Mahay miaina tokoa ve ny Malagasy

21. fijo ( 24/12/2003 17:10)
rindranavalona>gasy daholo isika eto,ary tsy hoe manaratsy be fahatany ireo izay miteny eto,fa mba te hilaza izay tsy mety.izany hoe mila fiovana,ary indro kely,ny siramamy tsara dia ny siramamy mena,na mavokely,fa tsy ny siramamy fotsy.aty io siramamy fotsy lazainao io,dia tsy misy vidiny.fa ny siramamy mena dia lafo tokoa.
marina ny voalazanao fa samy manana ny fijaliany,ary tiako ianao fa mahay miaro ny maha malagasy an tsika.
22. hendry ( 29/01/2004 12:43)
isrine> mba ataovy @ toeranao kosa, dokotera enao, elafa hiasa @ toerana tsy todin´ny fiara sy ratsy lalana, tsy mandray karama enao dimy volana satria tany lavitra andriana no misy anao. Hivelona @ inona? Zava-misy zany ary tsy manome tsiny ny dokotera ( ny mpampianatra koa toa zany) aho raha tsy manaiky mandeha any izy ireo. Marina fa hamonjy ain´olona ny asany, nefa fahotana ho azy koa raha hamono ny tenany izy.
Ny fanjakana no tokony handray fepetra manokana @ zany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1185