Radio mitory an'i YAHOSHUAH

221. RA TAN ( 05/04/2017 05:19)

stahtam:

RA TAN a! miverena fa tsy any intsony ny làlana e! resaka efa tany aloha elaba tany ireo averinao ireo! Atodiho aty aoriana ny lohanao fa mihodin-dreny! 180° ilay angle ihodinana! lasa mampalahelo any ianao satria resaka efa nisy valiny daholo ireo mbola ivandravandranao ireo. Avelao ho any fa tsy hisy hamaly anao @ ireo intsony eo.

==> Marina fa resaka efa ela be tany aloha tany ireo, fa tena mbola tsy voavalinao ireto:
IZA NO ANARAN'IZANY MBA MESIA-NAO IZANY???
RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY MBA AHATANTERAKA NY TENIN'NY MPAMINANY???
Satria nolavinao ny testameta vaovao.

Eto indray ianao milaza fa tsy hamaly an'ireo intsony. Matoa ianao tsy mahavaly an'ireo dia marina ny testameta vaovao; marina i Yahosuah.
222. RA TAN ( 06/04/2017 05:06)

stahtam:

RA TAN a! miverena fa tsy any intsony ny làlana e! resaka efa tany aloha elaba tany ireo averinao ireo! Atodiho aty aoriana ny lohanao fa mihodin-dreny! 180° ilay angle ihodinana! lasa mampalahelo any ianao satria resaka efa nisy valiny daholo ireo mbola ivandravandranao ireo. Avelao ho any fa tsy hisy hamaly anao @ ireo intsony eo.

==> Marina fa resaka efa ela be tany aloha tany ireo, fa tena mbola tsy voavalinao ireto hatramin'izao:
IZA NO ANARAN'IZANY MBA MESIA-NAO IZANY???
RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY MBA AHATANTERAKA NY TENIN'NY MPAMINANY???
Satria nolavinao ny testameta vaovao.

Eto indray ianao milaza fa tsy hamaly an'ireo intsony. Matoa ianao tsy mahavaly an'ireo dia marina ny testameta vaovao; marina i Yahoshuah, fa diso daholo izay eritreritrao manokana any
223. stahtam ( 06/04/2017 06:18)

RA TAN:

[quote=stahtam]
RA TAN a! miverena fa tsy any intsony ny làlana e! efa tany aloha elaba tany ireo averinao ireo! Atodiho aty aoriana ny lohanao fa mihodin-dreny! 180° ilay angle ihodinana! lasa mampalahelo any ianao satria efa nisy valiny daholo ireo mbola ivandravandranao ireo. Avelao ho any fa tsy hisy hamaly anao @ ireo intsony eo.

==> Marina fa efa ela be tany aloha tany ireo, fa tena mbola tsy voavalinao ireto hatramin'izao:
IZA NO ANARAN'IZANY MBA MESIA-NAO IZANY???
RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY MBA AHATANTERAKA NY TENIN'NY MPAMINANY???
Satria nolavinao ny testameta vaovao.

Eto indray ianao milaza fa tsy hamaly an'ireo intsony. Matoa ianao tsy mahavaly an'ireo dia marina ny testameta vaovao; marina i Yahoshuah, fa diso daholo izay eritreritrao manokana any

[quote=stahtam]
RA TAN a! Ianao dia iharan'ilay fitenenana hoe "tsy misy jamba mihoatra ny tsy te-hahita ary tsy misy marenina mihoatra izay tsy te-handre". Ny fahazoako io fihetsikao io dia izao: tena tsy zakanao ny nahatakarako ny paipaika fita-bitro saika hataonareo sy ry YAHOAVAO ary ry MINDAOZY teto, ary mbola te-hisikotra lalina ilay anaran'ny Mesia arahiko ianao fa lany hevitra dia io mampiasa couleur sy majuscules tsy misy farany io. Mbola aiza anefa no hahazo anareo eto e!
Na izany aza omeko valin-teny sahaza foana ianao satria teniko ny hoe arosoy raha mbola misy abobo sy saka be loha hamidy any.
Dia hasesiko àry e:
"fa tena mbola tsy voavalinao ireto hatramin'izao":
1°) IZA NO ANARAN'IZANY MBA MESIA-NAO IZANY???
Fanindroany na fanintelony na faninefany akory aza no anomezako ity valin-teny ity:
a°) Raha "curiosité" te-hahalala zavatra fotsiny, dia tsy hahazo fahafaham-po ianao satria ny fivavahana aminay dia famonjena. Ny anarana dia mitondra famojena. Ny famonjena dia vatosoa ka tsy....
b°) Raha TENA AZONAO ANTOKA kosa fa "EFA MANANA FAMONJENA" ianao dia tsy tsara ho anao intsony ny miala @ izay efa inoanao;
d°) Raha ny mifanohitra @ izay kosa anefa ka "famonjena" no TENA TADIAVINAO dia hoy aho hoe: harena miafina ny famonjena ka katsahina fatratra aloha. Jerena ao anaty baiboly ny fomba fitadiavana azy (mamaky ny faminaniana sy mamantatra ny tena heviny fa tsy manao tora-po tahaka ny ataonao) Rehefa hita ilay toerana misy azy dia manao izay fomba rehetra hahazoana azy ilay mpitady. Ny bokin'ny kristiana moa dia milaza hoe "ary dia nivarotra ny fananany rehetra ralehilahy ka nividy izany saha (misy ilay harena miafina) izany.
KA ASA, IZA @ IREO TOERANA TELO IREO NO MISY ANAO?
2°) "RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY MBA AHATANTERAKA NY TENIN'NY MPAMINANY???"
Tenin'ny mpaminany iza no nilaza fa hanao génocide ana zazakely izahay? mpaminany Israeliana ve? sa ny ambasadaoron'i Yahoshuah? Io ange ilay nolazaiko hoe averinareo atao pli vava fotsiny izay lazain'i episcopo fa tsy mba mampiasa loha mandinika e!
3°) "Eto indray ianao milaza fa tsy hamaly an'ireo intsony. Matoa ianao tsy mahavaly an'ireo dia marina ny testameta vaovao"
Raha nitanisa ireny "porofo" rehetra ianao avy ao @ TV (tesatmenta vaovao-nareo) dia nampiako t@ Matio 2/23 mba hiraikitra tsara. Rehefa nangatahako ny anaran'ilay mpaminany Israeliana nilaza io faminaniana io anefa aho dia tsy nisy anarana nipoitra hatr@ izao. Izany ve no mba raisonnement-nareo?
4°) "marina i Yahoshuah, fa diso daholo izay eritreritrao manokana any"
- Yahoshuah no nahary izao tontolo izao hoy i Herilanto777 ary nataony LOHAHEVITRA iray goavana mihitsy izany. Marina ve io?
- Yahoshuah dia sady zanaky ny fanahy (araka ny TV-nareo) no zanak'i Davida araka ny nofo hoy ianao. Marina ve izany? Sa ... eritreritro manokana?

Omeko famindram-po ihany anefa ianao: raha omenao, ny anaran'ilay mpaminany isreliana nilaza hoe: "hatao hoe Nazarena ny Mesia" (Matio 2/23) dia
a- homeko anao ny anaran'Ilay Mesia arahiko sady
b- hanaiky AMPAHIBEMASO eto @ ity forum ity AHO hoe: MARINA ny TESTAMENTA VAOVAO(nareo)! OK
224. RA TAN ( 13/04/2017 07:46)
stahtam:

RA TAN a! Ianao dia iharan'ilay fitenenana hoe "tsy misy jamba mihoatra ny tsy te-hahita ary tsy misy marenina mihoatra izay tsy te-handre"....

1°) IZA NO ANARAN'IZANY MBA MESIA-NAO IZANY???
.... Ny anarana dia mitondra famojena. Ny famonjena dia vatosoa ka tsy....

... "famonjena" no TENA TADIAVINAO dia hoy aho hoe: harena miafina ny famonjena ka katsahina fatratra aloha. Jerena ao anaty baiboly ny fomba fitadiavana azy (mamaky ny faminaniana sy mamantatra ny tena heviny fa tsy manao tora-po tahaka ny ataonao) Rehefa hita ilay toerana misy azy dia manao izay fomba rehetra hahazoana azy ilay mpitady. Ny bokin'ny kristiana moa dia milaza hoe "ary dia nivarotra ny fananany rehetra ralehilahy ka nividy izany saha (misy ilay harena miafina) izany.....

Raha nitanisa ireny "porofo" rehetra ianao avy ao @ TV (tesatmenta vaovao-nareo) dia nampiako t@ Matio 2/23 mba hiraikitra tsara. Rehefa nangatahako ny anaran'ilay mpaminany Israeliana nilaza io faminaniana io anefa aho dia tsy nisy anarana nipoitra hatr@ izao. Izany ve no mba raisonnement-nareo?

Valiny:
Ra vao nanda ny testameta vaovao i stahtam dia mazava fa mitsipaka an'i Yahoshuah ilay zanak'A/tra koa; ary namafisiny mihintsy fa tsy mino izay rehetra voasoratra ao @ testameta vaovao izy.
Rehefa nanontaniako ny anaran'izay mba mesia-ny izy (araka ny testameta taloha fa tsy araka ny testameta vaovao intsony) dia gaga aho fa mbola ny teny aty @ testameta vaovao izay efa nolazainy fa tsy marina indray eto no entiny hialokalofana sy ataony hiarovany tena(harena miafina ...); fa tena tsy sahy miteny ny anaran'ny mesia-ny i stahtam.

Vao nanda ny testameta vaovao i stahtam dia napetrako taminy ny fanontaniana hoe IZA ARY IZANY MESIA-NAO IZANY??? izay tsy ao @ testameta vaovao mazava hoazy, fa ny aty @ testameta vaovao dia fahatanterahan'ny tenin'ny mpaminany ka efa nanondro an'i YAHOSHUAH. Fa tsy sahy namaly an'io fanontaniana io i stahtam nefa io no fanontaniana voalohany nipetraka, fa taty aoriana izy vao nanodin-dresaka dia nametraka an'ilay "mat,2:23" mba entiny handosirana an'ilay fanontaniako tsy voavaliny
225. stahtam ( 13/04/2017 08:26)

RA TAN:

[quote=stahtam]

RA TAN a! Ianao dia iharan'ilay fitenenana hoe "tsy misy jamba mihoatra ny tsy te-hahita ary tsy misy marenina mihoatra izay tsy te-handre"....

1°) IZA NO ANARAN'IZANY MBA MESIA-NAO IZANY???
.... Ny anarana dia mitondra famojena. Ny famonjena dia vatosoa ka tsy....

... "famonjena" no TENA TADIAVINAO dia hoy aho hoe: harena miafina ny famonjena ka katsahina fatratra aloha. Jerena ao anaty baiboly ny fomba fitadiavana azy (mamaky ny faminaniana sy mamantatra ny tena heviny fa tsy manao tora-po tahaka ny ataonao) Rehefa hita ilay toerana misy azy dia manao izay fomba rehetra hahazoana azy ilay mpitady. Ny bokin'ny kristiana moa dia milaza hoe "ary dia nivarotra ny fananany rehetra ralehilahy ka nividy izany saha (misy ilay harena miafina) izany.....

Raha nitanisa ireny "porofo" rehetra ianao avy ao @ TV (tesatmenta vaovao-nareo) dia nampiako t@ Matio 2/23 mba hiraikitra tsara. Rehefa nangatahako ny anaran'ilay mpaminany Israeliana nilaza io faminaniana io anefa aho dia tsy nisy anarana nipoitra hatr@ izao. Izany ve no mba raisonnement-nareo?

Valiny:
Ra vao nanda ny testameta vaovao i stahtam dia mazava fa mitsipaka an'i Yahoshuah ilay zanak'A/tra koa; ary namafisiny mihintsy fa tsy mino izay rehetra voasoratra ao @ testameta vaovao izy.
Rehefa nanontaniako ny anaran'izay mba mesia-ny izy (araka ny testameta taloha fa tsy araka ny testameta vaovao intsony) dia gaga aho fa mbola ny teny aty @ testameta vaovao izay efa nolazainy fa tsy marina indray eto no entiny hialokalofana sy ataony hiarovany tena(harena miafina ...); fa tena tsy sahy miteny ny anaran'ny mesia-ny i stahtam.

[quote=stahtam]
RA TAN a!
1°) Raha mbola manontany ahy an'io anaran'ny Mesia inoako io ianao dia tsy hiova ny VALINY homeko anao fa ity ihany:
a°) Raha "curiosité" te-hahalala zavatra no hevitr'io teny io dia tsy hahazo fahafaham-po ianao satria ny fivavahana aminay dia famonjena. Ny famonjena dia vatosoa sarobidy ka tsy mety zarazaraina toa ny mizara vatomamy.
b°) Raha TENA AZONAO ANTOKA kosa fa "EFA MANANA FAMONJENA" ianao dia tsy tsara ho anao intsony ny miala @ izay efa inoanao;
d°) Raha ny mifanohitra @ izay kosa anefa ka "famonjena" no TENA TADIAVINAO dia hoy aho hoe: harena miafina ny famonjena ka katsahina fatratra aloha. Jerena ao anaty baiboly ny fomba fitadiavana azy (mamaky ny faminaniana ohatra,...). Ny bokin'ny kristiana moa dia milaza hoe "ary dia nivarotra ny fananany rehetra ralehilahy ka nividy izany saha (misy ilay harena miafina) izany.
- Ka ahoana, mbola hanontany ihany ve? Io ny valiny.
2°) Aleo mba hampiana kely ilay fahatakaran-javatra fa dia mirefarefa loatra no sady miverimberina ilay resaka e!
Ny antony anomezako fanampim-panazavana avy ao @ TV-nareo dia satria Kristiana ianao miresaka amiko ka zavatra takatrao sy boky inoanao mihitsy no resahiko mba hahatakaranao ilay tiako holazaina. Io ilay hoe: ny anareo ihany no anajana anareo rehefa mitady porofo e. Fa aza terena hoe izaho no hino an'io. Mazava (@ izay) ve? Dia mba tadidio tsara izany @ manaraka e!
3°) "Vao nanda ny testameta vaovao i stahtam dia napetrako taminy ny fanontaniana hoe[b] IZA ARY IZANY MESIA-NAO IZANY??? izay tsy ao @ testameta vaovao mazava hoazy"
Valiny: efa nilaza aho teto hoe ao @ Test Taloha ary voasoratra @ teny hebreo ilay izy saingy efa jemby sy mirepirepy loatra ianao manao ireny majuscules maroloko ireny dia fanina. Dia mba karohy ao raha tena mahaliana anao ilay izy e!
4°) "Fa tsy sahy namaly an'io fanontaniana io i stahtam nefa io no fanontaniana voalohany nipetraka"
Valiny: jereo àry io 1°) eo ambony io fa sahiko valiana @ izay izy eo ary mbola hovaliako tahaka an'io ihany raha mbola manontany ianao.
5°) "fa taty aoriana izy vao nanodin-dresaka dia nametraka an'ilay "mat,2:23" mba entiny handosirana an'ilay fanontaniako tsy voavaliny".
Ka rehefa minia tsy mijery ilay valiny nomeko kosa ve ianao dia mbola handany andro amin'olona jamba eo ihany aho? Dia raha mihodina any @ matio 2/23 àry ilay resaka, tsy efa mba mihiratra @ izay ve ny masonao any satria ny Testamenta Vaovao, ilay tena kapoakana(re)o mihitsy io sady "FAHATANTERAHAN'NY TENIN'NY MPAMINANY (sic!...mdr)"?
Izao indray no teniko e: ento raha mbola misy abobo sy lainga vaovao indray any hatao publicité eto fa hataontsika @ fanaovana azy. Ilay Yahoshuah NAHARY ny lanitra sy ny tany aloha efa tsy ni-passe intsony satria nohehezin'ny akoho tokana anaka. I Herilanto777 nanokatra iny resaka iny aza tsy hita popoka mandrak'ity ny androany. SA hatao amboletra indray?
226. RBNIR ( 13/04/2017 08:32)
stahtam:

... "famonjena" no TENA TADIAVINAO dia hoy aho hoe: harena miafina ny famonjena ka katsahina fatratra aloha. Jerena ao anaty baiboly ny fomba fitadiavana azy (mamaky ny faminaniana sy mamantatra ny tena heviny fa tsy manao tora-po tahaka ny ataonao) Rehefa hita ilay toerana misy azy dia manao izay fomba rehetra hahazoana azy ilay mpitady. Ny bokin'ny kristiana moa dia milaza hoe "ary dia nivarotra ny fananany rehetra ralehilahy ka nividy izany saha (misy ilay harena miafina) izany.....

Ekeko fa misy dia misy tokoa zavatra tsy filaza ampahibe maso fa saingy raha ilay famojena kosa aloha dia tena tsorina fa fitiavana no tokony hanosika ny olona hitory.....

Raha raisinao tahaka ny tenanao ilay olona (tsy tianao ho very any amin'ny afo maharitra mandrakizay) dia tsy hitako izay manakana anao tsy hitory?????

227. RA TAN ( 13/04/2017 09:11)
NB:
Na ny testameta taloha na ny testameta vaovao dia samy avy @'A/tra daholo, dia samy ekenay "kristiana"(mpanaradia an'i Yahoshuah) daholo ireo.
Fa i stahtam no mitsipaka ny testameta vaovao; mitsipaka ny fahatanterahan'ny tenin'ny mpaminany israeliana nambara tao @ testameta taloha; dia mitsipaka ny testameta taloha koa izany mazava hoazy.
=> SAMY TSY MISY FANTATR'I STAHTAM NA NY AO @ TESTAMETA TALOHA NA NY TESTAMETA VAOVAO.
FA IZAY MANANA NY FANAHIN'A/TRA KOSA DIA MAHAFANTATRA NY ZAVATRA REHETRA , KANEFA TSY AZON'NY OLONA FANTARINA (1KOR,2:15).

Noho izany, diso be i stahtam miteny hoe "ny testameta vaovao no mba kely fantatry ny mpanaradia an'i Yahoshuah".
Fa ny tena marina dia izao: tsy misy fantatr'i stahtam koa ny testameta taloha dia izany no mahatonga azy tsy mahita avaly ny @ fanontaniako.
228. stahtam ( 13/04/2017 12:31)
ho an'i RA TAN "mahafantatra ny zavatra rehetra":

1- "Na ny testameta taloha na ny testameta vaovao dia samy avy @'A/tra daholo, dia samy ekenay "kristiana"(mpanaradia an'i Yahoshuah) daholo ireo"
- Misaotra anao nokibokiboin'ny marina.Io ilay abobo manaraka nandrasako fa nivoaka. Henoy tsara àry:
Elôhym (Ilay nahary ny lanitra sy ny tany) no nanome ny teniny ho an'ny olony (Sal 147/19,20) dia ny Test taloha izany (Lalàna, Mpaminany, Salamo). Ny anao Yahoshuah no nahary ny lanitra sy ny tany, mitovy ve izany?
Nolazainao io Elôhym io fa "tsisy dikany"; noho izany adversaire-n'ilay A/tra inoanao izany Izy. Noho izany boky hafa (testamenta taloha, hafa) ilay voalazanao hoe avy amin'io A/tra io fa tsy ilay testamenta nomen'i Elôhym.
Ny Test Vaovao dia avy @ A/tra fa tsy avy @ Elôhym. Porofon'izany: tsy misy anarana mpaminany nirahin'i Elôhym azonao avoaka eto raha anontaniako ianao hoe: iza no naminany ny Matio 2/23 ka nahatonga an'i Yahoshuah hoe Nazarena? TSY MISY. Noho izany mpandainga ianao.
2- "Fa i stahtam no mitsipaka ...; mitsipaka ny fahatanterahan'ny tenin'ny mpaminany israeliana nambara tao @ testameta taloha; ...mitsipaka ny testameta taloha koa izany mazava hoazy. => SAMY TSY MISY FANTATR'I STAHTAM NA NY AO @ TESTAMETA TALOHA NA NY TESTAMETA VAOVAO"
Tenin'ny mpaminany israeliana iza àry no tanteraka ao @ matio 2/23 dia manaiky aho fa marina ny raisonnement-nao. Fa raha teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza kosa io ka holazaina foana hoe marina nefa zavatra diso, dia hoy aho hoe ny zazakely no manana fomba fisainana toa izany.
3- "FA IZAY MANANA NY FANAHIN'A/TRA KOSA DIA MAHAFANTATRA NY ZAVATRA REHETRA , KANEFA TSY AZON'NY OLONA FANTARINA (1KOR,2:15)"
a- Ny Eks 12/12 anefa izao tsy fantatrao, dia ny mpaminany naminany ny Matio 2/23 koa tsy fantatrao; ka inona no zava-drehetra fantatrao?
b- Ny lainga rehetra avoakana(re)o eto izao efa nofantariko (sady noheheziko) ka ianao ve dia mba milaza hoe tsy fantarin'olona?
4- "Noho izany, diso be i stahtam miteny hoe "ny testameta vaovao no mba kely fantatry ny mpanaradia an'i Yahoshuah".
Vao nanomboka ny Gen 1 dia nolazainao fa Andriana + manitra aty @ soratr'i Paoly no atambatra @ lakaoly ho lasa anaran'ilay nahary ny lanitra sy ny tany; vao nanomboka tao @ Eks 12/12 ianao dia efa nitrotrongy, ka inona no diso @ io zavatra nolazaiko io?
5- "Fa ny tena marina dia izao: tsy misy fantatr'i stahtam koa ny testameta taloha dia izany no mahatonga azy tsy mahita avaly ny @ fanontaniako."
Raha mpanao publicité évangélique tahaka anareo aho dia novaliako soa aman-tsara t@ Testamenta taloha ny fanontanianao saingy ianareo no milaza fa marina ny fampianaranareo dia ny fampianaranareo izany no toheriko ary porofoiko fa diso. Izaho dia tsy voaterin'iza na iza hanao publicité ny fampianarana inoako ka hamoaka izay tsy tiako hambara. Ny anao izay diso no asesikao eto dia asiako numéro arakaraka ny filaharany (miisa 29 izy izao ary feno 30 @ ity resakao farany ity)
229. RA TAN ( 13/05/2017 12:02)
Valio aloha ilay fanontaniako.
IZA NO ANARAN'ILAY MESIA-NAO?? izay maniraka anao hitsipaka ny baiboly. Mbola tsy novalinao io hatreto, nefa ianao mametraka fanontaniana amiko sahady.

Valio aloha io fa aza mitady hevitra andosirana ianao, fa ianao tsy afaka eo izany fa mifatotra ianao.

Ary efa niteny koa aho fa tsy nom propre izany ELOHYM teneninao izany, fa tonga dia tonony eto koa ilay nom propre râ milaza fa mahafantatra e
230. stahtam ( 15/05/2017 06:37)

[quote=RA TAN]

Ny Mesiako dia tsy maniraka ahy hitsipaka baiboly, porofon'izany nolazaiko fa ao anaty baiboly hebreo ny anarany. Tratra indray izany ny lainganao. Alefa foana mantsy ny fanaporofoana fa efa fahazaranao ilay mandainga.
Valiako ilay hoe omena ny anaran'ny Mesiako sy nom propre-n'i Elôhym: anarana atakalo anarana. Omenao aloha ny nom propre-n'ilay naminany tao @ Matio 2/23. Dia afatory aho raha tsy afa-po @ izay ianao
231. RA TAN ( 15/05/2017 08:09)

Fa iza izany iny naniraka anao hitsipaka ny baiboly iny raha tsy ny mesia-nao? Ilay elohym-nao izany iny?
Ary raha lazainao fa ao anaty baiboly hebreo izany dia lazao eto ary izany e! IZA ilay izy?
Izaho no nametraka fanontaniana taminao voalohany hoe: IZA ILAY ANARAN'IZANY MESIA-NAO IZANY??
Dia valio aloha io, fa rehefa milaza ny anaran'izany mesia-nao izany ianao dia izay aho vao mamaly ny MAT,2:23.

NB:
Aminao sy ny mesia-nao ary ny elohym-nao dia lainga daholo ny baiboly matoa notsipahinareo. Sady aminareo tsy misy marina na iray aza.
232. stahtam ( 15/05/2017 08:33)
Inona àry ity am-boletra tsy misy farany ity? Tapi-dalan-kaleha ve e? Ny Matio 2/23 dia porofo ahafantarana fa tsy azo antoka hanorenana finoana ny testamenta vaovao(nareo). Io no resaka, fa raha ny baiboly hebreo sady tsy hainao no tsy nomena anao, io no ekeko. Dia mbola hanohitra ihany ve? Noho io finiavana tsy hihaino resaka io dia ahitsiko tsara ny valin-teniko: nataoko ho an'i MINDAOZY ilay valin-teny nomeko anao teo fa ity no tena sahaza anao:

a°) Raha "curiosité" te-hahalala zavatra no hevitr'io teny io dia tsy hahazo fahafaham-po ianao satria ny fivavahana aminay dia famonjena. Ny famonjena dia vatosoa sarobidy ka tsy mety zarazaraina toa ny mizara vatomamy.
b°) Raha TENA AZONAO ANTOKA kosa fa "EFA MANANA FAMONJENA" ianao dia tsy tsara ho anao intsony ny miala @ izay efa inoanao;
d°) Raha ny mifanohitra @ izay kosa anefa ka "famonjena" no TENA TADIAVINAO dia hoy aho hoe: harena miafina ny famonjena ka katsahina fatratra aloha. Jerena ao anaty baiboly ny fomba fitadiavana azy (mamaky ny faminaniana ohatra,...).
Raha mbola manontany ahy an'io anaran'ny Mesia inoako io ianao dia tsy hiova ny VALINY homeko anao fa io ihany: ka ahoana, mbola hanontany ihany ve? Io ny valiny.
233. RA TAN ( 16/05/2017 00:04)
Tsy mila kabary lava be fa tonga dia tonony eto fotsiny ilay anarany raha sahy ianao e!
IZA NO ANARAN'ILAY MESIA-NAO IZAY NANIRAKA ANAO HITSIPAKA NY BAIBOLY????

Fa marina ny testameta vaovao aminay manaiky ny baiboly, fa ianao no te hanaiky ataon'ny devoly fitaovana any dia manohitra.

Ary ny baiboly hebreo koa tsy anao izany, fa an'ny Israeliana. Ianao mihintsy aza no efa nilaza fa gasy ianao fa tsy israeliana.

Tsy resaka curiosité araka ny eritreritrao izao, fa fanapotehana ny asan'ny devoly.
234. stahtam ( 16/05/2017 04:54)

[quote=RA TAN]
Tsy mila kabary lava be ...,
... fa fanapotehana ny asan'ny devoly.

[quote=stahtam]
Tsy misy kabary lava ity fa tonga dia lasa:
1°)"IZA NO ANARAN'ILAY MESIA-NAO IZAY NANIRAKA ANAO HITSIPAKA NY BAIBOLY????"
Tsy manana mesia naniraka ahy hitsipaka baiboly izany aho fa ny testamenta vaovao(nareo) izay baiboliNAREO (fa tsy anay) no tsy anorenako finoana. Ary io Mesiako io dia tsy teraka t@ lainga ka holazainao fa hatao hoe "Nazarena" (matio 2/23) nefa tsy nisy mpaminany israeliana naminany izany akory. Ny anareo no Nazarena.
2°) "Fa marina ny testameta vaovao aminay manaiky ny baiboly, fa ianao no te hanaiky ataon'ny devoly fitaovana any dia manohitra"
Aminareo izany. Ny anareo mantsy na lainga miharihary tahaka ny vay an-kandrina aza dia terena ho marina, ka anareo izany.
3°) "Tsy curiosité araka ny eritreritrao izao, fa fanapotehana ny asan'ny devoly"
Dia tsotra be izany: tsy ilay a°) izany no toerana misy anao. Izany hoe b°) izany no toerana misy anao satria mihevitra ianao fa efa manana ny marina (famonjena) matoa hamotika ny asan'ny devoly; ka dia ny valin'ny b°) ihany izany no avaliko anao dia alenteho ao an-tsainao tsara: "Tsara ho anao ny tsy miala intsony @ izay efa inoanao", dia iny atao dridran'ingilo eto fa anjarako ny manatsinkafona tsikelikely ny lainga fonosiny, tahaka ny efa nahazatra teto hatr@ izay e!
4°) "Ary ny baiboly hebreo koa tsy anao izany, fa an'ny Israeliana. Ianao mihintsy aza no efa nilaza fa gasy ianao fa tsy israeliana"
- Eny marina @ ampahany ny teninao fa an'ny Israeliana ny baiboly. Noho izany tsy marina ilay filazanao hoe naniraka ahy Ilay Mesia izay Israeliana, hitsipaka ny baibolin'ny israeliana. Tsy mi-colle mihitsy izany raisonnement-nao izany fa mba tonga saina. Dia aza mirediredy tahaka izany intsony fa mahamenatra olona.
- Tsy an'i Oria Hetita koa ny baiboly (fa an'ny Israeliana), tsy an'i Rota Moabita koa ny baiboly (fa an'ny Israeliana), tsy an-dRahaba Kananita koa ny baiboly (fa an'ny Israeliana) fa nigoka ny zava-tsoa azon'ny Israeliana t@ baiboly israeliana io koa ry zareo satria hendry sy nahay nanetry tena ka tsy nanangana secte, tahaka ny fanaonareo ankehitriny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.7925