Mahay miaina tokoa ve ny Malagasy

1. eliana ( 06/12/2003 14:29)
Rehefa mahay mitana tsofa ve dia afaka lazaina fa hoe mpandrafitra sa ahoana ? Rehefa mahay misery bilao ve dia afaka lazaina hoe mécanicien ? Rehefa mahay mamily volant ve dia afaka lazaina hoe chauffeur na mpamily ? Na rehefa mahay mandalotra ciment ve dia afaka atao hoe mpanao trano ?

Ny tiana ampitaina dia izao. Nahoana no tsy omena toerana ireo olona nahita fianarana manana ny fahalalala feno amina taranja iray ?

Azo atao ve ny milaza hoe tsy ho afaka handroso ny Gasy raha toa ka tsy mahatsapa tena hoe tsy manana fahalalana amina taranja iray dia ka tokony hanitatra na hoe omena ny hafa ny toerana ?

novalian'i hendry ny 29/01/2004 12:43
2. isrine ( 06/12/2003 18:26)
Salut!
Ka ny fiainantsika gasy dia efa tsy @ ilana azy intsony e. Efa ela no nisian'ny risoriso hahitana asa ka na ny manana ny fahalalana mendrika @ asa aza de tsy mahita asa. Dia tsy mahita asa ny tanora manampahaizana, de tsy handroso mihitsy i Mcar. Ka rehefa tsy mahita asa ny tanora dia mikopaka any ivelany, de vao maika loza!
3. zoufla ( 06/12/2003 10:32)
Manana olona mahay be dia be ny Malagasy fa ny olana dia tsy izay olona tena mahay no tafiditra miasa sy mahazo toerana @asa na @ fianarana iray fa ireo manana olona mahitahita hanohana azy hatrany.
Raha mbola izao foana aloha dia mbola lavitra ny fandrosoana e!
4. hery ( 06/12/2003 15:23)
Jereo koa angé ny zava-misy:
- Ny dokotera dia tiany ho dokotera ihany koa ny zanany dia tohanany amin'iny na dia tsy manana an'ilay toetra tokony haha-dokotera azy aza. Dia sahala amin'izany daholo.

- Raha mahantra manam-pahaizana dia sarotra be ny handresena lahatra ny manan-karena manana diplaoma.
5. isrine ( 07/12/2003 10:04)
Zay ndray no mbola tsy reko ry Hery.

6. narihe ( 07/12/2003 11:48)
Marina mihitsy ary tohanako ny he-
vitrao Ra-Hery. Mahagaga tokoa ny
toe-tsaintsika,ary mbola sarotra ny
miala amin'izany. Jereo ange ! maro
ny olona manana diplaoma betsaka
nefa ny fahaizana (expérience) tsy
misy, kanefa nahoana no mahazo
toerana tsara sy ambony ? misy koa anefa ireo tsy dia manana di-
plaoma firy nefa manam-pahaizana;
aiza izy ireny ? Ny tokony ho izy
araka ny hevitro, dia jerena daholo
na ny fahaizana na ny diplaoma ha-
nanany dia eo no ahitana azy tsara
Tsy ny any M/kara ihany no manao
izany fa na ny eto F/tsa koa aza.
Betsaka ireo tompon-tany no ma-
nana diplaoma nefa rehefa eo @
toerana hametrahana azy izy ireo
dia tsy manan-kambara rehefa ha-
nontaniana. Bangon'izany dia noho ireo risoriso be loatra ka mbola ho
ela vao afaka io e ! Mahereza daho-
lo ary e !!!!!!!!!
7. oupsyyy ( 08/12/2003 10:50)
Indrisy mitsy fa ny tontolo ianana ara ekonomika sy ara politika eto amitsika no mila fanamboarana e.
8. rfanjav ( 08/12/2003 13:29)
betsaka ihany ireo gasy nahavita fianarana fa firy @ ireny no mahita asa sahaza azy,

lasa mirenireny na manao asa tanana, na manao asa hafa tsy mifanaraka t@ fianarana nataony akory ny ankamaroany !

ry zareo avy any @ fampianarana tsy miankina aloha (oh : INSCAE, IST, ...)mba mahita ihany fa mahitahita ny lehibe sy ny mpampianatra ao dia afaka manohana ny mpianatra tsara ihany, fa ny any @ Université no tena betsaka no very lalana!
9. pitchou ( 08/12/2003 14:43)
marina daholo izany saingy mba misy azo lazaina kosa ihany e! ndrao kosa ary dia izay taranja malaza be sy efa tototra tanteraka no mbola hifanotofana e? na koa zavatra tsy dia hitan'ny gasy lopatyra izay ampiasana azy ohatra hoe mpitondra sambon-danitra, na mpandrefy ny hatebvin'ny couche d'ozone, na irony manam-pahaizana manokana momba ny glaciers irony? ary sao dia kosa hoa ny asa na ny toerana omena no tsy tiana sy tsy mifanaraka amin'ny eritreritra? ohatra hoe dokotera alefa any an-tampon'ny Horombe, nefa mba ni toerana kinendry dia ny ho direkteran'ny hopitaly be eto Iarivo?
10. vetso ( 09/12/2003 20:04)
Ny mitana tsofa sy ny misery bilao dia mety ho vita ihany fa tsy midika izany hoe mpandrafitra na mécanicien ilay olona. Misy koa anefa olona tsy manana diplaoma mihitsy nefa noho ny haizatra sy ny traikefany dia nanjary mpandrafitra tena mahay sy mécanicien tena manan-talenta. Koa tsy tsara ny mandesoka be fahatany. Ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay hamarara. Toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety arenina.
11. isrine ( 09/12/2003 13:57)
Salut!
Raha ny dokotera alou de omeko tsiny, raha toa ka alefa any antampon'ny Horombe nefa tsy mandeha fa nieritreritra ny hoe hiasa ao @ hopitaly be n'Iarivo. Ny antony dia natao hitsabo sy hanavotra ain'olona izy, koa raha fantany ny atao hoe mpitsabo de tsy maintsy handeha @ izay nahavoatendry azy izy!
Mampalahelo alou ny mahita ny we manampahaizana nefa tsy an'asa e. Ary nahona kay no asiana an'ireny fillière tsy mifanaraka @ zavamisy aty Dago ny eny @ Universite e?
Marina fa eo ny we manana ny haizatra sy ny traikefany, fa rehefa hitady asa anie ka ny diplome no jerena voalohany, zay vao ny haizatra sy ny traikefa, sa?
12. fijo ( 10/12/2003 10:59)
hery,ilay mahantra manam pahaizana ve nahay taiza?fa tsy dia hazoko loatra.toa izany koa ilay manan karena be diploma:diploma novidiana ve no tian'i hery lazaina,sa diploma tena hazo tamin'ny fianarana?satria miverina amin'io voalazan'i isrine io ilay voalazan'i hery angamba.raha samy mahay mantsy,dia aleon'ny olona mandray izay manana diploma.azo ekena izay amiko.fa raha diploma novidiana fotsiny,hita eo amin'ny asany ihany anie io e.ary sty adala ny sté ka hitana azy ao,na 10 diploma aza izy.
13. rfanjav ( 12/12/2003 18:32)
misy anefa na manana diplaoma aza, rehefa tsy manana "piston" dia tsy voaray any @ société izany mihitsy !
14. isrine ( 12/12/2003 19:06)
Ka izay indrindra anie aky ry Fanjav no ilazana fa tsisy raha manjary koa aty Dago e. Sarotra e!
15. fijo ( 16/12/2003 11:00)
ny fahalalana olona kosa aloha dia zavatra ilaina amin'ny fiainana e.na aty aza dia toa io koa.ny ahy ny tsy ekeko dia ilay diploma novidiana no nomena toerana.
16. isrine ( 18/12/2003 19:27)
Tsy mahay miaina ny gasy e, be ny zavatra fantatra erantany, fa ny antsika tena tsa mandeha mihitsy.
Tena ilaina ny fahalalana olona eo @ fiainana fa tsy atao @ marina.
17. fijo ( 19/12/2003 09:17)
ka izay no fiainana ko.connaissanse,relation,reussite.
18. isrine ( 19/12/2003 12:36)
Diso kely ny filazako ry Fijo: " ... fa atao @ marina"
19. rindranavalona ( 22/12/2003 10:46)
Moa ve tsy Gasy ianao mahay miaina io? Moa ve Gasy ry Saddam? Moa ve tsy misy Gasy tsara mihintsy eto Gasikara? Ny tiako lazaina dia izao, na aiza na aiza (na iza na iza) misy tsara sy ratsiny daholo, fa raha ny RATSY ihany no jerenareo dia tsy hahita hafa tsy izay ianareo, raha ny tsara koa dia tsy hahita hafa tsy izay ianareo. Ohatra hoe Mahafinaritra ny eto Gasikara fa tsy mba mitaintaina ohatra ny any Irak, na ny any USA, na ny any Angola, na...satria ny Gasy mahay miaina fa mahay mifandefitra, sns...Samy manana ny maha sambatra azy e! Ny fahoriantsika eto dia ny FAHANTRANA, fa ny any sasany ny ADY. Ka raha te ho lafatra isika dia tsy maintsy miady amin\'ny Fahantrana. Raha mbola misy anefa ny risoriso...dia FAHANTRANA... risoriso...ATODY ...reniakoho...
20. rindranavalona ( 22/12/2003 11:05)
Fa izao, maro tokoa ny manampahaizana malagasy no mipetra-potsiny, satria tsy misy asa mifanentana @ nianarany eto. Rafahantrana koa mamely e! Ohatra fotsiny misy olona iray nianatra momba ny fandrendrehana vy (Métallurgie). Nahavita antsy tsara tarehy tokoa izy, saingy ny vola laniny nanamboarana ilay izy mety ohatrinona ? Ny Energie lany
( charbon sns...) nefa ny vidin'ny antsy vita Sinoa ariary zato monja dia mahazo antsy kely tsara tarehy na dia... Ohatra manaraka ny siramamy vitan'ny SIRAMA miloko mavokely, nefa ny siramamy avy any ivelany, sady mora no fotsy botsiaka. Ny Gasy ve no tsy mahay miaina sa ny FIAINANA mihintsy no sarotra hiainana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6165