Dia tena sarotra tokoa ve ny mitia olona iray raha vao tsy misy firaisana ara-nofo??

61. xxx ( 05/12/2003 11:23)
niteny enao tery aloha hoe: matetika ny vehivavy miaraka @ olona efa manambady dia resaka materialy no iarahany. Marina fa tsy nogeneraliser-nao ilay izy fa natonao hoe matetika, na zany aza dia tohina ihany aho mahita an´io. Vehivavy aho, ary efa niaraka t@ olona manam-bady, tsisy resaka vola ny haingitraingitra sy ny sisa no niarahako taminy fa tena fitiavana madio. Mety tsy hino ahy enao, tsy voatery hino enao nefa zany no marina. Tsapako fa tiako izy, zay lay hoe ny fitiavana tena izy dia indray mandeha ihany, tany aminy no niantefa lay tena fitiavana dia niaraka zahay, saingy izy no hitako tsy tena tia dia nangaina teo aho, indrisy.
Ilay resaka firaisana ara-nofo. Tsy hoe te hanome tsiny lehilahy be fahatany aho fa experiences vecues, ny lehilahy raha vao miaraka @ vehivavy dia tsy misaina afatsy firaisana ara-nofo, mety misy ihany fitiavana nefa ny 90% mba tsy ilazako hoe izy rehetra dia io firaisana io daholo no mahamaika azy. Tsy haiko hoe inona loatra ny antony? marina fa ny vehivavy koa misy ny mankafy saingy mba mahatanty sy miaritra ary mitondra zany amim-pahendrena hany ka misy fotoana manda ny tsy hanao dia sosotra ry zalahy
62. eli ( 07/12/2003 09:52)
ny firaisana hara nofo ao hivelany tokantrano dia choix an'ny tsiray². ny tsy fanaovana ny firaisana ara nofo avant le mariage dia 1°) fanajany lehilahy ny vevavy miaraka aminy 2°) any @ zavatra hafa ny fiorenany ilay relation fa tsy mibanjina @ sexe! tsy midika akory zany hoe ny couple manao firaisana dia tsy mafy orina mihintsy dia ny couple tsisy firaisana dia tsy misaraka mandrakizay fa hitanao kosa fa misy fahamatorany bebe kokoa ao @ ireo izay manao priorité avant tt @ relation-ny avant ny relation sexuelle
63. lion ( 08/12/2003 17:34)
Arakaraka io fa saingy mba endrika mampiavaka fotsiny fa tena mpifankantia marina ny resaka sexe,raha amiko aloha izay,fa raha resaka finamanana tsotra kosa ve dia @fomba ahoana moa no angatahako firaisana,ka tsy tokony atao mahagaga akory ny fangatahan ny lehilahy an io satria lojika izany,ny lehilahy anie rehefa tia dia mihezaka ny mba hampifalifaly ny olon-tiany foana e!,eny fa na vehivavy tsy orim-bola aza no miaraka aminy dia tsy maty an-tsaina fa izahay no tokony hanome,fitiavana ilay izy fa tsy maintsy misy vola satria raha mba te hividy voninkazo na zavatra mba hampifaly ny olon-tianao ianao nefa tsy misy vola dia inona?,ka tsy tsara ve raha mba miray e!,manjary mampalahelo ry lerony na aza mandray izay zavatra homeny anao dia @izay ianao tsy tia tena,tsy aiko aloha hoa fa arakaraka koa io indraindray.
64. favy ( 09/12/2003 18:13)
Raha amiko aloha dia rehefa hoe tena vonona ny andaniny sy ankilany hoe hisoratra sy hivady dia ataoko angamba hoe tsy misy antony tokony ho handavana izany firaisana ara-nofo izay maha-zavaboahary nariana antsika izany. Rehefa vita anie ny marriage tsy maintsy mbola hanao an'io ihany tsy mijanona e!
Raha tsorina angamba dia miankina amin'ny tsirairay izany.
65. fijo ( 10/12/2003 20:37)
aleo atao aloha dia vita e.hiandry inona indray ary.
66. ramoul ( 15/12/2003 14:17)
Tsy hoe ny efa vita mariagy ihany no afaka manao ny firaisana. NON
Raha izany no arahana dia hoana? Raha taitra izany ralehilahy dia hiteny ravehivavy hoe "non, mbola tsy vitya ny mariagy ka miandrasa aloha"
Dia hoy aho hoe "raha izany ihany ve dia inona no antony iarahan-tsika fa dia aleo misaraka"
Mijaly ny bandy fa mba homeo kely
67. fijo ( 16/12/2003 10:53)
marina izany e.
68. rinakely1 ( 16/12/2003 10:14)
na manao enao toa sarotra , tsy manao voa maika sarotra ka atao ahoana ihany ary ny mitia oln raha izany e!
69. fijo ( 17/12/2003 11:46)
manaova ka.io no tena izy.
70. raten ( 17/12/2003 19:40)
Le izy tsy hoe sarotra na mora fa rehefa mifankatia de manôva fa ny fotoana mandeha ihany ka sao hisy pepin vô hanenina. Araraoty ao anatin'ilay fitiavana mivaivay iny ny firaisana fa ho hitanao ety an-tany sahady ny fahasambarana. Nen'reo ray aman-dreny be aza efa tsy fidiny ko!
71. fijo ( 18/12/2003 20:35)
araraoty tokoa e.tsara anie io e
72. xxx ( 18/12/2003 11:04)
Raten: tena hafakely ny hevitrao, ... fa marina tokoa fa aleo dia eny mbola eto antany aleo migoka sahady ny fahasambarana, eny fa na tsy tonga lafatra aza izany non???
efa noresahiko tery @ lohateny iray hoe FAHASAMBARANA io ...

jereo ange e!
73. lema ( 18/12/2003 10:57)
fa inona koa anefa no manakana nareo vehivavy tsy anao e!sa raha manao @olna ve nareo dia mahatsiaro matiantoka.miala tsiny alou fa @teny frantsay ny manao dé hoe "faire l'amour"tsy zay ary ve no tena fitiavana.
74. fijo ( 19/12/2003 09:13)
merci ralema an.ialahy indray io an.
75. isrine ( 21/12/2003 20:10)
Ralema anie ka tena mahay e.
ralema: tsy hoe raha manao @ olona de mahatsiaro matiantoka fa mba hajaina ihany ny tena indray2 e.
Ny lehilahy alou tsy ho matiantoka na oviana na oviana mitsy!
76. raten ( 22/12/2003 18:26)
Refa mifankati tsara ange ny olon-droa de tombony 10000..% no azo fa tsy misy matiantoka \'zany na ny la na ny vavy e. Midika \'zany fa ilaina le izy!
77. fijo ( 23/12/2003 12:18)
ilaina io ka.inona indray ary izany.
78. xxx ( 23/12/2003 13:18)
Ny anareo lehilahy anie tena makarary anareo mitsy zany hoe mitia olona iray nefa tsy manao firaisana ara-nofo!
ny olona retra toko samy manana zay reveny eo @fiainany!ary za miombonkevitra @ kanty alo!!
ary ramoul zany!! fa ra tena tsy hisy zany d aleonao misaraka!! fa inn lotra re ny hamaritana ny tena fitiavana @zao fotona zao e!!
79. fijo ( 24/12/2003 10:50)
fitiavana=fizarana izay hananana.
80. xxx ( 28/12/2003 17:46)
ka nareo anie ny fitiavana oh tsy hay tsony zay hamaritana azy!!ny anareo fitiavana=relation!d zany v d rariny!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1658