Ny fiarahamonina ato

1. ds ( 31/03/2008 23:08)
Betsaka ny fitarainana voaraiko aty ambadika mangingina aty noho ny zava-mitranga eto tato ho ato. Matoa isika tafavory maro ato, dia satria resy lahatra fa ato angamba no tsara. Somary mibolisatra kely anefa ny sasany amintsika indraindray ka miteraka fanafintohina ho an'ny hafa.
Malalaka ny fanehoan-kevitra eto saingy ny fahalalahan'ny tena, dia tsy tokony hanitsaka ny fahalalahan'ny hafa.
Ny fifanajana no zava-dehibe indrindra. Mandia tany anefa ka mety ho solafaka, mandika fitsipika. Izany no hilana mpandrindra, hampihatra ny fitsipika mba hampirindra ny fiarahana. Raha misy tsy mety koa ny fitondrantenanay mpandrindra, dia aza misalasala manitsy anay.
Tsy misy ny tonga lafatra fa ezaka no atao. Hinoako fa samy te hanana ny tsara isika koa samia mahay mifanaja.
Ny disadisa sy ny adiady madinidinika avelao any ivelany fa aza hitarina eto.
Raha diso hevitra na solafaka mahaiza miaiky fa ny heloka ibabohana mody rariny. Raha tojo fanafintohina na manana ny rariny, mahaiza mandefitra fa ny rariny itompoana mody heloka.
novalian'i kiadi ny 10/04/2008 20:42
2. cutie ( 31/03/2008 23:56)
Ny disadisa sy ny adiady madinidinika avelao any ivelany fa aza hitarina eto.
Raha diso hevitra na solafaka mahaiza miaiky fa ny heloka ibabohana mody rariny. Raha tojo fanafintohina na manana ny rariny, mahaiza mandefitra fa ny rariny itompoana mody heloka.

amen
3. ikaretsaka ( 01/04/2008 00:07)
izay indrindra:
Ny filozofiako amin'io dia tsotra ihany
-aza atao voalohany @ hafa (na anaty na ivelan'ny serasera) ny zavatra sy ny toetra rehefa tsy tianao sy tsy tantinao ary atahoranao fa ho mafy kokoa noho iny ny ho fiantraikany raha ataonn'ny hafa aminao... (ny gasy mino ilay hoe "ny atao no miverina")
amiko io no fototry ny rehetra.
ary ny fandikana an'io nefa tsy fahatantesana ny vokany no matetika iatombohan'ny gidra ato tato ho ato izay

-Ny zavatra rehetra ataonao dia ianao no rensponsable an'iny, ka aza involvena amin'apa ny olona, ary rehefa no involvenao izy dia efa sitraponao koa izay dia mahatantesa ny reaction-ny

-Fehiny: aza manao ny tsy eran'ny aina!


rehefa miady hevitra:

- Tokony ho tadidiana lalandava fa ny arguments no mifampi dinika fa tsy ny olona, io dia mbola tsy haintsika malagasy loatra matetika.

-Rehefa manana ny hevitrao sy ny points-anao ianao mombana raha sujet anankiray, dia iny aseho. dia inviteo ny olona tsy d'accord amin'iny points iny hamoaka ny arguments-ny tsy maha d'accord azy @ iny, dia mitadiava arguments hi backevanao ny hevitrao

-rehefa tonga eo amin'ilay point ka tsy manank'alahatra intsony dia aza menatra ny manao heo Ok ary, na mihaiky, na izay iznay na azafady ! maka saina dia diniho iny, dia raha mbola manana dia avoahay!

Izay fotsiny ny ethics dia milamina!
4. ikaretsaka ( 01/04/2008 00:13)
ny momban'ny fiekena heloka sy ny fandeferana:
amiko rehefa misy problem dia tsy ny mitsoaka an'iny problem iny na ny mody fanakonakonana amin'ny mody heo eny ary e...alamino e.. (nefa tsy milamina akory ny vahaolana). fa ny fi solvevana ilay foton'iny probleme iny hatrany an-dreniny mihitsy!

tsy misy vahaolana ohatran'ny confrotation raha resaka disadisa!
5. cutie ( 01/04/2008 00:15)
ze mangina volamena :)
6. ikaretsaka ( 01/04/2008 00:17)
ie..de ho atsoniky ny olonba eo foana fa ataovy..
ny vatolampy hono rehefa tsy miteny de hangeren'ny vorona
7. cutie ( 01/04/2008 00:20)
=)) =)) =)) =)) =)) =))
ka raha ady @ tsy ahitam-bokany ve
refa haiko za fa manana ny rariny , in ny rarahiako ze mbola vavan'ny oul any , de aleoko mangina :)
8. cutie ( 01/04/2008 00:20)
sady eto @ serasera no resahina zany fa nga any ivelany. :-D :-D :-D :-D
9. ikaretsaka ( 01/04/2008 00:23)
de tsy hiboaka mihitsy ny rariny hanananao
10. ikaretsaka ( 01/04/2008 00:25)
ahoana ny ahalalan'ny olona fa manana rariny ianao nefa tsary ampisehonao?
zavatra ambany noho izany aza ry cutie ampiseho ko..
raha manana sipa ianao ohatra..ahoana ny ahalalana fa manana sipa ianao??? well show it to everyone!
c'mon think real!
11. cutie ( 01/04/2008 00:26)
ka le oul iadiavana aza efa fantatry ny be sy ny maro fa diso koa, de in koa no mbola hitaritana azy eo ihany, sady efa hay be fa izy aza tsy hifona sy tsy hilaza ny antony nanaovany an'reny rehetra reny,de tsy hitako ze mbola hamoahana eo ihany we manana ny rariny enao :-D
. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 01-04-2008 02:23:17
Lohateny : Re : Ny fiarahamonina ato
de tsy hiboaka mihitsy ny rariny hanananao

efa nipoitra ny rariny raha @ le dinika ary, fa ny mpanisy sira sisa no te ho role ao :-D :-D :-D :-D
12. cutie ( 01/04/2008 00:28)
. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 01-04-2008 02:25:28
Lohateny : Re : Ny fiarahamonina ato
ahoana ny ahalalan'ny olona fa manana rariny ianao nefa tsary ampisehonao?
zavatra ambany noho izany aza ry cutie ampiseho ko..
raha manana sipa ianao ohatra..ahoana ny ahalalana fa manana sipa ianao??? well show it to everyone!
c'mon think real!

efa hitan'ny be sy ny bobaka io e
fa nga tsy oul 1 moa no resahina eto:)
13. cutie ( 01/04/2008 00:32)
mahaiza mandefitra fa ny rariny itompoana mody heloka.
14. Papoose ( 01/04/2008 02:10)
hay v olona ray no tiana horesahana eto e!
15. ikaretsaka ( 01/04/2008 03:46)
ka le oul iadiavana aza efa fantatry ny be sy ny maro fa diso koa, de in koa no mbola hitaritana azy eo ihany, sady efa hay be fa izy aza tsy hifona sy tsy hilaza ny antony nanaovany an'reny rehetra reny


eny tokoa hoa
kay ve natokana hoe ho an' olona 1 specific le izy ity e?
nohevariko hoe mahasahana antsika mianakavy le izy hoe na olona iza na iza!

fa anyways mahakasika antsika rehetra ny remark nataoko io fa tsy nataoko ho an'olona 1
16. sasa ( 01/04/2008 04:35)
dia samia mandinintena izany isika rehetra mpisera raha izany no izy!
17. naritsimba ( 01/04/2008 04:43)
Miarahaba antsika mpinamana rehetra ato @ serasera.
Misy tokoa ato anatin'ity sehatra ity ny tsy manan-katao afa-tsy ny hanafintohina ny hafa, ao ihany koa ny mitady ny mahasoa azy.
Isika rehetra izany dia mikatsaka zavatra ho antsika izay hitantsika fa mety amintsika matoa tonga ato.
Na dia tsy Kristiana daholo aza ny mititra ato dia inoako kosa fa mino ny fisian'ilay ANdrimanitra nahary tongotra aman-tanana azy ny tsirairay.
Noho izany dia tadidio ilay fitenintsika Malagasy manao hoe: Ny lalana no tsy asian-dratsy ny mbola hiverenana, ary ilay manao hoe: NY FANAHY NO MAHA OLONA.
Ho an'ny tompon'andraikitra dia aoka handray ny andraikiny fa izay no maha tompon'andraikitra azy.
Misaotra ny tsirairay.
18. Rasiligaoma ( 01/04/2008 04:53)
izay mihitsy e
ary tadidio fa isan'ny tsy nampandroso antsika ny fanakonakonana ny marina tsy mivoaka io sy io tsy fiekena ny hadisoana io.
Tamin'ny Faha-mpanjaka izany dia tsy namelana mihitsy fa nisy ny tangena sy ny sisa hamahana io olana mitranga io sy mba hananarana ny olona hilaza ny marina sy ny olana misy eo amin'ny fiaraha-monina , fa taty aoriana moa dia lasa "fomba malagasy" safiotra ity afenimpenina ity!
19. xxx ( 01/04/2008 05:21)
Mba ampiharo ary ilay hoe: izay mangina volamena e! sa atao fomba fiteny fotsiny? :D
20. Rasiligaoma ( 01/04/2008 05:38)
vola omena fa ny volamena mora empoina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.139