Sabata

21. RBNIR ( 20/01/2015 11:53)
Strong3:

Tsy mahavaly ny fanotaniako mihitsy fa aolak'isé ilay resako.
efa nasehoko eo ambony io ny Eks 16 sy ny Nomery 15 __

_ ny valiny omen'isé anefa dia ny hoe raharaha ve ny mihinan-kanina?? mdr ...
fifampitaizana ve izany
__ inona no TSY MAMPITOVY NY " manangona MANA SY MIOTY SALOHI-BARY"???
nahoana no rarana ny managona MANA fa ny mioty tsy rarana???

OLOMBELONA NGA ILAY NANDRARA NY FANANGONANA MANA fa i Jesosy no Andriamitra ka afaka nanova ny fomba atao amin'ny sabata(hoy isé tsy nanova fa nanintsy __ mdr)

"hoy ny soratra: ho didy mandrakizay izany" __ hihihi

tsy mampidera fahaizana za fa te hiresaka amin'olona misokatra tsara amin'ity resaka ity. fa makalilo sofina ny maheno olona milaza fa very izay tsy mivavaka amin'ny andro sabata.
Tanteraka amin'ny lalan'ny sabata ve isé io raha izay tokoa??
Valio tsara aloha izaho de omeko fahafahampo isé amin'ireo fanontanian'isé maro ireo.. fa ohatran'ny mihinam-bary ny hamaliako azy.
Fa ny ahy aloha valiana.

Ary izaho namaly ny fanontanian'ise tsi11 (nisy 3 izy ireo fa ise na 1 aza otran'ny tsy namaly ny ahy????
Mety tsy araka ny fanirian'ise ny valiteny fa izay ilay marina tsy voatery hitovy amin'ny eritreritr'ise.

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
22. Strong3 ( 20/01/2015 12:09)
hihihi (miala tsiny raha toa ka manafitohana ilay fitarihako azy fa Izy ity izany tena ny marina ara baiboly no tadiavina fa tsy ny hoe marina amiko na marina amin'isé...)

ka ilay famaritana ny atao hoe RAHARAHA aza tsy voavaly mihitsy kou... toa arirarira.

ny manao fandalinana ange mba mila alaina ts11 fa tsy mitsambikibikina eh!

SA HAKA garabola hanotaniana hoe inona no atao hoe raharaha hihihi

aza tezi-dresaka aloha isé fa mba fahazarana manao débat ny ahy eh
MIantso ireo tena vonona hitady ny marina fa tsy fanatik fotsiny sy miaro ny doctrine misy ao amin'ny fiangonany fotsiny .
23. RBNIR ( 20/01/2015 12:14)

Strong3:

hihihi (miala tsiny raha toa ka manafitohana ilay fitarihako azy fa Izy ity izany tena ny marina ara baiboly no tadiavina fa tsy ny hoe marina amiko na marina amin'isé...)

ka ilay famaritana ny atao hoe RAHARAHA aza tsy voavaly mihitsy kou... toa arirarira.

ny manao fandalinana ange mba mila alaina ts11 fa tsy mitsambikibikina eh!

SA HAKA garabola hanotaniana hoe inona no atao hoe raharaha hihihi

aza tezi-dresaka aloha isé fa mba fahazarana manao débat ny ahy eh
MIantso ireo tena vonona hitady ny marina fa tsy fanatik fotsiny sy miaro ny doctrine misy ao amin'ny fiangonany fotsiny .

Tsy tezitra mihitsy aho ka, f'angah moa tokony hahatezitra ny teny lazain'ise???
Ka mba ezaho valina ary hoe ireo fanontaniako raha mety e?

Samia ho tahin'ny Tompo namana
24. RBNIR ( 20/01/2015 12:18)
Nanao raharaha v ireo mpianatra sa tsia?
Inona ny zavatra nataony? Nihinambary (tsy afaka nihinana izy raha tsy nioty aloha ary nikosoko)
Noho izany tsy nanao raharaha izy akory fa nihinana fotsiny ihany)
Option 1 tsy manaiky ianao dia tsotra tokony nihinana ifotiny toy ny omby izy izany (amin'izay tsy mioty sy tsy mikosoka)
Dia tsarao amin'izay ilay izy e, raharaha marina v eto ilay hoe nioty sy nikosoka?
Izay ilay izy ary e... Raha mbola tsy mazava dia tsy hitako intsony....
25. Strong3 ( 20/01/2015 12:36)
hihihi __ dia mahagaga ahy izany

fa ilay manangona sy mioty izany tena samihafa mihitsy
_ nga koa moa ilay mana tsy faka hoe nalaina tamin'ny andro sabata de nakarina any ambava fotsiny?

sa inona no nahasaropiaro an'Andriamanitra tsy namela azy ireo hangona fa nampahatezitra azy izay nanao izany tamin'io fotoana io?

26. Strong3 ( 20/01/2015 12:45)
le hoe mioty sy manangona
asa raha tsy raharaha izany, sa rehefa ohanina eo noho eo dia tsy raharaha? fa rehefa tehirizina vao atao hoe rahraha??

io Eks 16 io dia mazava fa ilay fiarovana ny 7ème jr koa manahirana an'isé be lohatra angamba ka tsy afaka ny hisokatra amin'ny débat isé

Farito aloha ny atao hoe RAHARAHA dia mitohy ny resaka.

ahoana no filazan'ny MPANORA-DALANA AZY AO amin'io Mat 12 io ; tsy hian'isé ve hoe niaiky i Jesosy fa tena nandika ny didy??, = « Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana. » (Matio 12:1)
« Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata. » (Matio 12:2)
« Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, » (Matio 12:3)
« Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? » (Matio 12:4)

ary NAHOANA NO MITADY FAMINDRAM-PO IZY RAHA TSY NANAMPAHADISOANA = « Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo. » (Matio 12:7)

__
27. Strong3 ( 20/01/2015 12:50)
alefaso lavitra ilay débat fa aza limiténa araka izay filana mahaolona sy réligion fotsiny namana ah! :-)
28. RBNIR ( 20/01/2015 13:00)

Strong3:

hihihi __ dia mahagaga ahy izany

fa ilay manangona sy mioty izany tena samihafa mihitsy
_ nga koa moa ilay mana tsy faka hoe nalaina tamin'ny andro sabata de nakarina any ambava fotsiny?

sa inona no nahasaropiaro an'Andriamanitra tsy namela azy ireo hangona fa nampahatezitra azy izay nanao izany tamin'io fotoana io?




Mba valio hoy aho ireo fanontaniako raha mety e,

29. bor2lais ( 20/01/2015 15:51)
voalaza teo:

RBNIR __ asa na hoe tsy dia mpandalina baiboly isé fa fanatik fotsiny hoe sabata no izy de tsy afaka misokatra?

:-)
30. RBNIR ( 20/01/2015 16:55)

Strong3:

alefaso lavitra ilay débat fa aza limiténa araka izay filana mahaolona sy réligion fotsiny namana ah! :-)

Ilay izy efa misokatra fa ianao no tsy mamaly ireo fanontaniana napetrako e??

31. RBNIR ( 20/01/2015 16:56)
Tsy valianao mihitsy namana strong3 ny fanontaniako dia ianao ihany no militer azy amin'ny resaka mana sy salohim-bary fa tsy izaho a,
Valio ny fanontaniko dia misokatra ilay hadihevitra,
32. RBNIR ( 20/01/2015 17:24)
ahitana raha ity serasera ity bor2lais = strong3 :-)
33. RBNIR ( 20/01/2015 17:26)
dia vakiana fotsiny fa dia tena fanahy iray ihany no ao anatin'izy roalahy ireo :
bor2lais ity no betsaka :-) i strong3 raha tsy hihihih dia mdr
34. bor2lais ( 20/01/2015 17:52)
RBNIR:

ahitana raha ity serasera ity

:-) :-)
35. RBNIR ( 20/01/2015 17:54)
tsy misy tezitra ny bor2lais sy strong3 an! entreparenthèse kely iny :-)
Strong3 valio aho raha tianao hivelatra ny resan-tsika, hamitinako ny salohimbary dia ity, navelan'Andriamanitr hisy iny mba entina "hamahana" ny Sabata (mety ny manao soa amin'ny andro Sabata fa tsy hoe tsy mety araka ny filazan'ny fariseo akory....
Izany anefa tsy midika tanteraka fa hoe noravaina tanteraka ny fitandremana ny sabata satria ireo mpianatry ny Tompo dia tena nitandrina tsara ny Sabata namana....
36. Strong3 ( 21/01/2015 09:35)
Finaritra !

rehefa mampihomehy ahy dia "hihihi" rehefa tena mapné dia "mdr" raha tezitra ka tsy tia ny hanaovako izany ny modo dia afaka maka fanampahan-kevitra izy "hanala na hampitandrina ahy"

RBNIR // hovaliako ihany ny fanotanian'isé saingy izaho no nampetraka voalohany dia omeo fahafahampo za (raha mety :-) ) ; nefa inoako fa raha miresaka malalaka isika dia hovoavaly hoazy eny ny fanontaian'isé
_______________

io valitenin'isé io no andrasako
[navelan'Andriamanitr hisy iny mba entina "hamahana" ny Sabata]

_« Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao. » (Deotoronomia 5:12)
« Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. » (Deotoronomia 5:13)
« Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa. » (Deotoronomia 5:14)
« Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata. » (Deotoronomia 5:15)
« fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo. » (Deotoronomia 5:30)

MAZAVA ETO FA NAMAHA NY SABATA Atra araka ny tenin'i RBNIR! __ Na dia TSY SAHY MITENY MIVANTA aza izy hoe "nanao RAHARAHA NY MPIANATRA Mat 12" (menatra angamba hihihi)__

« Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. » (Eksodosy 31:16)
« [Ny amin'ny fitandremana ny Sabata] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Eksodosy 31:12)
« Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. » (Eksodosy 31:13)
« Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. » (Eksodosy 31:14)
« Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an'i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin'ny andro Sabata dia hatao maty tokoa. » (Eksodosy 31:15)
« Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. » (Eksodosy 31:16)
« Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. » (Eksodosy 31:17)

« [Ny nanavaozan'Andriamanitra ny fanekena] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao; » (Eksodosy 34:1)

FANEKENA MANDRAKIZAY HOY NY "SORATRA MASINA" ETO ___ inona ary amin'isé no mety nampivadika ny hevitr'Atra Tsitoha HAMAHA NA HANOVA NY DIDY ilay hoe "MANDRAKIZAY" ???
HOY Isé : "tsy noravana" ny didy (sabata) fa niova endrika ;
_ 1/ ho lasa symbole fotsiny ve izany ny sabata
_ 2/ sa ho fahatsiarovana ny zava-nisy taloha dia atao araka izay mahampety ny olona [mamaha omby, mioty vary, maka kitay, mampiasa ny jirama, mampiasa jovenna, mandeha bus-mampiasa olona, mandrehatr'afo, manasa lovia sy sotro sy vilany sns...]

__ « Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10)

Amin'isé (nareo); ilay didy voalohany tsy misy fanovana no tandremanareo sa ilay faharoa (raha NOVAHANA TOKOA ILAY IZY) sa ilay VAOVAO???

« Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. » (Jaona 13:34)
« Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy*, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika. [* Na: ry Kyria] » (2 Jaona 5)

MINO NY FANEKENA VAOVAO VE NEFA ALOHA I RBNIR eh??
37. RBNIR ( 21/01/2015 10:05)
Namana strong3 mampahatsiahy ahy tenin'ny Jesosy izao ataonao izao?
Rehefa nanontanian'ny olon izy, dia mba nanontany koa? tsy sahy namaly ny olona dia hoy izy hoe izaho koa tsy hilaza aminareo....
Ka dia izao namana, rehefa tsy hamaly ahy point par point ianao satria efa novaliako point par point, dia izaho koa tsy mba hamaly intsony.....
Samia ho tahin'ny Tompo namana
38. RBNIR ( 21/01/2015 10:22)
Namana Strong3 avereno vakiana fa fanontanian 3 no napetrakao ary ny nomeko valiny avokoa izy 3. (tsy nahafapo anao v?) tsy tokony hatao ho olana satria izaho koa ngeh tsy dia manantena valiny mahafapo avy aminao loatra amin'ireo fanontaniana 7 napetrako e.
Ny angatahako fotsiny efa novaliko ianao dia mba valio aho e!

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
39. Strong3 ( 21/01/2015 10:50)
Ok! hitako fa tsy sahy namaly ahy mifantana isé ... fa efa voaraiko fa tehilaza hoe "namaha sy nanova ary nanintsy" isé fa tsy sahy miteny mivantana koa hoe "raharaha ilay mioty"

__ hamaly an'isé amin'izay za hatreto
40. Strong3 ( 21/01/2015 11:22)
Fanontaniako an'ise kosa ary?
1- Naninona no nankany amin'ny sinagoga foana i Jesosy isaky ny Sabata?

Valiny: « Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata. » (Lioka 13:10)
« Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata. » (Lioka 13:14)
Asa raha voa arak'isé fa niditra mba HAMPIANATRA NO TENA FOTON-DIAN'I Jesosy?
_ Te hisitona ny sain'isé kely za hoe: hay tena tsy misy marina amin'i sabata na ny mpanora-dalana na na ny mpianatrin'ny Tompo Jesosy
FA NOHAMARININA TAO AMINY IZAY MINO AZY.

RAHA NY LALAN'NY SABATA DIA MAZAVA , na any am-tempoly na mpitoetra anday. Manokana ny sabata na hoe manamasina ny sabata ho fitsaharana tanteraka. Mitsahatra tsy manao raharana fa mivavaka miditra am-tempoly na mitoetra anday.
_ mba ilazao tokoa hoe raha misy verset milaza fa nandeha nivavaka tao amin'ny synagoga i Jesosy???
[« Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. » (Jaona 4:20)
« Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. » (Jaona 4:21)
« Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. » (Jaona 4:22)
« Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] » (Jaona 4:23)
« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)]
__ NANONDRO TOERANA MANOKANA TOKONY HIVAVAHANA VE NY TOMPO JESOSY???

vita sy afapo tsara amin'ity resaka ity isika dia mifindra amin'ny fanotanian'isé faharoa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0855