Manirikiry...

1. kally ( 06/02/2004 16:10)
Misy zavatra mba halako mihitsy indraindray eto amin'ity sehatra ity.
Ny forum miteny frantsay be dia be any @ takelaka hafa any,eto misy gasy mipetraka any ivelany efa ela no tsy niresaka tamin'ny teny gasy intsony ka mba te hiresaka indray amin'ny teniny dia manketo.Misy nefa miseho ho tsy mahay miresaka hono izy raha tsy amin'ny teny frantsay,ary nahoana koa moa no teny frantsay foana fa tsy indonezianina,na japoney,na anglisy,na neerlande...? Mahagaga sady mahasorena no mampalahelo ary mahamenatra.
Be koa ny ho tafintohina amin'ny teniko ,malalaka ny sehatra hamoahanao izay manafintohina anao.Ho an'izay miandany amin'ny fijeriko moa,misaotra betsaka anareo!
novalian'i ille ny 26/08/2004 07:22
2. donemaskit ( 07/02/2004 09:43)
ka samy manana ny fahaizany maneho hevitra i Kally a. Teny frantsay satria io langue officielle ao Madagasikara.
Marina nefa fa raha hoe mampiasa teny vahiny @ tsisy dikany mandreraka ihany ny mieritreritra azy.

Ho ahy manokana : matoa za mampiasa teny frantsay dia satria tsy voalazako ilay hevitra. Dia miala tsiny ho @zay sarotiny.
3. ikaretsaka ( 07/02/2004 10:05)
Misy ko tsy mahalaza hevitra raha tsy miteny anglisy nefa miezaka. Raha teny vitsivitsy any anaty fehezantena angamba dia ataoko fa tsy maninona
fa raha azo atao aloha dia ezaho atao amin'ny teny gasy ihany. Ny tsy mba hanadinoanay ny tenindrazanay no handehananay eto fa tsy ny hisehoseho hoe mahay miteny karazam-piteny maro isankarazany.. ny ahy aloha raha any amin'ny forum tantanako ka raha hitako hoe faly hisehoseho fotsiny dia esoriko ny hafany e
4. aristar ( 07/02/2004 10:16)
Misoatra an'i Kally nanokatran'ity "forum" ity satria afaka hamaliako azy sy hametrako ny hevitro momban'ilay ady hevitra iray itako hoe : avela miditra eto ve ny olona tsy gasy ! (Tsy tadidiko intsony ilay forum).
- 1° : Izaho dia anisany ireo gasy efa ela noho mipetraka aty ivelany. Mahay miteny gasy aho ary raha matoa aho manketo @ ity sehatr'ity dia mba te hianatra manoratra teny gasy madio. Ny manirikiry aho be be kokoa dia ireo zay manoratra be "fautes d'orthographes" na "style SMS" no ireo maroratra @ teny frantsay.
- 2° : Ca t'enerverait peut-être un peu plus Kally mais je continue mon propos en français pour que çà soit plus clair car je sais que les malgaches sur le Net qui liront ces propos comprennent tous le français (ou l'anglais) et çà alimentera le débat que tu as ouvert.
- 3° : Je trouve qu'Internet est un formidable outil et permet à tout un chacun de s'ouvrir sur le monde et nous les malgaches on ne va pas commencer à rester qu'entre malgaches, ne parler qu'en malgache etc... Ce n'est pas comme çà qu'on sortira du sous-développement et d'être dans les 10 pays les pauvres du monde.
- 4° : Je ne dis pas qu'il ne faut pas défendre la langue et la culture malgache mais ce n'est pas en restant enfermé sur soi-même qu'on y arriverait. Je trouve très louable que ce site existe mais tu as remarqué Kally sur les côtés qu'il y a des pubs en français ! Ne voudrais-tu pas aussi que toutes ces pubs soient en malgache ? Et comment le site il vivrait ? même si le site ne vit pas que çà mais surtout de la bonne volonté de Hery et de ses collaborateurs.
- 5° : Moi ce qui m'énerve le plus c'est la fierté mal placée comme du genre "Gasy ka manja" ou sur certains sites malgaches "chansons malagasy" au lieu de "chansons malgaches". Malgache se traduit par malgache en français, malagasy en anglais et madagascan en allemand etc et non pas par decret du temps de Tsiranana dans les années 60 que malgache se dit malagasy en français.

Tout ce que j'ai dit n'a rien de définitif et le débat reste ouvert.

Ary raha manirikiry anao aho ry Kally dia miala tsiny faha tsy ianao Kally no tsia tiako faha ilay fomba fihevitra hoe ny olona ela be mipetraka aty ivelany dia hoe tsy mahay miresaka hono izy raha tsy amin'ny teny frantsay.
5. kally ( 07/02/2004 20:02)
Misy tsy azon'i Aristar ny zavatra tiako lazaina :tsy nanondro mihitsy aho hoe olona mipetraka aiza na mipetraka aiza no miseho tsy mahay miteny gasy,betsaka ny gasy na mipetraka eto Madagasikara aza milaza fa tsy mahay miteny gasy.Ary ny fitenenana teny gasy tsy midika hoe tsy mahay miteny ny teny vahiny hafa ianao.Izany koa tsy midika hoe ario daholo rehefa avy any ivelany:"Andrianiko ny teniko,ny an'ny hafa koa feheziko" izay angamba no hamintinako azy.
6. pitchou ( 07/02/2004 20:50)
raha natao ifaneraseran'ny samy gasy izy ity dia tena marina ny tenin'i Kally! ny vary amin'anana angamba tsy maninona fa izaho mino fa olona mahay miteny gasy matoa afaka manaraka ny ady hevitra ato! tena mafy be ve ny manao fiezahana mamoaka izay tiana ho lazaina amin'ny teny gasy?
nampiasa teny gasy tsy ofisialy fa tenim-paritra izahay indray mandeha tato dia nisy nanome tsiny satria tsy araky ny olona sasany! marina ny azy! fa ataoko fa teny gasy no iombonana ato! aza mihevitra ny sasany fa hoe satria teny frantsay no ampiasaina any Dago dia mahay teny frantsay daholo ny gasy!!! misy dia misy tokoa ny tsy mahay teny frantsay fa tenim-pirenena hafa no hainy! raha samy hampiasa ny teny hainy tokoa ny tsirairay d asa angaha izay itohizan'ny resaka!
na soso-kevitra azo atao: manokatra lohahevitra tsy mampiasa afatsy teny vahiny dia ao anatiny ao daholo no asiana ny forum rehetra tsy amin'ny teny gasy!
7. donemaskit ( 07/02/2004 10:48)
ny mety ngamba dia izay tsy mahazo manontany tsotra hoe tsy azo ilay teny vahiny (na vary @ anana) fa mba hazavao.

Ny teny Gasy voafetra be eo @ voambolana sy ny sehatra ampiasana azy, ary hevitra no tiana hampitaina fa tsy inona nefa akory... ka raha ny teny vahiny no mahalaza azy haingana sy mazava ary précis kokoa...
8. kally ( 07/02/2004 11:33)
Ekeko fa sarotra,ankoatr'ireo voambolana teknika izay tsy azo adika dia azo adika tsara ny teny gasy.Fa inona moa no mahatonga ny olona milaza fa tsy hainy ny mampiasa teny gasy?Kamo izy hikaroka lavitra satria mandany fotoana azy izany ,vao ho karohina tsinona vao ho tonga ao an-tsaina nefa ny tena maika hilaza zavatra.Tsy haiko anjaran'ny tsirairay no mijery raha olona marani-tsaina sy nandalo fianarana nefa kamo hampiasa saina ...asa!
9. aristar ( 08/02/2004 09:08)
Tsia hoe "olona marani-tsaina sy nandalo fianarana nefa kamo hampiasa saina akory" faha arakin'ny hevitro ny tanjonin'ny forum dia fifanakalovan'hevitra faha tsia fanadinana @ teny gasy, ary aleko ny hevitro tafita na @ teny vahiny ary. Ary jereo eo @ Fandraisana momba ny Fihaonana Fifampiarahaban'ny namana fa misy hoe "échange de cadeaux", "lalana midina avy @ Tunnel mankany Ankatso", "Contacts: Mme Voahirana, tel: 033 12 609 87.na Mme Mireille, Porte 110, INSTAT.". Kamo hampiasa saina ve i Hery sa te hampita vaovao mba ho fantatry ny maro fotsiny. Ary ny gasy mipetraka any Madagasikara aza milaza fa tsy mahay miteny gasy dia raha misy iray na roa eto @ namana dia mahagaga aho.
10. ikaretsaka ( 08/02/2004 10:48)
Tadidio fa ny dokambarotr'ity sehatra ity dia hoe Site gasy 100% .. rehefa tsy hiteny gasy kosa mba asaina maka sisiny e... samy ela nipetrahana an-dafy aby fa mba miezaka ry aristar an
11. aristar ( 08/02/2004 11:04)
Tsy hoe tsy hiteny gasy mihintsy no tiako lazaina faha nanorisory ahy fotsiny ilay lohateny hoe : "Manirikiry...". Manirikiry aho faha misy miteny frantsay eto @ forum. Dia atraiza no hijanona ? Manirikiry aho faha misy miroky ao @ forum ! Manirikiry aho faha misy miteny merina ao @ forum ! Manirikiry aho faha misy miteny "argot" ao @ forum ! sns.
Ny aho ny manirikiry aho dia ny "nationalisme exacerbé" tsia aiko ny mandika azy @ teny gasy faha hantenaiko fa fantatrin'ny maro ny tiako lazaina. Mampatsiaro ahy an'i Le Pen rehefa tsy frantasy dia dehors...
Mariako fa tsia azo atao hoe 100% gasy ny sehetra ity (90-99% angamba) no ireo dokambarotra @ teny frantsy sy teny anglisy ary ao anisan'ny namana telo harivo nisoratra eto dia tsia gasy daholo izy ireo.
12. kally ( 08/02/2004 12:52)
Ka fanehoan-kevitra ny eto ange e!manirikiry ahy dia lazaiko.
Ary betsaka ny tsy mahazo an'ilay tiako lazaina : tsy ny vahiny no ankahalaiko,tiako ny miara-miasa amin'ny vahiny,tiako ny mahay teny vahiny,tiako ary iriako ny gasy hahay teny vahiny ,ny halako sy mahasosotra ahy dia be dia be ny gasy tsy mahay miteny gasy.

Ary izaho angaha raha niteny hoe manirikiry ,izaho angaha nanompa sa nanozona?Angaha teny ratsy izany ka nahoana no tsy ho azoko lazaina eto?
13. pitchou ( 09/02/2004 16:20)
ndao indray ary samy miteny @izay teny tiany ampiasaina d izay tsy maharaka tavela e! lasa cours de langue et de vocabulaire sisa no ho atao ato!
14. donemaskit ( 09/02/2004 10:06)
tsara nge zany e, mba misokatra @ zavatra hafa.
15. kally ( 09/02/2004 15:29)
Andao tokoa io hevitr'i Pitchou io no harahina raha izany : i Pitchou ohatra miteny alemanina,i Donemaskita hiteny frantsay ? Ikaretsaka hiteny anglisy,ny hafa hiteny indonezianina,ry Isrine hiteny libane ka samy miteny @ teny hafa hainy mantsy!!!sa ahoana?Ka ny teny gasy iraisan'ny be sy ny maro hono mantsy misy tsy mahay.Satria misy gasy mahay miteny anglisy sy teny gasy izy fa tsy mahay miteny frantsay.
16. donemaskit ( 09/02/2004 15:54)
dia manontany @ teny gasy rehefa tsy azo koa, mahafinaritra ahy aloha zany e
17. pitchou ( 09/02/2004 16:29)
ndao raiketina ary e! iza no hanomboka? aleo atao teny gasy ny lohateny d ny fanazavana rehetra ao anatiny no teny hafa! hi!hi!hi!
18. aristar ( 11/02/2004 10:07)
Tsia nilaza mihintsy aho hoe tsy azon'i Kally lazaina eto izay maninikiry anao ary izaho kao tsy nisarasara niteny izay nanorisory aho koa. Arakin'ny hevitro dia izany ny Internet mahazo milaza izay tiany daholo ny olona rehetra, ary "forum" ange eto ka finanankalovan'hevitra sy fivelaran'tsaina ny zavatra voalohany tokony tadiavana eto ary raha mampiasa teny vahiny indraindray dia tsy tokiny hasorena. Ireo gasy milaza azy hoe tsy mahay miteny "gache" dia tsia tonga eto @ity sehatra ity any @ wanadoo.mg angamba.

Ny zavatra tsia tiako dia Madagasikara ange efa nosy ary tsia dia mifanerasera be loatra @ olona afa, dia ity sehatr'ity ho lasa nosy eto @ Internet. Tsy miteny afatsin'ny teny gasy, tsy mifanerasera afatsin'ny @ gasy. Dia mba ahoana no handroson'tsika raha tsy mivelatra @ izao tontolo izao. Maro ny sehetra eran'ny Internet faha firy ny gasy any Dago no hafaka mi-connecter 24 heures /24, 7 jours / 7 ? Ary ireo izay tsia mande afatsin'ny eto @ namana.serasera.org!
19. fijo ( 11/02/2004 12:25)
aristar>milaza ianao,fa raha miteny gasy foana ato,dia tsy mampivelatra an tsika izany.
ny frantsay amin'ny sita frantsay tsy mampiasa afa tsy ny teniny.tsy mivelatra ve izy.
jereo ao amin'ny kolontsaina,fa ry done hoatra dia tsy mahalala ohabolana akory.koa ny fitenenana frantsay ato ve no hampianarana azy ny hoabolan drazan tsika?
tsy hoe rehefa miteny gasy ato anie isika,dia tsy mifanerasera afatsy amin'ny samy gasy izany e.
faly ve hoatra ianao io,raha misy manontany hoe ngaha ianareo manana ny teninareo?koa maninona no teny frantsay ny taratasy rehetra avy any.
i japon izao nosy toa antsika,maro ny japone tsy mahay miteny afatsy ny teniny.firenena mihidy ve hoy ianao ry zareo.
_sao dia ny tsy fahasahian tsika miteny gasy kosa ary no tsy ahitan'ny olona antsika mihintsy.
oh:misy olona maro be mivory eto france.ny frantsay mazava fa hiteny ny teniny,ny anglisy tsy hiteny frantsay izany fa hampiasa ny teniny koa,toa izany ny sinoa.ary avy dia hay hoe misy sinoa ato izany,misy anglisy ato izany.Ary ramalagasy?hiteny frantsay ve,amin'izay mba hain'ny olona izay tiany holazaina,sa hiteny gasy koa dia mba ho tsapan'ny olona hoe misy karazan'olona hafa koa ato izany.inona ry zareo izany?avy aiza?
izay no ahalalan'ny olona antsika,fa raha hiteny frantsay dia tontotra tsy hita mihintsy.ka dinio tsara aloha.
20. kally ( 11/02/2004 11:00)
Izay mihitsy mantsy Fijo!arymisaotra nanohana ny hevitra.Eto koa no mba fanararaotana hahazoan'izay tsy mahay manoratra mazava tsara ny teny gasy manao an'izany .Ohatra hoe ny "tsia" dia ilay mifanohitra amin'ny "eny" fa ny "tsy" milaza fandavana apetraka alohan'ny entimilaza dia soratana hoe "tsy" ;"tsy" mahay fa tsy hoe "tsia" mahay.(aristar)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5029