mpivaro-tena

1. isrine ( 17/02/2004 13:46)
hevitra azo haroso hialan'ny vehivavy @ fivarota-tena?
2. pitchou ( 17/02/2004 16:24)
mampihena ny rendrarendra dia mahay mihafy be aloha! dia tsy menatra ny hanao asa hafa ankoatra an'io sy ny halatra ohatra!
3. fijo ( 18/02/2004 09:49)
izay mihintsy.ny saina aloha no tsy hamidy.
4. eritreritra ( 18/02/2004 17:35)
Amboarina ny saina hoe tsy ny mivaroten aihany no ahazoambola e!
Eny fa ana dia sahirana aza ny tena , misy ny asa madinika azo atao ! Zany hoe ny saina mintsy no amboarina aloha !
5. six ( 18/02/2004 18:05)
misy te hahazo vola be tampoka anie e, dia io sady tsy miasa firy nefa ny vola betsaka no miditra,
noho izany, raha mieritreritra kely ry zareo dia ho afaka amin'io

fa le lehilahy ko anie raha tsy maka an-dr zareo d miala maina eo izy e
6. isrine ( 18/02/2004 18:10)
io tenin'i six io no hitako fa azo atao tsara, ny lehilahy no tokony haneho fa ratsy io asa iray io, avy eo ny mpivaro-tena mety hahita zavatra hafa hatao rehefa tsy misy kill.
7. psykatr ( 18/02/2004 18:48)
Ka zay: Matoa misy ny mpivaro-tena dia misy ny mpividy(tena?).
Aleo miala ny mpividy dia miala ho azy ny mpivarotra!
8. samoina ( 18/02/2004 20:57)
efa nisy hatrizay io fivarotana io ary sarotra ny manongotra azy @ fakany. Lafrantsa izao manasazy ireo "clients" izay tratra na mampiresaka côx fotsiny amoron-dalana aza mba hampiena ny mpivarotra.Tsy mahomby firy anefa izany satria na aiza na aiza , ambany fahefan'ny proxenety matetika ireny mpiasa ireny. Prôx. izay tsy mety tratra na tsy enjehina mihintsy satria lava-tanana !!!
Raha tena te hiala @ fivarotan-tena ka hany mahomby hatr@ izao dia ny fanatonana fikambanana sôsialy ary manary dia miara-mientana @ mpikambana ao. Tsy vahaolana ny miady irery satria tsy tafavoaka mihintsy ary mety miafara @ famonoantena ( na vonoan'ny mpampiasa ) !!
9. tenio ( 18/02/2004 12:19)
Vonoina daholo izay tratra mivaro-tena. C'est radicale mais c'est efficace.
10. ikaretsaka ( 18/02/2004 12:22)
impossible ko.. hatrany @ andron'ny sumerianina sy ny egyptianina no nisy ny fivarotantena. efa mba nitady kle ihany aho fa eee
11. pitchou ( 18/02/2004 14:32)
ilay izy aloha dia tsy maintsy miainga @ antony hivarotany tena. raha resaka fitadiavana dia tokony hisy politikan'ny asa. raha resaka an-tery (oh avy @ Prôx) dia asa... sahala @ ady @ zava-mahadomelina ihany. fa ny tena fototra dia ny toe-tsaina. Mety ho voafehy tsy hividy tokoa ve ny lehilahy? toa sarotra be o?
12. fijo ( 19/02/2004 09:59)
tenio> ngaha dia tsy misy hevitra hafatsy ny herisetra e.
ny antony marina aloha tadiavina.raha any mada dia matetika ny fahantrana no mitarika azy.tsy mbola misy prox loatra angamba any.
13. ikaretsaka ( 19/02/2004 11:11)
ny any Dago toa ny fianakaviana ihany no manao prox indraindray ko
14. isrine ( 19/02/2004 13:02)
betsaka @ izy ireny anie no te-hiala @ io asa io ka na misy asa hafa atolotra azy aza dia iverenany ihany ilay taloha. Ka raha ny lehilahy mihitsy kosa ary no mandr
15. isrine ( 19/02/2004 13:05)
no mandray anjara manampy ny vehivavy, mba tsy mividy tsy zava-dehibe ve izay.
Eritreritra: betsaka tokoa ny asa azo atao fa io no asa io no hitan'ireny vehivavy ireny fa mora ahazahoana vola hamelomany ny zanany.
raharaha e!
16. ari.malala ( 19/02/2004 13:18)
(Valinteniko tary @ fanabeazana ity no no copié ko eto) T@ za mbola mpiasan'ny hotely lehibe iray eto Antananarivo dia nisy fotoana niresahako t@ 1 @ izy ireny fa ny nambaran'ilay vhv dia hoe tsy ampy fitiavana avy @ vadiny hono izy, ao koa ny tsy fananana ary ao koa ny fitiavana hahazo vola moramora, izao manko no noyteneniny t@ zay, ilay hiasa anie aky, mety ho vita ihany fa ilay gidragidra no tsy ho tanty ê! sady ny azonareo 1 volana 1 alina no azahoanay azy! misy koa ny sasany mba te hihaingo toy ny namany d nefa tsy maharaka ny RAD, voalazan'ny gazety indray mandeha aza fa mivaro tena mba hividianana Jeans sy gouter ny zazavavy aty Dago! mampalahelo!

fa ny soso-kevitra angamba dia ny fanovàna ny toe-tsiny, satria na homena asa aza izy, jereo ilay valin-teniny hoe ny azonareo 1 volana 1 alina no ahazahoany azy, ny sainy mintsy no efa voa @ zany anie ê! efa mba misy ihany campagne de sensibilisation an'izy ireny eto fa ohatran'ny tsy mahasehaka fa ny miala vitsy noho ny miditra ko! ary tsy matahotra aretina mihintsy an!
17. pitchou ( 19/02/2004 14:34)
ie! mety koa tsy ampy ny fari-pahaizana ho entina miatrika asa hafa? ka any @ fampianarana koa angamba tokony asiana fiheverana. izao aloha efa misy ezaka be hanerena ny RAD handefa ny zanany hianatra na lahy na vavy e!
18. ikaretsaka ( 19/02/2004 16:16)
ilay filana ary ambany fotra aloha eo ihany... fa ilay fahazaoana miliona ao anatin'ny alina 1 no sarotra ovaina ho an'ny olona efa nanao ireny asa ireny. raha zatra ve izy ohatra hoe mahazo atsasaka miliona fara faharatsiny isaky ny alina 1, amin'ny fomba ahoana no hikaramany any @ asa hafa na 5 miliona aza no omenao azy isambolana? raha herinandro eo am-pandriana dia azony izany?
19. fijo ( 20/02/2004 11:35)
ka izay no ilazana hoe,ny toe tsaina mihintsy no tokony hovana e.sarotra fa izay ihany no mety.
20. pitchou ( 20/02/2004 14:42)
fa angaha tena fidiram-bola be otran'izany izy io e?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1695