Manirikiry...

41. fijo ( 20/02/2004 12:27)
izay mantsy hoa .mba ilay hoe"gasy ka manja"atao rendrarendra e.
42. ikaretsaka ( 20/02/2004 13:39)
Zahay izao tsy mahay teny Faran'ny tsy hay dia ahoana?
43. pitchou ( 20/02/2004 14:46)
Fara? nntsss! hay?
44. fijo ( 26/02/2004 11:20)
fara hay ihany,fa ilay teniny no tsy fantatra.
45. six ( 03/03/2004 16:59)
ny mahagaga koa anie dia izao e: raha misy vazaha mankaty m/kara tsy miteny gasy akory ry zareo, nefa raha gasy mankany an-dafy tsy maintsy miteny faran'tsy hay, tokony mba samy hanaja ny azy, marina mintsy izany ry kally a! hajaintsika ny antsika
46. samoina ( 03/03/2004 16:33)
Aza mety kivy Aristar fa fahasoavana ho anao ny fiezahana manazava hatrany @ tenin-drazana. Rehefa tsy tafavoaka mihintsy izay vao hindramo kely ny tenin-drizalahy. Aza matahotra fa azonay foana na diso tsipelina aza !
Mahereza !
47. bal ( 04/03/2004 10:55)
Ianao ve tsy menatra ry Aristar hoe Malagasy ianao mipetraka any ivelany nefa ny manoratra ny tenin-drazanao sy maneho hevitra @ tenin-drazanao aza tsy hainao akory? ary ianao ve mihevitra fa raha misy frantsay iray ohatra mipetraka any Amérique dia rehefa haneo hevitra iray ka tsy hitany izay hilazana azy @ teny frantsay dia teneniny @ teny Amerikana ? asa aloha e .....
Izany akory tsy midika hoe tsy tokony ho hay ny teny vahiny, ilaina ny fahaizana ny teny vahiny fa tsy io no ampanjakaina raha toa ka samy Malagasy no mifampiresaka sa ahoana hoy ianao ???
48. bal ( 04/03/2004 11:04)
Tsy ekeko ry Aristar ny hevitrao momba ilay hoe malgache no izy raha teny frantsay fa tsy izany malagasy izany. Ianao angamba mahay tsara ny dikan'ny hoe mal sy ny gache (gacher) ka izany no tsy hanekeko io fomba filazana ny Malagasy @ teny frantsay io, fa tokony hiezaka ny frantsay hiantso antsika @ tena izy fa tsy izay tiany no teneniny.
49. ikaretsaka ( 05/03/2004 10:51)
ny anglisy aloha manao heo malagasy e
50. aristar ( 06/03/2004 20:32)
>bal Tsy vita ny hoe tsy ekeko fotsiny ange izy ity. Ny Académie française no mametra ny teny frantsay fa tsia tsy ianao bal sy izay tsy manaiky rehetra. Ary ny tenyfrantsay ange dia fiteny ofisialy faharoa any Dago he. Jereo eo @ takelakin\'ny http://www.madagascar.gov.mg ny lohateny voalohany
Official Web site of the Malagasy Government / Site officiel du Gouvernement Malgache.
Ary ny anglisy raha miteny hoe malagasy dia misy antony. Ry zareo no nanao ny teny gasy ho teny soratra voalohany ary izy no nandika hoe malagasy = malagasy ary ireo teny gasy izay dia teny nolazaina azy dia nadikan\'avy @ teny anglisy:
slate = solaitra, pencil = pensily,
bible = baiboly, Jews = jiosy, Moses = Mosesy, Jesus = Jesosy, altar = alitara, fur = fory
Ary raha misy frantsay any Etazonia miresaka @ forum frantsay ka raha misy hevitra tiany ho lazaina ka tsy hitany izay lazaina azy dia mariako fa tsia misalasala izy mampiasa teny anglisy. Ny hevitra no tokony hampielezana voalohany fa tsia ny fiankambotena. Firy ny frantasy mahalala rehefa miaino radio raha niteny ilay animateur hoe andefa sonal fa tsy hoe andfa jingle. Ary ny Internet Explorer andehananao ety io @ teny malagasy ve io fa tsy @ teny frantsay na anglisy
51. kajo ( 06/07/2004 09:10)
Izaho aloha tena miray hevitra @ kally, I aristar otran'ny te hiresaka fotsiny ve ianao sa ahoana?
Eto ange tsy resaka hoe fianarana tenimpirenena e! fa mba hampisy lanjany sy hajany ilay tranonkala hoe GASY 100% dia aleo hajaina ilay izy e!
Rehefa any @ "chat" na "karajia" indray ianao efaka mampiasa izay fomba ahafahanao mamoaka hevitra, fa ETO mba hajao ny teninao.
Ny hoe "malagasy" na "malgache" indray, dia tsy misy hidiran'ny hoe 2è na 1ère langue io fa rehefa hoe "MALAGASY" no tian'ny gasy dia zay zany, fa tsy hoe rehefa tsy iraisam-pirenena ilay tenintsika dia tsy misy dikany!
Marina koa ny tenin'i fijo hoe angaha rehefa tsy miteny afa tsy ny teniny ny firenena iray dia hoe tsy mivelatra?
Tsy filako vanina @ aristar fa tena misy ireo gasy efa nipetraka ela taty ampita, eny fa na dia eto madagasikara ihany aza fa manana toerana ambonimbony eo @ fiarahamonina na manan-katao dia tsy miteny gasy intsony ao an-trano, tena misy io.
Ka rehefa tsy ISIKA MALAGASY no miezaka miteny ny tenin-tsika dia iza indray no hanao azy eo?????
52. kitjo ( 06/07/2004 12:59)
Efa tara be mamaky ilay hevitra d tsy arako sady lava be
Ny fahitako azy toa tsy azon' i arisatr ny tian Kally holazaina @ilay oe "maharikoriko"

Ny fahazoako azy ngamba dia ilay hoe olona mahay miteny gasy izao nefa oh te hi-style fts dia atao teny vahiny,indrindra ny teny frantsay.
Raha toa ka atao teny frantsay aby, ohatra ny any @ hatsikana sy lalao, satria nadika avy t@ internet izy reny ary tsy tafavoaka ilay hevitra raha adika teny gasy, dia tsy maninona

fa raha toa kosa ka adihevitra tsotra izao, @teny malagasy dia ianao hamaly @teny frantsay nefa dia mahay teny gasy angamba ataoko fa tsy mety kosa e, indrindra ireo manao vary @anana "tu sais le izany tsy mety car je vois oe d'apres ce que j'ai vu lasa tsy mety kounkou la facon tu vois oe mba atao en malgache....", mampite-handaka ozizy Kally zay.

Raha teny iray na roa oe "terme" teknika tsy hita izay andikana azy tsy maninona ohatra io o e"teknika" io aleo aza hagasiana toy izao.

Raha toa indray ka noho ny tsy fahazarana dia aleo mba miezaka fa izay no tombotsoa @ty takelaka ity.
Raha tojo fahasahiranana, ary @ lohahevitra "kolontsaina" misy oe "ndao hianatra teny malagasy" , afaka manontany ao dikan-teny izay tsy mahay nefa mba te hiezaka. "Rakibolana na diksionera" ny ao.


Raha hi style fts tsy maninona fa ndao zay koa hanao anglisy sa sinoa? hhihiihih
53. kitjo ( 06/07/2004 13:02)
oay! manirikiry kay moa no notenenin Kally fa le izy aza maharikoriko mitsy nandraisako azy fa azafady,
tsy vitan manirikiry manko........


@anglisy koa manao oe "madagascarian" nefa mandratsy sofina be io fa toy ny maheno oe "barbarian" zany, dia miady varotra ny maro dia na aiza na aiza aloha dia manao oe "malagasy" e, toy iza vao mainka koa loza ialy oe "malgache"

Fa ngah voatery hanaiky foana ry aristar na izay aza nataon academie francaise an???
Ko ra tsy ze tiany foana io ko!

54. ille ( 26/08/2004 07:22)
site gasy 100% ity: noho izany dia tokony ny teny gasy no hanjaka indrindra fa samy gasy isika no mifandray ato, na mipetraka any ivelany, na mipetraka ato anatiny!Matoa misy vahiny miditra ato dia mazava loatra fa mahalala ny atao hoe malagasy izy ary mahazo ny teny gasy .
Samy gasy ve dia hiresaka amin'ny tenin'olon-kafa eh!!! hafahafa ihany!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1309