OPK

1. fijo ( 11/03/2004 11:22)
ianareo namana sasany tsy fantatro,fa raha izaho manokana dia tsy mankasitraka mihintsy ireo karana any mada ireo.
sady tsy mahay manaja ny gasy izy ireo no mibabo fotsiny koa ny haren'ny gasy.tsy efa tokony mba hietsika amin'izay ve ny gasy e?
novalian'i fijo ny 05/05/2004 04:27
2. peluche ( 11/03/2004 10:38)
dia hietsika ahona ry fijo?handroka an'izy reo,sa hamaky ny magazyny sns?inona ary ny solution-nao?sady azonao antoka ve fa ny karana rehetra no manao an'izany?
3. fijo ( 12/03/2004 11:00)
raha tsy ny rehetra dia ny 95%any.ny hetsika tokony hatao dia izao.
-ny piasan'izy ireny dia asiana karama farany ambany izay voafetra.oh500 000fmg na 1000000fmg.
-raha misy karana iray tratra manao cheky tsy misy antoka dia raofina ny fananany.
-raha misy tratra manao fanodinkidonana ry zareo avy dia mody ary raisin'ny fanjakana ny fananany.
-raha tratra manafina entana izy dia toa izay koa ny saziny.ary miaraka amin'ny havany rehetra ny fandroahana azy.
ohatra ireo fa maro ny azo atao.
4. xxx ( 12/03/2004 13:51)
Fa ahoana eh? tsy nahazaka sipa karana indray nga sa ahoana?
Ireny anie tsy karana be amin'izao fa aza dia mitonatonana eh. Frantsay daholo ny 95%n'ireo, mizaka ny zom-pirenena frantsay raha izay no tian-drangahy anaovana azy.
Midika izany fa hiady @ renimalala izay mitrotro an-drangahy rangahy.
Ny karana no tena mahay mampiasa sy mamadika ny harena voajanahary eto amintsika ho vola sy trano.
Ny gasy toa mandositra manao mpiasam-bazaha any laReunion sy France fotsiny. Tsy mahay manao ho an'ny tena fa efa zatra ampiasaina, zatra miasa mantsy eh
tompoy tsara la frantsa an
5. jhouhlambout ( 12/03/2004 20:34)
dé zay zany
6. ikaretsaka ( 13/03/2004 15:15)
dia lasa indray izany ny ils vont les petits karana tout au bord de Tsaralalan manao vidin'etana tsy ara dalana nefa tsy henjehan'ny fanjakana, amin'ny alina eny madama
misambotra kofy mihanahana?
7. kitjo ( 13/03/2004 12:22)
ihihihihihihih
tsy zany kosa ry xxxx an, zay le tonga d mitsara oh zay ny mahavoa antsika gasy,

Marina zany aloha fa avy @ frantsay,tsy renimalalanay zany iny aloha e, fa ry zareo no atao fitaovana k,
d mitovy dol refa ataon frantsay fitaovana

Ny hoe esorina aloha tsy ho vita ngamba, fa mety misy ilaina azy ihany ange e,satria mampiasa vola, fa ny fanjakana no tokony hanaramaso oe mampiasa vola v sa mandroaka vola,
D oh zay koa ny gasy rht,tokony samy mahalala ny anjarany e,fa tsy hoe hanampy azy hangalatra, fa ny karana ange androany enao namany fa afk 1h enao d lazainy tsy fantany fa misy mitonantonana e,

Sady ny karana efa manana reseau bdb erak izao tontolo izao aloha tsy ho foana e, fa tokony fehezina fa tsy omeny fanampiana kely d manaiky ze tiany atao, fa io ndray d fika avy any @le lazain olona oe renimalalany
8. jhouhlambout ( 14/03/2004 11:35)
Avelao ny helony fa tsy fantany izay hataony!
9. kitjo ( 14/03/2004 17:04)
avelao ny helony ,asaivo averiny,avelao, asaivo tohizany,jerijereo,avelao,....zany v?
10. ikaretsaka ( 15/03/2004 12:59)
farany anao baranahany.. avelao...
11. fijo ( 16/03/2004 11:52)
raha samy hanompo aloha haleoko manompo vazaha aty e.(za tsy manompo vazaha aty)
fa mila fifehezana mafy ireo.jereo fa sahiny ny mamono olona (gasy) any satria manatena izy fa vitan'ny vola fotsiny avy eo.dia hojerena fotsiny ve?
milaza ianareo raha tsy mahita ny fanalikaina ataon'ireo any mada?
12. ikaretsaka ( 16/03/2004 13:34)
ka izay.. na karana na vazaha.. rehefa tay de ratsy ..
13. fijo ( 17/03/2004 11:22)
ka ny vazaha aty amin'ny taniny,fa ry tsy mihinan kisoa anie any amin'ny tena no masosotra e.
14. kitjo ( 17/03/2004 11:38)
zay nddra, fa na vazah na karana na inona refa tsy manaja ao Dago dmitovy dol
ny mahakamo ko nge nddray d le gasy vao mahita vazah na karana sns d "bezoro m'ise" sy ny "patron" e,manambany tena avy hatrany ko aiza ary no tsy ataony
15. hendry ( 17/03/2004 14:14)
Marina io
16. hendry ( 17/03/2004 14:16)
Zay ilay fisolelahana e! misy ilaina ao dia tsy maintsy manao bezoro msé sy patrô. Aza ny ivelany fotsiny anefa no jerena fa mba misy gasy fetsy koa anie, manao bezoro bezoro izy mba ahazoany zay ilainy fa ary ambadika manopa.
17. kitjo ( 18/03/2004 13:24)
iny ange ry hendry diplomatie e,ts koi ra iny fa le manambany tena mitsy no lazaiko, le "vendrana" zany e,manaiky exploiter-n le vazaha sy ampiasainy d rfveo azony dol ze ilainy d lasa izy, enao manana image ratsy @ fiarahamonina, nefa miala maina koa aveo fa tsy nametrahan vazah....
18. peluche ( 18/03/2004 14:12)
zany toe-tsainy fijo zany dia azo hampitovizana @ ny toe-tsainy nazi,nahatonga an'azy handrpaka ny jiosy.Tsy miteny akory aho hoe nazi enao,fa karazana remarque ohatran'izany no nasesin'hitler t@ allemagne,ny an'azy moa dia base t@ gene ankotran'izay,hoe ny allemagne no race superieur ndrindra
19. peluche ( 18/03/2004 14:15)
Anisan'ny nankahalana ny jiosy mantsy de hoe izy manan-karena,mitambatra zany hoe manana ny communauté-ny,azo lazaina ho tafita ry zareo.Tsy milaza mihitsy aho hoe mety sy tsara daholo ny hataon'ny karana,Fa ny azo lazaina fotsiny dia misy hitovizany amin'ireo argument -reo ny hanavahanao ny karana rehetra
20. jhouhlambout ( 19/03/2004 20:07)
zany an?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5771