Sabata

41. RBNIR ( 21/01/2015 11:59)

Strong3:

Fanontaniako an'ise kosa ary?
1- Naninona no nankany amin'ny sinagoga foana i Jesosy isaky ny Sabata?

Valiny: « Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata. » (Lioka 13:10)
« Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata. » (Lioka 13:14)
Asa raha voa arak'isé fa niditra mba HAMPIANATRA NO TENA FOTON-DIAN'I Jesosy?
_ Te hisitona ny sain'isé kely za hoe: hay tena tsy misy marina amin'i sabata na ny mpanora-dalana na na ny mpianatrin'ny Tompo Jesosy
FA NOHAMARININA TAO AMINY IZAY MINO AZY.

RAHA NY LALAN'NY SABATA DIA MAZAVA , na any am-tempoly na mpitoetra anday. Manokana ny sabata na hoe manamasina ny sabata ho fitsaharana tanteraka. Mitsahatra tsy manao raharana fa mivavaka miditra am-tempoly na mitoetra anday.
_ mba ilazao tokoa hoe raha misy verset milaza fa nandeha nivavaka tao amin'ny synagoga i Jesosy???
[« Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. » (Jaona 4:20)
« Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. » (Jaona 4:21)
« Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. » (Jaona 4:22)
« Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] » (Jaona 4:23)
« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)]
__ NANONDRO TOERANA MANOKANA TOKONY HIVAVAHANA VE NY TOMPO JESOSY???

vita sy afapo tsara amin'ity resaka ity isika dia mifindra amin'ny fanotanian'isé faharoa.

Valio daholo aloha ry namana satria izaho namaly ny anao hatramin'ny farany (raha mety)
42. Strong3 ( 21/01/2015 12:55)
dia azo antoka ve fa hisy voarain'isé ilay izy raha alefa be amin'izao?

nga izy io atao kabary tsy valiana ohatran'ny toriteny ? fa mba fifanakalozana no atao eto raha mba vonona amin'izay isé no tena mety :-) ; izay no tena tsara moa izany e

ka ahoana ? afaka hiresaka tsara ve isika?

saingy mety ho sahirana kely aloha eto fa tsy afaka hanoy eto za raha tsy amin'ny tinainy izao , fa fetin'ny toeram-piasana rahampitso de congé za afak'io de any ambany vohitra ny week E ,
nefa tsy misakana izay mety ho tohin'izay resaka eto akory izany. io aloa no masaka raha izay avy amiko no andrasana

Misaotra tompoko! :-) THT isé sy ny mpamaky rehetra
43. RBNIR ( 21/01/2015 13:23)
Strong3:

dia azo antoka ve fa hisy voarain'isé ilay izy raha alefa be amin'izao?

nga izy io atao kabary tsy valiana ohatran'ny toriteny ? fa mba fifanakalozana no atao eto raha mba vonona amin'izay isé no tena mety :-) ; izay no tena tsara moa izany e

Namana, vao ny iray fotsiny ange no novalinao e! mbola misy 6 (sisa)...Aza kivy e, hitady ny marina ange no anton'ny adihevitra e (forum), mbola misy point 6 tsy nohazavainao ireo namana,
Dia miandry izany isika koa.....
44. rouj ( 22/01/2015 09:26)
Maro amitsika no miresaka an'ity Sabata ity nefa tsy mahalala ny tena dikany. Io dia tsy miresaka andro izany na fomba fomba. Varina @ izany daholo isika. Ny Sabata dia midika oe fitsarana: fitsarana @ inona anefa ? Tsy hoe mitsahatra rehefa Asabotsy, Tsia, fa midika oe mitsahatra @ fahotana, misy fandriampahalemana sy fiadanana ao anatin'ny fo. Ka mitsahatra ny tebiteby, ny fanahiana, ny tahotra ny antony satria nandray ny FANAHY MASINA. Ny Sabata amiko dia ny fandraisana ny an'io Fanahy Masina io ka tonga ny fitsaharana. Tandidon'io ny ao @ Testamenta taloha.
45. hafahafa ( 22/01/2015 11:13)

RBNIR:

Strong3:

dia azo antoka ve fa hisy voarain'isé ilay izy raha alefa be amin'izao?

nga izy io atao kabary tsy valiana ohatran'ny toriteny ? fa mba fifanakalozana no atao eto raha mba vonona amin'izay isé no tena mety :-) ; izay no tena tsara moa izany e

Namana, vao ny iray fotsiny ange no novalinao e! mbola misy 6 (sisa)...Aza kivy e, hitady ny marina ange no anton'ny adihevitra e (forum), mbola misy point 6 tsy nohazavainao ireo namana,
Dia miandry izany isika koa.....

Mafinaritra ny fanazavanao namana Strong3 a,
46. RBNIR ( 22/01/2015 17:15)
Faly misera hatrany ry namana isany,
Mandainga v i Jesosy Tompo sa miroaroa teny?
Indraindray Izy mitaona ny olona hitandrina ny didy, dia indraindray ve Izy ihany no mandrava izany?
Tsia satria ny marina dia tokana ihany na tokony tandremana ny didy na tsia.

Isika no tsy mahatakatra (na tsy te hatakatra) ka na dia hita mibaribary aza ny marina (naninona ry Salome sy ry Maria no nitandrina ny Sabata tamin'ny nahafatesan'i Jesosy point faha 3 tsy novalin'ny namana io an?)
Maninona jesosy no mitaona ny olona hitandrina izay rehetra lazain'ny fariseo sy ny mpanora-dalana??? point mbola tsy voavaly daholo izany.....
Dia miandry ny valiteninao re ny olona ry namana strong a!
Aleo hiharihary ny marina e! Aleo hiharihary ny teny toa marina sy ny tena marina.....

47. RBNIR ( 22/01/2015 17:33)
Ny marina dia izao : nitaona ny olona nitandrina ny Sabata i Jesosy fa saingy "namaha" kosa ny teritery Izy: Ny olona dia nihevitra fa na dia ny manasitrana aza tsy tokony atao rehefa Sabata,
Nofehezin'ny Jesosy tamin'ity ny zavatra rehetra (mety ny manao soa amin'ny andro SAbata)
Dikany tsy noravana fa novahana....Porofo, ny tenany, ny mpianany na lahy na vavy dia samy nitandrina ny Sabata avokoa....
48. RBNIR ( 22/01/2015 17:36)
na izany aza afaka mamaly an'ireo point sisa ireo ianao namana strong3 satria tsy misy bedy eto (sady efa nahazo fan "hafahafa" ianao an) miandry anao izy fa mba lazao e
49. RBNIR ( 22/01/2015 21:31)

Strong3:

le hoe mioty sy manangona
asa raha tsy raharaha izany, sa rehefa ohanina eo noho eo dia tsy raharaha? fa rehefa tehirizina vao atao hoe rahraha??

io Eks 16 io dia mazava fa ilay fiarovana ny 7ème jr koa manahirana an'isé be lohatra angamba ka tsy afaka ny hisokatra amin'ny débat isé

Farito aloha ny atao hoe RAHARAHA dia mitohy ny resaka.

ahoana no filazan'ny MPANORA-DALANA AZY AO amin'io Mat 12 io ; tsy hian'isé ve hoe niaiky i Jesosy fa tena nandika ny didy??, = « Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana. » (Matio 12:1)
« Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata. » (Matio 12:2)
« Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, » (Matio 12:3)
« Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? » (Matio 12:4)

ary NAHOANA NO MITADY FAMINDRAM-PO IZY RAHA TSY NANAMPAHADISOANA = « Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo. » (Matio 12:7)
_

Faly misera hatrany namana,

Tsy maninona fa aleo ary hovaliana ianao e (dia mba miangavy "raha mety" valio ireo point 6 sisa namana.....

ary NAHOANA NO MITADY FAMINDRAM-PO IZY RAHA TSY NANAMPAHADISOANA = « Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo. » (Matio 12:7)

Ianao ihany ange no mamaly azy e, any amin'ny faran'io teny io dia hoy Izy hoe "tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo".

Ireo fariseo no nahita tsiny, ianao no nahita tsiny fa Izy nahita fa tsy manan-tsiny (tsy manampahadisoana) ireo.
50. RBNIR ( 22/01/2015 22:19)
Strong3:

Finaritra !

rehefa mampihomehy ahy dia "hihihi" rehefa tena mapné dia "mdr" raha tezitra ka tsy tia ny hanaovako izany ny modo dia afaka maka fanampahan-kevitra izy "hanala na hampitandrina ahy"

RBNIR // hovaliako ihany ny fanotanian'isé saingy izaho no nampetraka voalohany dia omeo fahafahampo za (raha mety :-) ) ; nefa inoako fa raha miresaka malalaka isika dia hovoavaly hoazy eny ny fanontaian'isé
_______________

io valitenin'isé io no andrasako
[navelan'Andriamanitr hisy iny mba entina "hamahana" ny Sabata]

_« Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao. » (Deotoronomia 5:12)
« Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. » (Deotoronomia 5:13)
« Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa. » (Deotoronomia 5:14)
« Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata. » (Deotoronomia 5:15)
« fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo. » (Deotoronomia 5:30)

MAZAVA ETO FA NAMAHA NY SABATA Atra araka ny tenin'i RBNIR! __ Na dia TSY SAHY MITENY MIVANTA aza izy hoe "nanao RAHARAHA NY MPIANATRA Mat 12" (menatra angamba hihihi)__

« Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. » (Eksodosy 31:16)
« [Ny amin'ny fitandremana ny Sabata] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Eksodosy 31:12)
« Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. » (Eksodosy 31:13)
« Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. » (Eksodosy 31:14)
« Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an'i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin'ny andro Sabata dia hatao maty tokoa. » (Eksodosy 31:15)
« Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. » (Eksodosy 31:16)
« Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. » (Eksodosy 31:17)

« [Ny nanavaozan'Andriamanitra ny fanekena] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao; » (Eksodosy 34:1)

FANEKENA MANDRAKIZAY HOY NY "SORATRA MASINA" ETO ___ inona ary amin'isé no mety nampivadika ny hevitr'Atra Tsitoha HAMAHA NA HANOVA NY DIDY ilay hoe "MANDRAKIZAY" ???
HOY Isé : "tsy noravana" ny didy (sabata) fa niova endrika ;
_ 1/ ho lasa symbole fotsiny ve izany ny sabata
_ 2/ sa ho fahatsiarovana ny zava-nisy taloha dia atao araka izay mahampety ny olona [mamaha omby, mioty vary, maka kitay, mampiasa ny jirama, mampiasa jovenna, mandeha bus-mampiasa olona, mandrehatr'afo, manasa lovia sy sotro sy vilany sns...]

__ « Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10)

Amin'isé (nareo); ilay didy voalohany tsy misy fanovana no tandremanareo sa ilay faharoa (raha NOVAHANA TOKOA ILAY IZY) sa ilay VAOVAO???

« Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. » (Jaona 13:34)
« Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy*, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika. [* Na: ry Kyria] » (2 Jaona 5)

MINO NY FANEKENA VAOVAO VE NEFA ALOHA I RBNIR eh??

Dia ho valiana tokoa moa,
1 B di b ange izany zavatra "tsy noteneniko" izany nefa heverin'ny sainao ho noteneniko e (oh fotsiny niteny aho v hoe ho lasa symbole???? Niteny aho ve hoe ho lasa fahatsiarovana???? sns aleo tsy tanisaina fa ny sainao no manao immagination. Te hiteny aho hoe aza mampiteny ahy zavatra tsy nolazaiko ry namana,
Averiko hatrany ary fitiniko Jesosy dia tsy nitaona ny olona handrava ny Sabata fa nitaona ny olona hitandrina ny Sabata. Ny nataon'i Jesosy dia ny "namaha" ireo teritery tamin'ny Sabata ka nahatonga Azy nilaza hoe "Mety ny manao soa amin'ny andro Sabata".
Raha fintinina dia nanoro sy nampianatra ny olona ny fomba fitandremana ny Sabata i Jesosy.

Lazainao fa tsy sahy miteny mivantana aho na raharaha ilay nioty salohimbary na tsia ??? Efa impiry aho izay (avereno vakiana tsara) no nilaza fa tsy nanao raharaha izy ireo fa nihinambary ( raha nihinambary tsy ho toy ny omby mihitsy fa tsy maintsy ongotany aloha (otazany) dia kosehiny ary avy eo haniny. Vakio tsara ny teny (noana ireo mpianany dia ....nihinana).

Amin'isé (nareo); ilay didy voalohany tsy misy fanovana no tandremanareo sa ilay faharoa (raha NOVAHANA TOKOA ILAY IZY) sa ilay VAOVAO???

1 Tsy misy didy voalohany sy faharoa izany eto ry namana a! Ilay didy napetrak'Andriamanitra iny ihany fa saingy tsy hain'ny olona ny nitandrina azy (fa noraisin'ny olona araka izay fahazoany azy fotsiny) dia nasehon'i JEsosy ny tena fomba fitandremana ny Sabata tamin'ny alalan'ny famahana ireo naneritery rehetra.

Sahala amin'izao ilay izy: Andriamanitra miteny hoe tandremo ny SAbatako ary aza manao raharaha akory.
Dia ny fariseo nandray an'izay dia najanony avokoa izay rehetra noheveriny fa "raharaha" toy ny manasitrana amin'ny andro Sabata, ny mihinana salohimbary (izay efa vonona sy azo hanina avy hatrany tsy misy fikarakarana tsy mila handrehetana afo) sns.....

MINO NY FANEKENA VAOVAO VE NEFA ALOHA I RBNIR eh??
Fa mba fantatrao v aloha ny atao hoe FANEKENA VAOVAO ry namana???

2 Dia mbola ianao ihany no mamaly ny fanontanianao TSY MISY DIDY VAOVAO IZANY E (didy efa taloha angeh io fa naveriny fotsiny e), vakio tsara io teny nomenao io
« Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy*, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika. [* Na: ry Kyria] » (2 Jaona 5)

Taloha ange dia efa nampianarin'Andriamanitra hifankatia ny vahoakany e!
Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah (Lev.19:18)

Izay ny amin'iny fa mba valio amin'izay ary ireo point 6 sisa e: (enga anie tsy haharitra B ianao amin'ny congénao (satria tsy congé de maternité ilay izy fa congé kely fotsiny ihany hoy ianao).
51. RBNIR ( 22/01/2015 22:40)

Strong3:

Fanontaniako an'ise kosa ary?
1- Naninona no nankany amin'ny sinagoga foana i Jesosy isaky ny Sabata?

Valiny: « Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata. » (Lioka 13:10)
« Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata. » (Lioka 13:14)
Asa raha voa arak'isé fa niditra mba HAMPIANATRA NO TENA FOTON-DIAN'I Jesosy?
_ Te hisitona ny sain'isé kely za hoe: hay tena tsy misy marina amin'i sabata na ny mpanora-dalana na na ny mpianatrin'ny Tompo Jesosy
FA NOHAMARININA TAO AMINY IZAY MINO AZY.

RAHA NY LALAN'NY SABATA DIA MAZAVA , na any am-tempoly na mpitoetra anday. Manokana ny sabata na hoe manamasina ny sabata ho fitsaharana tanteraka. Mitsahatra tsy manao raharana fa mivavaka miditra am-tempoly na mitoetra anday.
_ mba ilazao tokoa hoe raha misy verset milaza fa nandeha nivavaka tao amin'ny synagoga i Jesosy???
[« Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. » (Jaona 4:20)
« Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. » (Jaona 4:21)
« Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. » (Jaona 4:22)
« Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] » (Jaona 4:23)
« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)]
__ NANONDRO TOERANA MANOKANA TOKONY HIVAVAHANA VE NY TOMPO JESOSY???

vita sy afapo tsara amin'ity resaka ity isika dia mifindra amin'ny fanotanian'isé faharoa.

Marina fa anisan'ny nandehanan'i Jesosy tany amin'ny sinagoga tokoa ny fampianarana ny olona saingy ny baiboly dia manambara fa hoe tena fitandremana ny Sabata ilay mankany amin'ny sinagoga

Ity teny ity no tena notanterahan'i Jesosy Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. (Lev.23:3)

Isaky ny andro Sabata dia notakian'Andriamanitra ny fanaovana "fivoriana masina".
Tamin'ny andron'i Jesosy dia tany amin'ny sinagoga no nanantanterahan'ny olona an'io (zavatra izay notazomina mandraka ankehitriny)

Izay ilay izy ry namana, efa tapitra voavaly angamba izireo fa mba angatahiko kosa "raha mety" ny hamalianao amin'izay ny point 6 farany...

Voninahitra anie ho Azy irery ihany izay niverina indray nampianatra ny zava-miafina rehetra mba hampahazava tsara ny fisainan'ny tsi11.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo...
52. RBNIR ( 22/01/2015 23:04)
Lev.23:1-3
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy:
Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany.
Io teny io koa no nahatonga ireo mpianatry ny Tompo (point faha 2 tsy mbola voavaly) hitady fitoerana fivavahana tamin'ny andro Sabata....
Noho ilay didy fitandremana ny andro Sabata daholo izany rehetra izany e....

Fampianarana tsy misy kilema izany nampianarin'i Jesosy fahiny, nianaran'ireo apostoly sy ireo mpianatra fahiny ary dia averin'i Jesosy ampianarina indray kosa ankehitriny.....
53. rouj ( 23/01/2015 07:07)
Io resaka didy folo sy lalan'i Mosesy io koa tena mandiso hevitra olona maro mihitsy. JESOSY no Tompon'ny Teny rehetra ao @ Baiboly. Ka manana fahefana hamaha sy hanidy izay teny efa nolazainy IZY. JESOSY ihany koa tsy olombelona ka hoe hiroaroa teny izany fa marina @ teniny rehetra IZY.
Fantaro fa ny dikan'ny hoe Didy na lalàna dia hadika @ teny tokana hoe tenin'Andriamanitra rehetra izy. Raha hitandrina didy ianao dia ny tenin"Andriamanitra rehetra no tandremo na izay voasoratra na izay ré (toriteny). Sahiko ny miteny aminao fa tsy misy na iza na iza nahatandrina ny lalan'i Mosesy raha ara-nofo fotsiny no hitandremana azy. Eo no antony tsy maintsy handraisan'ny olona ny FANAHY MASINA mba ho olona ara-panahy izy. Ka rehefa feno ny Fanahy Masina ny olona dia voasoratra ao am-pony ny tenin'Andriamanitra rehetra. Voatandrina automatique ny didy rehetra satria manana ny fahamasinana ao am-pony izy ka lasa makahala faharatsiana.

RBNIR:

Faly misera hatrany ry namana isany,
Mandainga v i Jesosy Tompo sa miroaroa teny?
Indraindray Izy mitaona ny olona hitandrina ny didy, dia indraindray ve Izy ihany no mandrava izany?
Tsia satria ny marina dia tokana ihany na tokony tandremana ny didy na tsia.

Isika no tsy mahatakatra (na tsy te hatakatra) ka na dia hita mibaribary aza ny marina (naninona ry Salome sy ry Maria no nitandrina ny Sabata tamin'ny nahafatesan'i Jesosy point faha 3 tsy novalin'ny namana io an?)
Maninona jesosy no mitaona ny olona hitandrina izay rehetra lazain'ny fariseo sy ny mpanora-dalana??? point mbola tsy voavaly daholo izany.....
Dia miandry ny valiteninao re ny olona ry namana strong a!
Aleo hiharihary ny marina e! Aleo hiharihary ny teny toa marina sy ny tena marina.....

54. RBNIR ( 23/01/2015 07:17)
rouj:

Io resaka didy folo sy lalan'i Mosesy io koa tena mandiso hevitra olona maro mihitsy. JESOSY no Tompon'ny Teny rehetra ao @ Baiboly. Ka manana fahefana hamaha sy hanidy izay teny efa nolazainy IZY. JESOSY ihany koa tsy olombelona ka hoe hiroaroa teny izany fa marina @ teniny rehetra IZY.
Fantaro fa ny dikan'ny hoe Didy na lalàna dia hadika @ teny tokana hoe tenin'Andriamanitra rehetra izy. Raha hitandrina didy ianao dia ny tenin"Andriamanitra rehetra no tandremo na izay voasoratra na izay ré (toriteny). Sahiko ny miteny aminao fa tsy misy na iza na iza nahatandrina ny lalan'i Mosesy raha ara-nofo fotsiny no hitandremana azy. Eo no antony tsy maintsy handraisan'ny olona ny FANAHY MASINA mba ho olona ara-panahy izy. Ka rehefa feno ny Fanahy Masina ny olona dia voasoratra ao am-pony ny tenin'Andriamanitra rehetra. Voatandrina automatique ny didy rehetra satria manana ny fahamasinana ao am-pony izy ka lasa makahala faharatsiana.

Marina izany ary dia naverin'i Jesosy nampianarina izany ry namana, « Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro . » (Zak.4:6)

Ny fanontaniana mipetraka sisa dia hoe iza avy ary ireo didy mbola tena takiany ny fitandremana azy amin'izao fanekena vaovao izao?
Eto dia mihezaka ny manaporofo isika fa ny Sabata tena mbola anisany satria izay no nataon'ny Tompo sy ireo mpianatra fahiny namana....

Satria misy dia misy tokoa ny didy efa nofoanany (tahaka ireo lalàna ateraky ny fandikan-dalàna ohatra, misy ihany koa ny didy izay efa tanterany teo amin'ny hazo fijaliana tahaka ireo lalam-pisoronana maro).

Fa saingy misy dia misy ny didy mbola tsy maintsy tandreman'ny olon'Andriamanitra (eto izao ohatra dia ny fitandremana ny Sabata)...

Samia ho tahin'ny Tompo e!

55. hafahafa ( 23/01/2015 07:58)

RBNIR:

na izany aza afaka mamaly an'ireo point sisa ireo ianao namana strong3 satria tsy misy bedy eto (sady efa nahazo fan "hafahafa" ianao an) miandry anao izy fa mba lazao e

Za aloha tsy miangatra tsy oe iza no tiko na iza no tsy tiko ry namana fa ny fanazavany namana Strong3 itako miavaka kely.
56. RBNIR ( 23/01/2015 08:09)
hafahafa:

Na izany aza mahaiza manavaka ny "teny toa marina" sy ny teny tena marina ry namana....
Teny toa marina = mahavery amin'ny afobe,
Teny tena marina = mahavonjy any amin'ny fiainana mandrakizay.
Fitiavana no anton'izany...
Iandrasantsika ny fiverenan'ny namantsika avy amin'ny congé dia enga anie mba hamaly ireo point 6 sisa izy dia hazava ny resake e!

Samia ho tahin'ny Tompo namana

Samia ho tahin'ny Tompo namana
57. hafahafa ( 23/01/2015 10:32)

Tsis afaka ilaza mihitsy eto oe izaho no marina satria:
Efa voasoratra fa izy iany no lalana sy fahamarinana ary fianana mandrakizay ka aminy alalany iany no iakarana makany aminy Ray.
Tsy vitany craky ny olombelona ny mandinika ny SM fa mila ny FM hanazava zany.
Aza mataotra fa efa fatatro fa bobaka ny manao PUB satria efa voasoratra ny fitarihandiso sy fampianarandiso aminy andro farany.
Ny fanehoankevitra sy fampianarana ny anareo eto dia toy ny ......Ny mamy atelina ny mangidy ariana.
58. RBNIR ( 24/01/2015 03:51)
Faly misera namana hafahafa,

Marina ny voalazanao fa Izy irery ihany no marina.

Saingy tsy ilay olona mitory ange no tokony hodinihina raha marina na tsia e!
Ilay teny toriany no tokony hodinihina tsara sao "teny toa marina" fa tsy "teny tena marina".

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
59. hafahafa ( 24/01/2015 08:23)

RBNIR:

Faly misera namana hafahafa,

Marina ny voalazanao fa Izy irery ihany no marina.

Saingy tsy ilay olona mitory ange no tokony hodinihina raha marina na tsia e!
Ilay teny toriany no tokony hodinihina tsara sao "teny toa marina" fa tsy "teny tena marina".

Samia ho tahin'ny Tompo namana,

Ny fanehoankevitra sy fampianarana ny anareo eto dia toy ny ......Ny mamy atelina ny mangidy ariana.
Tsy hitany namana RIBNR ngah io:
Otrany marina iany le teniny namana Strong fa misy zavatra tsy hitanao a!
hi3
Fanehoankevitra ve =olona
Fampianarana ve=olona
60. RBNIR ( 24/01/2015 17:15)

Faly misera namana,
Ka tsy marina v ny nolazaiko???

Otran'ny marina hoy ianao = teny toa marina.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2692