Radio mitory an'i YAHOSHUAH

1. Rafieritreretana ( 05/08/2015 10:35)
Eo andalam-panaovana fanandramana mivantana amin'ny aterineto ilay Radio mitory an'i Yahoshuah, ilay MANDRAVA DIDY FOLO (Episkopo Samuelson Edouard).
Miditra eto:

http://www.holydestination.mg/
http://hffradio.caster.fm/
novalian'i stahtam ny 16/05/2017 04:54
2. Strong3 ( 06/08/2015 07:08)
izy ireto koa moa izany ilay mananaraka akaiky ny vaovao momba ireo ET ?

i Yahoshua moa izany ra olona dia Jesosy fahiny ; fa ingahy Episkopo no nahita hoe tokony hatao amin'ny anarana daorizina fa tsy hagasiana intsony.

fa ireo maritiora malagasy izay maty tamin'io anarana nagasiana io zany mety hoe very ve?

ary raha rava ny didy folo dia nasolo inona?

hampiely manerantany amin'ny fomba hainga ity fampianarana ity izany ianareo raha azoko tsara :-)
3. Rafieritreretana ( 07/08/2015 08:14)
Hoy ianao hoe:
"i Yahoshua moa izany ra olona dia Jesosy fahiny ; fa ingahy Episkopo no nahita hoe tokony hatao amin'ny anarana daorizina fa tsy hagasiana intsony"
Nb:
- Yahoshuah = Tonga mba hamonjy ny olony (ireo ilay antsoina araka ny lalàna hoe "ondry vitsy"
- Jesosy = Ilay Kristy sandoka ..."izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy" (izay nambara araka ny lalàna koa hoe: "Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Yahoshuah amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany; ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra"

* Very ve hoy ianao ireo olona maty maritiora tamin'ilay anarana hoe Jesosy? ary inona no nasolo ny didy folo?

--> Raha marina tao amin'ny fitandremana ny didy folo ny zanak'Isiraely dia tsy nilaina velively ny atao hoe "FAMONJENA = YAHOSHUAH".
--> Ary koa, raha voavonjy avokoa ireo izay niankohaka tamin'ilay Jesosy fahiny araka ny filazanao, dia tsy nilaina velively izany EPISKOPO mitory an'i YAHOSHUAH izany.

Ankehitriny tokoa, INDRO tonga ilay filazan-tsara hotoriana amin'ny monina ambonin'ny tany, "FAMPIANARAN'i YAHOSHUAH"...mba ho vavolombelona fotsiny ihany, fa tsy voatery hino ianao! IZANY REHETRA IZANY NO MIDIKA FA SEGAONDRA FARANY IZAO.
4. Strong3 ( 07/08/2015 08:48)
c était la pub ... vaovao kou izany! :-) hihihi

Rafieritreretana:
--> Raha marina tao amin'ny fitandremana ny didy folo ny zanak'Isiraely dia tsy nilaina velively ny atao hoe "FAMONJENA = YAHOSHUAH".
--> Ary koa, raha voavonjy avokoa ireo izay niankohaka tamin'ilay Jesosy fahiny araka ny filazanao, dia tsy nilaina velively izany EPISKOPO mitory an'i YAHOSHUAH izany.


dia nahoana lohatra re no dia amanjato taona Atra Tsitoha vao naniraka an'i episkopo hitory izany , ka dia navelany hofaty noho ny fivavahana ny malagasy kely teto eh ??? ...
kruely koa izany ka :-) :-)
5. Rafieritreretana ( 07/08/2015 09:49)
c était la pub ... vaovao kou izany! hihihi

--> Raha mbola tsy vita ny famonjena dia hoy Yahoshuah hoe: "Raiko, mamindra fo aminy..."

Aza manimba tena amin'ny teny tsy voahevitra rahalahy ah, tsarovy fa fitsarana mandeha izao teny mandeha izao, fa tsy PUB araka ny eritreritrao.

Joda 10/ Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany.
6. Strong3 ( 07/08/2015 10:58)
izay fanjanahan-tsaina izay mihitsy no arm fatal entin'ny secte miady ...
Aza manimba tena amin'ny teny tsy voahevitra rahalahy ah, tsarovy fa fitsarana mandeha izao teny mandeha izao, fa tsy PUB araka ny eritreritrao.

Joda 10/ Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany.


na ianareo na ry Apoka na ry asan'ny fahamarinana na ry foi foi sns ... dia io ilay basy marovava fitifitra olona rehefa tsy hay ny manazava ny hevitra

__ ko raha atao hoe RAIKO ! MAMINDRA FO AMIN4NY DAHOLO MOA IZANY NY REHETRA raha izany???

__ teny tsy voahevitra: (hihihihi...) asa na izaho no tsy mahahevitra na ny manindraindra ny tenany
dia « Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah". » (Joda 9)
__
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] » (Matio 5:22)
NY FASAHIANAO MANOHITRA AHY AMIN4NY BIBY TSY MANAN-TSAINA DIA efa ahalalako ny andriamanitra tompoinao.
7. Rafieritreretana ( 07/08/2015 13:09)
ndriii ...
Mais l'homme animal ne reçoit pas les choses de l'Esprit de Dieu, car elles sont une folie pour lui, et il ne peut les connaître, parce que c'est spirituellement qu'on en juge. L'homme spirituel, au contraire, juge de tout, et il n'est lui-même jugé par personne. I-Corinthiens 2/15

Henoy le radio de ho fantatrao ny marina eh:
http://www.holydestination.mg/
http://hffradio.caster.fm/
8. bor2lais ( 07/08/2015 13:51)
strong3:

c était la pub ... vaovao kou izany! hihihi

:-)
9. gasy1zay ( 07/08/2015 14:54)
Ito ve ilay episkopo t@ émission Misy raha la terre tao @ TVplus taona maromaro lasa zay?
10. bor2lais ( 08/08/2015 09:57)
H.S
Tamin'ny voalohany tsy azoko mihitsy ny tian'ilay lohateny lazaina "Radio mitory an'i YAHOSHUAH".
- mitory any amin'ny fitsarana ve ?
- fa inona no olana @ ilay radio sy ilay antsoina hoe YAHOSHUAH ?
Tapitra ny H.S
:-)
11. Strong3 ( 10/08/2015 11:08)
enoy ny radio episkopo ... sinon mitovy amin'ny biby izay tsy mihaino

hoy ny baiboly hoe izany; dia averin'ny mpianatr'i episkopo eto koa izany sy amin'ny izay alehany
biby tsy misy saina izay tsy mivavaka sy tsy mihaino ny radioany hihihih

yahoshuah izao kay mahay vava? tsy mba mora fanahy
dia gaga enw... dia haiko mora hoazy hoa ny dadanao eh hihihi
12. endriny ( 13/08/2015 05:02)

Rafieritreretana:


Moustaraf anga niova anarana?
13. endriny ( 13/08/2015 05:05)

Rafieritreretana:


Marina ny voalazanao, ilaya tao hoe Jesosy dia tsy tokoyn ho tonga handrava ny lalana efa nomen'Atra (izay tsy mivadika) fa tokony tonga hanavotra an'Israely hiala amin'ny fampahoriana manjo azy....

Ny Sisa fanambakana sy fandrebirebena mba handoavantsika vola sy harena ho any Eraopa fotsiny
14. Mpamantatra ( 15/08/2015 15:21)
marina alo ny tenin ny rafieritreretana atreto.
Efa nihaino lay RADIO HFF 97.2 FM za
fa tsy naheno any EPISCOPO niteny za oe biby zay tsy mihaino ny radiony sdy efa mande ko ane zao lay radio internet sy tele internet ndry zareo zao e , mila arahina maso ilay izi an! ao @ www.radiohffyahoshuah.com fa lay ary @ holydestinatio otrany tsisy tsony an! ngambany notapahan dry zareo.
15. psni ( 15/08/2015 20:02)
Bjr. Saik mb amaly kely an i strong 3 . Itako oe ef panarak b anle fandaharana am radio an episkopo enao an. Satria maharak we mampianatr momban ny ET sy le we mila mverina am le nom d'origine .donc on peut dire we ef ela iany enw n nieno d ts mazak le famarinana nga no lasa mapitombo s mamorona e satri mb ela ko no nienoko azy f ts naeno episkopo niteny za we biby ze ts manarak ny fivavahany f enw n mamorana .fa ny henoko tena miverimberina ao d we ze te wan andantra d mila miditra am fanjakan yahoshuah ao mle torin episkopo satri itondra olona wan andanitr n natongavany.
D wan i raferitreretana njay .merci ny am fapafatarana sy fanazavana e . Fa hita we tena segondra frny marna e .

So alo f mlgsy comme moi no vofidy hitondra anle famarinana frny f ra tszny ngamb d mbl nsalobona teto .

Way j'ai du oublié f ra anw C la pub iany enw strong3 d mety f pub ny hffradio atw e.sa ah? Atwvy we C la pub C la pub C la publiciT?hff radio ?ilay mitory ny famonjena farany.?




Mbl mieno hff radio fna zay an . D toizo ko ny fienona hff radio ry strong 3 a.

Way j'ai du oublié f ra anw pub iany wa enw strong 3 d pub radio hff atw am C la pub C la pub publiciT?hffradio ilay mtory ny famonjena farany?
16. Rafieritreretana ( 16/08/2015 14:24)
Etano hatrany hatrany ireo namana aman-tsakaiza hanjohy ny Radio-TV hff:
-> http://www.radiohffyahoshuah.com/index.html
-> http://www.radiohffyahoshuah.com/radio.html
-> http://www.radiohffyahoshuah.com/tv.html

The teaching will start on Thursday 20 August 2015
L'enseignement debutera le Jeudi 20 Aout 2015
Ny fampianarana dia hanomboka ny Alakamisy 20 Aogositra 2015

Ora Fampianarana - Programme de l'enseignement - Teaching program:
O8H30 (Malagasy)
10H30 (Français)
12H30 (English)
15H00 (Malagasy)
17H00 (English)
19H30 (Malagasy)
22H00 (Malagasy)
01H00 (Français)
17. psni ( 16/08/2015 19:38)
Merci raferitreretana tamle programan i radio hff an. Ao f arahina f interessant b le iz sdy tena mtory famonjena f tena ef b ny fampianarana narahako f tena hafa kely mits ny am radio hff e. Tao rery n nahenoko niteny we wany an-danitra. Tam voaloany za lo gaga b e !oe inn zny ? F ref tena nieno za d tena vOporofo ara tsoratra masina dhlo ze teneniny d tena hitako we marna tsis azo lavina le izy. Ary tena mtombona b le we mtondra wany an-danitra.

F nénah zw ny tiko fantarina d we . F avy aiza episkopo ? D iza izy? Satri mb b ihany zay heno nitory sy namaky baiboly fa tsis nahita ny tena famarinana mtovy am famarinana torin episkopo.

Za lo tena manentana we henoy fna reto ny radio hff f tena mtory famonjena a . Zay strong 3 an .aza tnga d tezitr f ataov oh ny nataoko. Nieno fna aloha frny tena nahita we tena marna le izy .

Za lo faly b we tnga eto Mdagascar ny teny famonjena f mb raiso sary antsaina nge we ra tany an-dafy io no tnga d ah? Zny tsika?

Za tena resy lahatr b f ts hitako we aiza n misy anle fiangonana ? D inna no tkny ataoko f tena resy lahatr ?

18. Rafieritreretana ( 17/08/2015 10:08)
psni/ Za tena resy lahatr b f ts hitako we aiza n misy anle fiangonana ? D inna no tkny ataoko f tena resy lahatr ?

Toro hevitra no omeko raha maniry ny ho any an-danitra marina ianao; manomboka izao ianao dia mivavaha amin'i "YAHOSHUAH" ary mangataha aminy hoe: "mba ataovy tafiditra ao amin'ny fanjakanao hoe 'za Yahoshuah"... aza miteny zavatra betsaka fa 'zay ihany tenenina!
-> Ny tanony: Tsy ny olona resy lahatra na izay manaiky ny fahamarinana reny no mahazo miditry ny lanitra, "fa izay voafidy ihany"! Dia mangataha amin'i Yahoshuah mba ho isan'ireo voafidy ianao.

Nanotany ianao hoe: F nénah zw ny tiko fantarina d we . F avy aiza episkopo ? D iza izy?
Ny fanotaninao dia mitovy amin'izao ihany: "Fa avy aiza Yahoshuah, de iza izy?
Raha nilaza tamin'ny mpianany Yahoshuah indray andro hoe: "Fa ataonareo ho Iza moa Aho", ary dia samy nanana ny famaly ireo, ary nisy aza ny tafintohina nony nahare fa tsy avy ety aminareo aho; ka aoka ianao hahay mandray 'izay teny kely ho ambarako mikasika ny fanotanianao ny momba an'i Episkopo, dia mahaiza mihaino, fa tsy ny rehetra no nomena sofina hahay mihaino sy mandray izany:

Ny manambara an'i Episkopo Samuelson Edouard!
Isaia 52:7/ 7Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly ery an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Ary any amin'ny Nosy no hioavan'izany lalàna izany (Madagasikara)
Isaia 42:1-4/ 1Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy. 2Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana. 3Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy. 4Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.
* Ary hisy fampianarana hivoaka avy amin'izany Nosy izany, amin'ny teny miambakavaka...
Isaia 28:19/ 19Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
Isaia 28:11-12/ 11Eny, amin'ny molotra miambakambaka sy amin'ny fiteny baiko no hitenenany amin'ity firenena ity, 12Izay nilazany hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo.

Ary hoy koa ianao hoe: Satri mb b ihany zay heno nitory sy namaky baiboly fa tsis nahita ny tena famarinana mtovy am famarinana torin episkopo.
Ny ahafahana miaraka amin'Andriamanitra dia lalàna; ary ny teny rehetra izay nambaran'i Yahoshuah dia lalàna avokoa:
Jaona 12:49-50/ 49satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. 50Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko.
Midika izany, fa ny lamim-pamonjena nomen'Andriamanitra dia misy lalàna mifehy azy, fa tsy samy maka hoazy araka ny fanaon'ny olona. Ny fampianaran'i YAHOSHUAH izay entin'i Episkopo dia zava-MASINA ao amin'Andriamanitra, kanefa ny lalàna manao hoe:
Matio 7:6/ 6Aza omena ny alika izay masina;...
Apok 22:15/ 15Fa any ivelany ny alika...

Izany hoe: IZAY ZAVA-BOAHARY TSY AO AN-DANITRA, ao amin'Andriamanitra, dia tsy mahazo mitondra io teny marina sy masina io (fampianaran'i Yahoshuah), fa IZAY AVY AO AN-DANITRA IHANY, AO AMIN'NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA no mahazo mitondra azy.
--> ARY IZANY TOKOA ILAY EPISKOPO anotaninao.

Ary ny fanjakan'i Yahoshuah dia tsy ety an-tany; fa ao an-danitra!
Izany hoe, i EPISKOPO dia tsy olona avy ety an-tany tahaka antsika, fa avy any an-danitra izy.
Jaona 18:36/ 36Yahoshuah namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako.

SAROTRA 'LAY FANAZAVANA SATRIA ZAVA-PANAHY BE, fa reference omeko anao farany dia mikasika ny ISIRAELY.
Mbola hovonjena indray ny ISIRAELY satria misy voafody handova ny fiainana ihany koa ao, saingy any am-parany vao tonga ny teny ho Azy ireo, fa isika hafa firenena kosa izao efa mandeha etin'ny Episkopo izao. Kanefa izay teny hambaran'i Episkopo amin'ny Jentilisa (hafa firenena) ihany, no hambaran'ilay HAZO OLIVA ROA amin'ny ISIRAELY indray; ary mbola hamono azy indray ny JIOSY.
Apok 11 :3-4;7 ;/ 3Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana. 4Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany. 7Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.

Hahita fitia amin'i YAHOSHUAH anie ianareo rehetra izay mandray am-po ny teniny! Allalou-YAH
19. Strong3 ( 18/08/2015 09:36)
c était la pub! :-)

anotanio an'ingahy mailhol hilazany azy fa za tsy dia maharaka hoe ahoana izy ao.

de mifambosibosy hoe tena marina io, de i episkopo irery no mahalala ny marina hatramin'izay 2000 taona izay ka izao vao nampidinin'Atra ny lhl hitory ny marina!
fa ireo teo aloha sy ny sasany badra daholo!

sao mba psuedo maro fa olona iray tokoa aza ireto telo mitoetra mifanaraka tsara ireto.

c était la pub! :-) :-)
Ary ny fanjakan'i Yahoshuah dia tsy ety an-tany; fa ao an-danitra!
Izany hoe, i EPISKOPO dia tsy olona avy ety an-tany tahaka antsika, fa avy any an-danitra izy.

sao mba Jesoa koa aza izy (hay Yahoshuah mantsy eh) ?
Miaiky anareo ya zayyy!
20. ranthson ( 19/08/2015 13:57)
Io na Jesosy na YAHOSHUAH na Jésus, na Jesus, na Jehovah dia mitovy iany. Izy iany no namorona sy nampizarazara ny fiteny teto an-tany. Fa ny mahavonjy anao dia ny finoana anao an'i Jesosy sy ny fitandremana ny didiny. Ny jiosy sy ny hafa firenena dia iray ihany eo amin'Andriamanitra. ef mitovy izao na jentilisa na Jiosy. ef 2 : 15 "ayant anéanti par sa chair la loi des ordonnances dans ses prescriptions, afin de créer en lui-même avec les deux un seul homme nouveau, en établissant la paix," . tsy ny didy folo no rava eto fa ny didy mahasamy hafa ny Jiosy sy ny jentilisa. Izay mandrava ny didy folo dia very.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4572