria te-hanandrana e! fa mba hoe mieritreritra ny hanohy lavitra fa "jerena" raha mety hifanaraka! raha mifanaraka d tohizana ny dia, raha tsy mifanaraka d aleo ajanona! tsy resaka "fanandramana" otran'ny fijerin'i tia_ery azy izany!
sady tsy aleo ve aty am-boalohany d hita hoe tsy mety d tsy manao mariazy toy izay 2 anaka vao hanao divorce e!
59. jhouhlambout ( 17/04/2004 15:59)
Ka mitovy ihany izany. Mananadrana aloha zay vao misafidy raha hanoy lavitra sy hanambady na tsia.
60. ikaretsaka ( 18/04/2004 03:44)
hevitra koa izay.. fa ento @ mandeha ho azy hoa.. rehefa sendra dia aza mafiloha raha tsy sendra si izay izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2461