Manirikiry...

21. pitchou ( 11/02/2004 16:56)
ao re r'ireto fa tsy te-hanao effort @ tenin-drazany izy angamba a! aleony manao effort @ ny an'ny hafa! satria tsy marina izany hoe tsy mahay miteny gasy izany izy nefa mandray anjara @ forum miteny gasy!
izaho tsy manda an'izany hoe samy mampiasa izay teny hainy fa dia matantesa ary raha atao otran'izay e!
jisin nga arimasu
22. kally ( 11/02/2004 19:04)
Konichiwa Pitchou! (izao moa no izy?),toa izay hevitrao izay tokoa no mety ry Pitchou e?
izany hoe ohatr'oahtr'izao izany no mety ho endriny e!Pitchou izany ohatra ela be nipetraka tany ivelany dia lasa io teny io no manavanana azy raha haneho hevitra izy dia izaho koa ohatra dia ohatr'izao izany : ti znaéch pitchou,mampalahelo patamou chto malagasiiskie lioudi nié znats gavarits po-malagasy!
23. aristar ( 12/02/2004 09:11)
pitchou> "...tsy te-hanao effort @ tenin-drazany izy angamba a!" Tu n'as pas fait beaucoup d'effort pour traduire le mot "effort" en malgache et moi aussi d'ailleurs je ne me suis pas foulé pour te le dire!
Arakin'ny nolazaiko t@ voaloahany dia izaho mahay miteny gasy faha raha matoa aho manketo @ serasera dia mba te hianatra maroratra teny gasy madio. Asa raha fantatr'i Kally ny dikanin'ny miteny sy manoratra @ taratasy na @ny ordinatera ?
Fantatro fa tsy eto @ ny forum ny toerana marina hianarana teny gasy fa aiko ny misivana izay mahasoa ahy eto @ Internet nefa mananan'mpampianatra hoe Kally manoro aho ny "tsy" sy ny "tsia"!!!. Rehefa miteny aho dia "phonétiquement c'est pareil". J'ai la flemme de le traduire Pitchou. Désolé!!!
Arakin'ny hevitro ny forum dia fy fanakalokavana sy fy fampedin'kevitra ary tsy hitako mihintsy izay maha-ratsy raha @ teny vahiny noho ilazain'ny sasany ny heviny. Ca évite bien de malentendus.
Nataoko fananihana'ny nanisy teny frantsay faha tsia hoe hanirikiry an'i Kally bebe kokoa akory ary raha be fahadisoanan'ny teny gasiko dia hantenaiko izy hanoron'azy!
24. fijo ( 12/02/2004 11:25)
aristar a;ny teny gasy toy ny fahaizana bisikileta.rehefa hay io tsy mety hadino.raha efa ela ianao no taty an dafy ka tsy mahay teny gasy intsony,dia roa ny antony.
_na ianao mizesta hoe efa ela taty
_ na ianao vendrana be.
ary raha hoe,asiana teny vahiny kely aha mora azy.dia izao no antony.
_tsy misy voafehinao ireo teny roa ireo.
amiko aleoko tsy mahay teny vahiny toa izay hanadino ny ahy.
25. ikaretsaka ( 12/02/2004 17:28)
forum fampiadin-kevitra ity fa raha azo atao dia amin'ny teny gasy e.
Natao hoe ho an'ny gasy izy ity.. ianao io ve ry Aristar raha mandeha any @ forum Frantsay ohatra dia hiteny gasy? nefa maninona ny mifanohitra @ izay no ataonao ato?
Efa Impolo naverina fa raha te hampiady hevitra amin'ny teny Frantsay dia mandehana any @ forum Frantsay na te hampiady hevitra amin'ny teny Comoriens dia mandehana makany @ ny an'ny Dakoma!

Io ambony io lazain'i fijo io no antony ho an'ireo mpizesta ho tsy mahay teny gasy..
R'ankizy mba misaina...
26. fijo ( 13/02/2004 10:22)
sady nazava hatrany amboalohany anie hoe,natao hifandraisan'ny gasy izy ity e.
gasy>ny nanao azy
gasy>no miserasera ato
gasy>no tiana ho fantatra
ka maninona no hatao teny frantsay ilay resaka.
toa ny radio gasy aty marseille io.tsy misy teny gasy na iray aza.nefa ny radio koma manaraka azy avy eo,tsy misy teny frantsay na iray aza,ny radio varatra koa toa izany.ka io tonga amin'ilay lazain'i kally hoe:"toe tsaina voazanaka"ka tohizo raha mbola te hozanahana foana.(ny fisolelahana)
27. pitchou ( 16/02/2004 14:37)
aristar > hay ve ny fanoratana teny gasy ny olana e? lazao mialoha raha izany dia hanampy anao hanitsy izay mety ho diso tsipelina (saika ataoko indray hoe fautes d'orthographe! hahahahaha) daholo ny namana ! fa tsy hahay hanoratra teny gasy koa ianao raha tsy minia manoratra (efa najanoko ilay hoe effort an!)!
ary soa ihany i Aristar fa tsy nioritra (= foulé no dikan'izany) namaly sy niteny ahy fa tsy atokisako loatra ny mpanotra any ko!
28. taratra ( 16/02/2004 18:25)
tsy aiko ze ilazako ny fifaliko.
ai kay misy olona mitovy amiko ko any.....za de tena sorena mafy de mafy mitsy refa sendran'ireny.
fa sotre.
le piandraikitran'ty forum ty no tokony mba anakana ny teny vahiny rehetra zay mandalo ato.
maniry mba hiteny gasy atrany izahay aty ivelany nefa ny sasany mbola mizir'ziry iany.
aza alefa mitsy r'zareo refa teny vainy an.
zay.
29. ikaretsaka ( 17/02/2004 20:53)
marina io.. ny hianatra teny gasy aza atao
30. fijo ( 17/02/2004 12:27)
sady isika anie be no diso,fa tsy mahay teny gasy ny ankamaroan tsika e.mila ezaka be io.
31. pitchou ( 17/02/2004 16:33)
ie! ny fizarana miteny sy manoratra ihany no hahaizana azy aingana indrindra! dia afaka sady mifanakalo hevitra izany no manao fanazaran-tena amin'ny teny gasy e!
32. aristar ( 17/02/2004 19:03)
Misy zavatra nahagaga aho tsy manirikiry an'ny sasany androany eto @ takeleka (tsy nandalo teto aho omaly ka androany voa itako) eo @ pejy fandraisana "Vaovao momba ny takeleka". Ny lohateny dia hoe ary Mbolatiana noho nanoratra azy :
"Culture
Internautes
16/02/2004
Rencontre des « Namana »
"
ary ny tontolon'ny vaovao dia @ teny frantsay afatsin'ny anaran'ny takelaka. Ny tena mahagaga aho dia vaovao momban'ny "Fihaonana Fifampiarahaban'ny namana" ilay izy.
Raha mba mampiasa teny vahiny iray aho eto satria tsy aiko ny mandika azy @ teny gasy ary hataorako tsy ho tafita izay hevitra tiako ho lazaina dia be dia be ireo izay manome tsiny.

"Il faut être cohérent ! Ou le site est 100% malgache ou ne l'est pas (pub mise à part)"
Pitchou hanampy aho handika ny tiako lazaina @ teny gasy. An Pitchou !!!
33. kally ( 18/02/2004 09:46)
Tsy hitan'i Arsitar angaha hoe sombin-dahatsoratra an-gazety io?Mbolatiana mpanao gazety no nanoratra an'io ka mba tiana ho hitan'ny namana dia nalaina dia napetraka eo.
Io safidinao io ry Aristar a!rehefa te-hampiseho ny tsy fahalalanao ianao safidinao izany.
34. fijo ( 18/02/2004 11:11)
hay ve tamin'ny gazety io no nalaina e.tsoriko fa nanohina ahy ilay izy.ary naika hanontany an'i hery mihintsy aho,kay izany tsy avy ato no nanoratra azy io.hitako io ry aristar ary tena tsy voako koa a.
35. hery ( 18/02/2004 14:28)
ARY tsy mamaky tsara angé nareo zany e... misy soratra mivandravandra ao hoe nalaina tao amin'ny gazety La Gazette de la Grande Ile...
36. pitchou ( 18/02/2004 14:57)
ao fa adikako @ fahaizako azy ilay nosoratan'i Aristar:"tokony ho matotra amin'ny atao. na malagasy zato isan-jato ity takelaka ity na tsia (tsy misy dokam-barotra)" izaho vonona foana fa aza misalasala satria izaho koa efa lehibebe ihany vao nianatra teny gasy!
37. aristar ( 19/02/2004 20:05)
Misaotra an\'i Pitchou nandika ilay teny frantsay nataoko. Fa mba dinio kely raha adika @teny frantsay indray ilay dikany nataon\'i Pitchou dia mitovitovy @ ilay zavatra nolazaiko faha tsy tena mitovy @ ny zavatra tena tiako nolazaina. Dia izany ange noho mahatonga ny olombelona mihady sy ny mpifankatia misaraka satria ny iray milaza ny zavatra tiany ho lazaina @ teny izay fantany hambarany ny heviny nefa ireo izay mamaky na miheno azy dia zavatra hafa no hazony. Oahatran\'ny zavatra teneniko izao raha nataoko t@ teny frantsay na anglisy dia mazava @ko kokoa ary bebe kokoa ny gasy manfantatra izay tiako lazaina. Hevitro irery io fa tsy mandraran\'ny be sia ny maro aho anarak\'azy.
38. xxx ( 19/02/2004 20:22)
Ny dikan'ny nolazain'i Aristar mazava azon'ny olon-drehetra @ teny gasy angaha dia ny hoe :
"Aleo hazava ny resaka,na teny gasy 100% ny takelaka na tsia(ankoatry ny dokam-barotra)"
39. fijo ( 19/02/2004 10:46)
ka dia ataovy teny gasy ary hifankazahoana tsara e.sady rehefa sosotra anie samy miteny daholo hoe"tsy mahay teny gasy angaha"dia izay arahana.
40. pitchou ( 19/02/2004 14:41)
izao koa ange ry aristar e! tsy mitovy ny fahaizan'ny gasy ny teny frantsay (raha tsy mazava tsara ny lazaiko dia mba jereo ihany ny forum sasany ato misy olona mampiasa teny frantsay fa tsy any @ izy akory! fa tsy maninona izany) ka raha ny zava-dehibe aminao dia izay azahoanao, ianao manoratra azy, fa tsy ny azahoan'ny mpiserasera dia tsy somary diso toerana kely ve? satria tsy ho voarain'ny sasany akory ny hevitrao? fa maninona raha atao teny gasy tsotra e?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1791