Taranak'andevo

1. hery ( 20/03/2008 11:11)
Tsy hoe hi-polemika aho fa rehefa dinihina dia resaka fahateren-tsaina sy fahalalahan-tsaina ny tsy fanekena na fanekena ilay resaka hoe taranak'andevo.

Fantatsika rehetra tsara fa NISY (indrisy) ny sarangan'olona tao Imerina, dia ry zareo andriana, ry zareo hova ary ry zareo andevo. Tantara efa nisy io ary tsy azo hodiana fanina.

Ny taranak'ireo, raha tsy hoe niakatra na nidina saranga, dia mijanona ho taranak'andriana sy tarana-kova ary taranak'andevo.

Amin'izao fotoana izao, efa tsy misy intsony ny atao hoe andriana sy ny hova ary ny andevo. Ary tsy misy fahasamihafany ara-tsaranga intsony eo amin'ny taranak'andriana sy ny tarana-kova ary taranak'andevo. Misy taranak'andevo lasa DG-n'ny orinasa izay iasan'ny taranak'andriana, misy taranak'andevo kolonely amin'ny tafika ary taranak'andriana kaporaly sns...

Izany hoe efa anarana sisa ilay maha-taranaka fa tsy manasokajy intsony. Lasa identité sisa fa tsy statut intsony.

Koa maninona ny taranak'andriana no mbola mizesta hoe taranak'andriana, ary ny taranak'andevo no mbola malahelo hoe taranak'andevo?

Izay no ilazako hoe toa resaka fahateren-tsaina ihany ilay izy. Angamba any aoriana any mba hisy ihany ny taranak'andevo hijoro amin'ny maha taranak'andevo azy. Tahaka ireo mainty hoditra any Amerika manao hoe "Big, Black, and Beautiful"

2. andryrabe ( 20/03/2008 11:27)
fa mnbola betsaka ngeh ny mstyle am taranakandriana e,de betsaka koa ny menatra fa taranakandevo , rehefa tsy asiana sira io tsy misy olana. ny taranaka hoava moa tsy sahy miseho eo fa mitsingilahila hatramzay ka hatramzao.
sa ahoana??
3. yonikafopl ( 20/03/2008 11:36)
Ny olana amzao fotoana izao dia ny fitsarana ivelany.
Betsaka ny mihevitra fa raha mainty sy ngita volo de andevo, de ny mazavaloko, malama volo de andriana. Tena diso nefa izay fomba fisainana izay.
Noho izany araka ny hevitro, ataoko fa raha olona tsy iray tanana aminao, tsy fantatrao ny tantarany, tsy azonao tonga dia andevondevozina satria ngita na mainty. Na andrianina satria fotsy sy malama.

Misy ny faritra sy toerana any Dago mbola manjaka ilay andriana andriana io an.
4. kiadi ( 20/03/2008 12:06)
amiko aloha de tantara ratsy t@ tantaran'ny merina ireny!
nisy ny fanandevozana!nisy ny fanavakavahana!
@ zao fotoana zao de marina fa resaka fihavina sisa kanefa kosa mbola misy ny fanavakavahana!
ny taranak'andevo ve manavakavaka?
raha dinihina @ saina tsy miangatra de iza no tena manavaka amizao?
ary maninona moa no oe malahelo ireo taranak'andevo?
satria @ zao fotoana andro tsika zao de fanopana sy fanambaniana ny miteny oe andevo olona!
raha vô misy zavatra tsy mety kely de oe "asan'andevo sns" !
enao ve ry hery raha maheno aty ampita aty vazah miteny oe "asa gasy"refa misy asa tsy mety de tsy halahelo ve enao?
de izay ko no manjoa ny taranak'andevo ! malahelo ry zareo satria bola misy ny fanambaniana sy fanaratsiana nefa zareo efa tsy andevo tsony fa gasy hotran'ny gasy retra zao ihany !
5. Mandefitra ( 20/03/2008 12:21)
sady ratsy faneno be le hoe andevo sy andriana e.
Raha taranaka no resahina, maninona ra ny RAR nipoirana no tononina ...
oh zahay taranak Andrianampoinimerana, na taranak' i Rakotomanga de vita ...
6. patrick2002 ( 20/03/2008 13:02)
amiko dia efa voavaly tery ambony ny valiny ,mifangaro ny identité sy ny statut ,
Ny hoe taranaka dia tokony hijanona ho identité ary tsy azo ialana ,izany ,ary rariny raha miteny an'izany .
Raha hitarina ho statut kosa ilay izy dia tsy rariny intsony amin'izao fotoana izao ,
Eo ilay mahatonga ny fifanolanana matetika satria misy olona milaza ho taranaka Andrina ,dia midika izany ,fa tokony izy no handidy sy hanapaka ,ary miteny ny afa hoe taranaka Andevo dia tsy maintsy olona ambany ary tokony handray baiko foana izay ilay tsy mamely.
7. simplex ( 20/03/2008 13:03)

Le manambony tena tsy koi loatra fa wain wazy eo ihany refa tsisy atokona fa le manaiky ambaniana no mampalahelo.

Tokony asiana association na ONG miaro ny hasin'ny taranak'andevo ve? :)

8. kelly13 ( 20/03/2008 13:04)
averiko le nolazaiko tary ananona tary : ho inn ny andrina ra tsy teo ny andevo t@ reny fotoana ireny? mba valio azafady
9. simplex ( 20/03/2008 13:09)

kelly,

mety tsy nanana choix ngambany izy t@ zany ka :)

Izay efa ananany @ zao fotoana izao. Ka izay no tokony tsy hieritreretany intsony fa ambany noho ny sasany izy. Samy olon'afaka :P
10. patrick2002 ( 20/03/2008 13:15)
amiko aloha de tantara ratsy t@ tantaran'ny merina ireny!
nisy ny fanandevozana!nisy ny fanavakavahana!


Tsy hitako aloha izay naharatsy an'ireny tamin'izany fotoana izany , samy nanana ny responsabilité ny ,ireo saranga telo nisy ireo tamin'izany ,ny andevo ,manao ny asa fampandrosoana ,miasa tany ,mamokatra ,Ny hova mivarotra manao taozavatra ,ary mandoa hetra ,Ny andrina ,mikarakara ny fandriam-pahalemana ,manao izay hahavoky ny vahoaka mba tsy ho maty mosary .
Mitovy amin'izao fotoana izao ihany fa saingy afa ny fomba fiteny azy ,ao ny mpitondra fanjakana ,ao ny mpanao profession liberal ,ary ao ny tantsaha mpamokatra ,samy manana ny andraikiny ireo saranga telo ireo ,ary mifanaja tsara.
11. patrick2002 ( 20/03/2008 13:21)
Tokony asiana association na ONG miaro ny hasin'ny taranak'andevo ve?


Efa misy izany Association izany ,fa tsy tadidiko ny anarany .
Ary misy ny taranak'andevo mijoro aminy maha taranak'andevo azy dia ny Famille Ralibera ,misy any mompera Remi Ralibera ,sy ny ralahiny avy izany ,ireo dia mijoro amin'izany ,ary hisaorako azy .
12. kiadi ( 20/03/2008 13:33)
hoy patrique2002
Tsy hitako aloha izay naharatsy an'ireny tamin'izany fotoana izany , samy nanana ny responsabilité ny ,ireo saranga telo nisy ireo tamin'izany ,ny andevo ,manao ny asa fampandrosoana ,miasa tany ,mamokatra ,Ny hova mivarotra manao taozavatra ,ary mandoa hetra ,Ny andrina ,mikarakara ny fandriam-pahalemana ,manao izay hahavoky ny vahoaka mba tsy ho maty mosary .
Mitovy amin'izao fotoana izao ihany fa saingy afa ny fomba fiteny azy ,ao ny mpitondra fanjakana ,ao ny mpanao profession liberal ,ary ao ny tantsaha mpamokatra ,samy manana ny andraikiny ireo saranga telo ireo ,ary mifanaja tsara.


jereo tsara fa nisy asa fanandevoizana! andevo=esclave
ny vazah aza niaiky ny adisoina t@ fanandevoizana nataony tany amerika de manina enao milaza fa diso ny zavatra lazaiko?
nanana ny "responsabilité" marina araka ny filazanao ve ny andevo tamizany? diso enao! nobaikona iz ary tsy nanana zo,azo namidy,sns.... midika zany fa tsisy manana "responsabilité" ry zareo fa noterena anao io asa lazainao io!

13. patrick2002 ( 20/03/2008 13:46)
ka ny tany amerika tsy mitovy ny tany madagasikara ,ny tany amerika nofitahina ny mainty hoe handao ianareo raha handeha hoany la mecque fa misy sambo hitondra anareo ao( musulman no finoana narahany afrikana tandrefana tamin'izany )tonga tao dia noentina nankany amerika dia narina ny coran ,ary nokaravasina nandeha niasa teny @ champs de coton .
Ny tao madagasikara tsy izay nomena choix ny andevo ,na miasa dia mihinana sakafo ,na tsy miasa dia maty ny hanoanana, ny babo an'ady nomena choix ihany koa na vonoana ho faty na ,miasa dia mihinana sakafo ohatry ny andevo .
14. booboo ( 20/03/2008 13:48)
Lamim-piaraha-monina t@ zany fotoana zany ny fisian'ireo saranga 3 ireo.
Nony tonga ny mpanjanaka dia niova tsy lamim-piaraha-monina tsony lé izy fa niova ho dominé/dominant. Dia zay angamba no mampisafoaka ny be sy ny bobaka vao miresaka andevo sy andriana io, sady niova ihany koa ny vanim-potoana dia miova araka zay ny fomba fijery angamba....

15. fahamarinana ( 20/03/2008 13:57)
:arrow:Mitovy hevitra amin'ny booboo za eto :efa vanin'andro hafa zao dia tsy tsara ve ny miova amin'izay e.
Ankehitriny ny mampiavaka ny tsi11 dia ny fahendrena izay ananany ka mahalasa olom-banona sy mahate ho tia azy na ny contraire ndray dia ny fahakelezan'ny lohany ka lasa olona mpanambany sy mpanavakavaka fa tsy ny fiaviana sns no mitondra .Misy tsara sy ratsy na inona fiavianao na inona .Hevitro moa zay.(l)
16. kiadi ( 20/03/2008 14:04)
patrick2002:

ka ny tany amerika tsy mitovy ny tany madagasikara ,ny tany amerika nofitahina ny mainty hoe handao ianareo raha handeha hoany la mecque fa misy sambo hitondra anareo ao( musulman no finoana narahany afrikana tandrefana tamin'izany )tonga tao dia noentina nankany amerika dia narina ny coran ,ary nokaravasina nandeha niasa teny @ champs de coton .
Ny tao madagasikara tsy izay nomena choix ny andevo ,na miasa dia mihinana sakafo ,na tsy miasa dia maty ny hanoanana, ny babo an'ady nomena choix ihany koa na vonoana ho faty na ,miasa dia mihinana sakafo ohatry ny andevo .


efa asa anterivozina zany!tsy manana ny responsabilité_ny izy zany !
17. naughtyboy ( 20/03/2008 14:34)
ra ny tantarany andevo sy andrina no zohina defa nisy elabe(t@ androny egyptian sns..,ekena daoly ny voalaza fa ny tsy ampy de ty,rafimpitondrana nentina ampandroso ny toekarena ny firenena na reo olombitsy nitazona fahefana izy io
Ny tsy de lazainy oul matetika de ty ny fotsy hoditra ko de nisy andevo na tsy maro toy ny mainty aza ra amerika no lazaina zay nandroso toko taonjato maro zay t@ io varotra mamoafady io de betsaka eo zaza sy oul lehibe teto eropa (angletera..)naondrana sy nalaina ankeriny hanao asa anterivozona zavamisy io voarakitra aratantara talohany nisokafany varotra andevo hafa tany africa,india,sns..
18. mmmhh ( 20/03/2008 14:56)
Ny taranaka andevo tsy menatra rah tsy eo ny andriana mbola miseho @ maha-Andriana azy;
taloha izany;

Fa ny tena mandreraka be an'ah reny mijery filazana manjo ireny,"Nantsoin'i Ray hody any Aminy ny andriana RA..." f'angà moa mbola misy ihany zany na de efa any an-danitra ary? f'angà tsy efa voasoratra hoe iray ihany isika ao @ Tompo? tsisy intsony na andevo na tsy andevo,....
19. penina ( 20/03/2008 15:52)
raha mahay izy, naninona no maty? :-D
20. penina ( 20/03/2008 15:59)
O ry ireto ah.
Tsy haiko na tsy izaho no tsy naharaka ny tantara fa toa tsy izany no nisian'ny fandevozana tany Madagasikara.
Toa ny sakalava no nangalatra olona voaloha ho amidy amin'ny anglisy. Izany hoe ny anglisy no nanome hevitra momba ny fanandevozana voaloha tao Madagasikara.
Taty aoriana anefa dia nisy ny ady ary resin'ny merina ny sakalava. Ary lasa ny merina indray no nivarotra an-dry zareo tamin'ny anglisy.
Dia iny nitombo iny moa ny fanjakana merina. Dia nianatra ny nampianarin'ny vazaha azy momba ny fanandevozana. Dia iny lasa andriana-hova-andevo iny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2402