Tsy tsara raha irery ralehilahy ka dia .....

1. tia_ery ( 03/03/2004 12:21)
Fehezan-teny iray maro mpampiasa nefa toa tsy dia manandanja firy loatra eo amin'ny fiainan'ny tsirairay.

Misy ihany angamba ny lasa saina sy toa nieritreritra nefa mba firy moa no nihevitra sy nidinika azy io.

''Tsy tsara raha irery ralehilahy ka dia hanaovako vady sahaza ho azy izy hoy JEHOVAH''.

Teny notsoahina avy tao amin'ny Soratra Masina aloha ilay izy nefa teny ihany koa mamaritra fomba sy fanao anankiray izay tsy misaraka eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona.

Ka izay no tiana haroso mba ho dinihina sy hifampizarana. Ataoko fa mety hamaha fanontaniana maro nefa ihany koa hametraka olana isan-karazany ihany koa. Nefa izay moa no tanjona ka dia rariana ny tsirairay mba handray anjara ao anatin'ny fahendrena tanteraka. mety hisy ihany ny hamalana na hanao hitsin-dalana ohatry ny mahazatra nefa ireny rehetra ireny no toa vao mainka manesika antsika hamaly sy hiditra amin'ny lalin-dalina hatrany.

Koa alao hery ary dia mazotoa mandray anjara.

Misaotra ê!
novalian'i ramaso ny 05/04/2004 05:33
2. oully ( 03/03/2004 13:33)
Hitako hoe teny feno fahendrena io teny io. Fa asakasak'izay lehilahy milaza fa tsara ho azy raha irery, tsy mila vady.

Nahoana moa ianao rahavako no matahotra hisy hamalana sy hanao hitsin-dàlana ? Sao dia mba milaza tena tahaka ny mahazatra !!! tsiky dia ampy ry tia ery an! hi hihi
3. tia_ery ( 03/03/2004 13:36)
Aoka re ry Oully â! Ary aiza foana enao zany eh ?

Sôtra eh !
4. hery ( 03/03/2004 14:20)
Ary hono toko hoa "rahavako" :)
Niteny ve Andriamanitra hoe "Tsy tsara raha irery ny vehivavy?"
Ny vehivavy izany mahazo irery :)
Sa misy zavatra izay tsara ihany koa fa tsy notenenin'Andriamanitra?
5. aladin ( 03/03/2004 14:43)
de ahoana izany ny môpera sa rehefa natao ho môpera dia tsy olmbelona na lahilahy intsony?
6. pitchou ( 03/03/2004 17:35)
io fanontanian'i Hery io no tonga tao an-tsaiko voalohany raha vao namaky ilay lohahevitra aho!
dia aleo aloha hiandry izay havalin'i tia_ery e!
7. ikaretsaka ( 03/03/2004 17:36)
ka ny mopera sy ny masera anie tsy hoe lailahy sy vehivavy ihany no natao hotiaviny fa ny 1 fiangonana e.. dia fitiavana hafakely
8. fijo ( 04/03/2004 10:56)
na lahy na vavy rehefa irery dia tsy maintsy mila namana e.
9. voahary ( 04/03/2004 16:58)
tsy tsara raha irery dia nomena vady iray ralehilahy nefa ny @ izao fotoana rah ny marina toa lehilahy iray afaka manana vady betsaka @
silamo ohatra....
10. six ( 04/03/2004 17:52)
an an, ka rehefa tsy irery fotsiny dia efa mety ka,
ary tena marina anie izany e, ny mety nahatonga ilay hoe tsy tsara raha irery ny lehilahy anie d le adama no tonga vôlou e, d zay nisy ny vadiny!
zay lou tena mila namana e!
11. tia_ery ( 04/03/2004 10:47)
Ilay ''tsy tsara raha irery ralehilahy ...'' aloha dia tena mazava be fa tsisy afa tsy i ADAMA irery ihany no teo. Ataoko fa mazava be ny valiny ho an'izay te hametraka ny hoe ''Tsy tsara raha irery ny vehivavy ...'' eny fa na dia ilay teny hoe ''vehivavy'' fotsiny aza dia mahadika sahady satria AINA no dikany ary nalaina avy tamin-javatra iray fa tsy noforonina na nisy fotsiny tamin'izao. Ary izay no nahatonga an'i Adama nanao ny anarana hoe EVA satria nalaina avy amin'ny tenany.

Ataoko fa tsisy hametraka an'iny fanontaniana iny intsony angamba.

Fa ny mety ahalasa ny saina sy tokony ho fanontaniana raha misy dia ny hoe naninona no tsy niteny fotsiny Andriamanitra dia nisy lehilahy sy vehivavy marobe fa naninona no lehilahy irery ihany no nataony tamim-boalohany fa hoy indrindra izy manao hoe ''Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika araka ny tarehintsika ...''

Ny mikasika ny mompera sy ny frera ary koa ry masera dia lalan'olombelona ireny ary ireny ilay antsoina amin'ny hoe ENOKA. Misy andalan-tsoratra masina manaza an'io ary misy karazany izy ireny. Sasanangy samy manana ny azy ireny ary lafin-javatra roa samihafa.

Ilay ''Tsy tsara raha irery ralehilahy ...'' dia Andriamanitra mihintsy no niteny an'izany. Ilay ''ENOKA'' dia ny olombelona no namaritra sy namolavola azy; nefa ihany koa misy ny ENOKA hatrany ankibon-dreniny.

Sôtra ê!

12. tia_ery ( 04/03/2004 10:50)

13. oully ( 04/03/2004 14:59)
Andeha hanao masera aho raha izany kouuuuu.
14. xxx ( 04/03/2004 15:28)
Dia tsara ve izany raha lehilahy roa, na vehivavy roa? Tsy irery mantsy izy amin'izay.
15. fijo ( 05/03/2004 10:47)
maninona moa e.efa tsy irery dia ok.ary i adama ve fotsy sa mainty e.dia i eva koa inona no lokony.
16. pitchou ( 05/03/2004 17:21)
misaotra @ xxxx t@ fanontaniana! ary aiza ho aiza tokoa eo @ kolontsaina malagasy moa aloha no misy io hevitra aroson'i tia_ery io? satria kolontsaina avy any ivelany no nolazainao.
17. bice ( 05/03/2004 18:59)
io ndray less de samy manana ny adamany io a
ny any afrika zao ny masina maria mainty de aty aintsika izy to fotsy de tsy hay tsony e

ny vevavy nge talou mbola tsy d nisy vidiny firy e
ny lelahy ihany no isaina any anaty baiboly rhefa nampitombo ny mofo izy ka nisy ambini 7 sobika

18. six ( 05/03/2004 13:31)
izany mou e? ary ohatrinona izy zao
19. pitchou ( 05/03/2004 15:01)
ka izay manko ko! ny kolontsaina gasy samy isan'olona daholo na lehilahy na vehivavy na ankizy!
20. bice ( 08/03/2004 20:48)
Le vidiny @ zao ndray de miankina amin`le vevavy e
Ny sasany 1000 fmg ny kilao
ny sasany nefa efa ho 240000 Fmg
REfa le manao vodiondry iny ikajina azye

D sahala amin`ny vidin-tany ihany io e
hi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6205