manjono
1. xxx
(
06/01/2004 19:36)
ao anatin'ny kolon-tsaina ve sa lalao ny manjono...manjono sens rehetra io an!
novalian'i pitchou ny 09/02/2004 16:00
2. hery
(
10/01/2004 09:28)
Manjono sens rehetra?
Kolotsaina, Lalao, Finoana (mpanarato olona), Politika (manjono Kil), Fitiavana (Mikôty sipa)...
Izany eo ihany fa ny tena andrandraina ato anatin'ity Lohahevitra ity dia ny dinika momba izay atao hoe kolotsaina izay. Izany hoe ireo fomba malagasy izay mampiavaka azy amin'ny hafa.

novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/hery ny 10/01/2004 21:28
4. mampikanto
(
12/01/2004 12:25)
Tena sehatra tsara tokoa ity satria maro ny kolotsaina sy ny soatoavina maha-malagasy tsy hain'ny taranaka aty aoriana ka nahoana moa raha hofoazina amin'izay izy ireny e! Dia mba mifampita hevitra eto izay mahafantatra e! Dia efa misaotra an'ireo izay efa vonona ny hilaza sahady e! Mankasitraka tompoko ô!
6. kally
(
15/01/2004 12:51)
Ikaretsaka angaha tia hira gasy?
Dia iza no tarika tian'Ikaretsaka?
Dia iza no tarika tian'Ikaretsaka?
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/kally ny 16/01/2004 00:51
7. sambatra73
(
15/01/2004 13:16)
Odray, toa efa novaliko tatsy amin'ny resaka kilalao taloha izyty nefa toa ato no tokony idirany.
Resaka ankamantatra io, tena anisan'ny haren'ny kolotsaina malagasy mitsiny.
Resaka ankamantatra io, tena anisan'ny haren'ny kolotsaina malagasy mitsiny.
8. ikaretsaka
(
15/01/2004 19:44)
Oadray.. nyanahy rehefa mozika mirindra sy misy tonony lafatra dia enoiko aby ry kally an...
9. kally
(
16/01/2004 12:38)
Hors-sujet be ery isika sy Ikaretsaka izany angamba fa toa resaka jono ity hay!
Manjono aloha fialam-boly angamba e!ny fomba fisehony no kolo-tsaina,misy manjono amin'ny fintana bararata sy kankana,misy manjono amin'ny trondro...miovaova araky ny faritra ka io faha-saamihafany io no manome ny kolotsaina.

novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/kally ny 17/01/2004 00:38
10. ikaretsaka
(
17/01/2004 09:29)
azo raisina ho kolontsaina koa io fiovaovany araka ny faritra misy azy io an
11. xxx
(
20/01/2004 15:39)
dia ahoana reny manjono ririnina tsy mahazo reny? tsy mihinana hono ny trondro
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/xxx ny 21/01/2004 03:39
12. kally
(
20/01/2004 15:50)
Ka rehefa manjono izy dia izay f'angaha kolo-tsaina ny fahazoanao trondro na tsia?
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/kally ny 21/01/2004 03:50
13. ikaretsaka
(
21/01/2004 17:14)
ny karazana fomba fanjonoina koa ange mety atao kolontsaina ry kally e... ny sasany mampiasa haranjono bararata, (na ny sakafo atao @ lelampintana aza samihafa oh kankana e, lalitra e.. vary masaka e) ny an'ny sasany harato , ny sasany manihika...
Ny sasany manarato olona
Karazana jono sy kolontsaina aby izany!
Ny sasany manarato olona
Karazana jono sy kolontsaina aby izany!
14. hendry
(
21/01/2004 15:01)
Ny an´i dadanay manjono isan´alahady fialam-boliny.
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/hendry ny 22/01/2004 03:01
17. kally
(
21/01/2004 19:13)
Ikaretsaka koa ve izay voalazko etsy ambony t@16/01 ihany ange izany lazainao izany e!
Ikaretsaka angaha tsy manjono?Sa tsy mety mahazo?sa mpanjonno voajono?
Ikaretsaka angaha tsy manjono?Sa tsy mety mahazo?sa mpanjonno voajono?
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/kally ny 22/01/2004 07:13
19. shadow
(
22/01/2004 10:32)
Za manjono fa sady handrato koa
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/shadow ny 22/01/2004 22:32
20. hendry
(
22/01/2004 11:43)
ikaretsaka> mahazo izy ndraindray, kankana no ampiasainy, rehefa tsisy kankana dia mofo. Fa rehefa tsy mahazo trondro izy dia milongolongo be miditra ny trano. Mahay manjono zavatra hafa koa izy saingy tsy lazaiko
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/hendry ny 22/01/2004 23:43