Dia nino tokoa

1. hery ( 17/02/2004 09:51)
Inona avy ny finoanoam-poana tena ninoanareo tamin'ny mbola kely?

- Rehefa mody alina fa tara nijery video dia asiana vatokely ao ambany lela. Amin'izay hono dé tsy bedin'i dada sy neny
novalian'i fijo ny 16/11/2004 22:42
2. ikaretsaka ( 17/02/2004 12:29)
ilay mandaka rindrina hono mahafaty renibe..
3. rniaina ( 17/02/2004 16:27)
mihira eo ampisakafohanana hono mahalava nify....
4. mity ( 17/02/2004 20:53)
Rehefa maniry nify hono ny akoho de hividianana bisikileta zahay
(De nino tokou satria ny tena t@ zany tsy nahalala hoe kay ny akoho tena tsy haniry nify mihintsy)
5. samoina ( 17/02/2004 09:25)
Raha manondro fasana hono mahaboka tanana.
( Raha vao mahita olona bory ratsan-tanana dia any ny eritreritra. Hatr@ izay ka hatr@ izao tsy sahy manao izany ny tenanay ! )
6. kally ( 17/02/2004 12:31)
manome tsifoifoy miteraka bibilava dia izay tokoa dia rehefa nomena dia nomena fa tsy sahy mamerimberina intsony.
7. isrine ( 17/02/2004 13:22)
tsy azo atao hono ny misioka à alina fa miantso angatra! de tsy natao satria matahotra angatra, hany ka raha vao irery ao an'efitra de mitomany, na sendra farany ao @ efitra iray.
8. donemaskit ( 17/02/2004 15:02)
ilay manondro fasana koa no nampatahotra ahy taloha !
9. pitchou ( 17/02/2004 16:26)
Ingahibesola sy Trimobe!
10. fijo ( 18/02/2004 10:59)
misambotra valala boka maha faty reny,dia tsy sahy e.
tsipazo vato ny tatao,fa mitondra soa,dia manipy foana isaky ny mahita tatao.
tany majunga rehefa avy misotro rano amin'ny loharano dia mamatotra bozaka,sao arahan'angatra.dia be tokoa ny bozaka voafatotra.
11. eritreritra ( 18/02/2004 18:13)
rehefa mipipi @ toerana tsy fantatra de mila mandrora kely fa arahanangatra hono ... dain ... za lo matahotra h@ zao e.. raha mbola azoko tazopmina d tsy alefako mintsy... de le we minankanina @ alina koa de mila mandatsaka potikanina d misy le izy tsy foiko ariana d le avy any ambava no aloha .. burk !!
12. ikaretsaka ( 18/02/2004 12:30)
ary ilay hoe sisifana tahon'afokasoka ny volo dia tsy mando an-dalana. nony zatra sy efa lehibe anefa toa nande ho azy
13. ari.malala ( 18/02/2004 13:26)
tsy haiko ianareo raha mahalala ny anaran'iny ravina iny fa hoe voasana hono ka raha voavaofy tsisy rovitra d afa-panadinana! de nanandrana in-1 kanjo zéro ny math fa variana nivaofy ravina!
14. pitchou ( 18/02/2004 14:52)
ravina petite mandarine iny, irony fanao fefy irony!
ary ilay hoe asiana ravin'ambiaty eo am-baravarana d tsy misy matotoa? fa noho ny tahotra dia nanao izahay kanjo nisy mpamangy tampoka fa sady nikanikany no nampiditra ny vahiny no nisintona ny ravin'ambiaty mikaraviravy teo am-baravarana!
15. ikaretsaka ( 18/02/2004 17:22)
Ny ahy aloha ny tsy azoko ilay hoe tsy tia Merina sy ilay hoe misy lolo.. dia manaja anefa... tsy hoe nohon'ny finoana angamba fa nohon'ny tahotra
16. fijo ( 19/02/2004 10:27)
asiana kofafa hono eo ambaravarana dia tsy tian'ny mpams.
17. ikaretsaka ( 19/02/2004 10:54)
miompy sokatra hono dia tsy misy manafika ny trano.. dia tsy nisy nanafika tokao t@ izany dia nino be hoe noho ilay sokatra
18. ikaretsaka ( 19/02/2004 10:55)
miompy sokatra hono dia tsy misy manafika ny trano.. dia tsy nisy nanafika tokao t@ izany dia nino be hoe noho ilay sokatra
19. ikaretsaka ( 20/02/2004 20:08)
sua hoe rehefa miara matory @ sokatra raha voan'ny asthme dia mampihena ny fahasemporana.. .. ny olana kely dia rehefa poritra ilay sokatra dia kotsa ao nareo mitsam!
20. pitchou ( 20/02/2004 16:34)
hay ny an-dry fijo kofafa? ny anay voanjobory! torahana an'iny hono ny mpams dia malemy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0815