Darwin sy ny theorie de l\'evolution ve? ANGANO angano ARIRAarira!!!

1. solofo ( 19/02/2004 15:00)
Aleoko lavitra mino ny tantaran\'i Le Petit Poucet sy Cendrillon, na Trimobe sy Sohitika. Arakaraka ny andalinana ARA-TSIANSA ny voalazan\'i Darwin no ahitana fa ANGANO DAHOLO (daholo hoy aho fa tsy ny ampahany fotsiny) izay lazainy nikasika ny evolution.
T@ izay sehatra SIANTIFIKA rehetra azo isedrana ny theorie de l\'evolution dia TSY afaka izy:
-Demografia na ny fitombon\'ny mponina: 2% isan-taona ny fitombon\'ny mponina hatr@ izay nanaovana fanaraha-maso taonjato maromaro lasa izay, ary ripaky ny ady, aretina sy loza sns.. ny ampahatelony(1/3) isaky ny 82 taona. Raha andeha atao hoe mpivady iray fotsiny no niandohantsika 41000 taona lasa izay, dia efa ho tokony any @ 2 X 10 toraka 89 ny isan\'ny olombelona @ izao fotoana izao (ahazaoanao sary an-tsaina izany tarehimarika izany dia fantaro fa latsaky ny 10 toraka 82 ny isan\'ny \"atomes\" eran\'ny univers)
-Saha arak\'andirmbin\'ny tany (champs magnetique terrestre): mihena ara-eksponansialy ny saha arak\'andriambin\'ny tany ary 1400 taona ny antsasa-taonany (izany hoe isaky ny 1400 taona dia lasa antsasany sisa ny heriny). Ka raha izany, tany @ 20000 taona lasa tany dia tokony ho nitovy @ herin\'ny \"andriamby kintana\" (Magnetic star) ny herin\'ny sahan\'andriambin\'ny tany. TSY MISY ZAVAMANAN\'AINA afaka velona ao anatin\'izany fepetra izany. Nefa ny evolution milaza fa tany @ 300 tapitrisa tany ho any no nanomboka ny fisian\'ny aina voalohany teto ambonin\'ny tany.
-Fiovana ara-jena (mutation genetique): io no tena nahatonga ilay teny hoe evolution, izany hoe misy genes sasantsasany miova, dia mampiova ilay zavamanan\'aina. Voaporofon\'ny SIANSA nefa izao fa raha ny 0,0000001%-n\'ny genes ao
@ karazana (karazan-javamanan\'aina) iray fotsiny no miova dia efa \"fatal\" (mahatonga dysfonctionnement goavana ary mahafaty ao anatin\'ny fotoana fohy) aminy. Lazaina (lazain\'ny evolution!) fa avy @ gigro ny olona ary ny chimpanze no akaiky indrindra azy. Misy tsy fitoviana ara-jena (difference genetique) 1,6% FARAFAHAKELINY ny olona sy ny chimpanze, ahoana no fomba niovan\'ireo 1,6% ireo raha toa ka ny fiovan\'ny 0,0000001% dia efa \"fatal\"?. Indrindra fa raha tsy misy programa manova ilay genes fa kisendrasendra fotsiny (ny evolution mantsy milaza fa hasard daholo no nampiova ny rehetra). Noho io tsy fitoviana 1,6% ara-jenin\'ny olona sy ny chimpaze io dia mitabataba ery ny mpomba ny evolution hoe \"mitovy ny 98%-n\'ny olona sy ny chimpaze\" mba hanohanana ny heviny diso. Dia izao no avaliko azy: ny rahona sy ny ranomandry (neige) ary ny voatabia koa dia mitovy ny 98 %-ny satria ny 98%-ny dia rano. Ka ahoana mety hi-\"evoluer\" ho lasa voatabia ve ny ranomandry sa ny mifanohitra @ izay? asa aloha eh... fa aleo ho \'aho mino an\'i Trimobe sy Sohitika.
Santionany fotsiny ireo fa tsy ampy voambolana aho hitaterana eto, fa tsy misy mitombina (tsy hoe \"misy tsy mitombina\" fa tena \"tsy misy mitombina\") ny therorie de l\'evolution.
novalian'i solofo ny 06/03/2004 19:37
2. rhaj ( 19/02/2004 17:52)
Ny siansa dia taranja "velona". Raha manaraka ny Fikarohana ataon'ny Siantista ianao, dia ahita fa samy manolotra "hypothese" araka ny fandinihiny azy ny mpikaroka. Ireo tolo-kevitra izay mikasa hanazava seho iray dia mety mifanipaka. Fa mitohy ary tsisy farany ny fitadiavana ny Marina.

Ny manahirana @ olombelona (ny ankabeazany) dia, mila izy resaka "absolu", tsy hiadian-kevitra, noho ny fatahorany ny "inconnu". Mifanohy @io dia, mila izy "olona" tsy hiadian-kevitra koa ny heviny. Sahala @ ireny "saint" @ Eglizy ireny.

Ohatra izao, i Einstein dia efa ataon'ny maro ho "saint" mihintsy, ka izay lazainy dia toa favy daholo. Nefany nisinisy ihany ny "tolo-kevitr'i Einstein", na dia fahavelony aza, dia efa voaporofo fa diso.

Izaho manokana dia tsy gaga raha ohatra ka misy mahaporofo fa diso ny teorian'i Einstein na Darwin... Izany anefa tsy hanosika ahy hanipaka ny Siansa @ ankapobeny.

Ny Siantista dia TSY sahiran-tsaina raha mbola betsaka no tsy voazavan'ny Siansa, na hoe "diso" ny fanazavana narosony, satria "miaina" ny Siansa. Ohatra, ny fiantombohan'izao tontolo izao dia tsy mbola voazava tsara, nefa ny 78%-n'ny physicists eran'ny Oniversity tandrefana, ohatra, dia mbola TSY mino ny "Creation" foana ihany.
3. ikaretsaka ( 19/02/2004 18:08)
arakaraka izay inoanao ihany io ..
4. donemaskit ( 20/02/2004 20:30)
ka tsy misy maha-rationnelle ny création ka aiza moa no hinoany an'zany ? Na mino izy nefa na tsy mino tsy mampiova ny marina zany.
5. solofo ( 20/02/2004 20:43)
Hoy i rhaj
>Ohatra, ny fiantombohan'izao tontolo izao dia tsy mbola voazava tsara, nefa ny 78%-n'ny physicists eran'ny Oniversity tandrefana, ohatra, dia mbola TSY mino ny "Creation" foana ihany. >
Tsy mbola voazava MIHITSY ny fiantombohan'izao tontolo izao fa tsy hoe "tsy mbola voazava tsara".
Ambompo no mahatonga ireo milaza azy ho "scientists" tsy hino ny creation. Asa mety tsotra be loatra angamba ilay alternative aroson'ny Baiboly araka ny fandraisany azy.
6. solofo ( 20/02/2004 20:47)
Hoy i donemaskit:
>ka tsy misy maha-rationnelle ny création ka aiza moa no hinoany an'zany ?>. Ahoana tsara ny hevitrao hoe tsy rationnelle ny creation? Tsy azoko fa hazavao, izaho mantsy mba mora mahazo ihany rehefa hazavaina elaela... Misaotra
7. fijo ( 20/02/2004 11:55)
izao ary no mba fanontaniako an'i solofo."baiboly"ADAMA sy EVA no olona voalohany.niteraka an'i kaina sy abela.OK
>1fotsy adama_mainty i eva.ary ny sinoa?avy aiza.ny mena hoditra avy aiza?
>azonao ovaovana ny lokon'izy roa ireo an.
>2 novonin'i kaina i abela.dia nandositra tany kanana izy.iza no lasa vadiny tany?
8. solofo ( 20/02/2004 12:37)
OK, OK.
Efa voavakinao ve aloha ny Genesisy, na ny toko 5 voalohany ihany aza. Tsy handany tapakandro akory izany.
Dia izao, amin\'ny tantaran\'ny taranaka ao @ Baiboly, dia matetika tsy voasoratra ny anaran\'ny vehivavy, tsy midika izany hoe tsy nisy ireny vehivavy ireny (ohatra: mety fantatrao ihany hoe 12 lahy ny zanak\'i Jakoba fa tsy hainao hoe firy vavy, nefa nana-janaka vavy iray izy farafahakeliny, Dina no anarany).
Hadinonao koa (na mbola tsy voavakinao) fa mbola nanan-janaka hoe Seta i Adama, ary taranak\'i Seta isika fa tsy avy @ Kaina. \"Ary ny andro niainan\'i Adama taorian\'ny niterahany an\'i Seta dia valonjato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy\" Genesisy 5, 4.
Ny hoe iza no vadin\'i Seta dia tsoriko fa tsy fantatro, fa ny hany azoko ambara dia nisy vehivavy hafa nihoatran\'ny iray azony novadiana (zanak\'i Adama ihany na zanak\'i Kaina, asa fa tsy voalaza ao @ Baiboly izany).
Ny hoe fotsy sy mainty sy menahoditra, tsy hitako izay olana @ izany na kely aza. Asa raha mety hihaona isika indray andro any, fa ohatra izaho sy ny rahalahiko iray tampo amiko ohatra dia tsy mitovy, tsy fantatrao mihitsy izahay hoe mpirahalahy (na volon-koditra na volo, na molotra sns..) raha tsy presenter-na. Niaraka nitondra ny zanako tany @ dokotera izahay roalahy indray mandeha dia nantsoin\'ilay dokotera hoe \"ianareo mihoatra\", ary noheverin\'ilay dokotera fa zanaky ny rahalahiko ilay zaza, nefa zanako. Ny tiako hambara dia izao: raha caracteres sahala @ izany dia mora miova na generation iray ihany aza.
Fanitsiana kely:Tsy tany Kanana no nandositra i Kaina fa tany Noda.
Asa raha nahavaly ny fanontanianao aho?
9. fijo ( 20/02/2004 13:01)
fantatro ny fisian'i seta ary novakiako ny faharetan'i adama,saingy raha ny tena fisainana ve,dia mino ve ianao,fa tena niaina an'izany taonjato maro be izany izy?asa aloha,fa tsy hafaka hino an'izany aho.tamin'izany tsy mbola toa izao akory ny fitsaboana.izay anie no tsy hinoanoana foana e.manitatra ny baiboly.
ary ilay vehivavy novadian'i seta.tsy misy fifamoterana ve tao?
10. solofo ( 20/02/2004 13:36)
-Ny @ hoe fifamoterana, tsy hilaza ny tsy voasoratra aho. Nefa koa tsarovy fa zanak\'anabavin-drainy i Rebeka vadin\'Isaka, toy izany koa i Lea sy Rahely vadin\'i Jakoba.
-Tena azoko tsara ny fahatahoranao hoe tsy te hinohino foana. Fa betsaka ny zavatra tokony hanontanianao fa tsy izany ihany. Fa voaporofonao koa ve aloha fa tsy velona ela be toy izany ny olona taloha? Ny Baiboly koa izao milaza fa nisy olona matanjaka be (geant angamba?) taloha, tsy nanontanianao koa ve hoe nisy ve izany?
- mikasika ilay ela velona (900 taona sns...). Izaho dia mino fa tena nisy izany, ary raha mandinika ny Baiboly ianao dia nanomboka tao aoriana kelin\'ny safo-drano (Noah) no nihena be ny halavan\'ny andro niainan\'ny olona, lasa 700, 600, 400...nony tonga tany @ dadaben\'i Abrahama dia 119 taona sisa (mbola misy olona ela velona tahaka izany na ankehitriny aza).Efa nisy manampahaizana naneho model manazava izany tranga izany. Lava be ilay izy fa ny ambangovangony dia toy izao:
-ambony be ny fetran\'ny oksizena t@ atmosfera (O2) talohan\'ny tondra-drano, ary ambony tahaka izany koa ny tsindry (ambonimbony kokoa, fa zakan\'ny zavamanan\'aina tsara)
-kely kokoa ny radiation cosmique sy terrestre niantraika t@ zavamanan\'aina talohan\'ny tondra-drano sy ny nizaran\'ny tany t@ andron\'i Peleg, ka ela velona kokoa ny sela.
Marihiko fa tsy porofo ireo (satria tsy nisy afaka nanao observation empirique ny zava-nisy), saingy azo anazavana tsara ny zava-nitranga hoe nahoana no izao sy izao. RAHA manam-potoana ianao ka TE-HANDALINA dia jereo ireto rohy ireto:
http://www.drcarlbaugh.org/

sy

http://www.creationevidence.org

Fa ny tena important indrindra tsy tokony hadino dia izao: Tia anao Andriamanitra.
11. jhouhlambout ( 20/02/2004 18:55)
Eny Tia antsika Andriamanitra.
12. samoina ( 20/02/2004 19:41)
...na aiza na aiza misy antsika...
13. rhaj ( 20/02/2004 13:24)
Hoy i rhaj
>Ohatra, ny fiantombohan'izao tontolo izao dia tsy mbola voazava tsara, nefa ny 78%-n'ny physicists eran'ny Oniversity tandrefana, ohatra, dia mbola TSY mino ny "Creation" foana ihany. >

dia hoy solofo:
Tsy mbola voazava MIHITSY ny fiantombohan'izao tontolo izao fa tsy hoe "tsy mbola voazava tsara".
Ambompo no mahatonga ireo milaza azy ho "scientists" tsy hino ny creation.

>> dia hoy aho hoe:

Raha tsy matoky ny "honnetetE" (scientifique)-n'ny siantifika ianao, dia inty indray ary ny Dalai-Lama:

Selection du reader's digest, version quebecquoise,
aout 2003, page 47: ny Dalai-Lama, izay leader spirituel-n'
ny bouddhists, vahoaka efa an-tapitrisany raha tsy diso aho, dia nilaza hoe:
" je ne crois pas en dieu, je ne crois pas en un createur.."

Araka ilay resaka talohaloha teo, dia olana BE @ fiaraha-monina mihintsy ity "attitude"-n'ny "mpino" (sasany) izay mihevitra fa "ny azy IHANY no tena izy". Tsy afaka misokatra "mihintsy" ny sainy fa misy anie olona samy hafa finoana aminy, izany hoe misy "finoana" samy hafa @ ny azy. Ary dia hosen-dreo marin-drano foana ny "tsy-finoana"-n'ny sasany: akapony ho hoe "tsy-" izany satria tsy mitovy ny amin'azy. Ny Dalai-Lama anefa, TSY mino izy, nefa tsy manelingelina ny "mpino" @izay finoany any. Ny Siantista eran'ny Oniversity koa, izay "leader sapiential" ao @ Oniversity, dia mamela an-kahalalahana ny rehetra hirevy ny reviny.

Ka dia mbola "pessimiste" be mihintsy aho hoe... tena tsy afaka ny hiara-hiaina ao anatin'ny "pluralisme" isika.. raha izao aloha... f'enga anie, miaraka @ internet, mba mitombo fahalalana ny zava-misy eny rehetra eny ny tsirairay, dia mba mety hiova "attitude" ihany.. satria hono.. "you only like what you know.."
14. donemaskit ( 21/02/2004 09:09)
> Solofo, fanazavana kely :
"L’homme de science, dans son activité, considère comme parfaitement réels et objectifs les phénomènes qu’il étudie. Il est objectivement matérialiste.

L’homme de science, dans son travail, n’accepte pas l’irrationnel, l’inconnaissable. Il croit que tout phénomène a une cause naturelle ou pas du tout de cause et peut être entièrement interprété par la raison. En cela, l’homme de science nie quotidiennement l’intervention de Dieu dans le domaine de la recherche." Jean Daudin, 1944
15. solofo ( 21/02/2004 10:27)
OK OK Ok ra-donemaskit.
Fa t@ 1944 i Daudin no nanoratra an\'io, izany hoe mbola noheverina ho \"siantifika\" ny evolution t@ izany. Mbola menatra ny hopempoina hoe TSY siantifika ny \"homme de science\" t@ izany. Ohatra iray: t@ taona 1930 tany ho any, tany Italie nisy tambanivohitra nahita taolan\'olona (squelette) \"voalasitra\" tao anatin\'ny vato izay sokajian\'ny evolutionists ho t@ cretaceuos period (144 to 65 Million Years Ago). Dia nopempoina be ilay tambanivohitra hoe mandainga, sy natsatsoina hoe \"tsy possible ho tany anatina vato-na cretaceous io squelette hitanao io fa ny olombelona anie vao haingana eh, ny cretaceous rock efa 65 tapitrisa taona farafahakeliny...\". Nanizingizina ilay tambanivohitra, nefa vao mainka natao hoe manao falsification, ny gazety sns... koa nihomehy azy. Nitombo nefa ny isan\'ny tranga toy izany, ka efa taty aoriana be (1970 +) vao nisy siantifika TSY KRISTIANA nijery akaiky ny fandehan-javatra. Dia hita fa marina ny nambaran\'ilay tambanivohitra tany Italie sy ny hafa...
Dia hoy ny evolutionists hoe \"misy tsy mety kely\" ny theorie-ntsika fa andao dinihina, dia nodinihiny, dia novaina sy \"nohatsaraina\", nolazainy fa ny lafiny jeolojika t@ ilay theorie ihany no \"nisy tsy nety\". Nony nitohy nefa ny fikarohana dia ny niafarany dia hita fa ilay theorie iray manontolo mihitsy( nojerena tsirairay ny aspect biologique, geologique, historique, anthropologique sy archeologique) no tsy mitombina fa tsy hoe \"nisy tsy nety kely\".
Efa hita miharihary fa tsy mitombina (ara-tsiansa) ny evolution ankehitriny, ary ny \"rationel\" dia niova lasy (lasa nankany @ camp manohitra ny evolution). Tsy miteny velively aho hoe lasa nankany @ lasin\'ny mpino an\'Andriamanitra ny rationnel, satria tsy ho voazava (ara-tsiansa) daholo MIHITSY ny zavatra voatantara ao, ny lehibe sady mavesa-danja indrindra @ ireny dia ny nitsanganan\'i Kristy t@ maty. Mitovy ihany angamba ny hevitsika satria izao izany ny zava-misy:
-ny evolution efa hita fa tsy izy
-ny creation (ara-Baiboly) sisa no alternative valable hoe ahoana no nihandohan\'izao tontolo izao.
-ny evolutionists nefa tsy te-hanaiky ny Baiboly (noho ilay \"rationel\" voalazanao), vokany? reviser-na foana ilay theorie de l\'evolution sao mba mety mifanaraka @ siansa ihany ny iafarany.
Ny Torah (boky 5 voalohany ao @ Baiboly) anefa efa tany @ 3500 taona lasa tany no nosoratana, mbola tsy novaina na no-reviser-na (afa-tsy ny dikan-teny @ teny maro samihafa) hatr@ izao, ary tsy mbola azo disoina (ara-tsiansa).
16. pitchou ( 21/02/2004 12:48)
angamaba aloha i adama sy eva samy tsy mbola nahay nanoratra. noho izany mbola théorie ny tantarany. fa mitombina ilay thérie de l'évolution; azo raisina hoe ny bikabikan'ny olona dia nanomboka teo @ ireo nomena anarana hoe "adama sy eva". nefa izany midika fa tsy tokana i adama sy eva fa efa nisy maro.
fijo>ny lokon-tava indray angamba mety azontsika tsorina @ ilay hoe manaraka ny volon-tany. arakaraka ny fitombon'ny melanine, ary mety hisy mutation kely noho ny antony voajanahary samihafa. jereo fotsiny izao i Michael Jackson e!
17. solofo ( 21/02/2004 13:20)
>...fa mitombina ilay thérie de l'évolution...>
Tsy misy angano RIDICULE mihoatra ny theorie de l'evolution!!!
18. donemaskit ( 21/02/2004 14:53)
za koa dia mahita an'zay ! te halaza ngamba raDarwin dia...
19. psykatr ( 21/02/2004 16:55)
"Tsy misy angano RIDICULE mihoatra ny theorie de l'evolution!!! ".

Eo aho vao D'ACCORD tsara @ Solofo. I Darwin mantsy dia tsy nanana ireo fitaovana ary fomba ananantsika @zao. Ny instrument nampiasainy sy ny méthode-ny dia tsy ampy. Ary izy té halaza fotsiny.
Tohiny:
http://membres.lycos.fr/evolution8creation/frame_origine.php?page=darwin&____ord____=1077386033
20. solofo ( 22/02/2004 20:32)
Tsara rehefa d'accord ianao. Misaotra t@ ilay rohy nalefanao, novakiako ilay izy, fa mbola ny lafiny iray (dia ny biolojia/antropolojia) @ evolution ihany no resahany. Ny theorie de l'evolution" nefa misy singany (elements) vistivitsy ka anisan'ny iray lehibe @ ireny ny Jeolojia. Raha sedraina @ io koa ny evolution dia TSY AFAKA.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.701