raha hamorona tarika nareo...

81. mouvoka ( 11/01/2004 18:37)
Ary i Ikaretsaka angamba nofinganin'ny synthé an ?? toa tena tsy tia mainty mihintsy. Ianao miteny band in a box io, ohatry ny tsy azoko mihintsy ny jeu-nao, tsy tia technologie ianao sa ... Ny tsara angamba dia ny hoe raha mampiasa zavatra ianao dia mila hainao tsara aloha ilay zavatra. Ianao angamba tsy nandalina tsara ny momba ny synthé ?? omena cours ??? bb version firy no nolalaovinao ka hitanao fa ratsy sa ianao no tsy nahay nampiasa ??
82. ikaretsaka ( 11/01/2004 13:45)
Tsy any mihitsy ry Mouvoka a, za tsy hoe tsy tia mainty synthe ary mba elaela ihany nampiasaina sy nitrandrahana, tsy hizesta aho hoe version firy na version firy satria tsy band in a box ihany ny lalaoviko fa hatramin'ny Apple pro tools sy ny Digital multitracker na Emagic na steinberg na mark of the unicorn na cakewalk sy ny karazany.
Angamba aho manana experience kokoa amin'ny fitadiavana rindram-peo sy rindran-gadona amin'io na hoe tsy mamoaka hira aza, satria mbola eo an-dalam-pitrandrahana ary miasa ho an'ny hafa aloha no ataoko izao
Ary tsy synthe irery no ampiasaiko hitadiavako ny feo ilaiko fa ao ny gitara ny beso, ny valiha , ny apongaparoanaka sns...
..
Ny tsy tiako fotsiny dia ilay hoe ny gasy sasany tsy mahafehy tanteraka akory ny fandrindrana feo sy gadona ary sary nefa dia io no ifaharana dia vokany dia lasa ratsy ny quallite an'ilay zavatra.
Dia ny tolokevitra arosonay sy i maskita dia hoe mitrandraha aloha na manatona matihanina e...
83. fijo ( 14/01/2004 12:29)
ka tsy mba efa misy fiovana kosa ve ny ao mada izao momba ny artista e.taloha aloha dia izay rehetra mihira dia ao.izay no tsy nampety azy tamin'ireny.
84. ikaretsaka ( 14/01/2004 13:28)
misy mbol amitady hanohy ry fijo a
85. ikaretsaka ( 14/01/2004 18:41)
ny iafaran'ity clip clip ity dia asa raha tadidin'ny efa zokinjokily ilay tao @ TVM t@ tapatapaky ny taona 80 sy fiandohan'ny taona 90 tany ho any: ilay vao hanomboka ny emission (t@ fito no nanomboka ny emission t@ io an) ka raha mamelona tele @ 7 latsaka 10 ohatra dia matetika sarina vonikazo tsy mihetsika sy mozika fotsiny aloha no mandeha mandra-pahatongan'ilay saina mikopakopaka sy ny hiram-pirenena iny inosoloina ilay sceau RDM moa izy io taty aoriana .... fa raha izao no mitohy dia hiverina amin ilay sary vonikazo tsy mihetika koa ny clip gasy @ haratsiny raha tsy miezaka kle
86. donemaskit ( 23/01/2004 09:18)
ha ! ha ! ny mifanohitra @zay aza no toa hita koa : lasa mihetsiketsika lava zany !
87. donemaskit ( 23/01/2004 09:23)
Ny ahy aloha tsy dia reveko loatra ilay mpandihy ireny e ; ny clip tiako ny ahy ohatran'ireny T. ho anao (Silo) na Game of love (Santana sy tsy tadidiko)
88. six ( 21/02/2004 18:31)
nisy resaka tao amin'ny #serasera tao fa hoe atao "NAMANA" hono, sady misy mpamorona tonony sy feony bdbeeeeeeeuuu ao.
89. rapah ( 27/05/2004 06:03)
vazon'ny mpiakama
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2053