manjono

41. fijo ( 05/02/2004 16:36)
marina izany.satria izy ireo mahalala kokoa ny any aminy.
42. pitchou ( 06/02/2004 12:31)
ie! fa rehefa tena tafaresaka @ tompon-tany ianao ka mahafantatra tsara ny antony dia afaka mifampiraharaha ka! d mety ihany!
43. ikaretsaka ( 07/02/2004 10:41)
dia misy ve aminareo mba mafalala ny tena anton'ilay heo tsy tia merina, fady kisoa sns sns.. ankoatran'ny hoe maha finoana sy fombantany azy? ohatran'io fanazavan'i kally momban'ny lakana io ohatra?
44. pitchou ( 09/02/2004 16:00)
ny fantatro aloha dia ny any @ tapany avaratry ny nosy. t@ fotoana nanafihan'ny tafiky Radama tany dia nandositra niafina hatrany anaty lava-batoi ny olona. ny tratra aloha d mazavaa ho azy fa novonoina tsy nisy indrafo, ny hafa kosa matin'ny hanoanana na maty sempotra rehefa niakatra ny rano. izay no antony tsy nitiavan-drizareo merina. misy toerana sasany nolazain-drizareo hoe tena fady merina. any @ireny toerana ireny dia tena mbola miaina @ fomba antakarana sy sakalava madiodio mihitsy ny olona.
fady kisoa ny any satria tsy mbola nahita an'izany rizareo ny fahafantarako azy, ary koa noho ny lafiny ara-pomban-drazana izay tsy nisy toerana ho an'ireny biby ireny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1321