Sabata

1. aina15 ( 11/01/2015 18:52)
Ny sabata dia andro natokana hivavahana sady arabaiboly. andro fahafir moa ny sabata? araka ny voalaza ao @ exodosy 20:8...dia milaza fa andro fahafito ny sabata. Betsaka koa ny milaza fa sabata dia alahady nefa andro voalohany @ herinandro ny alahady satria rehefa miteny ny filoha mpitarika na pasitora hoe ny sabata dia alahady dia manaiky avokoa ny sasany satria tsy mandinika ny baiboly .ny sabotsy dia andro fahafito koa manasa anareo aho mba handinika tsara ny voalazan baiboly fa aza mitoky @pasitora fotsiny fa tsy rehefa hoe pasitora dia masina avokoa fa misy koa ireny no tsy mahala ny fahamarinana koa dia manasa anareo ny tenako mba handalina tsara ny soratra masina d mahereza daholo
novalian'i RBNIR ny 08/02/2015 03:33
2. endriny ( 12/01/2015 06:25)
Io aloha dia iray amin'ny fandikana diso atao amin'ny baiboly efa nolazaina teto im-betsaka e... Miampy ilay fampiasana ny testamenta vaovao. Kanefa izy Jesosy aza nitandro ny torah na testamenta taloha moa izany ho fototry ny finoana fa tsy hoe ny tantarany akory no fototry ny finoana...
3. Tefigasy ( 12/01/2015 07:50)
aina15:

Ny sabata dia andro natokana hivavahana sady arabaiboly. andro fahafir moa ny sabata? araka ny voalaza ao @ exodosy 20:8...dia milaza fa andro fahafito ny sabata. Betsaka koa ny milaza fa sabata dia alahady nefa andro voalohany @ herinandro ny alahady satria rehefa miteny ny filoha mpitarika na pasitora hoe ny sabata dia alahady dia manaiky avokoa ny sasany satria tsy mandinika ny baiboly .ny sabotsy dia andro fahafito koa manasa anareo aho mba handinika tsara ny voalazan baiboly fa aza mitoky @pasitora fotsiny fa tsy rehefa hoe pasitora dia masina avokoa fa misy koa ireny no tsy mahala ny fahamarinana koa dia manasa anareo ny tenako mba handalina tsara ny soratra masina d mahereza daholo

Misaotra an'i aina15, ... fa raha izaho ianao ry aina tsy mijanona any amin'ny fanekena taloha fotsiny ihany fa miditra aty amin'ny fanekena vaovao. Betsaka anie ireo aloka sy tandindona tany amin'ny fanekena taloha no efa tanteraka aty amin'ny fanekena vaovao e, tsy momban'ny sabata ihany fa saika izy iray manontolo mihitsy.
Jesosy Kristy ary moa nilaza mazana hoe "tsy efa renareo va hoe ....(eksodosy).....Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe ......" , dia anjaranao ny misafidy hoe hijanona @ le eksodosy sa hitohy aty @ fahatanterahana vaovao indray.
Inona moa no tanjo'ny olombelona sy ny drafitr'Andriamanitra taorian'ny nanotan'i Adama ? ==> Ny mba ho voavonjy indray, hitsangana amin'ny maty, hiara-hiaina aAmin'Andriamanitra.
Nahavonjy ve ireny fombafomba sy ny namany tany amin'ny eksodosy ireny ==> Tsia.
Tsy miteny aho hoe ratsy ireny, saingy drafitra napetraka ambarapahatonga ny tena Izy, fa rehefa tonga ny tena Izy, tanteraka ny zavatra rehetra, Vita, dia ....... aleo ianao no hanohy azy aty amin'ny fanekena vaovao.
Efa lava be ny resaka sabata nalefa tato fa tsy hiresaka an'izay intsony aho. Nisy namana (pasitera advantsita) izay nilaza fa rehefa maty ny olona iray dia mijanona ao am-pasana ao miandry ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty. Izany hoe any amin'ny fiainan-tsy hita izany, izay ihany koa moa ny sary naseho tamin'ny fanekena taloha.
Dia hoy aho mantsy azy hoe: inona izany aminao no dikan'ny fitsanganan'i Jesoa Kristy tamin'ny maty, sy ny teny nataony tamin'ilay dahalo teo ambony hazofijaliana hoe "anio no hihaonanao amiko any paradisa ?" Tsy ho lazaiko eto ny navalin'ity namana iray ity fa tsy ara-baiboly mihitsy fa dia ny tsirairay no aoka handinika.
4. RBNIR ( 12/01/2015 12:54)
Faly misera ry namana isany,

Izay nampianarin'i Jesosy Kristy tamin'ireo mpianatra no marina.......

5. vahiny2004 ( 12/01/2015 13:50)

ka ny calendrier mihintsy aza hoy ilay tary iray no diso ka inona intsony no marina fantatra @ asabotsy sy alahady

efa hoe ndao averina daholo fa diso daholo e
6. hery ( 12/01/2015 14:20)
Hafa indray RBNIR izany androany.

Rehefa mikasika ny fahafolon-karena izy tsy miteny hoe "Izay nampianarin'i Jesosy Kristy tamin'ireo mpianatra no marina...." sa ve iny resaka bizna? :-p
7. gasy1zay ( 12/01/2015 14:22)
Andro sabata = samedi=asabotsy no andro fahafito sy fitsaharana teo @ Jiosy
Andro voalohany = alahady dia ilay andro voalohany nitsanganan'i Jesoa t@ maty

ny andro alahady dia hahatsiarovana voalohany indrindra ny nitsanganan'i Jesoa t@ maty ary io no natao ho sabata hoan'ny Kristianina

Ka io izay mety @ finoanao hoe ilay andro fitsaharana (sabata=sabotsy) aho no hidera an'Andriamanitra na ilay andro hahatsiarovana ny nitsanganan'i Tompo (Alahady)

Jereo tsara ny baiboly fa tsy misy milaza koa ao hoe izay tsy mivavaka alahady na sabotsy dia tsy voavonjy fa izay maharesy lahatra anao arahina dia tazomy ny finoana
8. rhaj0 ( 12/01/2015 14:35)
Nisy ilay caricature-n'i Mahomet/Moslimo/sns... iray izay. Dia ny fanondro gladibe an'i.. Allah, efa hitovy @ haben'ny lohan'olo, ilay fanondro be avy any an-danitra no manindry ny lohan'ilay Moslimo. Dia hoe, i Mohamet dia lehibe ary afaka miaro tena na manao izay tiany atao sy milaza an'izay tiany lazaina ny tiany ho lazaina, fa tsy ianao no hanao izany @ toerany..

ka raha hiady hevitra @ sabata eto ianareo, dia raha ny fahitako azy,dia tena mety ho torak'izay koa ... i Jesosy (ohatra) dia lehibe, ka afaka mampita izay tiany ampitaina @ tsirairay, fa tsy "ianao" no hisolo-vava azy eo...

ka dia samia fotsiny manao izay tiany atao eeee.... na sabata lahady na latsinainy, fa Izy ve tsy hilaza ihany raha tena tsy mety amin'Azy izany...
9. RBNIR ( 12/01/2015 16:22)

hery:

Hafa indray RBNIR izany androany.

Rehefa mikasika ny fahafolon-karena izy tsy miteny hoe "Izay nampianarin'i Jesosy Kristy tamin'ireo mpianatra no marina...." sa ve iny resaka bizna? :-p

Hafa ahoana moa namana!,

Raha miteny aho tany amin'ilay fahafolokarena hoe "izay lazain'i Jesosy" na hoe "Hoy Jesosy". Mitovy amin'ny hoe izay nampianarin'i Jesosy ihany ange izany e!

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
10. RBNIR ( 12/01/2015 16:27)
Namana hery,
Tany amin'ny famaranana ilay adihevitra tany aho nilaza hoe:

Hofintiniko angamba namana ny fampianarany,
Noporofoiny araka ny baiboly fa tena sitrapon'Andriamnitra ny fanaovana fahafolon-karena (araka ireo toko sy andininy efa nentiko teto e!).
Dia avy eo dia nampianatra izy (araka ny nampianaran'i Jesosy azy), fa na inona na inona sitrapon'Andriamanitra fantatrao dia mila hatao izany satria miantoka ny fidirana any amin'ny fanjakan'ny lanitra. « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)

Izay no fampianarany namana, dia anjaran'ny tsi11 sisa satria ilay izy hoy aho tsy hisy hangataka ny bulletin de paienao na hitsikilo izay any an-tranonao izany (tsy hisy mihitsy izany) Fa raha tsy manao ianao dia anao sy ny Rainy izay....(tsy mandainga amin'ny olona, fa mandainga amin'ny Fanahin'Andriamanitra toa an'i Ananiasy sy Safira e!).

Izay fa dia samia ho tahin'ny Tompo namana,

Vakio tsara fa misy ao anatin'io teny io hoe araka ny nampianaran'i Jesosy azy (dia misy toko sy andininy mifanaraka amin'izay ilay Mat.7:21
11. RBNIR ( 12/01/2015 16:49)
Fa iverenako kely ny sabata (lohahevitra eto) ry namana isany:
Jesosy v nampianatra marina ny hitandremana ny sabata, ary ireo mpianatra v tena nandray marina tokoa izany fampianaran'i Jesosy izany?
1- « Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. » (Lio. 4:16)

Isaky ny Sabata Jesosy dia any amin'ny sinagoga (fiangonana)

2- « Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo. » (Asa.16:13)

Tonga ny Sabata dia nivoaka ireo mpianatra nitady fitoerana fivavahana (tahaka ilay fanaon'i Jesosy)

3- Tena nitandrina ny andro Sabata marina v ireo mpianatra? « Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty. » (Lio.23:55)
« Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. » (Lio. 23:56)

Ireo vehivavy ireo dia mpanaradia an'i Jeosys tany Galilia ary nahafantatra tsara ny fampianarany sy ny zavatra nataony fony fahavelony (hevero tsara fa tsy possible mihitsy hoe vao maty Jesosy dia indro fa nivadika indray koa izy ireo).

Vakio ato amin'ny bokin'ny Marka anisan'ireo vehivavy ireo Maria Magdalena sy Salome ary Maria renin'i Jakoba ary vakio tsara fa nitsahatra marina izireo rehefa Sabata dia niverina indray rehefa andro voalohany.
Izany hoe notandreman'izireo tsara ny Sabata ry namana isany.

Zava-miafina izany ry namana o! Mahirata ary Mahita ny manana maso rehetra... Izay manan-tsaina aoka hisaina

Samia ho tahin'ny Tompo namana!
12. RBNIR ( 12/01/2015 16:51)
« Ary ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. » (Mar.15:38)
« Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy*, dia nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.[*Na: nahita Azy niantso toy izany, sady afaka ny ainy] » (Mar.15:39)
« Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan'ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba kely sy Josesy, » (Mar.15:40)
« izay nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia, mbamin'ny vehivavy maro koa izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema. » (Mar.15:41)
« Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan'ny Sabata), » (Ma.15:42)
« dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan'ny Synedriona sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin'i Pilato izy ka nangataka ny fatin'i Jesosy. » (Mar.15:43)
« Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia. » (Mar.15:44)
« Ary rehefa nahare tamin'ny kapiteny izy, dia nomeny an'i Josefa ny faty. » (Mar.15:45)
« Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy. » (Ma.15:46)
« Ary Maria Magdalena sy Maria, renin'i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy. » (Mar.15:47)
« Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin'i Jesosy. » (Mar.16:1)
« Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo. » (Mar.16:2)
13. Strong3 ( 19/01/2015 09:07)
Mat 12 ; hoy ireo mpanora-dalana: nandika ny lalana sy ny didy i Jesoa Kristy.
Ahoana ny hevitrao?

_ nanome alalana hanao raharaha amin'ny andro sabata ve i Jesoa sa Izy sy ny mpianatra ihany no afaka nanao izany?

_ raharaha ve ilay nioty sy nikosoka salohim-bary aminao io?

_ Farany: azo ovaina ve ny didy aminao sabatista io??
14. RBNIR ( 19/01/2015 10:18)
Strong3:

Faly misera namana,
« Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana. » (Mat.12:1)

Nanoty..... dia nihinana (raharaha v izany)? mamofy voanjo aho dia mihinana (raharaha v izany)?
Any amin'ny bokin'ny lioka dia izao no voasoratra « Ary tamin'ny Sabata anankiray* dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin'ny tànany, dia nohaniny. » (Lio.6:1)

Efa nozaraiko teo ambony teo fa i Jesosy Tompo dia nampianatra ireo mpianany nitandrindra ny Sabata ary ireo mpianany dia nandray tsara izany fampianarany izany.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
15. RBNIR ( 19/01/2015 11:05)
Na izany aza dia nisy "fanitsiana" (fa tsy fandravana) nentin'i Jesosy ny momba ny fitandremana ny Sabata,
« Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata. » (Mat.12:12)
Talohan'io dia ny manao soa (mitsabo ny marary) avy no tsy nataon'ny olona rehefa Sabata....

Koa dia samia ho tahin'ny Tompo namana!
16. Strong3 ( 19/01/2015 12:55)
Finaritra namana :-)

« Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra. » (Nomery 15:33)

fa inona ilay acte teo ry RBNIR?? __"manangona"
ka inona no mahasamy hafa izany resaka izany sa diso lalitsaina ianao de tsy mahalala ny dikateny?
__ fanitsiana, hono tsy midika hoe fandravana :p
angamba ny vohambolana ampiasaintsika hoe : NOVAINA VE NY DIDY SA TSIA??
MIROA TENY VE NY TSITOHA?? aiza ny fahamarinan'ilay hoe DIDY MANDRAKIZAY nefa rehefa tonga i Jesosy dia nisy ny Mat 5 dia nisy koa ny Mat 12

hanao jeux de mot eto ve isika?? hihihihihih
17. RBNIR ( 19/01/2015 13:01)

kA izany maninona moa raha tsy mihinankanina intsony isaky ny sabata satria raha hitarina na ny maka sotro maka vilia ary ny mihinambary aza tsy tokony atao???
Mahaiza mandray teny e!

Efa nazava B ny tiany ahatongavana Mat.12:12 mety ny manao soa amin'ny andro Sabata.
Samia ho tahin'ny Tompo namana,
18. Strong3 ( 20/01/2015 08:42)
« Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan'andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho an'ny isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i Mosesy. » (Eksodosy 16:22)
« Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina. » (Eksodosy 16:23)
« Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian'i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany. » (Eksodosy 16:24)
« Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha. » (Eksodosy 16:25)
« Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany. » (Eksodosy 16:26)
« Ary nony tamin'ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza. » (Eksodosy 16:27)
« Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko? » (Eksodosy 16:28)
« Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito. » (Eksodosy 16:29)
« Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito. » (Eksodosy 16:30)

RBNIR __ asa na hoe tsy dia mpandalina baiboly isé fa fanatik fotsiny hoe sabata no izy de tsy afaka misokatra?
Za mahita hoe tsy ampy ny verset ananan'isé de izay kely hay no ahiratra. de izaho indray no lazaina fa TSY MAHAY MANDRAY TENY hihihihih!!!!

__ valio mazava tsara za hoe : nanova sa nanintsy sa nanavao ny didy i Jesosy Kristy
__ valio mazava raha azo ovaina na ahintsy na avaozina ny didy
__ valio mazava hoe RAHARAHA VE NY "MANANGONA MANA na SALOHIM-BARY" amin'ny andro sabata??

izaho no nomé ny Mat 12 dia fantatro tsara izay lazain'izy io, MAHAY NOHO NY MPANORA-DALANA VE ISE ka hilaza va tsy nanova na nandika ny didy i Jesosy K?? _ donc sokafo ny fijery dia sokafy koa ny ady hevitra malalaka fa aza terena be fahatany
19. RBNIR ( 20/01/2015 10:31)

Voalohany indrindra aloha dia aoka hazava : Tsy resaka "fampiderana fahaizana sy fahalalana" fa resaka fifampitaizana amin'ny fahamarinana sy ho fanitsianaizay rehetra diso r'ise a!,

Valin'ny fanontanian'ise ary :
1 nanova sa nanitsy ny didy, (Sabata no resaka eto aloha)? « Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy. » (Jao.5:18)
Vakio tsara fa hoy ny teny hoe ny namahana (fa tsy hoe ny nandravana). Nisy zavatra naneritery tao dia novahana fa tsy hoe noravana akory. (anisan'ny "novahana" ilay tsy fanaovan-tsoa amin'ny andro Sabata).

2- Ny voasoratra dia hoe "aza ampianareo" sy hoe aza anesoranareo (Jesosy dia nilaza fa "Tompon'ny Sabata" ny tenany. Izy araka izany no tena mahafantatra tsara izay tokony atao amin'ny fitandremana ny Sabata.
Averiko hatrany "tsy nandrava Izy" , fa nampahafantatra ny olona ny mety atao rehefa Sabata Mat.12:12

3- Raharaha v no nataon'ireo mpianatra? nioty, nikosoka dia nihinana, fanantanterahana ny fihinana no nataony (tsy maintsy otazana aloha avy eo kosehina izay vao azo nohanina), raharaha ve ny mihinam-bary? (sao dia heverinao ho omby ary ry zareo ry namana ka avy dia hihinana ifotiny tsy otazana ary tsy kosehina)???

Fanontaniako an'ise kosa ary?
1- Naninona no nankany amin'ny sinagoga foana i Jesosy isaky ny Sabata?
2- Naninona no nianatra izany koa ireo mpianany ka nitady fitoerana fivavahana ny Sabata?
3- Naninona ireo vehivavy mpanaradia azy ry Maria sy ry Salome sns...no nitandrina tsara ilay
Sabata tamin'ny andro nahafatesan'i Jesosy?

Valiny : JESOSY Tompo tsy nampianatra ny olona handrava ny fitandremana ny Sabata mihitsy

4- Inona avy ireo rehetra nandidian'i Jesosy Tompo ho tandremana rehefa lazain'ny fariseo sy mpanora-dalàna ao anatin'ity teny manaraka ity?
« Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; » (Matio 23:2)
« koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Mat.23:3)

5- Nahoana i Jesosy no niteny hoe tsy tonga aho handrava ny lalàna fa hanantanteraka? « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

6- Nahoana i paoly apostoly no nanamafy an'io tamin'ity teny manaraka ity?« Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Rom.3:31)

7- Nahoana no rehefa nanontany an'i JEsosy ny olona ny amn'ny tokony hatao raha te-hiditra amin'ny fiainana dia ireo didy ao amin'ny didy folo no notanisainy?
« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Mat.19:17)
« Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, » (Mat.19:18)
« Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). » (Mat.19:19)

Ny fampianaran'i Jesosy tsy mifanohitra izany fa isika no tsy mahatakatra ny marina,
Tsy hoe indraindray Izy mampirisika ny olona hitandrina ny lalàna dia indraindray izy mandrava fa ny tena tanjony dia ny hanantanterahan'ny olona ny lalàna sy hampiorenana tsara ilay lalàna.

Averiko hatrany koa fa tsy fampiderana fahaizana na fahalalana akory (izay marihina hatrany fa tsy ahy fa Azy) fa fifampitaizana amin'ny fahamarinana sy ho fanitsiana izay diso fotsiny ihany.
« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)

Azy irery anie ny voninahitra,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
20. Strong3 ( 20/01/2015 11:48)
Tsy mahavaly ny fanotaniako mihitsy fa aolak'isé ilay resako.
efa nasehoko eo ambony io ny Eks 16 sy ny Nomery 15 __

_ ny valiny omen'isé anefa dia ny hoe raharaha ve ny mihinan-kanina?? mdr ...
fifampitaizana ve izany
__ inona no TSY MAMPITOVY NY " manangona MANA SY MIOTY SALOHI-BARY"???
nahoana no rarana ny managona MANA fa ny mioty tsy rarana???

OLOMBELONA NGA ILAY NANDRARA NY FANANGONANA MANA fa i Jesosy no Andriamitra ka afaka nanova ny fomba atao amin'ny sabata(hoy isé tsy nanova fa nanintsy __ mdr)

"hoy ny soratra: ho didy mandrakizay izany" __ hihihi

tsy mampidera fahaizana za fa te hiresaka amin'olona misokatra tsara amin'ity resaka ity. fa makalilo sofina ny maheno olona milaza fa very izay tsy mivavaka amin'ny andro sabata.
Tanteraka amin'ny lalan'ny sabata ve isé io raha izay tokoa??
Valio tsara aloha izaho de omeko fahafahampo isé amin'ireo fanontanian'isé maro ireo.. fa ohatran'ny mihinam-bary ny hamaliako azy.
Fa ny ahy aloha valiana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1842