Mahazo olona tokoa ve @ ity forum ity?

1. jhouhlambout ( 15/01/2004 09:54)
Sa mifampivazivazy fotsiny tsy misy suite?
novalian'i kitjo ny 27/06/2004 05:48
2. xxx ( 15/01/2004 11:00)
manahirana ihany manao resaka matotra @ ny olona miresaka ambadikin'ny écran zany,ampiko hoe tsy mampiseho personnalité hafa v ny olona eto?firesak'hafa sns,tsy réalité fa virtuel doly?
3. ikaretsaka ( 16/01/2004 20:01)
XX Arakaraka ny toe tsaina sy ny hateriny na ny halalaky ny sainao ary ny fomba handraisanao azy io.. misy manao famaly mivazivazy fa any ambadik'ilay fotokevitra midy mitombina ihany... fa ny fiverenana matetika sy mi analysena ilay valinteny no tena ahitana ny momba ilay lona, ilay eritreretina ho virtuel mety azo ampiharina @ reel rehe avy eo
4. ravatorano ( 16/01/2004 16:51)
msi ny mivaivazy sy manao resaka tsy matotra araky ny lazainareo nefa marina ny voalazan'iKaretsaka
tsy maintsy ataoa hita taratra ao aloha ny maha virtuel an'ity matoa misy ny pseudo sy ny xxxx ary hezahana kosa ny "réel" izay hita soritra eo amin'ny fomba firesaka sy fijery eto amin'ny forum é
5. isrine ( 17/01/2004 09:18)
Salut!
Sariolona no be eto fa tsy tena olona misy saina.
Ny sahala amiko de naleoko tsy manohy firy ntsony ny forum, fa aleoko maka aina.
6. donemaskit ( 17/01/2004 10:19)
Mety hanaraka an'i Isrine aho atsy ho atsy!
7. hery ( 18/01/2004 20:22)
Hoy i Isrine
>Sariolona no be eto fa tsy tena olona misy saina.

Misy olona be dia be no miandrandra zavatra eto amin'ity forum ity. Averiko indray fa amin'izao fotoana izao dia 2700 mahery isika. Mamaky isanandro izay zavatra soratanareo eto na dia tsy mamaly aza. Misintona lesona amin'izay zavatra rehetra mivoaka eto. Misy miantehitra amin'ny eto mihitsy aza.

Ka hoy angamba aho hoe aza disoana fanantenana ireo olona ireo.

Marina fa misy Sariolona fotsiny eto... fa tsy Sariolona no be eto. Ny isan'ny olona efa nanoratra forum dia 812... dia firy amin'ireo ny sariolona? Ary ny isan'ny olona mamaky an'ity forum ity dia mety 1000, 1500 na mihoatra... dia iza amin'ireo no sariolona?

Marina ihany koa fa misy ireo tsy mahazo fahafahampo andrandrainy eto amin'ity forum ity. Fa midika ve izany hoe Sariolona ny sasany satria tsy namaly hafatra sy tsy manana hevitra holazaina na koa tsy te hamaly fotsiny tsotra izao?

Isaorako ianareo rehetra izay mandray anjara mavitrika amin'ity forum ity ary iriako hatrany mbola handray anjara mavitrika fa tahaka ny forum rehetra dia marina ny voalazanareo. Misy zavatra tsy sérieux eto... fa misy dia misy, ary afaka mitsangana ho vavolombelon'izany izay nahita zavatra sérieux, fa misy tokoa ny zavatra sérieux mivoaka avy eto. Fa angamba kely izy ireny ka tsy misy mahita.

Dinika no atao eto, ka mety misy ho diso fanantenana raha miandry valiny mahafa-po à 100%. Raha izany mantsy dia angamba hanatona olona manampahaizana manokana momba an'ilay lohahevitra. Fa dinika sy fianarana, fizarana traik'efa sy fitantarana... izany no mivoitra eto. Dia misy manenina amin'izany ve?

Koa ny lazaiko ankoatran'ilay fisaorana teo dia ny fankaherezana hatrany... ary indrindra ny hitahiry antsaina izay endriky ny atao hoe forum (dinidinika) izay.

Misaotra fa lava lôtra.
"Tsiky dia ampy"
8. ikaretsaka ( 18/01/2004 11:08)
marina nyan'i hery
9. fijo ( 20/01/2004 12:26)
maro ny "forum" gasy nidirako tamin'itony site gasy itony,fa dia tsoriko fa ity no "forum" gasy ary miteny gasy tena nahafa po ahy.ny antony,dia nampifandray ahy tamin'ny gasy maro tato.ary tsy nahatsiaro lavitra aho tato,fa hoatran'ny hoe miresaka eo akaikin'ny namana ato.nisy naha kamo ahy koa tato,fa dia raisiko fotsiny hoe samy manana ny heviny io.
ary mitadiava ianareo raha mahita "forum" mavitrika hoatra ny ato.ny any amin'ny sasany dia isan kerin'andro vao misy mandalo raha haingana indrindra.
ato ny tena no tsy maharaka raha vao tara,ary misy hevitra maro be mivoaka ato,na dia somary vazivazy aza ny fisehon'ny sasany.
koa dia samia mijery izay mety aminy e.ary mahaiza koa mandray ny sasany,ary koa mahay mijery hoe ety serieux ity kosa mba blagy kely.
dia mahazotoa daholo e
10. ikaretsaka ( 21/01/2004 14:59)
Marian ny an'i Fijo, fa ampiako kely fotsiny hoe ny tena olona feno fia ireo aaka mandray hevitra mahasoa azy na amin'ilay valinteny kivazivazy na amin'ilay valinteny matotra
11. ikaretsaka ( 21/01/2004 17:18)
Raha ilay valinteny matotra fotsiny manko na ilay valinteny mikivazivazy lasa dia tsy misy maha samihafa ity forum ity @ ireo forum hafa nilaozan'ny olona , izay no maha hafakely ny eto... ahitana ny karazany
12. fijo ( 22/01/2004 12:08)
sady ity no tena mba hoe miteny gasy.milaza lohahevitra maro.ary misy hevitra maro.omeko ohatra iray ianareo.misy site iray izy sipa no tompony.tamin'ny 27/12 aho no naokatra ady hevitra tao.androany,mbola izaho ihany no ao.raha tato izay efa firy no namoaka hevitra?
13. srakoton ( 23/01/2004 18:30)

Samy manana ny fiheviny tsirairay. Tsy azo disoana velively amin'izany. Ao ny tia mananihany...ao ny sérieux comme le Pape...ao ny very hevitra satria manana problème amin'ny ordinateur mikatso...adiresin'ny mpivarotra pièces détachées tsy fantatra... Tokony ekena avokoa ireny fihevitra ireny..satria zon'ny tsirairay... Anjaran'ny tsirairay mametraka fanontaniana na te-hiresaka no mahalala dieny mialoha fa ao ny hanao resaka mifanandrify amin'ny izay tadiaviny eto..misy manao valan-dresaka mandany rora...Hoy ny fandaharin'ny Radio Madagasikra tamin'ny fotoan"'izany hoe " ..Hanao ny safidy ! "
Deraina kosa anefa isika malagasy amin'ny fomba fiteny...na mafy aza ny valiteny...mihaja ny rindran-teny
14. sambatra73 ( 26/01/2004 13:09)
mahazo olona tokoa ity e. Fa marobe kou ny mamaky fotsiny, oh zà zao efa ela mitsy no tamana teto @ serasera fa mitazan-davitra fotsiny lou. Intérst be izy ty, na de eo aza ny aniany maro samihafa, ala-voly kou nge izity e !!!
Smile kou ngé ny tarigetreto e :-)
Ary itady oull afahana miresaka no tanjona, afahana mifanakalo hevitra mety afaana manangan-javatra ??? nefa kou mety lasa manidina fotsiny, na tsy mifanaraka @ hevitry ny sasann. Zà kou de manao oe, samy manann ny safidiny e
15. ravatorano ( 27/01/2004 18:01)
araky ny tenin'ny namana sambihafa teo ambony teo dia maro tokoa nysite misy forum fa eto be mpandray anjara na dia ireo efa mpaketo ihany aza no tonga mamaly sy manome hevitra eto.
Ny hevitra tera-bary ka samby manana ny fanehoany anazy io é !
Misaotra antsika rehetra izay mandray anjara eto aloha ary dia mbola mitaoana ny namana izay kilasiana wé mitazana fotsiny na dia mijery aza mba hiditra handray anjara hanome ny heviny ihany koa indrindra rehefa mahaliana anao ilay lohateny.
Ekany ary ô !
16. 2689 ( 01/02/2004 12:49)
Mahazo olona tokoa ve @ ity forum ity?
Ity resaka ity izao 15 andro no teto nahazo valiny 15. Asa ry Hery raha tokony hisaina koa ny olona namaky fotsiny kanefa tsy nanome valiny. Misy sehatra vahiny izao manao toy izany (www.developpez.com) dia hita fa raha 10 ohatra ny valin-teny voaray, any @ in-400 any ho any no voavaky ilay resaka.

Raha te-hahazo olona koa isika mamaky ny resaka alefantsika dia tokony mba hatao milaza zavatra kokoa ny lohatenin-dresaka. Misy izao lohateny hoe "Fa maninona kay?" dia tsy fantatrao dieny mialoha hoe tokotokony ho inona no voalaza ao, dia kamo indraindray hanokatra azy kanefa mety ho zavatra mahaliana ihany.

(Isrine > Ilay tenin' i Isrine hoe sariolona masiaka loatra. Tokony hifona kely indry :))
17. kitjo ( 26/05/2004 03:09)
Tsy efa voavaly ve ny fanontaniana izao?
18. jhouhlambout ( 26/05/2004 07:15)
19. kitjo ( 14/06/2004 10:49)
mafinalitsa e
20. jhouhlambout ( 15/06/2004 11:03)
:-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1944