mandany vola @ clip

61. donemaskit ( 11/01/2004 09:52)
Ny clip Gasy anie efa aman-taonany maro zay no tsy nihetsika mihitsy e... tato ho ato no namoaka zavatra de qualité ny la1, Sanfil, sns.
Efa firy taona "nianarana" ve izay dia mbola tsy mahita hirika ihany...?
62. donemaskit ( 11/01/2004 09:53)
Tsy hoe tsy mahay ny Gasy fa, manao kitoatoa.
63. ikaretsaka ( 11/01/2004 13:20)
o ry movoka an.. raha samy hanao kitoatoa sy izay saim-patany anie ange efa mba nahavoaka daholo ihany e io no lazain'ny mpanakanto anakiray hoe "iRaha samy manao izay tiany dia artiste daholo hatramin'ny alika, fa ny important dia ny manavaka ny tsara amin'ny ratsy.. iny no ahitana ny olona misy fanahy"
... tsy nisy niteny mihitsy teo hoe tsy mahay ny gasy, fa hoe misy gasy sasany manaonao foana, Ny fampianarana momba ilay tournage -na clip angamba raha mitrandraka tsara aloha vao manao dia mety hiety ihany, fa tsy hoe te hihira dia te hiseho tele dia mandray micro sy maka camescope dia filmena fahatany fahatany any daholo : io no fotokevitra tsy ekenay sy i Mazkita
Ataovy raha te hanao... fa jereo aloha, dinio aloha hoe mba tsara qualite ve ny zavatra omeko ny mpijery sa izay ahazoako vola fotsiny?
Eo ny foto kevitry ny resaka raha tsy azoni Mouvoka

64. mouvoka ( 12/01/2004 16:06)
Misaotra betsaka. Raha misy proposition izao avy aminareo dia tena tsara ny finamanana. Ohatra izaho mino fa misy ny sîte izay mampianatra "on line" momba izany ??. Afaka manome proposition ve ianareo ?. Aza taitra fa "hiezaka mafy izahay, hanatratra izay teo aloha,... Eny hanidina aza raha azo atao, mba ho ento aho hanaraka anao". (...).
65. ikaretsaka ( 12/01/2004 16:30)
raha mividy licence (izany hoe soft tena ara-dalana) matetika dia misy fampianarana any @ site-ny. ny apple indraindray manome cours gratuit resaka multimedia raha mampiasa ny fitaovany ianareo. sady ny an-dry zareo no hitako fa tsar akokoa ny suppoty (garage band na Ilife ohatra) na final cut pro na pro tools. Ny voamarika koa dia Tsy mbola betsaka ny mampiasa Mac any amintsika, nefa malaza hoe ny mac no fampiasa raha tena hitrandraka sary sy feo ianao! fa raha sehatra sary tsy feo fi atsy mampaninona ny mizara hevitra e... izany no maha namana.serasera.org
66. poupoussi ( 13/01/2004 17:49)
kaiza daolo ry reto an!! ka tsy takatry ny gasy anie zany e!! ny internet ary tsy hainy akory. mila ezaka @ fanjakana. ry zareo variana miady @ sida.
six daolo.ZMTF
67. ikaretsaka ( 13/01/2004 19:13)
ka tsy voatery ho fanjakana fa na privee aza ange e
68. fijo ( 14/01/2004 12:20)
tsy tokony hiandry fanjakana mihintsy amin'ny zavatra toa izany.sehetra azon'ny privée trandrahana tsara izany,ary mety hanatsara zavatra aza raha privée no mandray izany
69. ikaretsaka ( 14/01/2004 13:27)
marina io
70. ikaretsaka ( 14/01/2004 19:00)
raha ny hevitro amin'io dia raha tena te ho lasa halaza ilay tarika vao misondrotra dia
1-tokony hampiasa service-na profesionelle aloha fa tsy faly manao izay saim-patany fotsiny (io no matetika mahavoa antsika) raha mahita ny zavatra ataon'ireny efa pro ireny izy ka mijery hoe ohatran'izao ny fanaovana azy dia efa mba ecole izay aloha..noho ilay tonga de kapo-batana fotsiny

2- rehefa tsy mandeha ilay selection hoe clip an;iza sy iza no tokony na tsy tokony handeha any amin'ireo chaine ngozabe ana tele dia mba averina ireny fifaninanana Top 16 sur la 2 ireny.. Marina fa miezaka ny pazzapa fa tokonyny eo amin'ilay creation ana zavatra vaovao mihitsy no atao fa tsy ilay mi interprete zavatra efa vita fotsiny.. tadidio fa tamin'ny Top 16 ino nahalasa ireo artiste izay mbola manana ny lazany amin'izao fotoana : ry Rija Ramanantoanina sy Rasolondraibe, Lalatiana, Njakatiana sy parson Jacques, Bodo, Tineh, Liva Andrianavalona, Felaniary, sy ny maro tsy voatanisa... ny ankamaroan'ny hiran'ireo olona ireo no lasa atao hoe 'motown" na "classic" eo amin'ny sehatry ny hirahira malagasy...

3-Averina amin'ny Malagasy ilay fotokevitra Maha "Art" ny hirahira sy mozika. tsy izay rehetra mahay mitendry sy mahay maka sary akory dia ho mpihira sy mpanao clip avy... tahakan'ny tsy fetezan'ilay hoe izay mahay mitazona pinceau dia peintre!. tokony hianaran'ny gasy fa iny zava maneno tendreny sy feo ary sary alainy iny anie tsy atao fahatany fa misy fiantraikany amin'ilay iantefan'iny daholo
71. rrodin ( 15/01/2004 15:40)
Marina daholo izany resakareo izany ary misy hosaintsainin'ireo rehetra mpanakanto indrindra fa ireo mpanao clip eto amin'ny tanàna. Aleo atao hoe betsaka loatra aza ireo voalaza ireo... Ka raha mbola ampiako dia mety ...
Fa izao eh! Ny aty am-pita (jereo ny chaîne sat) dia ny maison de production mihitsy no mikarakara ny fandefasana ireny clip ireny any amin'ny mcm na ny toy izany ary volabe mihitsy no aloa fa ny eto Dago dia ZARA AZA mahita alefa ilay televizaionantsika ka na tsara na ratsy io dia alefa foana... Aleo hanao ny asany ireo matihanina na mpamokatra na mpanakanto na ny mpiserasera ary makà sisiny ny TSY MAHAVITA azy fa manala baraka... Mbô marina mafy eh!
72. donemaskit ( 15/01/2004 18:01)
Ny showbiz mihitsy ny ao Mada no tsy mbola évolué tsara pr la simple raison que : tsy ampy/tsy manam-bola ny consommateurs > tsy rentabilisés ny albums, ny concerts, ny clips... Satria 20% n'ny Gasy ihany no afaka mividy/mijery an'ireny.
73. kally ( 15/01/2004 18:11)
Fa amin'i Poupoussi milaza fa internet aza tsy hain'ny gasy io,vazaha daholo angaha izahay miresaka eto ireto?
74. ikaretsaka ( 15/01/2004 19:07)
za gaga
75. fijo ( 16/01/2004 10:20)
ny tiany lazaina kosa angamba dia hoe mbola tsy be mahalala.fa na izany aza ilay manambany gasy io dia tsy voako mihintsy.tadidio,fa ny gasy lasa aty,dia nahay vao tafavoaka,ny ankamaroany.ary ny gasy any mada dia maro ny mampiaiky ny vazaha ny fahaizany.ka mba mahaiza koa manatsara ny antsika e.
76. donemaskit ( 16/01/2004 15:31)
Nareo koa tognga dia miakatra ho azy eo... Na aiza na aiza nge misy ny internet sy kil mahay daholo e, ny tian'ny Poupoussy lazaina ngamba dia hoe raha ampitahaina @ isan'ny Malagasy rehetra dia zara raha ny 5% no mahalala ny fisian'izany internet zany.
77. kally ( 16/01/2004 17:47)
Izahay angaha haminany izay tiany ho lazaina any fa ny soratra eto no hitanay!
Fa indraindray koa anie ohatry ny fisehosehoana fotsiny ilay clip sasany e!ny hira tsy hay be ihany hoe ahoana,ny clip toa fisolosoloana akanjo sy fampiderana trano tsy dia hoe ahoana loatra no betsaka.
Rehefa tsy ny volam-panjakana aloha no laniany tsy olana izany,mampihodian ny toe-karena ihany izany,ka aleo izy hanohy fa isika aza mijery.
78. mouvoka ( 18/01/2004 19:00)
Lalana tsy maintsy alehan'ny artista ny manao clip raha te hampahafantatra ny tarika izy.
Eo ihany koa ny fitiavan'ny tsirairay ny ban-kira ataony, fa tsy hoe rehefa tsy tianao ny ban-kirany dia hoe ratsy koa ilay clip.Tsy adala izy namoaka an'iny ary nisy vola laniny koa t@izany. Fa ny eo @ qualité -njavatra no tiana ho resahana angamba. Izaho manokana izao, tsy dia tia hip hop loatra aho, dia mba mijery ireny clip vazaha ireny, tsy hitako izay tiany ambara (satria tsy mi-interesser ahy ny hirany. Io no voalohany). Tadidio fa ny clip dia tantara an-kira fanambarana ny tianao ho lazaina ao @ tononkira fa taterahina antsary. Eo no mahampanaKANTO na tsia ny tarika. Miezaha tsra daholo no fehiny. Raha ilay resaka internet, marina fa hoe milalao internet isika (firy % ny gasy isika ?) fa mba resaka ny an'ilay ranamana hoe tsy mahay internet ny gasy, ny tokony ho lazaina dia hoe, tsy mbola ao tsara ny fampiasan'ny gasy ny internet, nefa izaho mino fa ho avy ny fotoana ... Ary aza mora tezitra eo ry zareo an.
79. ikaretsaka ( 21/01/2004 16:17)
Saingy tadidio fa "Art" koa ny fanaovana clip fa tsy ataotao foana akory, raha hip hop na jazz na hiragasy na boys band aza.. ka mivoaka tsara ilay izy dia halaza anie anareo e, fa ny sasany dia mba te halaza dia manaonao foana...malaza izy angamba fa mety hahalaza hoe ilay tarika nanao an'ilay clip nanao minizipo sy nisafosafo vehivavy tery @ avenue ve ireo? lasa any ny anaovan'ny olona mpanjifa reference!
80. fijo ( 22/01/2004 11:48)
mouvoka>hafa ny ban kira sy ny clip.mety ho tsara ny hira,fa ratsy ny clip.marina koa ilay lazainao fa tantara momba ilay hira no haseo antsary.nefa dia io voalazan'i kally io,hoe,toe fampisehoana trano sy fiara sy ny karazany fotsiny ilay izy.na i njakatiana aza dia nanao an'io zavatra io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.361