manjono

21. ikaretsaka ( 22/01/2004 13:00)
sao miady @ mamanareo eo izy raha variana manjono zavatra hafa fa mba lazao ihany... LOL
Sia aiza izy no manjono (trondro) ry kally? ..sao sendra rano iray ihany
22. kally ( 24/01/2004 20:48)
Any akaikin'i Tampoketsa any indraindray moa any Ampefy indraindray!lol
23. ikaretsaka ( 24/01/2004 15:25)
ary akazobe heo fa tsy Tampoketsa izany.... maimbo ny trondro raha any atampoketsa kosa e
24. ikaretsaka ( 24/01/2004 13:27)
avy any ve no entina miakatra sur tana... ko tsy fofontrodro fotsiny ao anaty fiara?
25. kally ( 25/01/2004 11:41)
Ny trondro vao angaha dia mahery fofona ry Ikaretsaka a?
26. ikaretsaka ( 25/01/2004 14:02)
mamofona ihany kooo
27. kally ( 26/01/2004 09:47)
hay??dia ohatry ny ahoana?
28. ikaretsaka ( 26/01/2004 13:56)
ohatran'ny fofontrondro ko... tadiavinao ohatran'ny fofon'inona indray?
29. fijo ( 28/01/2004 11:43)
hoatran'ny fofona tapoketsa tsy nahita rano.
30. hendry ( 29/01/2004 13:01)
iny ndray no tsy hitako
31. fijo ( 30/01/2004 09:28)
aza mody fanina e.
32. ikaretsaka ( 30/01/2004 14:58)
fa angah amisy renirano any antampoketsa ry fijo?
33. ikaretsaka ( 30/01/2004 14:59)
fa angah amisy renirano any antampoketsa ry fijo?
34. pitchou ( 31/01/2004 18:09)
lasa indray ireto! i fijo tsy laitra bedesina an! efa hoe resaka kolotsaina! NNNNNNNNNNNNNA!
betsaka tokoa ny kolotsaina mikasika ny jono, indrindra ny jono an-dranomasina, misy fombafombany ohatra ny vhv tsy mahazo mijery lambondriaka (fa izaho sady efa nijery no efa nihinana), sahala @ asa tany dia misy koa ny andro fady! fa ny tena mahavariana d ny fahaizan-drizareo mamantatra hoe etsy izao no azahoana trondro!
35. pitchou ( 31/01/2004 18:11)
any Mananjary, eny @ plage no fanamaivanana ny tena, fa eny koa no manjono irony vily irony, sakafo tena mafilotra any! fa tsy azo atao ny mahandro vily eny amoron-dranomasina
36. ikaretsaka ( 02/02/2004 10:57)
fa maninona hono ry Pitchou no hoe tsy mahazo mahandro eo amorondranomasina?
37. ikaretsaka ( 02/02/2004 10:58)
fa maninona hono ry Pitchou no hoe tsy mahazo mahandro eo amorondranomasina?
38. pitchou ( 02/02/2004 09:04)
mampandrositra ny vily angamba moa? tsy tadidiko tsara!

misy zavtra iray koa ity, mbola any @ faritra atsimo atsinanana ihany: misy karazan-kazo izay, d ireo ihany no azo anaovana lakana, ary ny lakana d tsy azo asiana fanary (balancier)! tsy azoko tsara hoe fa nahoana t@ voalohany fa nisy projet izay natao hanampiana ny mpanjono tany. d lakana planche vita @ hazo hafa no nomena d ny sasany nisy balancier. Tsy nety nandray ny tena tompon-tany ary nandrara ny vahiny koa tsy ampiasa. Tsy hita moa fa ny mpila ravinahitra mafy loha!!! fa nisy ny maty! ny antony kay d satria tsotra: mifoka rano ny akamaroan'ny hazo, d miha-mavesatra; fa ireo hazo fampiasa nenti-paharazana kosa sady maivana no tsy mifoka rano firy, ka raha mivadika any anaty rano (satria any manonja ihany ny ranomasina an!) d olona iray ihany d mahatafarina azy, ary tsy milentika mihitsy fa mitsingevana. ary raha misy balancier ilay izy d mazava ho azy fa tsy ho voavadika mihitsy raha sanatria mivadika! izay ilay hoe araho ihany ny fombatany e!
39. ikaretsaka ( 03/02/2004 11:15)
ary ahoan aindray ny amin'ilay toerana hoe tsy azo anaovana an'izao sy izao ireny? ilay hoe misy farihimbazimba e.. farihy tsy azo itondran-kankana e.. rano tsy tia merina e.. sns?
40. xxx ( 04/02/2004 12:43)
tena marina ireny, ny fanafodiny dia ny manaraka zay tenen´ny tompon-tany ihany raha tsy te hahita loza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3257